Resaka natao tamin'ny monpera nanambady masera.
1. xxx
(
07/03/2007 21:36)
Efa hiaraha mahalala fa olana lehibe misy io indrindra ao Roma.Tonga dia voaroaka ny mompera raha tratra manadala vehivavy satria efa feno ny zazakamboty manerana ny tanana.Raha ohatra ka lahy kosa no kitiany dia tsy maninona.Misy olona voahosotra na nantsoina ary dia tena tsy manana ny filan'ny nofo mihitsy izy.Misy indray kosa noho ny tsy fahitany asa dia niditra izy.Misy dimy lahy vao hiditra dia nanontaniana ny antony nidirany sy ny olona niarahany talohan'ny idirany ho monpere ary nilaza daholo izy ireo fa efa samy niaraka vehivavy.Moa ve izy ireo ahatanty ny filan'ny nofo?
novalian'i niryna ny 16/03/2007 06:37
2. xxx
(
07/03/2007 21:41)
Toy ny asa rehetra izany ny olona sasany fa tsy voahantso ny hanompo an'Andriamanitra.Tsy kahita asa dia aleo miditra.Ny baiboly koa milaza fa misy fiangonana mandrara ny tsy hanambady sy manao fady kanefa Andriamanitra efa nanome tso-drano hoe mameno ny tany sy ny hoe tsy misy sakafo fady izany intsony. Raha te-hanambady ve izy ireo fa tsy mahatanty ny filan'ny nofo tsy tokony avelao andeha?
3. xxx
(
07/03/2007 21:44)
Rehefa nandeha ary ny famelabelarana natao tamin'izy mivady miaraka ny zanany dia hoy ity olona izay nilaza fa monpera izy taloha.Tena finoana mihitsy hoy izy no nidirako tao fa sendra nahita ity masera aho dia tsy naharitra ny nofoko.Niresaka ny vatikan aho hoy izy ary nanambara azy ny hevitro hoe fa nahoana tokoa moa no tsy avelanareo hanambady izahay?Tsy mahazo manambady ianao hoy izy fa mahazo miaraka fotsiny.
4. ikaretsaka
(
07/03/2007 21:51)
XXX> sipanao taloha angaha ilay vadiny se ahoana fa tsy azoko...
probleme ny zany ko
probleme ny zany ko
5. xxx
(
07/03/2007 21:52)
Noho ny filan'ny nofiko hoy izy sy ny fisainan'ny fieritreretako satria maro izahay no mibolika etsy sy aroa noho ny antony tsy avela hiaraka aman'olona.Nanana fitsiriritana ny olon-tiako aho ary ny saiko izay novolavolaina ny tsy hanambady tsy nahatanty izany koa dia samy niala tsy monpera sy masera izahay.Nivady soamantsara izahay ary dia niteraka.Tsy nisy nanenenako hoy izy roa ny nanambadianay satria tsy nisy mihitsy ny didy manambara fa tsy mahazo manambady ny mpitondra.
6. xxx
(
07/03/2007 21:56)
Ahoana ny hevitrao raha misy didy mivoaka ka manambara hoe mahazo manambady izay tsy mahatanty ny filan'ny nofo,izay mahatanty moa dia avelao izy hipetraka amin'izao.Moa ve ho fahadisoany ny mametraka fialana?Tsy aleo ve mijery azy manambady toy izay feno zaza kamboty taizana ao amin'ny masera ary hieritreritra lava ny ditrany izy satria izy ireo olombelona nofo sy ra ihany manana ny halemeny?
8. fijo
(
07/03/2007 23:08)
miverina amin'ilay resaka nifanaovako tamin'i kardinaly razafindratandra izany.tsy misakana ny filana hozy ny fiangonana,saingy tsy mahazo mivady satria manelingelina azy amin'ny asany izany
9. rira
(
07/03/2007 23:57)
Raha azoko ny resaka eto dia ny hoe tokony hanambady ny pretra sa tsia. ny resaka tantatran'ny Fiangonana amaliako azy. Nanambady I Piera apostoly na dia toerana eveka na Papa ny nisy azy.ITim 3,3, Md Paoly disait:"Il faut que l'episcopat n'ait été marié qu'une fois". Ny tsy fanambadian-dreo dia nanomboka tamin'ny Taonjato faha VI. Na ny any amin'ny Tantsinanana ara manambady.Tsy hoe zafatra fady azy ireo arak'izany ny fanambadiana fa mba hahatonga azy hahatanteraka ny asany tsara, ary koa hanambarana fa tsy hisy ifikirany afa-tsy ny Tompo irery ihany.
