Ataonao ho iza moa i Kristy?...

1. rakaroka ( 09/03/2007 11:08)
Isan'ny fototra iray iorenan'ny finoana antsoina hoe: "kristiana" ,Ny fandraisana sy fiheverana ny maha "kristy" an'i Kristy!
Efa hatrizay no nisy ny Apolosy sns...izany hoe nitsinjara ny fomba fijery...
Maro ireo mpivady nivoady hoe: "Kristy no manapaka ny tokan-tranontsika" , dia tarafin'ny olona @ ny
izay tinapak'ilay tokan-trano Kristy!
Efa nisy ny fanontaniana hoe "ataonao ho iza?":
valiny: Ianao no "Kristy zanak'Atra velona". Anefa
saiky "image" ny fahafatesana no voatory...
Maro koa ny nandrenesako fa endrika isan-karazany no nisehoan'ilay "Kristy" fa "Iray ihany ireny!...
Ka iza moa Kristy?...
novalian'i niryna ny 24/03/2007 13:56
2. linarako2 ( 09/03/2007 11:28)
Ato anatin-tsika izy amin'izao fotoana izao raha mino azy isika.Ny fanahy masina ihany koa no efa nalefany hiaraka antsika isanandro.
Hisy hiteny anao izao rehefa avy eo hoe efa 2000 taona izy no ho avy.Kanefa hatramin'izao mbola miandry azy.
Ny iray andro amintsika hoy izy arivo taona ary ny arivo taona aminy indray andro.
3. Fiffi ( 09/03/2007 13:26)
rakaroka:
Efa nisy ny fanontaniana hoe "ataonao ho iza?":
valiny: Ianao no "Kristy zanak'Atra velona". Anefa
saiky "image" ny fahafatesana no voatory...
heu...tsy hoe image ny fahafatesana fa nitsangana t@ maty ary velona....."ressuscité"


4. ikaretsaka ( 09/03/2007 15:27)
fiffi> mankasitraka foana

ny ahy aloha tsy le hoe "maty noho ny otako" loatra koa no andraisako azy
fa ilay izy "nitsangangan-ko velona namafa sy nandresy ilay ota"
any no tena finoako!
Izay no jesoako
5. xxx ( 09/03/2007 16:10)
rakaroka:

Ka iza moa Kristy?...


niryna ihany zao no tena mahay an'io:-D:-D, andraso kely aloha fa mbola sahirana izy fa ho avy tsy ho ela eo :wink:
6. fijo ( 09/03/2007 23:40)
tsy resiny ilay ota satria di ambola misy hatramin'izao.

tsy nitsangana tamin'ny maty koa izy,fa nisy nanitrika ny fatiny"very faty ny anareo"

fototra ny maha kristianina ny finoana fa izy no kristy.izy izany aloha dia tsy kristianina.ka asio fisainana haingana sao mitaribato vilam bava
7. ikaretsaka ( 10/03/2007 00:34)
andraso lazaiko indray hoe nofafany isaky za miteny aho hoe fafao ary e
8. soanja ( 10/03/2007 01:32)
I Kristy dia ilay modely ny fitiavan'Andriamanitra tonga taty ambonin'i tany. Tokony arahina ny diany ary izy no tokony ho fanilo ny lalana aleha. Ilay lalana misy ny tarany kosa dia manomboka ao anaty ary mivoaka ety ivelany amin'ny fiainana rehetra.
9. fijo ( 10/03/2007 06:33)
soanja an,ka raha hanaraka azy ho modely ani eratsy be e.manjary tia gidragidra lava sns
10. Achia ( 10/03/2007 07:32)
fa nahoana kosa moa no lasa gidragidra ry fijo , fa nga i Kristy niaraka t@ barabasy ? :-D
11. rakaroka ( 10/03/2007 09:53)
soanja:

I Kristy dia ilay modely ny fitiavan'Andriamanitra tonga taty ambonin'i tany. Tokony arahina ny diany ary izy no tokony ho fanilo ny lalana aleha. Ilay lalana misy ny tarany kosa dia manomboka ao anaty ary mivoaka ety ivelany amin'ny fiainana rehetra.


Ny "remise en question" dia ataon'ny "kristiana mpanaraka azy "modely" tokoa ve izy?
Mihaino sy mankatoa izay nolazainy ve ireo atao hoe mpino azy?...
Ary tsy hoe "raha" ity fa tena "teniny" ao @ i
Jaona ny hoe: "izay Mino ahy ny asa ataoko no ataony koa ary HANAO ASA LEHIBE noho izany aza izy!" .
Izany hoe tiany hihoarana mihitsy aza izay nataony raha ny marina koa nahoana no marefo loatra ny fisainan'ireo mpanaraka azy , hanjakan'ny fahosana @ maha olona matetika fa tsy mbô mi-remplir
ity teny nolazainy ity?...
12. ikaretsaka ( 10/03/2007 13:43)
rakaroka> misaotra :-*
13. Fiffi ( 10/03/2007 14:56)
Jesoa Kristy Zanaka lahy tokan'Andriamanitra
Izay notorontonina tamin'ny herin'ny Fanahy Masina
Naterak'i Maria Virijina , nijaly tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato
Nohomboana tamin'ny hazo fijaliana , dia maty ...

