Aza mitsahatra mamafy.

1. hery ( 01/03/2007 09:17)
Tadidinareo ilay Mpamafy nivoaka hamafy? Amin'izao fotoana izao angamba dia io no tena tokony hataon'ny mpino. Mamafy... ary tsy mitsahatra mamafy. Raha manana izay finoanao ianao (conviction-nao) dia zarao hatrany... fa aza manery ny olona kosa hanana izany conviction anananao izany.

Ilaina ekena hatrany ny fahafahan'ny olona tsy hino izay lazainao. Harary fo fotsiny eo ianao raha terenao hitovy hevitra aminao daholo ny olona... satria tsy maintsy hisy foana ny olona handà izay inoanao.

Ary tsy tsapanao ve fa mahamafy finoana anao ny fisian'ireny olona mandà izay inoanao ireny? :-)
2. lapino ( 01/03/2007 09:37)
Isika izay mitory

Aoka hifototra amin'ny Fanahy Masina.

- Hotoriantsika foana fa MISY Andriamanitra
- Hotoriantsika foana ny famonjena nentin'i Jesosy
- Hotoriantsika foana ny Tenin'Andriamanitra

Kanefa :
- Raha toa ka feno ny Fanahy Masina ianao, izany hoe possed�n'ny Fanahy Masina, dia teneno izay lazainy anao.
- Raha tsy izany kosa dia aleo mijanona mitanisa ireo teny izay efa nolazain'i Jesosy sy nampilazain'ny Fanahy Masina ireo mpanompony

Marina fa tiantsika hino daholo ny namana rehetra, ny olombelona rehetra mihitsy aza, ka izany indrindra no itoriana. Kanefa tsy manana fahefana amin'izany raha izay herintsika fotsiny. Fa anankiroa no mahatonga ny olona hovonjena dia:
- Andriamanitra izay manolotra ny famonjena, ka ny herin'ny Fanahiny no mitondra izany ho eo amin'ny olona
- ny sitrapon'ny olona izay mandray ny famonjena, ka ny herin'ny Fanahy no mahatonga fanekena ao anatiny

Noho izany, dia ny mitory no anjarantsika. Tsy vitan'ny adihevitra amin'ny fisainan'ny olombelona tahaka ny fahita eto no hahatonga ny finoana eo amin'ny olona. Fa Andriamanitra no hiandraikitra ny Teniny izay toriana, tahaka ny ranon'orana izay tsy miverina miakatra raha tsy efa nahalonaka ny tany.

Raha namaky baiboly izahay omaly hariva, resaka momba ny asa fitoriana izay nataon'ny mpianatr'i Jesosy, dia nahita an'ity teny ity izay nanaitra anay :

ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. (Asan'ny apostoly.13:48)

3. Fiffi ( 01/03/2007 10:17)
hery:
fa aza manery ny olona kosa hanana izany conviction anananao izany.

Ilaina ekena hatrany ny fahafahan'ny olona tsy hino izay lazainao. Harary fo fotsiny eo ianao raha terenao hitovy hevitra aminao daholo ny olona... satria tsy maintsy hisy foana ny olona handà izay inoanao.
marina zany ry Hery an ! Mihombon-k'hevitra tanteraka @ nao zah @ ireo.


4. prime ( 01/03/2007 13:02)
hery> Mitombina tanteraka...
5. Rasiligaoma ( 01/03/2007 14:39)
hery:

. fa aza manery ny olona kosa hanana izany conviction anananao izany.

Ilaina ekena hatrany ny fahafahan'ny olona tsy hino izay lazainao. Harary fo fotsiny eo ianao raha terenao hitovy hevitra aminao daholo ny olona... satria tsy maintsy hisy foana ny olona handà izay inoanao.


izay manko!


