Resaka natao tamin'ny monpera nanambady masera.

21. Salut ( 08/03/2007 20:09)
Izaho kosa aloha tsy mba miombon-kevitra amin'izay milaza fa asa ny maha-pretra e. Raha asa io dia natao hitadiavam-bola sy hameloman-tena.

22. fijo ( 09/03/2007 00:21)
soanja an,araka ny tantara dia mananan taranaka i jesosy,ka noho izany dia nanao firaisana izy.ary aza hadino koa fa i maria dia sipa tia fiainanan sy nanambola be.ka ohatry ny tsy hampino hoe tonga ra zezo de hatory ery amin'ny kanape.oka marina
23. ari.malala ( 09/03/2007 08:17)
misy zavatra tsy azoko aloha, fa asa ahoana moa ny maha pretra? izany hoe mikarama izany ireny pretra ireny?

Manaraka izany, resaka efa nandeha im-betsaka teto io resaka pretra manambady sy tsy manambady io, fa hono hoa, fa ny pretra manambady na tsy manambady ve no mitondra ny finoantsika sa Andriamanitra no arahina e! tena manelingelina be ve ilay tsy fanambadian'ny pretra? raha hoe manao sipa izy, tena sanatria tsy avonaavona no ilazako izao teny izao, fa fiainany izany! anazy sy Andriamanitra izay nanaovany voady izany! raha tena tsy zakanao ny mahita ilay izy dia mivavaha hoazy ary tano mafy ny finoana anananao dia tandremo ny fitondran-tenanao! izay angamba no vahaolana, fa raha io no hanaovana polemique isak'izay mandeha tsisy vahaolana io, sady ny ao Vatican tsy hanaiky ny hanambadian'ny pretra izany raha ny fahalalako azy aloha...
24. Fiffi ( 09/03/2007 09:33)
ari.malala:
, fa hono hoa, fa ny pretra manambady na tsy manambady ve no mitondra ny finoantsika sa Andriamanitra no arahina e!
hummmm.....tena tsara fipetraka ny fanontaniandry ry ari.malala an !


25. prime ( 09/03/2007 10:54)
Tsara tsipihina tokoa aloha ilay tiana tenenina amin\'ilay hoe asa... asa avokoa raha vao mitaky hery sy andraikitra ary tanjona... na ny fitoriana filazantsara aza dia asa...

Hafa indray ny hoe asa maimaim-poana sy ny andraisana tambiny sy ny hoe asa matihanina mihitsy...

Ka raha ny fahitako azy dia asa avokoa na ny maha-pretra na ny maha-pasitera fa saingy asa misy mahasamihafa kosa angaha miohatra amin\'ny asa hafa amin\'ny maha-asa masina azy, tsy avy amin\'ny olona fa avy amin\'Andriamanitra ary ho an\'Andriamanitra rahateo...
26. Salut ( 09/03/2007 13:17)
Fijo
Mpandefa : fijo [ Valio ] 09-03-2007 01:21:47
Lohateny : Re : Resaka natao tamin'ny monpera nanambady masera.
soanja an,araka ny tantara dia mananan taranaka i jesosy,ka noho izany dia nanao firaisana izy.ary aza hadino koa fa i maria dia sipa tia fiainanan sy nanambola be.ka ohatry ny tsy hampino hoe tonga ra zezo de hatory ery amin'ny kanape.oka marina


Azafady tompoko fa izao no ilazana fa manao BOTOLO ianao. Misy porofo ve izao zavatra lazainao izao? Asehoy eto raha misy fa raha tsy misy kosa dia aza miteniteny foana. Averiko fa botolo izao. Mbola betsaka ny BOTOLONAO ato. Tsy misy fandinihana sy fahalala fa miteniteny foana. Izaho no milaza izany ary tompon'andraikitra amin'ny teny lazaiko aho. Manana porofo aho ilazana fa BOTOLO ny zavatra lazainao.
Tsy fanaratsina fotsiny fa botolo.
27. piste ( 10/03/2007 00:08)
Manamafy ny tenin'ny Fanambinana, ny maha-pretra dia tsy asa araky ny fiheveran'ny sasany azy fa lalam-piainana, na safidim-piainana. Tsy izaho akory no nifidy ho maha-pretra fa antson'Andriamanitra io ka mamaly izany aho. Ary izay lalam-piainana izay koa no maha-sambatra sy mampivelatra @ maha-olona ahy. Ary matoa Andriamanitra miantso dia efa manome hery sy fahasoavana hahafahako mamaly izany.
Ka tsy raisina ho enta-mavesatra mihitsy eto ny tsy fanambadiana satria efa safidy noraisina. Ary ny fanokanan-tena ho an'Andriamanitra sy @ asa nanirahany azy ny antony izany.
Na izany aza dia tsy manafoana ny maha-olombelona ihany koa izany. Ka mety ho tratran'ny fitsiriritana ara-nofo koa izy ireo. Ka mety misy ny lavo.
Ka io arakaraky ny fifikirana @ ilay miantso ihany no mampandeha ny baolina.
Raha mifantoka @ ilay niantso,i Kristy, dia mivelatra tsara ilay fiainana maha-pretra. Ary manana fahafahana mitia ( capacité d'aimer)tsy ananan'ny rehetra izy ireo. Dia ny fahafahana mitia ny olona rehetra tsy ankanavaka fa indrindra ny madinika sy ny mahantra.
Fa raha malazolazo kosa izay fifandraisana( @ Kristy)
izay dia mazava ho azy fa mitady compensation any ivelany( dia na toaka, na vehivavy, sns).
Ka tsy ny olona rehetra lasa masera na mopera dia voaantso avokoa. Fa ny hahafantarana azy dia manana hafaliana izy miaina ao anatin'izay lalana izay.
Fehiny : mivavaha ho azy ireo.
28. fijo ( 10/03/2007 00:12)
io resaka hoe misy taranaka io jesosy dia tsy za no namorina azy,fa be ny mpandinika ny fiainany no milaza an'io.misy mpitondra fivavahan amanaiky an'io,misy ny mbola mitsipaka.satria tsy mbola mahatoky le porofo aroso azy.
tsy hoe rehefa tsy mbola henon'i salut anie ny zavatra dia hoe bontolo e.ianao voagadra ao anaty baiboly ao.de vita.ny ahy henoiko daholo izay fanadihadian amisy.
asa ianao io rah aaiza n mipetraka,fa aty frantsa isaky ny aladahy maraina ,dia misy fandaharana ao amin'ny la 2;mikasika ny finoana.tao no nahitako io resaka io.ka raha lainga,dia ialako tsiny
29. ikaretsaka ( 10/03/2007 00:38)
piste.... misaotra anao!:wink:
30. Salut ( 10/03/2007 12:35)
Fijo: Azafady, iza no nilaza azy? Omeo eto ny porofo. Ary raha hevitra tsy azo antoka ho marina ve dia sahinao ny manamafy hoe: tena marina? Fantaro koa hoe tontolo manao ahoana moa ny ao Frantsa? Angaha rehefa lazain'ny frantsay dia marina foana. Mahagaga fa mbola misy gasy tratry ny fanjanahan-tsaina hatramin'izao. Ianao!
31. Zoniaina ( 10/03/2007 13:32)
32. hery ( 10/03/2007 14:22)
Mbola hohazavaiko aminareo ny tena atao hoe pretra... fa tsy eto no ataoko fa ataoko lohahevitra iray vaovao :-)

