Tandremo ny fialana andraikitra!!!

61. ikaretsaka ( 20/03/2007 01:30)
laza> ka tsy maintsy misy mitsara ange lo hoe ity mahay sy tsy mahay....
zay vao afaka mananatra e!
sa?
62. LazaDaddy ( 20/03/2007 01:33)
ikaretsaka> izany ve ny voasoratra ao ry ikaretsaka? :) Toa tsy izany mantsy ny hitako ao fa sao kosa lahy dia manitatra ianao?
63. cutie ( 20/03/2007 01:46)
fa in no voasoratra ao ?:)
64. LazaDaddy ( 20/03/2007 01:59)
cutie:
fa in no voasoratra ao ?:)
andana vakio :wink:
65. cutie ( 20/03/2007 02:03)
za tsy manana baiboly koa :lol:
66. xxx ( 20/03/2007 02:56)
cutie> ito misy : www.baiboly.org
67. ikaretsaka ( 20/03/2007 02:57)
LD> ka iza no hanarina ary raha tsy jerena aloha hoe ity mahay de ity tsy mahay
68. LazaDaddy ( 20/03/2007 03:51)
ikaretsaka> tena mivoana be mihitsy anie izany resak'ise izany e! Fananarana ny voaresaka ao, ary TSY misy resaka "fahaizana" ao na kely monja aza :)
69. ikaretsaka ( 20/03/2007 05:30)
LD> lozika hoa fa tsy borne.. ahoana nyy hianarana sy hananarana raha tsy misy hoe ity ny mpampianatra de ity no ampianarina? ..

donc misy mahay--->mpampianatra
misy tsy mahay--->ilay ampianarina.

ohatran'ny hoe dadabean'ialahy sy ialahy..
mananatra an'ialahy izy... ialahy ilay tsy mahay eo ...! normale be eo satria ny antitra antitra ihany (raha tsy hoe antitra noho i dadabean'ialahy ialahy )

fa @ ity cas eto ity mbola sarotra satria mbola mila fantarina hoe iza no tokony hananatra satria mitovitovy ilay fahaizana!
70. LazaDaddy ( 20/03/2007 05:37)
=)) aza mora tezitra an! Samihafa tanteraka ny mananatra sy mampianatra. Ary vakio aloha ilay voasoratra ao @ Ezekiela dia ho hitanao hoe iza no tokony hanarina:)
71. ikaretsaka ( 20/03/2007 11:20)
ka eto nge samihafa be le context e.... sao anao hatran'i ezekiela mananatra an'i jeremia io na piera mananatra an'i paoly ko..
olona mitovy faomezam-pahasoavana ve no tadiavina ifananatra?
ny fomba fampiarahana ilay izy no samihafa
72. prime ( 20/03/2007 11:38)
Dia mahagaga e... mitovy tokoa kay amin'ny olona ny atao hoe mananatra sy mampianatra... izay anie ilay olana amin'ilay tsy mamaky baiboly tsara fa ny ambagovangony sy ny hevi-dehibe fotsiny no raisina e...
ikaretsaka:
Prime>"ny andraikitry ny tsirairay eo amin'ny lafiny fananarana ny namana sy ny fahavalo manoloana ny famonjen'i Kristy" ekena fa
samy manana ny azy, samy manana ny fombany, fa tsy hoe mety amin'ny 1 tsy voatery mety amin'ny hafa...
tsy misy conventions io na rules tsy maintsy arahana hoe tsy maintsy zao ilay andraikitra fa samy mahatsapa ny azy any anatiny any, ary tsy ny fitenenana sy ny fitoriana @ ny namana no fanafodin'io fa miainga ao aminao aloha..
... Ekena fa samy manana ny azy fa tsy izany ny lohahevitra fa hoe ahoana no fijerin'ny tsiraray dia samy mizara ny azy...

Milaza ianao izao hoe miainga amin'ny tena io... dia izay anie no tsara lazainao dia raha mety koa aza velabelarinao hoe ahoana moa izay andraikitra miainga amin'ny tena izay eo amin'ny lafin'ny fananarana?... dia mandeha tsara ny resaka...

