Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra

1. lapino ( 01/03/2007 10:34)
Raha ny hevitry ny tenany tokoa no aroson\'ny kristiana, dia hevitr\'olombelona ihany izany. Normal be raha toa ka tsy mitovy ny hevitra.

Kanefa, amintsika Andriamanitra! Miara-monina amintsika koa Izy, ary miresaka amintsika amin\'ny fomba isan-karazany.
Ny kristiana izay mitory, dia ny Tenin\'Andriamanitra no tokony toriany fa tsy ny hevitry ny tenany. Na olon-tsotra io na pasitera na mompera sns ... na eto amin\'ny forum aza. Dia tsy inona izany Teny izany fa :
- na ny Tenin\'Andriamanitra izay voasoratra
- na izay lazain\'ny Fanahy Masina azy
- na izay nampitondrainy ny mpanompony

Tsy iadian-kevitra ny Tenin\'Andriamanitra, fa Tenin\'ny Mpanjaka! tsy afaka manana ny avis-ntsika momba ny Teniny isika.

Noho izany :
- Tsy misy tokony tsy hitovy hevitra izany, fa izay mandika ny Teny dia tsy izy
- Mitandrema izay mitory teny tsy mifanaraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra fa fahendren\'olombelona fotsiny : manao fahotana izany
- Karazany roa (2) ihany ny olona dia : ny olon\'Andriamanitra sy ny ankoatra an\'izay. Ka na samy mitondra anarana hoe \"Kristiana\" aza, tsy mitovy izay lazainy.
Tsisy dikany izay hoe katolika,protesta, kristianaA, kristianaB; tsisy dikany izay hoe baibolista sy tsy baibolista. Tsisy dikany daholo izay karazana \"classification\" ataon\'ny sasany eo. Fa hoe : avy amin\'ny Fanahy Masina ve ny teny izay lazainy sy toriany ?

Noteneniko io satria toa ezahan\'ny ratsy takomana anatin\'ny hevitra mifamahofaho be ny fahamarinana, ka rehefa maro ny tsy itovian-kevitra dia fanina ny olona.
novalian'i prime ny 23/03/2007 07:06
2. simplex ( 01/03/2007 12:14)
Ataoko nefa fa dakoro ela @ hoe misy tenin'A/tra tsy azo ampiharina tsotra izao fa mila fanaovana interpretation kely.

Ka ahoana no ahalalana fa avy @ Fanahy masina ny voalaza na tsy avy aminy?

ela teo:
- na izay nampitondrainy ny mpanompony
iza no voasokajy ho mpanompony moa iza no tsy mpanompony?

=> mbola ilaina ve ny mitory? ary iza no tokony henoina moa iza no tokony tsy henoina ?

:-w
3. piste ( 01/03/2007 12:22)
Fa ahoana kay ny hahafantarana fa misy Fanahy MAsina ny olona anankiray ?
4. piste ( 01/03/2007 12:23)
Fa ahoana kay ny hahafantarana fa misy Fanahy MAsina ny olona anankiray ?
5. LazaDaddy ( 01/03/2007 12:29)
piste> Galatiana 5:22-23

6. prime ( 01/03/2007 12:53)
lapino> Tena mitombina izany voalazanao izany... mitovy hevitra aminao...=D
7. lapino ( 01/03/2007 13:58)
simplex:
Ataoko nefa fa dakoro ela @ hoe misy tenin'A/tra tsy azo ampiharina tsotra izao fa mila fanaovana interpretation kely
Dakoro ve za? Midika inona moa izay hevitro?
:arrow: Fa dakoro ve Andriamanitra? :!:
Anontanio Azy :wink:

Raha hoy izao i Jesosy hoe : "Tsy maintsy ateraka indray ianareo". Dia hoy i Nikodemosy hoe : "Hiverina any an-kibo indray ve izany?". Tsy nanao interpretation i Nikodemosy eo, fa nandray mivantana ilay tenin'i Jesosy. Tsy azony ilay izy, toa tsy lojika, tsy possible, sns ...
Tsy interpretation anefa no nataon'i Jesosy, fa tena tsy maintsy ateraka indray tokoa ny olona. Fa tsy ateraka ara-nofo!! Izay no tsy nahazoan'i Nikodemosy azy, satria mbola araka ny nofo ny fisainana nentiny nandray ilay Teny.

