Hay ve????

41. prime ( 23/02/2007 05:59)
fijo:
hoadray.ny lalana mifehy ny fiarahamonina anie ka ny mpiaramonina no mandrafitra azy e.ka raha ity enao tonga handrava fa hoe tsy mifanaraka amin'ny tiana io,dia olomeloka izany enao.
... Ekena hoy aho fa tsy zakan'ny fiarahamonina ny nataony... fa Jesosy tsy nandrava fa nampiorina sy nanavao... Jesosy mihitsy no nampianatra ireo Fariseo raha naka fanahy Azy ireo mikasika ny hetra aloa, satria noheverin'ireo fa mpandika lalàna Kristy ka dia noeritreretina hojonoina mba hisamborana Azy, dia tsotra ny navaliny :

"Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra." Lioka 20:25... izany no midika fa tena nanaja ny rafitra nisy Kristy fa tsy "rebelle" na "révolutionnaire" araka ny niheverana Azy...

fijo:
tadidio fa tamin'ny fotoana niainany ani etsy nisy nihevitra an'i jesosy hoe zanak andriamanitra izy e.efa taty aorian aio vao tonga.
... Tena ny nanambaràny tena ho Zanak'Andriamanitra mihitsy nefa no nanenjehana Azy ka nanombon'ny jiosy Azy... blasfema teo amin'ny fivavahana jiosy mantsy ny filazàna tena ho "Mesia" na Zanak'Andriamanitra na Andriamanitra mihitsy ary antony lehibe iray io nitsaràna Azy teo @ Synedriona ka nanolorana Azy ny fitsaràna Rômana ho mpanakorontana sy mpanohitra noho ny fanambaràn'i Kristy ny tenany ho Mpanjakan'ny Mpanjaka...
42. fijo ( 24/02/2007 00:07)
avy dia hatambatro ny valiny.
jiolahy izy hoy aho.
jiolahy=dia olona iray na maromaro,tsy manaiky ny lalanan'ny fiarahamonina misy azy,ary manao hetsika izay mifanohitra amin'io.
ny vokany dia voasazy sy meloka izy.
raha tsy misy le hetsika fa tsy manaraka fotsiny izy,tsy heloka izay.
i jesosy dia tsy nanaraka ny lalana nisy tamin'ny fotoan'androny."ianareo mpino aza dia manaiky an'izay"ary mbola narahany fihetsika feno herisetra io.ilay izy nandrava tao ampiangonana.ary mbola nisoratena ihany koa ny anareo fa izy no mpanjakan'ny jiosy."asa raha izao no misy milaza any US na any Mada hoe za no filoha fa tsy bush na ra8.inoan no ahazo azy??????
ary farany moa dia voaheloka izy noho ireo tsy fanarahan dalana ireo ka dia voasazy ,nombohana niaraka tamin'ny jiolahy.satria izay no toa azy
43. Salut ( 24/02/2007 21:46)
Fijo: Misaotra amin'ny fanazavana. Raha azoko tsara ny tianao ambara dia te hiteny ianao hoe olon-dratsy Jesoa.
-Voalohany: ahindrahindranao ny resaka fiaraha-monina ho tompon'ny marina ka na inona na inona lazainy dia marina zany. Dia satria koa ankehitriny tsy mino an'Andriamanitra ny fiaraha-monina misy anao dia marina aminao fa tsy misy Andriamanitra? Tsy mety diso ve ny fiaraha-monina? Raha ny fiaraha-monina zany no mandika ny lalana dia mety? fa raha olona tokana kosa no miezaka mampanjaka ny marina voalazan'ny lalana dia meloka? Raha ny fiaraha-monina no mampiasana ny tranon'Andriamanitra amin'ny zavatra mifanohitra amin'ny lalan'Andriamanitra dia mbola mety? Marina no sady ara-drariny sy ara-dalana ny nataon'i Jesoa ka jereo fa tsy nisy sahy nanohitra azy ny olona.

Ny lalana napetraka mety ho marina fa ny fampiharana azy no mety tsy amin'ny ilaina azy. Io no misy hatraiza hatraiza, ary nisy koa tamin'ny andron'i Jesoa. Tsy nandika ny lalana izy fa nanintsy kosa ny fandraisana ny lalana. Tsy nandrava ny lalana izy fa nanafaka ny olona tsy ho andevozin'ny lalana.

Iza no afaka anameloka an'i Jesoa tamin'izay nataony? Ianao io ve? Fantaro fa na ireo mpifehy rehetra tamin'ny andron'i Jesoa aza dia samy tsy nahita ny helony satria marina sy rariny avokoa ny asany. Fankahalana sy fitiavan-tena ary fialonana no namonoana azy. Feno haratsina loatra ny fon'olombelona ka tsy nahazaka ny hampanjakana ny marina dia novonoiny izy.

Farany: Mpanjaka aho hoy Jesoa fa hafa noho izao hitanareo zao ny fanjakako. Inona no helony amin'izany? Ireo nanodidina azy dia nahatsapa fa mpanjaka izy, ary mpanjaka tsy mitovy amin'ny rehetra. Jereo ny fandraisana azy tao Jerosalema, sns... Fa ireo tsy tia azy no efa feno fialonana ka tsy te hahalala ny marina momba azy. De zay.

