La gloire de Vierge Marie

1. Mandefitra ( 26/02/2007 13:25)
Hitako tao @ net http://www.santorosario.net/francais/gloires5.htm
Ka mahalasa saina ahy :
Le Père Contenson soutient la même doctrine ; il explique en ce sens les paroles adressées par Jésus du haut de la croix à saint Jean, et il les commente en ces termes : " Voilà votre Mère, c'est comme si le Sauveur eût dit : Personne n'aura part aux mérites du sang que je répands, si ce n'est par l'intercession de ma Mère. Mes plaies sont les sources de la grâce ; mais les ruisseaux n'en couleront sur aucune âme que par le canal de Marie. Jean, mon cher disciple, vous serez aimé de moi en proportion de l'amour filial que vous aurez pour elle ".
Ahoana ny hevitrareo?
2. ikaretsaka ( 26/02/2007 13:37)
mitovy finoana @ doctrine an'i P Conteson ikaretsaka
3. maditra ( 26/02/2007 13:50)
Finoana doly izany. Enao no mino izay tianao inona. Tsy zoko ary tsy zonao fotsiny ny mitsara olona amin'ny zavatra inoany!
4. ikaretsaka ( 26/02/2007 14:04)
izay! mino ianao dia milaza sy mizara izay inoanao.. fa tsy mitsara izay tsy mino izay inoanao!
5. cutie ( 26/02/2007 14:13)
eny wa
ovay le toe-tsaina:-D:-D:-D:-D
6. fijo ( 26/02/2007 15:25)
marina tokoa io voalzan'i maditra io.izay le finoana.
7. Fiffi ( 26/02/2007 15:51)
maditra:
Finoana doly izany. Enao no mino izay tianao inona. Tsy zoko ary tsy zonao fotsiny ny mitsara olona amin'ny zavatra inoany!
tena marina zany ! mihombon-k'hevitra tanteraka @ nao zah..


8. xxx ( 26/02/2007 22:07)
"Fa iray no Andriamanitra, ary iray no mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy"

Ho anao izay manam-pinoana fa misy Andriamanitra dia mazava be io teny io; ary tsy misy resaka maria na oviana na oviana.

Ho anao izay tsy manam-pinoana dia safidy ny anao..
9. xxx ( 26/02/2007 22:13)
"Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. [afa-tsy ny anaran'i Jesosy Krsity]" asa 4:12

Raha te anantona an'Andriamanitra ianao dia tokana ihany ny lalana nomeny, dia ny finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany;

Raha tsy te anantona, akory atao..
10. cutie ( 26/02/2007 22:42)
xxx
ary raha tonga de direct @Atra , fa tsy mandalo mpanelanelana ( jesoa ):lol: de ahona :lol::lol::lol:
11. ikaretsaka ( 26/02/2007 23:53)
io ange raha baiboly fotsiny no atao referansa dia samy maka ny verses biblika izay metimety @ fony sy ny fanahiny dia lasa ilay andalana no inoana fa tsy ilay zavatra manontolo intsony e..
fa jereo fotsiny i lourdes, fatima, anosivolakely, guadalupe, vierge noir, sns...

hoe olona amina million isan-taona no mankany..
donkou..ao raha!
12. xxx ( 27/02/2007 01:30)
ikaretsaka> tsy hoe rehefa betsaka ny mankany dia lasa iny no reference...
13. xxx ( 27/02/2007 01:49)
Raha mino ny olona iray fa Jesosy Kristy dia Andriamanitra nidina tety an-tany roa arivo taona lasa ary nanaiky ho faty hamonjy antsika olombelona mpanota, sy nitsangana tamin'ny maty nandresy ny fahafatesana dia Jesosy Kristy mihintsy no nilaza fa Izy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana, ary tsy misy olona mankany amin'Andriamanitra afa-tsy amin'ny alalany.

Ny Soratra Masina izay nampanoratin'Andriamanitra hilazana ny sitrapony no milaza izany fa tsy vokatry ny fisainan'olombelona fotsiny. Ary raha io Andriamanitra io no arahinao, dia ny Soratra Masina ihany reference fa tsy ny fombafomban'olona maro izay lazainao (fatima, lourdes...).