simplex:
iza no voasokajy ho mpanompony moa iza no tsy mpanompony?
Manompoa Azy dia mpanompony koa elah :wink:

simplex:
=> mbola ilaina ve ny mitory? ary iza no tokony henoina moa iza no tokony tsy henoina ?
- Ilaina foana ny mitory! Tsy maintsy mandre ny Teny tsinona ny hatrany amin'ny faran'ny tany. Etsy an-daniny koa Andriamanitra maharitra miandry ny safidin'ny olona. Fa mbola tsy tara izao ny hinoana sy handraisana ny famonjena.
- Jereo ilay Galatiana.5 nolazain'i LD io ;)
Dia hoe koa : "Ny ondriko mahalala ny feoko" ozizy Andriamanitra ;)
8. lapino ( 01/03/2007 14:01)
prime > omeo an'Andriamanitra ny tehaka fa tsy mety amiko, dia araho hira sy dihy ary mozika koa :)
9. pissoa ( 01/03/2007 14:04)
dain, otran'ny mahita valy boraingina be za 8O
10. Rasiligaoma ( 01/03/2007 14:22)
ato nge mi boraingina daholo e
11. lapino ( 01/03/2007 14:33)
pissoa > aiza ny boraingina ?
12. pissoa ( 01/03/2007 14:38)
refa veo valiko fa mbola maika be za zao :oops::oops::oops:

sady lava be ny valiny fa lava be le soratra :-D:-D:-D
13. simplex ( 01/03/2007 14:39)
lapino:
Midika inona moa izay hevitro?

lapino:
Anontanio Azy

hevitr'iza io? :wink:

lapino:
satria mbola araka ny nofo ny fisainana nentiny nandray ilay Teny

iza no niteny an'io? interpretation kou ve io sa izy no niteny hoe tsy azonao ilay izy fa satria nofo no ampiasainao? :°)

lapino:
Tsy maintsy ateraka indray ianareo
mihoatra an'io ny Baiboly.

lapino:
Manompoa Azy dia mpanompony koa elah
d sanatria v tsy mpanompony ry mopera sy pasitera sy masera sy...

lapino:
Etsy an-daniny koa Andriamanitra maharitra miandry ny safidin'ny olona. Fa mbola tsy tara izao ny hinoana sy handraisana ny famonjena.
Aza adino le reference fa manjary otran'ny interpretation ny fandraisako azy.

lapino:
Ny ondriko mahalala ny feoko" ozizy Andriamanitra
mety tsy ondriny ah zany refa tsy kopy iny hoe hevitr'lery ary ve zany sa hevitr'A/tra...;-)


=> aza mitsongoloka sy manao zedemo refa manao adihevitra. Alaharo kou ny hevitra mba hanohana ny lohahevitra :b:):-*

14. Rasiligaoma ( 01/03/2007 14:50)
ka acrobate theologique izy ry ngahy a!:lol:
15. prime ( 01/03/2007 15:23)
Mahay miresaka koa ianareo kah...:)
16. soanja ( 01/03/2007 15:32)
lapino:

Raha ny hevitry ny tenany tokoa no aroson\'ny kristiana, dia hevitr\'olombelona ihany izany. Normal be raha toa ka tsy mitovy ny hevitra.

Kanefa, amintsika Andriamanitra! Miara-monina amintsika koa Izy, ary miresaka amintsika amin\'ny fomba isan-karazany.
Ny kristiana izay mitory, dia ny Tenin\'Andriamanitra no tokony toriany fa tsy ny hevitry ny tenany. Na olon-tsotra io na pasitera na mompera sns ... na eto amin\'ny forum aza. Dia tsy inona izany Teny izany fa :
- na ny Tenin\'Andriamanitra izay voasoratra
- na izay lazain\'ny Fanahy Masina azy
- na izay nampitondrainy ny mpanompony

Tsy iadian-kevitra ny Tenin\'Andriamanitra, fa Tenin\'ny Mpanjaka! tsy afaka manana ny avis-ntsika momba ny Teniny isika.

