Maka sopapa ao amin'ny baiboly

1. lapino ( 13/03/2007 16:24)
Fa maninona ?

Heveriko fa tsara, raha ankinina amin'ny andinin-tsoratra masina mifandray aminy ny fihevitra manoloana zavatra iray. Ny antony dia satria noho izay voasoratra ao ihany.
II Timoty.3:16-17:
16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.

Mba tsy hibahanan-toerana be loatra anefa, dia izay mifandraika mivantana amin'ilay izy ihany no soratana eto amin'ny forum. Omena koa ny reference mba hahafahan'ny tsirairay mamaky azy mivantana ao amin'ny baiboly, hahitana tsara ny contexte an'ilay soratra, ny fizotran'ny tantara sns ... Amporisihana hatrany ny hamakiana baiboly. Misy online maimaimpoana http://baiboly.org

Izany akory tsy mametra antsika ho amin'izay voasoratra ihany, raha manana ny Fanahy Masina
Galatiana 5:18:
Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

Saingy hoe, rehefa tsy taritin'ny Fanahy, dia aleo miankina amin'izay soratra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Ary ny fitarihan'ny Fanahy koa tsy hifanohitra velively amin'izay voasoratra. (tsy tokony hifanohitra mihitsy koa ny "baibolista" sy tsy "baibolista" araka ny filazanareo azy)

Nahatsiaro voakasika manko aho amin'ilay fanamarihan'i Ika atsy amin'ny resaka kardinaly atsy, satria za miezaka hatrany hitanisa andalana ao anaty baiboly :
karazan'ilay olona ato mpitsimpona andalana ao anaty baiboly ihany io de ze mahaliana no raisina e...
:)
novalian'i prime ny 23/03/2007 11:06
2. ikaretsaka ( 13/03/2007 16:40)
lapino> raha voatsipona tsara ilay izy sy fantatra ny antony hitsimponana azy sy ny fandehan'ilay tantara rehetra manodidina ilay andalana dia ie..

fa raha tsipotsiponina fahatany sy mbola tapatapahana arak'izay "metimety" aminao fotsiny (fa tsy izy manontolo) mba hanamarinana hevitra 1 sy interpretena fiheverana 1 dia tsy mety
3. xxx ( 13/03/2007 17:27)
Lapino> marina io..

Ireo izay milaza fa tsy lafatra sy tsy tenin'Andriamanitra daholo ny Soratra Masina no tena tenen' Ikaretsaka amin'io.. satria ireny ilay mijery izay mifanaraka amin'ny sainy fotsiny.. fa tsy mandray ny Soratra Masina iray manontolo ho avy amin'Andrimannitra, fa tsy avy amin'olona.







4. ikaretsaka ( 13/03/2007 17:37)
XXX (efa hay hoe ia:wink:) fanamarihana kely ny ahy tsy hoe tsy tenin'andriamanitra daholo fa hoe tsy io ihany no tenin'andriamanitra
5. simplex ( 13/03/2007 17:46)

lap,
tsetsatsetsa tsy aritra, tsy hoe manakihana ny voalazan'la akory za ary ekeko mintsy hoe "resources" ny baiboly, fa zany hoe scientifiqment incorrecte aloha le mi-prouver zavatra avy ao anatiny ihany an. Mifarana @ hoe 0=0 le porofo ny farany :roll:

Ny tiako lazaina hoe ra @ olona athee na kou hoe tsy mi-se baser @ baiboly (musulman na hindu,...)toi d efa tsy miady io. Hoe "ilaina ny baiboly satria hoy ny baiboly"8). Voa intrinseq be le izy d otran'ny tsy mety fa otran'ny hoe raharaham-pianakaviana.

