maraina mivavaka, hariva mangalatra akoho

21. Fiffi ( 13/03/2007 15:56)
lapino:
Ary tena reko marary mihitsy ilay hoe :
"Tiava ny fahavalonao" noho izany.
indrisy fa tena mankarary marina io saingy....io le finoana sy maha-kristiana...


22. soanja ( 13/03/2007 16:03)
Tsy mahagaga mihitsy ity hevitra omen'i LD ity ka. Izay ara no finoana inoany ary hitany fa tokony ho izy. Dia milaza ny heviny tokoa izy. Amiko dia tsy manome tsiny azy aho fa diso fanantenana izy amin'ny hitany miseho fa finoana tsy arahinasa tokoa no mitranga any ambadika any.

Ka tsy aleo va manao toa ahy. Tsy manana n'inona n'inona lalana mifehy fa ilay antso ao anaty no mametra ny zavatra atao ety ivelany sy manoro lalana. Tsy voasoratra ao amin'i boky n'aiza n'aiza io ary malalaka tsara ny eritreritra mihevitra izay tsara mampifandray azy amin'Ilay Andriamanitra Tompoina ao anaty. Mino anefa fa manana an'Andriamanitra mitantana sy manome soa ao anaty Tontolo feno korontana nefa miasa amin'ny tsara ho anao sy ny rehetra.
23. vahiny2004 ( 13/03/2007 16:17)
izaho koa mitovy hevitra @ rush, tsy anjarantsika ny mitsara fa an'Andriamanitra satria na izay tsarain-tsika ho fankahalàna aza mety tsy ho izany akory fa isika no tsy mahazo izay tian'ilay olona holazaina
24. rakaroka ( 13/03/2007 16:23)
sakaizakely:

ha ha ! hadinondRakaroka ny nanao xxx t@ ity indray mitoraka ity

tratra ihany rehefa farany :^)

fanaonao ihany matoa fantatrao ka !


Hé!hé!hé:lol::lol::lol:
Hé efa misy "caméra" anie eny @ fidirana métro: dé hitako ianao tao anatin'izany!:lol::lol:Izaho angaha mila métro izany:vita tongotra eto manodidina daholo ny rehetra, tsy ianao aloha no "ciblé"n'i LD eto dia mody avadikao ny resaka?...:roll::lol::lol::wink:,
sa izaho?...:lol::lol:8O:lol:
25. niryna ( 13/03/2007 16:37)
lapino:

LD:
fankahalana,
Za aloha tena misy olona raisiko ho fahavalo tokoa (fa tsy amin'ny namana ato an, tsy gasy mihitsy koa :-p ). Ary tena reko marary mihitsy ilay hoe :
"Tiava ny fahavalonao" noho izany.


lapino a marary tokoa ilay izy ary mety mitamberina ao an-tsainao na mijanona mandrakotra ny fonao.Inona no hitazomana azy raha izany.Lasa mivadika poizina ho anao ilay izy satria ny mahakristiana dia mianatra mamela,mianatra hoy aho satria mila mivavaka,mila mifamela(ianao sy ilay olona mankarary anao ary ianao irery ihany no manao an'io ) ka raha tsy mamela ianao dia tena sarotra ary tsy hiala mihitsy raha tsy ianao no manao io.Toy ireny olona mifoka sigara ireny io,raha tsy ianao no manala ilay sigara dia tsy ho afaka na ataon'ny olona hoe ataovy izao.Izay hitondrana azy.
Nisy tantara io ary ilay ramatoa tsy namela ny vadiny izay pasitera nanao zavatra tsy nety,nony maty izy dia lasa any amin'ny farihy mirehitra afo,tsy mampatahotra anao aho sanatria fa izay no nandehanany tany,tsy nety namela hatramin'ny nahafatesany izy.Raha tahaka ahy manokana aloha dia nianatra namela aho ary mbola mianatra mamela ireo fahavalo manodidina amiko e,hitako maivana ilay izy satria tsy tezitra intsony aho rehefa mahita ireo olona tsy tia ahy na mankahala ahy.Ireny olona ireny koa anie tsy manana fifaliana e dia mety any aminao no analany ny hatezerany e.Santionany fotsiny io fa maro betsaka.
26. lapino ( 13/03/2007 16:40)
simp :-D:-D
tsy aleo ny soavaly no marary ? :P
27. nikopol ( 13/03/2007 16:59)
Amiko ny fivavahana dia fitaovana tokony hanatsarana ny maha-olombelona, matetika nefa ilay izy lasa fitaovana fandaminan-tsaina goavana fotsiny. Fandamina-tsaina rehefa avy nanao zavatra tsy zakan'ny feon'ny fieritreretana. Mila mibebaka kely.