Noho izany :
- Tsy misy tokony tsy hitovy hevitra izany, fa izay mandika ny Teny dia tsy izy
- Mitandrema izay mitory teny tsy mifanaraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra fa fahendren\'olombelona fotsiny : manao fahotana izany
- Karazany roa (2) ihany ny olona dia : ny olon\'Andriamanitra sy ny ankoatra an\'izay. Ka na samy mitondra anarana hoe \"Kristiana\" aza, tsy mitovy izay lazainy.
Tsisy dikany izay hoe katolika,protesta, kristianaA, kristianaB; tsisy dikany izay hoe baibolista sy tsy baibolista. Tsisy dikany daholo izay karazana \"classification\" ataon\'ny sasany eo. Fa hoe : avy amin\'ny Fanahy Masina ve ny teny izay lazainy sy toriany ?

Noteneniko io satria toa ezahan\'ny ratsy takomana anatin\'ny hevitra mifamahofaho be ny fahamarinana, ka rehefa maro ny tsy itovian-kevitra dia fanina ny olona.


Ny ahy indray dia tsotra ny valin-teniko amin'ity size ity. TSY LAFATRA NY BAIBOLY. zany hoe tsy voatery tenin'Andrimanitra daholo ny ao satria olombelona mitovy amintsika no nanoratra azy vokatry ny fiarahamonina sy ny zavamisy ary izay tiany voizina.
Ny olombelona koa anefa na Mpino aza dia tsy lafatra.
Noho izany mazava fa betsaka ny tsy fitovian-kevitra.
Ny zavadehibe dia hoe "Manaja ny hafa amin'ny heviny ary aza manameloka azy".
Anjarantsika tokoa ny mitory saingy azy ny safidy satria Andriamanitra dia afaka miasa amin'ny zavatra isan-karazany sy fomba isan-karazany ka raha tsy nandaitra ny ahy ohatra amin'ilay namako dia mino aho fa Andriamanitra manana ny programany hafa momban'iny olona iny. Ny hany azoko atao dia ny mitia sy mivavaka ho azy mba ho tsolivin'Andrimanitra lalandava ny lalany ary ahita fahazavana izy indray andro any.


17. lapino ( 01/03/2007 15:43)
simp>
Ny tiako notenenina dia hoe : na dakoro za na tsy dakoro za, tsy manova n'inon'inona mihitsy izany. Fa raha dakoro Andriamanitra na tsy dakoro Andriamanitra hoe anaovana interpretation ny Teniny, dia izay no tokony hametrahana fanontaniana. Dia io nataoko io hoe "Anontanio Azy".
Tsy boraingina io an! Fa tena anontanio Azy mihitsy no nolazaiko teo. Afaka manontany Azy ange isika na dia rehefa mivavaka fotsiny aza. Na tsy rehefa mivavaka aza, fa am'zao fotsiny. Raha tsy ampy ny finoana, ka mametra-panontaniana hoe henony ve izany ... dia izao indray : mivoria roa na telo amin'ny anaran'i Jesosy, dia azo antoka fa ho eo Izy. Dia amin'izay apetraka Aminy ny fanontaniana. Dia avelao Izy hamaly.

Resaka interpretation :
Lasa tsingoloka sy zedemo tokoa ilay resaka, kanefa izay no tokony hialana. Misy risika be io teny hoe "interpretation" io ...