;-)
6. pissoa ( 13/03/2007 18:13)
simplex:


lap,
tsetsatsetsa tsy aritra, tsy hoe manakihana ny voalazan'la akory za ary ekeko mintsy hoe "resources" ny baiboly, fa zany hoe scientifiqment incorrecte aloha le mi-prouver zavatra avy ao anatiny ihany an. Mifarana @ hoe 0=0 le porofo ny farany :roll:

Ny tiako lazaina hoe ra @ olona athee na kou hoe tsy mi-se baser @ baiboly (musulman na hindu,...)toi d efa tsy miady io. Hoe "ilaina ny baiboly satria hoy ny baiboly"8). Voa intrinseq be le izy d otran'ny tsy mety fa otran'ny hoe raharaham-pianakaviana.

;-)

ie :-D:-D:-D
7. naughtyboy ( 13/03/2007 20:45)
ra alaina sary antsaina zany de ohatrany mpitondra
fiara 1,ka ny baiboly no atao amaritana ireo lalana mifehy ny fifamoivoizana(fiainana)
-ireo mahalala reo lalana(mpanaraka na tsia)
-ireo mahalala fa ampahany no sady tsy te handalina
-ireo tsy mahalala ny fisiany lalana io fa zay lahatry ny sainy no arahiny
ny tombotsoany mpanaraka lalana de misy mpiantoka n'aiza2 alehany lifetime & after life insurance ary ra misy manontany oe aiza ny Polisy @ zany de feno eraky ny lalana ,ny tenantsika ihany no miseho ho polisy alohany tompony (A.tra)
8. ikaretsaka ( 13/03/2007 21:28)
naughty> ary ireo mahalala ilay izy de mbola mitady fanampiny bedebe a gauche a droite (@ signes isankarazany, cartes, GPS, sns) ?
9. fijo ( 13/03/2007 22:57)
ka ny voasoratra rehetra ao anaty baiboly anie hono tsy voatery ho masina e.
10. ikaretsaka ( 13/03/2007 23:34)
le masina sy tsy masina aloha andao resahina eny mahamasina fa

ny ahy
no mba tiako asiana resaka dia ilay hoe ny tenin'andriamanitra tsy midika hoe ny baiboly.

Scripture tsy midika hoe / na hoe voatery hoe Bible..

ny 1 ensemble mo ny 1 element raha nanao matemat'Ika taloha! :wink:

jereo ao anaty dictionera fotsiny ny fikan'ny hoe scripture sy bible e..
na ny hoe Soratra masina sy ny hoe Baiboly
11. fijo ( 13/03/2007 23:41)
ka izay e,misy tsy kanon ny soratra ao anaty baiboly
12. ikaretsaka ( 13/03/2007 23:50)
le 14 sy 15 n'io Timoty II io ange vakiana e na ilay 3 manontolo
13. fijo ( 13/03/2007 23:55)
lazao letsy fa izahay ani ekamo rah avao hoe hikaroka baiboly izany e.
14. prime ( 14/03/2007 08:04)
lapino> Mitovy hevitra tanteraka...=D
Ikaretsaka> Ekena fa ny fiasan\'Andriamanitra dia miseho amin\'ny endrika maro, raha ireny no lazainao Tenin\'Andriamanitra dia mitovy hevitra aminao aho... nefa na izany aza dia ireny rehetra ireny mbola hamarinin\'ny Tenin\'Andiamanitra voalaza ao amin\'ny soratra masina izay vao mitombina fa tsy mandeha araka ny famarana sy ny fahalalàn\'olombelona ny mahaTenin\'Andriamanitra azy na tsia...

Na \"pamphlets\", na \"bulles\" na boky nosoratana, na taratasy nosoratana, ny mahaTenin\'Andriamanitra ireny dia tsy noho ilay mpanoratra velively (hoe satria ny evanjelistra X na ny Papa na ny Eveka Y no manoratra azy dia Tenin\'Andriamanitra izany iny) fa mbola hamarinin\'ny Tenin\'Andriamanitra fototra iny dia ny soratra masina voalaza ao amin\'ny baiboly izay vao azo lazaina raha avy amin\'Andriamanitra marina...
15. Rasiligaoma ( 14/03/2007 12:01)
Prime, Ikar> ka mifampamarina eo daholo ihany ange raha zohina hatrany amboalohany e.. ilay Mesia nanamarina ny tenin'Andriamanitra t@ vavan'ny mpaminany , I Paoly ,Jaona sns..