Izao fotsiny no tiako averimberina foana.

- Tsy mahalala ny atao hoe fivavahana silamo ianao raha tsy silamo... noho izany sarotra ho anao ny hitsikera na hilaza ny tena momba ny silamo

- Tsy mahalala ny atao hoe finoana katolika ianao raha tsy katolika akory. Noho izany very maina fotsiny ny filazanao hoe tokony hanambady ny pretra sns... raha tsy fantatrao akory ny mampiavaka ny pretra sy ny mpitsara sy ny pasitera sns...

- Raha resaka natao tamina mompera nanambady masera tena marina ity resaka ity dia teneno eto ny anaran'ilay mompera nanambady masera fa angamba tsy hatahotra an'izany izy. Dialogues amboamboarina fotsiny ny tahaka itony.

Mbola liana ve ianareo ny momba ny atao hoe pretra ao amin'ny fiangonana Katolika? :-)
33. Fiffi ( 10/03/2007 14:36)
"hery":
- Tsy mahalala ny atao hoe finoana katolika ianao raha tsy katolika akory.
io aloha de tena marina....
"hery":
tena marina ity resaka ity dia teneno eto ny anaran'ilay mompera nanambady masera fa angamba tsy hatahotra an'izany izy.
satria ny marina , marina hiany....
"hery":
Mbola liana ve ianareo ny momba ny atao hoe pretra ao amin'ny fiangonana Katolika?
tena liana tokoa....(na de katolika aza zah):)
34. fijo ( 13/03/2007 23:49)
salut an,fandaharan momba ny finoan aroa no nnadrenesako an'io.dia fandaharana momba ny finoan ajiosy sy mprotestanta.ka raha ny anaran aaloha tsy haiko satria za efa nandeha le resaka vao tena nahalian ahy.matoa misy io fikarohan aio,dia misy tsimoka zavatra hita any.ka mba hitaro ny sain afa toa tery loatra.
tsy hoe vao resaka jesosy dia fotsy daholo.aza hadino fa olona maty meloka io olona io.toa an(i saddam
35. Fanambinana ( 13/03/2007 23:54)
Fijo: Angaha tsy misy olona ho endrikendrehana indray le aza
36. fijo ( 13/03/2007 23:55)
tsy hoatra anao aho ka tsy hafaka hanao izany
37. Fanambinana ( 13/03/2007 23:58)
Ianao zao no mpanendrikendrika sy mpamafy lainga hita-poko hitam-pirenena eto koa. Tsy mahatohana izay tiana mba ambara mantsy
38. fijo ( 14/03/2007 00:02)
raha nisy anarana voaraiko dia tsy menatra aho namoaka azy.raha tsy nisy kosa tsy hamorona aho fa tsy tiako izany.enao no efa zatra ny toa izany ka tohizo ny dianao
39. Fanambinana ( 14/03/2007 19:26)
Fijo: Lainga, endrikendrika, fankahala izay no afafinao eto. Mpandainga ary mpanala-baraka olona. Rehefa tsy misy alahatra dia mba mangina fa aza mandainga e.


40. fijo ( 15/03/2007 00:04)
ary enao rehefa tsy misy hevitra haroso ankoatry ny fanenjehana ahy dia inona no tokony hoataonao???

jereo anie ny zavatra mba nosoratano io hatramin'izay e.mba misy hevitra nivoaka ve na iray aza????????

sa nareo le hoe kristianina de izay.mangina daholo ny sisa?fahendrena krstiania tsara izao ka;tohizo fa mandresy lahatra tsara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2101