Ho ahy dia na manambady ny pretra tsy olana amin'ny finoako. Misipa izy avelao hanao satria raharahan'izy sy Andriamanitra ny amin'izany. Ny Finoako tsy hihontsana amin'izany.NY hevitry ny maro mahatakatra ny lavitra. Ka raha misy hevitra aminao atolory.

10. fijo
(
08/03/2007 00:03)
izay mihintsy.asa io,izay ahavitana azy ihany ,na hanambady na hanao sipa.ny manao sipa aza no tsara satria izay misy anao ,dia asaiana sipa avokoa
11. soanja
(
08/03/2007 01:08)
xxx:
Efa hiaraha mahalala fa olana lehibe misy io indrindra ao Roma.Tonga dia voaroaka ny mompera raha tratra manadala vehivavy satria efa feno ny zazakamboty manerana ny tanana.Raha ohatra ka lahy kosa no kitiany dia tsy maninona.Misy olona voahosotra na nantsoina ary dia tena tsy manana ny filan'ny nofo mihitsy izy.Misy indray kosa noho ny tsy fahitany asa dia niditra izy.Misy dimy lahy vao hiditra dia nanontaniana ny antony nidirany sy ny olona niarahany talohan'ny idirany ho monpere ary nilaza daholo izy ireo fa efa samy niaraka vehivavy.Moa ve izy ireo ahatanty ny filan'ny nofo?
Izy ireo irery ihany no afaka hamaly izany fanontanianao izany. Ezaka no natao mba tsy hanambadiana fa tsy midika hoe tsy afaka izy raha ohatra ka misy fakampanahy manoloana azy. Miankina amin'ny habetsakin'ny herin'Andriamanitra ao aminy e. Azy sy Andriamniatra ihany anefa izany.
I Jesoa anie hono toa tsy nanambady e. Kanefa rehafa arahina koa ny tantara dia toa nisakaiza tamin'i Maria rahavavin'i Martha izy.Ka asa re fa mino aho fa tsy nanao firaisana izy satria Manjaka Andriamanitra.
12. cutie
(
08/03/2007 01:31)
I Jesoa anie hono toa tsy nanambady e. Kanefa rehafa arahina koa ny tantara dia toa nisakaiza tamin'i Maria rahavavin'i Martha izy.Ka asa re fa mino aho fa tsy nanao firaisana izy satria Manjaka Andriamanitra.
hihihihihihi
13. Fiffi
(
08/03/2007 07:16)
ka hatao ahoana ary ry zareo an ? fiainana daholo zany ! olombelona tahaka ny olombelona rehetra na ny masera na ny mompera , ......ny anglikana , ny protestanta manambady daholo ka maninona raha ny katolika koh ?
14. niryna
(
08/03/2007 07:44)
Fiffi:
ka hatao ahoana ary ry zareo an ? fiainana daholo zany ! olombelona tahaka ny olombelona rehetra na ny masera na ny mompera , ......ny anglikana , ny protestanta manambady daholo ka maninona raha ny katolika koh ?
Izaho koa mba manaiky izany.Raha tiany izany dia avelao izy andeha,madio ny sainy sy ny eritreriny.
soanja< isan-taona dia mamorona zavatra hiampangana an'i Jesosy foana ny olona ary raha natadidy ianao jereo ny DVD verdicted.Izay olona nanenjika an'i Jesosy mafy nilaza ny tsy fisiany ary izy indray no nanambara ny fisian'i Jesosy taty aorina ka izy no nanao io DVD io raha tsy diso aho.
Toy ilay taolana ihany koa io.Tsy nisy olona na iray aza nitsangana tamin'ny maty raha tsy izy irery ihany.Ho antsika izany havana maty izany dia tena fahoriana sy fahalahelovana.Ho an'ny kristiana indray izy maty,nitsangana taminin'ny maty ,niakatra tany an-danitra dia tena hery lehibe mahatonga ny finoana Azy fa nisy izy,maty izy,nitsangana izy,ary niakatra any an-danitra izy.