Na mino izany ianao na tsy mino fotsiny.
14. LazaDaddy ( 27/02/2007 02:25)
vous serez aimé de moi en proportion de l'amour filial que vous aurez pour elle
io aloha dia mifanipaka tanteraka amin'ilay FITIA AGAPE tsy mitady tambiny maha Kristy an'i Kristy. Noho izany, mba mailo!!!
hoe olona amina million isan-taona no mankany..donkou..ao raha!
olona amina million isan-taona koa no mankany @ vehivavy janga...sa mitovy ihany izany? oops!

15. cutie ( 27/02/2007 02:31)
olona amina million isan-taona koa no mankany @ vehivavy janga...sa mitovy ihany izany? oops!

:-D:-D:-D:-D:-D
16. majesty ( 27/02/2007 05:21)
Vierge Marie ??? efa hoe Maria tsy vierge zany intsony fa i Jesosy aza anie manana rahalahy sy anabavy iray tampo e!:?
17. Mandefitra ( 27/02/2007 05:45)
voalaza teo :
Finoana doly izany. Enao no mino izay tianao inona. Tsy zoko ary tsy zonao fotsiny ny mitsara olona amin'ny zavatra inoany

Adihevitra momba ny finoana ny eto raha tsy diso aho,ka tsy resaka hoe mitsara fa zon'ny olona ny maneho ny heviny, ary azony atao koa ny mangatam-panazavana @ zay tsy mazava aminy.sa tsy izany?
ary raha tonga de direct @Atra , fa tsy mandalo mpanelanelana ( jesoa ) de ahona

Tsy maninona mihitsy, Jesosy aza fony nampianatra mivavaka nanao hoe :Rainay zay any andanitra, fa izy ko nampianatra hoe na inona na inona no angatahinareo @ Anarako de ho azonareo zany.Finoana io,fa tsy haiko Vierge Marie raha niteny an izany.
18. xxx ( 27/02/2007 06:22)
Majesty : asehoy hoe ny DNA :-D

xxx mpitanisa soratra masina : otran'ny hoe tsy azonao tsara ilay teny Frantsay. Izaho koa tsy dia mahazo, fa raha ny fahazahoako azy dia fomba fandehanana any amin'i Jesoa indray no resahiny fa tsy ny fandehanana any amin'ny Ray.

LazaDaddy : misy zavatra lehibe tsy hitovizan'ny Renin'Andriamanitra amin'ny vehivavy janga ! Ny Renin'Andriamanitra dia tsy vehivavy janga. Tsy tapitra tamin'ny taona faha-33 ny maha Mère de Dieu an'i Maria, fa mitoetra raha mbola misy foana i Jesoa Andriamaitra. Tsy iadian-kevitra angamba fa amin'ny maha-renin'Andriamantira azy dia manolotra zavatra tsara izy, tsy toy ny vehivavy janga :lol:

Amiko dia zavatra logique be ilay izy. Taiza moa i Jesoa no tonga nofo sy ra ? Tao ankibon'i Maria. Nisy ran'i Jesoa nalatsaka ho ahy ve raha nanda izany i Maria ? Tsy haiko, ny hany haiko dia tsy nanda izy. Nanaiky izy, ary tao aminy no tonga nofo i Jesoa mba hahatanteraka ny famonjena ahy. Dia tsy ho menatra ve aho hitono-tena hoe nandatsahan'i Jesoa ny rany, nefa ilay renin'i Jesoa nanome ra sy nofo azy aza hodradraiko fa hitoeran'ny fahalotoana ary mitovy amin'ny vehivavy rehetra fantatro ihany. Andriamanitra mihitsy no efa tsy nampitovy an'i Maria amin'ny vehivavy hafa rehetra ! "Nanomana vehivavy iray mendrika ho renin'ny Zanany Andriamanitra, dia i Maria". Tsy azontsika lavina ary tsy azontsika foanana izany.
19. ravatorano ( 27/02/2007 06:27)
fa nanomboka oviana indray zany hoe nanana rahalahy sy anabavy i Jesosy kle ?
zao zany vao reko hahahahaha
sa ilay film mandeha v zany razandry ?
20. Mandefitra ( 27/02/2007 07:40)
Personne n'aura part aux mérites du sang que je répands, si ce n'est par l'intercession de ma Mère

Raha Jesosy tokoa ilay Mpamomjy inoanareo,de Izy no efa niteny hoe "Izaho no Lalana ..., tsy mankany @ Ray afa-tsy @ alalako"
Tsy mahatsiaro tena hoe nivily lalana ve nareo raha mandray lalankafa hahazoana famonjena ankoatr'i Kristy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1623