Tsy amin'ny fitononana hoe mpivavaka, na kristianina no tokony hahatsapana hoe tsara ilay olona na ratsy, fa hita ho azy eny...
28. LazaDaddy ( 13/03/2007 21:24)
ikaretsaka:
tadidio fa i jesoa aza niaraka @ mpanota sy ny janga sy ny samaritanana sns..
somary hamafisiko kely sao misy mandika vilana: ny marina TSY hoe "niaraka" tamin'ireny i Jesoa na sanatria "niray tsikombakomba taminy" fa kosa "nanarato" azy ireny mba hamonjeny azy. Tsy nisalasala mihitsy Izy nananatra azy ireny hoe: "...aza manota intsony"

29. ikaretsaka ( 13/03/2007 21:29)
niaraka tiako lazaina ry laza hoa miaraka nihosona..nifampizara ny manta sy ny masaka aminy
30. fijo ( 13/03/2007 23:01)
mahatsapa indray ny kristianina maro,fa tena zavatra marina ny lazain'i laza de miakatrakatra daholo an.hummmm tsy zakanareo io marina io
31. ikaretsaka ( 13/03/2007 23:37)
nikopol:

Amiko ny fivavahana dia fitaovana tokony hanatsarana ny maha-olombelona, matetika nefa ilay izy lasa fitaovana fandaminan-tsaina goavana fotsiny. Fandamina-tsaina rehefa avy nanao zavatra tsy zakan'ny feon'ny fieritreretana. Mila mibebaka kely.

Tsy amin'ny fitononana hoe mpivavaka, na kristianina no tokony hahatsapana hoe tsara ilay olona na ratsy, fa hita ho azy eny...

namaste nikopol


32. fijo ( 13/03/2007 23:41)
aza mina "masta" loatra an
33. niryna ( 14/03/2007 05:40)
LazaDaddy:

ikaretsaka:
tadidio fa i jesoa aza niaraka @ mpanota sy ny janga sy ny samaritanana sns..
somary hamafisiko kely sao misy mandika vilana: ny marina TSY hoe "niaraka" tamin'ireny i Jesoa na sanatria "niray tsikombakomba taminy" fa kosa "nanarato" azy ireny mba hamonjeny azy. Tsy nisalasala mihitsy Izy nananatra azy ireny hoe: "...aza manota intsony"





=D=D=D Mbola miampy ihany koa tsy tonga hamonjy ny marina aho fa ho avy hanavotra ny mpanota.Tsy ny salama no mila fanafody fa ny marary.Hanavotra ny ondry very no nataony fa tsy tokony ho raisina amin'ny zavatra hafa.
34. Fiffi ( 14/03/2007 05:58)
heu....fa ny famalian'olona any @ dinika hafa ve no hitsarana azy ?:roll:
35. fijo ( 14/03/2007 06:02)
ary raha hiantso ny tsy mino izy,maninona no tsy miresaka mivantana aminay tsy mino azy ?????
36. prime ( 14/03/2007 08:32)
ikaretsaka:
Prime> samihafa ny manao sy miara mihosona..

raha mpitari bato fotsiny ianao no vilam-bava dia tsy mety hoe manondronondro sy mibaiko hoe izao no atao de zao ..... fa raha miara mihosona @ ilay mpitondra vato ianao no manoro ny hoe aty entina ny vatonareo dia miloloha ny vato mandeha any miaraka aminy dia hafa izay.. ary tsara kokoa
asa azonao?
... :-D
LD:
somary hamafisiko kely sao misy mandika vilana: ny marina TSY hoe "niaraka" tamin'ireny i Jesoa na sanatria "niray tsikombakomba taminy" fa kosa "nanarato" azy ireny mba hamonjeny azy. Tsy nisalasala mihitsy Izy nananatra azy ireny hoe: "...aza manota intsony"
... Miombon-kevitra tanteraka...:)
ikaretsaka:
niaraka tiako lazaina ry laza hoa miaraka nihosona..nifampizara ny manta sy ny masaka aminy
...:-D:-D:-D Misy ny atao hoe "miaraka" dia misy koa ny "miaraka"...:wink::-D:-D
fijo:
ary raha hiantso ny tsy mino izy,maninona no tsy miresaka mivantana aminay tsy mino azy ?????
Ka izy anie ry ise efa mpiresaka mivantana aminareo fa tsy hainoinareo dia lasa ny Zanany no nirahiny e... mbola tsy hainoina koa ilay Zanany dia efa ny mpanompony sisa izao no miditra an-tsehatra... asa raha mbola tsy hainoinareo foana fa efa bala farany io an...
37. rush ( 14/03/2007 08:41)
maraina mivavaka, hariva mangalatra akoho
samia fotsiny mandinin-tena fa tsy hijery zay hataon'ny hafa foana e!
38. prime ( 14/03/2007 09:22)
rush:
samia fotsiny mandinin-tena fa tsy hijery zay hataon'ny hafa foana e!
... Fa inona ny atao hoe mandinin-tena raha ny hevitrao?
39. Fiffi ( 14/03/2007 09:33)
ikaretsaka:
asa azonao?
tsy azoko....


40. Rasiligaoma ( 14/03/2007 12:11)
ary ahery nareo raha hitsipona isan'andalana rankizy... tia toy izao koa no ataonareo rehefa mitsipona baiboly nareo...
izay milailay ihany no alaina...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3004