15. niryna
(
08/03/2007 07:45)
fijo:
izay mihintsy.asa io,izay ahavitana azy ihany ,na hanambady na hanao sipa.ny manao sipa aza no tsara satria izay misy anao ,dia asaiana sipa avokoa
:lol::lol:
16. xxx
(
08/03/2007 09:26)
rira:
Raha azoko ny resaka eto dia ny hoe tokony hanambady ny pretra sa tsia. ny resaka tantatran'ny Fiangonana amaliako azy. Nanambady I Piera apostoly na dia toerana eveka na Papa ny nisy azy.ITim 3,3, Md Paoly disait:"Il faut que l'episcopat n'ait été marié qu'une fois". Ny tsy fanambadian-dreo dia nanomboka tamin'ny Taonjato faha VI. Na ny any amin'ny Tantsinanana ara manambady.Tsy hoe zafatra fady azy ireo arak'izany ny fanambadiana fa mba hahatonga azy hahatanteraka ny asany tsara, ary koa hanambarana fa tsy hisy ifikirany afa-tsy ny Tompo irery ihany.
Ho ahy dia na manambady ny pretra tsy olana amin'ny finoako. Misipa izy avelao hanao satria raharahan'izy sy Andriamanitra ny amin'izany. Ny Finoako tsy hihontsana amin'izany.NY hevitry ny maro mahatakatra ny lavitra. Ka raha misy hevitra aminao atolory.
Fa inona moa ny finoan'i rira ?
17. prime
(
08/03/2007 14:14)
Rehefa mitombina ny rafitra dia izay aloha no tokony arahina vao mijery ny lafitsara sy lafiratsin'izany...
Olombelona ireny mpanompon'Andriamanitra ireny, tsy ilaozan'izay iray mety ho solafaka... fa tsy ny fahalavon'ny iray na vitsivitsy no andravàna ny tsara naorin'ny fiangonana hatry ny ela...
Izaho dia Protestanta fa midera manokana ireny relijiozy, mompera sy frera ary mera sy masera ireny ny amin'ny fanoloran-tena sy ny "sacrifices" tsy maintsy natao noho i Andriamanitra... mety ho misy vitsy2 hoy aho mety nisy antony manokana hafa nahatonga azy ho relijiozy fa tsy izany velively amiko no tokony andravàna ny zavatra tsara sy masina naorin'ny fiangonana sy nahasaropiaro azy nandritra ny fotoana ela... ny an'ny Protestanta tsy manana izany aza efa tsy fidiny ka ho an'izay manana sy mahatandrina kosa, maninona moa no tsy maintsy ravàna?

18. Fanambinana
(
08/03/2007 14:49)
Azafady fa misy ny zavatra tokony ho fantarina mialohan'ny ilazana hevitra, fa manjary miteniteny foana.
- Tiako ny mampafantra anareo aloha fa tsy asa velively ny maha-pretra, fa safidim-piainana. Toy ny sasany nifidy ny hanam-bady. Fitiavana an'Andriamanitra sy ny Fiangonana no manosika ireo olona miroso amin'io lalana io. Tsy misy an-tery fa SAFIDY.
[center] SANATRIA tena SANATRIA Tsy fitiavana te hanao sipa maro ny tsy hanambadiny.
[/center]
- Ny safidy atao no mitaky andraikitra: fitoriana ny tenin'Andriamanitra, sns. Ho anareo milaza fa ny tsy fahitana asa no nahatonga ny sasany hanao pretra dia tiako koa no manambara aminareo fa diso hevitra ianareo (na ireo manana fisainana toy izany). Jereo fa maro ny pretra no efa nanana ny asam-pivelomany (dokotera, injenera, sns...) no miroso amin'io lalana io. Ohatra iray: mba vakio ny tantaran'io pape amin'izao fotoana izao io.

19. ikaretsaka
(
08/03/2007 18:05)
asa ange ny pretra sy ny pastera sy ny mompera ry reto e
asa miampy safidy (vocation)
asa miampy safidy (vocation)
20. Fiffi
(
08/03/2007 18:31)
ikaretsaka:heu....marina zany an ! ka raha ny hafa mahazo manambady nefa nanao io vocation-ny io tsy hitako hoe aiza ny olana raha manao an'zany koh ny pretra ? ny katolika io an ! mba mitsiriritra ny pasitera angamba ry zareo....zay no nolazaiko hoe olombelona ohatran'ny olombelona koh ry zareo....sady tsy misy ny tonga lafatra ....mety misofaka...