LD> Raha ny fahitako azy dia hoe manana andraikitra amin'ny olona hafa rehetra ankoatry ny tenany ny mpino eo amin'ny lafiny famonjena ny hafa (amin'ny alalan'ny fananarana) satria mbola hadinina amin'izany izy raha variana eo amin'izy tenany... hatreo aloha...
73. cutie ( 20/03/2007 12:04)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 20-03-2007 03:56:56
Lohateny : Re : Tandremo ny fialana andraikitra!!!
cutie> ito misy : baiboly.org

hitako le izy ry xxx a :lol::lol::lol::lol:
74. ikaretsaka ( 20/03/2007 12:29)
Raha ny fahitako azy dia hoe manana andraikitra amin'ny olona hafa rehetra ankoatry ny tenany ny mpino eo amin'ny lafiny famonjena ny hafa (amin'ny alalan'ny fananarana) satria mbola hadinina amin'izany izy raha variana eo amin'izy tenany... hatreo aloha...


1)io ange samy manaiky aby hoe manana andraikitra e.. fa tsy io amiko no hampi "worry " hoe tsy nananatra mihitsy aho androany de matahotra na nahanatra 200 aho androany de faly be! manoatra noho ilay inona moa ilay fiangonana 1 iry le mizara boky eraky ny tanana iry?

2)Ilay fananarana koa mbola tantara be, satria
azo faritana ihany hoe fananarana ilay izy...
azo faritana koa hoe publicite an'ilay"fiangonana"

3)le Fomba fananarana ko samy manana ny azy, io efa nasiantsika resaka lavabe teto .. io ilay hoe "mpitari-bato vilambava e, miara mihosona @ mpanota e..., misy ilay mijoro tsara ery ambony ery dia manao hoe eeeeeee miala tao aby, ny sasany le miara miosona ao aloha.

fehiny eny, samy manana ny andraikiny isika rehetra , tsisy miala andraikitra (eny na ny tsy mpino aza, mandeha natoraly koa io), fa samy manana ny "fomba famitany ny adidiny" avy.

fa amiko koa raha miteny olona hoe vitanao ve ny adidinao nefa ny anao sy ny konsiansinao aza tsy milamina. hafahafa ihany!
75. cutie ( 20/03/2007 12:30)
namaste :lol::lol::lol::lol::lol:
76. ikaretsaka ( 20/03/2007 14:34)
io ilay voalazan-dra rush atsy raha nanao fanamarihana kely izy (Nalaiko manontolo letsy rush fa azafady an ):

Hoy i prime:
Ary ianao mba ahoana?...

de hoy i lery:
manana komplexe de superiorité be loatra ianao raprime aaa!fantaro nefa fa tsy ianao irery no mahafantatra sy mahay mamaky e!tsy ny maha-laïka na mpiandry anao akory dia hoe ianao irery hiany na izay zavatra lazainao dia marina avokoa!mila mandinin-tena fa tsy mety izao e!

77. prime ( 23/03/2007 14:28)
ikaretsaka> (Dia averiko eto fa tsy maninona...):-D:-D:-D Raha misy olona miaina tsotra, miresaka tsotra, miasa tsotra, mizara araka izay kely hainy (satria famonjena fanahy no tanjona raha resaka finoana sy fivavahana)... ka misy miteny hoe ary ianao toa manana "complexes de supériorité" na koa hoe "ianao toa miseho ho...", dia te-hanontany aho hoe ilay olona no manana complexes de supériorité sa ilay mitsara azy no mety manana complexes d'infériorité?:lol::-D:-D... izay anie ilay hoe aza maika ny hitsara e... mora ny mitsara fa ny tena sarotra dia ny mamantatra ny momba ny tena...

ikaretsaka> Marihiko kely etoana na dia tsy eto aza ilay sujet, fa ny nahatonga ahy niteny hoe "ary ianao mba ahoana?" satria feno fitsaratsaràna ilay voalazan'i rush... dia efa novaliako soamantsara hoe izaho no tsy mamaky baiboly noho ireto antony ireto fa tsy ny tsy mpino akory (dia efa voalazako rahateo no mahatonga ahy tsy mamaky baiboly indraindray)... dia lazain'i rush indray hoe "misy doute ianao" dia nekeko satria anisan'ny fahalemena izany fa dia tsara izany mba hanidinihan-tena... fa rehefa voalazako ny momba ahy dia naveriko aminy ny fanontaniana hoe "ary ianao mba ahoana? (inona no antony tsy hamakianao baiboly?):lol::-D:-D:-D

ikaretsaka> Rehefa mamaky izay lazain'ny hafa dia mba vakio tsara na diniho tsara izay voambara dia aleo manontany hoe inona marina no tianao lazaina ny amin'ny hoe... toy izay mandika vilana toy izao...:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0818