Ary tamin'ny andro faha-telo , dia nitsangana tamin'ny maty...

Dia niakatra any an-danitra , Ary nipetraka eo ankavana'Andriamanitra Ray Tsitoha.
14. rakaroka ( 10/03/2007 17:36)
Fiffi:

Jesoa Kristy Zanaka lahy tokan'Andriamanitra
Izay notorontonina tamin'ny herin'ny Fanahy Masina
Naterak'i Maria Virijina , nijaly tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato
Nohomboana tamin'ny hazo fijaliana , dia maty ...

Ary tamin'ny andro faha-telo , dia nitsangana tamin'ny maty...

Dia niakatra any an-danitra , Ary nipetraka eo ankavana'Andriamanitra Ray Tsitoha.


Ity fanekem-pinoana kristiana ity izao dia vao noforonin'ny Eglizy taty aoriana araka ny fiheveran-drizareo!...Fiheverana hoy aho satria raha halalinina
mivantana ny resaka nataon'i Jesoa tsy nanavaka loatra ny olona hafa ho sanatria "zanak'ikala hafa"
izy...raha nampianatra nivavaka izy : "Rainay" hoy izy izany hoe "Ray ikambanana" . "Aoka ianareo ho tanteraka tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra!". Tsy afaka hanao angamba ny mpino hoe ny "lahitokan'Atra no irery nonatao ho amin'izany!:roll:
Koa na atao hoe zanaka natsangana aza isika raha i Jesoa "en personne" no niteny io nolazainy io: mahagaga ahy loatra ny fihatahana lavitra Bbbe
ny teny nolazainy raha mino Azy ! sahala @ hoe ny "hafa" no inoan-teny kokoa!...
Ny epistily 1 Jaona 3 nanoratra "ny fahazoton'ny zanak'Atra hanao ny sitrapon'ny Rainy sy hifankatia @ namany, ary ny fahatokiana ananany:
"Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika, dia ny niantsoany antsika hoe zanak'Atra, sady izany tokoa isika!"...
Tena lahitokan'Atra tokoa ve i Jesoa @ maha zanaka
Azy?...dia ahoana izany no hiheverana ireto antsoina hoe "zanaka" hafa?...
15. Fiffi ( 10/03/2007 17:45)
rakaroka:
dia ahoana izany no hiheverana ireto antsoina hoe "zanaka" hafa?...
heu....samy zanany fa tsy mitovy kah ! satria ny hafa zanany , moa Kristy naterak'i Maria Virjina....


16. rakaroka ( 10/03/2007 18:03)
Fiffi:

rakaroka:
dia ahoana izany no hiheverana ireto antsoina hoe "zanaka" hafa?...
heu....samy zanany fa tsy mitovy kah ! satria ny hafa zanany , moa Kristy naterak'i Maria Virjina....





Heu...:roll: dia "particulier" tsy natao hitovy aminy loatra izany isika noho izany?...
sao mba tokana koa aza ny "chaque créature"?...:lol::lol::?:8O
17. Stretch ( 10/03/2007 18:05)
tena sur ve fa tena virijiny maria no nanana an jesoa ?
tsy nanano sarotra ve maria tam niteraka , natao cesarienne ve ?
fa iza tokoa no zokiny cesar sa jesosy e ?
18. Fiffi ( 10/03/2007 19:59)
rakaroka: heu.....zany hoe samy manana ny finoana akia io an ! tsy hoe "particulier" kosa fa Kristy kosa de nateraka avy t@ i Maria Virjina....fa tsy isika....io no maha-samy hafa Azy @ tsika...
Ka io no hilazako hoe : samy manana ny finoany ny tsirairay an ! :)
19. rakaroka ( 10/03/2007 21:28)
Fiffi:

rakaroka: heu.....zany hoe samy manana ny finoana akia io an ! tsy hoe "particulier" kosa fa Kristy kosa de nateraka avy t@ i Maria Virjina....fa tsy isika....io no maha-samy hafa Azy @ tsika...
Ka io no hilazako hoe : samy manana ny finoany ny tsirairay an ! :)

Misaotra an'i Fiffi @ valin-teny::*:*
Fa eo no angamba no mahatonga ny olana fototra eo @
fanarahana an'i Kristy: "raha tsy olona toa antsika izy"...dia ny "réalisation"-ny izany, tsy hitovy
@ "réalisation-tsika" eo @ fiatrehana ny fiainana:
"mahagaga anefa raha izany ny nametrahany ireny
tenim-pitokisana maro ireny ho an'izay mino azy!..
Marina ny tenin'i Fiffi hoe samy manana ny "finoany!"
Ary tsipihako aza fa manaja TANTERAKA ny finoan'ny tsi1/1 aho fa mba liana te ahafantatra ny MARINA fotsiny!:idea:
20. Fiffi ( 10/03/2007 21:37)
zah koa aloha manaja ny an'tsirairay....de mba milaza ny ahy koh ! :)
heu...ohatra zao misy ny olona milaza fa tsy mino an'i Maria.....manaja azy aho ..zah manko mino :)

Ny maha-samy hafa an'i Kristy @ tsika koh de zao angamba an ! novonohina Izy mba hamonjena antsika...(sao de tsy mety le "antsika" satria io koh de samy manana ny finoany):):-*:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955