6. prime ( 01/03/2007 15:25)
Ekena tanteraka fa tsy tokony atsahatra ny famafazana... hisy hoy i Kristy ny ho voafafy eny amin'ny tany tsara, eny ambony vatolampy, eny amin'ny tsilo ary eny amin'ny tany maina karankaina... fa tsy anjaran'ny mpamafy intsony ny tohiny...
7. Fiffi ( 01/03/2007 17:10)
ity angamba azontsika hadika @ le hira hoe "le semeur est sorti"
8. Zina ( 01/03/2007 18:36)
Mila mitandrina koa anefa isika mba tsy vo-tsiparifary no hafafy :wink:
9. Fiffi ( 01/03/2007 18:58)
marina zany...
10. LazaDaddy ( 01/03/2007 20:09)
Hery> =D "miasaa dieny mbolamazava ny andro faho avy ny alina ka tsy hisy afaka miasa intsony" (Dika teny malalaka)
11. fijo ( 01/03/2007 21:42)
hery an,izahay koa ve mba mahazo mamafy?????izahay mantsy raha mba maneho ny hevitray dia lazaina ato fa manery ny olona tsy hino.
za anefa dia momba io voalazan'i hery io hoe ,afafazo,fa aza manery ny hafa.
12. soanja ( 02/03/2007 01:32)
Marina tokoa ny voalazana'i Hery saingy ny tiako tsindriana kely fotsiny dia mila jerena tsara izay hamafazana sy ny fototr'ilay tany hamafazana. Inona ny manodidina, karakaina ve sa mety hitarika tondran-drano. Mila jerena tsara ireo satria ny tena mampalahelo mantsy dia efa lany ny voa eny an-tanana vao tonga amin'ny tany lonaka ianao.
Misy fetrany tokoa mantsy ny fahafahantsika olombelona mamafy matetika afa tsy ireo izay nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana.
Dia lasa toy ilay hoe tantaran'ny gasy hoe "Kipikipy zato sy ny vorontsara dia."
Ny fitiavana kosa dia zarao hatrany hanjaka mandrakizay n'aiza n'aiza.
13. Fiffi ( 02/03/2007 10:47)
arakin'voalazan'i Jesoa hoe "Suivez-moi, et je vous ferai pêcheurs d'hommes."
14. prime ( 02/03/2007 15:55)
Mamafàza voa, aza mba malaina
fa tsy fantatrao re izay ho vanona
na amin'ny hariva na amin'ny maraina
mamafàza voa tsy mijanona...

Matokia re, matokia re
hisy amboara ho anao anie e...
15. Zina ( 02/03/2007 19:00)
Tsara io hira io ry prime ...
16. fijo ( 02/03/2007 22:52)
dia samia mamafy iany isika e.za koa hamafy ny ahy an.
17. linarako2 ( 03/03/2007 00:35)
fijo:

dia samia mamafy iany isika e.za koa hamafy ny ahy an.


Izay voa tsara dia mamoa voa tsara,izay voa ratsy kosa dia tsy maninona aleho aniry fa amin'ny fararano izy ho jinjaina ary ariana ho dorana amin'ny afo.
18. fijo ( 03/03/2007 01:18)
dia ny an'iza no tsara nefa izany???sa efa hainareo
19. niryna ( 03/03/2007 08:10)
hery:

Tadidinareo ilay Mpamafy nivoaka hamafy? Amin'izao fotoana izao angamba dia io no tena tokony hataon'ny mpino. Mamafy... ary tsy mitsahatra mamafy. Raha manana izay finoanao ianao (conviction-nao) dia zarao hatrany... fa aza manery ny olona kosa hanana izany conviction anananao izany.

Ilaina ekena hatrany ny fahafahan'ny olona tsy hino izay lazainao. Harary fo fotsiny eo ianao raha terenao hitovy hevitra aminao daholo ny olona... satria tsy maintsy hisy foana ny olona handà izay inoanao.

Ary tsy tsapanao ve fa mahamafy finoana anao ny fisian'ireny olona mandà izay inoanao ireny? :-)

Misaotra anao lehibe dia lehibe aho ,tsy avy amin'ny herin'ny tenanao no nahatonga anao nanoratra io fa ny fanahy masina.Marina tanteraka ny teneninao,tsy voatery hanaraka ny finoana izay ananako na ananao ny olona.Tsy izaho na ianao no tokony arahiny ary tsy fantany izany,Jesosy kristy izay toriana isan'andro no tokony arahiny.Tena tsapako tanteraka 100% mihitsy ilay tsy fitiavana sy fankahalana ary fanaratsiana sy fiantsiana ady.Saingy ny tenin'i Jesosy no narahiko nanambara hoe efa nisy olona maro talohanareo nijaly toa anareo.Narary ny foko ary dia tena tsoriko anao fa saika tsy andray anjara eto intsony aho.Saingy ny fahasoavana nomen'Atra ahy sy ny fitiavako hanaraka ny soratra masina sy ireo namana izay mila an'Atra,mila fanantenana fa misy Izy,ary mbola manome toky antsika fa raha manantona azy isika dia ho raisiny ho zanany,ireo no vao maika nahatonga ahy hitory sy hizara ary hifampy hianatra ny tenin'Atra ato.

20. tywa68 ( 03/03/2007 09:02)
hery sy niryna : mizara ampitiavana ny finoanao enao !

linarako2 : tsy ampitahorina afobe izay miteny zavatra hafa (ohatran'i fijo).:-D:-D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.307