Raha misy olona iray mitory teny, tsy handahatra reference foana akory izy. Fa ankoatra ny Teny izay voasoratra, (izay efa feno fahendrena rahateo koa na dia ho an'izay tsy mino aza) dia misy ny Fanahy Masina, izay "Mpananatra" koa no iantsoana Azy; ka ny Fanahy Masina afaka mitoetra ao amin'ny mpanompony ka miteny amin'ny alalany. Amin'ny teny hafa izany hoe "possede". Ka izay tenin'ny Fanahy amin'ny alalan'ny mpanompony izay, dia mety ho azo lazaina hoe interpretation.

Etsy andaniny anefa, raha iny aho miaraka amin'ny coco-ko sy ny fahalalana ananako, ka handrafitra raisonnements siantifika sy filozofika momba ny Teny, dia mety ho azo lazaina hoe interpretation koa izay.

Ny zavatra tena tiako hotsindriana dia hoe, ny finoana dia araka ny Fanahy. Fa ny zavatra rehetra manodidina izay mety tsy mampitovy hevitra ny olona, jereo fa sao tsy araka ny Fanahy. Na misy interpretation na tsia izay tenenin'ny olona, na izany teneniko izany koa, dia mangataha ny Fanahy hanazava izay fahamarinana ao anatin'izany.
simplex:
d sanatria v tsy mpanompony ry mopera sy pasitera sy masera sy...
Tandremo fa eo indrindra no mety misy fitaka. Jereo fotsiny ilay ohatra noresahan'i fijo tatsy ambadika momba ilay frera tany Mahajanga. Jereo ny tantaran'ny kristiana izay tantarain'i Tsimiandravola foana, resaka finoana an-tery, famonoan'olona, sns ... Fa mpitondra fivavahana daholo no nahatonga an'ireny, kanefa tena Andriamanitra tokoa ve no notompoiny?
Dia hoe: "l'habit ne fait pas le moine"
Fa koa : "le moine ne fait pas le serviteur de Dieu" :wink:

simplex:
mety tsy ondriny ah zany refa tsy kopy iny hoe hevitr'lery ary ve zany sa hevitr'A/tra...

> Ny voany no ahalalana ny hazo ;)
>> Fa ny vokatry ny Fanahy dia ... Gal.5:22-23
>> Ny momba ny fitiavana jereo ao @ I Kor.13:4-7
Jereo akaiky ireo, amin'ny teny gasy, frantsay, anglisy, sns ... ;) fa izay no ahafantarana azy
Manampy hahafantatra koa ny Fanahy izay mitoetra ao anaty
18. pissoa ( 01/03/2007 16:06)
Raha ny hevitry ny tenany tokoa no aroson'ny kristiana, dia hevitr'olombelona ihany izany. Normal be raha toa ka tsy mitovy ny hevitra.

- Tsy voatery ho hevitr'olombelona "ihany" ny hevitry ny olona iray, na dia heverina ho hevitry ny tenany aza. Raha mitovy hevitra amin'Andriamanitra izy (na tsy fantany aza) dia hevitr'Andriamanitra koa ny heviny.

- Na hevitr'Andriamanitra aza no asehon'ny olona iray dia mbola hisy foana ny tsy fitovian-kevitra. Efa nasiantsika olombelona "bornes" ny fihevitr'Andriamanitra ... Nasiana "normes" ka raha tsy izay dia tsy Izy. "Normal" ihany io satria tsy izay milaza ny teniny ho "avy amin'Andriamanitra" dia ho ekena daholo ho izay tokoa.

Kanefa, amintsika Andriamanitra! Miara-monina amintsika koa Izy, ary miresaka amintsika amin'ny fomba isan-karazany.
Ny kristiana izay mitory, dia ny Tenin'Andriamanitra no tokony toriany fa tsy ny hevitry ny tenany. Na olon-tsotra io na pasitera na mompera sns ... na eto amin'ny forum aza. Dia tsy inona izany Teny izany fa :
- na ny Tenin'Andriamanitra izay voasoratra
- na izay lazain'ny Fanahy Masina azy
- na izay nampitondrainy ny mpanompony

Marina. Fa miverina amin'ny fanontanian'i Simp hoe iza no mpanompony ?