fa kosa hevitra mifampitohy sy hafatra 1 ihany no tiana nampiseho: Dia ny fitiavana

Fa raha ilay maka isana'andininy mba hanamarinana hevitra fotsiny kanefa tsy fantatra akory ny lohany sy vodin'ilay tena foto-kevitra tanteraka tiana ambara ao fa ilay tsipitsipihina amin'ny markeur fluo fotsiny izay mahaliana, dia mety hivoana be ilay izy. Manao ohatran'i Fijo sy io resaka Kardinaly io ohatra! Na io Timoty nitsiponn'ny namana ao ambony io
16. prime ( 14/03/2007 13:03)
rasiligaoma:
Fa raha ilay maka isana'andininy mba hanamarinana hevitra fotsiny kanefa tsy fantatra akory ny lohany sy vodin'ilay tena foto-kevitra tanteraka tiana ambara ao fa ilay tsipitsipihina amin'ny markeur fluo fotsiny izay mahaliana, dia mety hivoana be ilay izy. Manao ohatran'i Fijo sy io resaka Kardinaly io ohatra! Na io Timoty nitsiponn'ny namana ao ambony io
... Tsy mitovy hevitra aminao loatra aho amin'izany... tsy ny fitsimponana andininy no tsy mety aoka hazava tsara kosa aloha, fa ny fanamarinana hevitr'olombelona amin'ny Tenin'Andriamanitra... hoe misy hevitry ny tena tiana ampitaina dia hamarinina amin'ny Tenin'Andriamanitra...

Fa tsy misy mahadiso azy mihitsy ny filazàna toko sy andinin-tsoratra masina iray entina anambaràna ny hevitr'Andriamanitra mikasika lohahevitra iray na trangan-javatra iray na sehon-javatra iray ary mbola azo arahina fanazavàna koa aza raha manana fanomezam-pahasoavana amin'izany, raha hita sy tsapa fa io tranga io na io seho io na io lohahevitra io dia mifanojo tsara amin'ny tranga iray na seho iray na fampianarana iray na faminaniana iray voasoratra ao amin'ny baiboly...
17. Rasiligaoma ( 14/03/2007 13:57)
prime: hoy ianao hoe "misy hevitry ny tena tiana hampitaina dia hamarinina amin'ny tenin'Andriamanitra" (tsy mety io hoy ianao... )
nefa dia toa izany foana matetika no betsaka mitranga ato e? ... asa re
18. prime ( 14/03/2007 14:49)
rasiligaoma> Raha izany no izy dia tsy mety tokoa ary miombon-kevitra aminao aho...

Fa izaho indray mahita ny mifanohitra amin'izany... asa tokoa re...:wink:
19. ikaretsaka ( 14/03/2007 15:12)
Prime sy ny sisa> jereo fotsiny ilay resaka tato hoe ... izay tsy "isika de..."
sady misy tantara manamarina an'izay ao amin'ny baiboly ( betsaka ny nitsimpona andalana dia nametraka teto) no misy tantara ko manao hoe "zanak'andriamanitra aby isika rehetra "
dia samy maka ilay izy araka ny fotokeviny!
20. rakaroka ( 14/03/2007 21:30)
ilay izy ny fahatsapako azy toa "exclusivitén"'ny
sasany ny mitsaingoka "toko sy andininy" izay tiany
mba ampisalorana ny fiheverany ho "tenin'Atra tokoa" ...Sady tsy "fahendrena" loatra anie ny fanehoana izany @ tsy mpino: "ny mormona nitory ireny aza tsy mandeha any @ arabo hoe hitory intsony
satria efa be ny kristiana novonoin-drizareo, rahateo Be ny fiainana andavan'andro tsy à "base
biblique mihitsy ny "conception"-ny dia lasa "induction".
Tahaka ny hoe ny "midi" @ français hono dia avy @ teny gasy hoe midina ny masoandro : dia hino izany ny vazaha?...:roll::roll::roll:8O8O:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3413