Tsy iadian-kevitra ny Tenin'Andriamanitra, fa Tenin'ny Mpanjaka! tsy afaka manana ny avis-ntsika momba ny Teniny isika.

Eny, Tenin'ny Mpanjaka ny tenin'Andriamanitra. Natao ho eken'ny "mpanompon'ny Mpanjaka" (Cheuf, oui chef !), fa tsy hoe tsy mahazo manana avis. Ny fanekena mantsy dia efa avis raha haiko ny dikany. Fa efa tsara aloha ilay mi-considerer ny Fanahy Masina sy ny Mpanompon'Andriamanitra fa tsy mamehy an'Andriamanitra amin'ny Teny voasoratra = Baiboly.

Noho izany :
- Tsy misy tokony tsy hitovy hevitra izany, fa izay mandika ny Teny dia tsy izy

Izay mandika ny Teny dia tsy izy, marina be io ! Fa tsy voatery midika hoe tsy maintsy mitovy hevitra. Ohatra : Ny dikan'ny hoe "tsy manga" dia "tsy manga", fa tsy hoe "mena" ihany na "fotsy" ihany. Ka rehefa miteny ny Mpanjaka hoe "Tsy manga" dia samy mety ny "mena" sy "fotsy" na dia tsy mitovy hevitra aza. "Resaka" (fa tsy ady hevitra intson, hihihi) mandeha lava eto amin'ny serasera io, satria ny tian'ny sasany "mena" dia lazainy fa diso ny hafa satria "fotsy" - hihihi.

- Karazany roa (2) ihany ny olona dia : ny olon'Andriamanitra sy ny ankoatra an'izay. Ka na samy mitondra anarana hoe "Kristiana" aza, tsy mitovy izay lazainy.
Tsisy dikany izay hoe katolika,protesta, kristianaA, kristianaB; tsisy dikany izay hoe baibolista sy tsy baibolista. Tsisy dikany daholo izay karazana "classification" ataon'ny sasany eo. Fa hoe : avy amin'ny Fanahy Masina ve ny teny izay lazainy sy toriany ?

Avy amin'ny Fanahy Masina ve sa tsia ... marina io. DISO kosa ny fiheverana fa tsisy dikany ny mahaKatolika na mahaProtestant sns. Raha tena tsisy dikany ireny dia nanao Kato daholo ny olona na nanao Protestant daholo ... na manao zavatra tsisy dikany ialahy :-D
19. lapino ( 01/03/2007 16:11)
Raha \"vokatry ny fiarahamonina sy ny zavamisy ary izay tiany voizina\" tokoa no nanoratan\'ireny olona ireny ny baiboly, dia efa lany andro izy ohatra an\'izay. Dia mitombina ny tenin\'i fijo hoe : tsy fandaniana andro fotsiny ve ny mivavaka amin\'izao fotoanan\'ny fandrosoan\'ny fikarohana sy teknolojia izao ?

Fa za aloha raha mifikitra amin\'ny Tenin\'Andriamanitra, dia satria fantatro fa Andriamanitra no nampanoratra an\'iny, dia mbola Izy koa no nitazona ny Teniny nitety ny taon\'arivo maromaro. Dia iny baiboly eny an-tanantsika iny.
Izy ao:
Izao tontolo izao ho levona, fa ny Teniko tsy mba ho levona
20. naughtyboy ( 01/03/2007 16:14)
efa voalaza teo fa ny olombelona(na oul.ny fanahy izy na tsia) rehetra mihitsy no tsy mitovy hevitra,ra samy hitovy hevitra daoly ko ve tsy hahakamo be ny fiainana?
tsy sika olombelona ihany akory fa iarahany mpino rehetra mahalala ko fa na ny fanahy aza de tsy mitovy hevitra zay no nahatonga ny ady tany andanitra tany taloha ela be de nizara 2 ny mpanaraka an'A.tra sy ny fanjakany ary ny mpanohitra azy,nyitovizantsika hevitra eto de oe:
ny hevitry ny fanahy tsy hevitry ny olona na ko ny mifamadika @ io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1324