Ianao koa tsy te hahalala ny marina dia manameloka azy ankehitriny? Indrisy, iza moa ianao no sahy hitsara ilay Mpanjaka ny mpanjaka? Hatraiza ny fahalala mba hanananao no hasahianao milaza fa meloka izy? Raha misy hitanao fa diso izay nambarany dia lazao eto. Izaho kosa tsy mba hitsara anao hoe diso ianao na hanameloka ilay fiharaha-monina misy anao ekenao teny, fa hampandinika kely anao hoe: Nahoana ireo olona rehetra mampanjaka ny rarany sy ny hitsiny no vonoina foana (oh: Gandhi, sns)? Izay helohan'ny fiaraha-monina ve diso daholo, nefa firifiry ireo gadra tsy meloka akory?
Nomena saina handinihana ianao na efa namono ny fanahy hahalala ny marina aza ka diniho!
44. prime ( 26/02/2007 08:28)
fijo> Atambatro ny fanontaniana : hono hoy aho, iza no ambony, ny fiarahamonina sa Andriamanitra? iza no marina ny fiarahamonina sa Andriamanitra? iza no tena Mpanjaka, ny fiarahamonina sa Andriamanitra?...
45. fijo ( 27/02/2007 23:04)
amiko ny fiarahamonona no no tokony hoarahina.tadidio,fa ny fiarahamonina dia hafaka mampidy ny fiangonana.fa ny fiangonana tsy hafaka hanery ny fiarahamonina.
46. prime ( 01/03/2007 09:18)
fijo> Izaho ve ry fijo miresaka fiangonana? izaho miresaka Andriamanitra...

Ny fiangonana dia azo raisina ho ambany tokoa eo amin'ny fiarahamonina satria mbola azo eritreretina ho eo ambany fifehezan'ny lalànam-piarahamonina... fa Andriamanitra ve azon'ny fiarahamonina fehezina?:lol:
47. Fiffi ( 02/03/2007 06:53)
sarotra be ity dinika ity....
48. prime ( 02/03/2007 12:56)
Tsara ny fanamarihan\'i fijo kah... efa tamin\'ny fotoan\'andro nanambaràn\'i Jesosy ny momba Azy voalohany no efa nanomboka ny fanenjehana Azy tamin\'ny endrika maro... ary eo no fototry ny adihevitra hoe ny anti-Kristy dia tsy fanahy velively araka ny iheveran\'ny olona maro azy eny fa na ny mpino koa aza), fa olombelona hary saina, vatana, fanahy... efa vonona ny hanohitra Azy Jesosy Kristy hatramin\'ny nahatongavany teto an-tany ka mandrapahatongan\'ny farany...

Vao maika moa tena mitondra fandresena lehibe mihitsy ho an\'ny fahavalo ny fiheverana azy ireo ho tsy misy, izany hoe ny filazàna fa tsy misy ny anti-Kristy... araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an\'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy]\" I Jaona 2:22

\"ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an\'i Jesosy dia tsy mba avy amin\'Andriamanitra; ary izany no fanahin\'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin\'izao tontolo izao sahady izy.\" I Jaona 4:3

\"Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin\'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin\'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.\" II Jaona 7

\"Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [* Na: ilay]\" I Jaona 2:18

\"[Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin\'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin\'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.\" I Jaona 2:12...

Izany no mampiseho fa tena misy ny anti-Kristy ary tena eto amin\'izao tontolo izao fa tsy nofinofy na rediredin\'olona ny fanambaràna izany...
49. fijo ( 02/03/2007 23:53)
prime ny fiangonana tiako lazaina eto dia ny finoana ka.efa izay no filaza azy moa
50. linarako2 ( 03/03/2007 01:51)
Fiffi:

sarotra be ity dinika ity....

Mila mivavaka isika fa tsy hanenjika ny kristiana toa antsika.Izay no mahasarotra azy.Asehoy ny fitiavana mba ahalalan'ny olona fa kristiana isika.Raha isika samy kristiana aza no hifanenjika hanaraka ny tsy mpino izay manenjika ny kristiana toa anao ahoana no hinoan'ny hafa toa anay fa kristiana ianao.

51. fijo ( 03/03/2007 05:55)
ahoana no hinoan'ny hafa toa anay
hay ve tsy mino indray nareo e.tonga soa aty ary e.
52. Fiffi ( 03/03/2007 18:56)
tsy arako hoe iza no manenjika an'iza sns......

heu....tsy mety hono ny fikazana an'io hoe "anti-kristy" zany.....
53. lamie ( 04/03/2007 07:14)
Mpandefa : prime [ Valio ] 21-02-2007 09:27:50
Lohateny : Re : Hay ve????
fijo> Marina tokoa aloha fa Jesosy Kristy dia somary anti-social ihany t@ fotoan'androny, nefa tsy manafoana ny mahaAndriamanitra Azy velively izany...
misy contradiction ny any prime,tsara ny manana finoana,tsy @Andriamanitra inoantsika irery fa samy manana ny azy ny olona rehetra eto antany,tsy fahadisoana anefa izany ka raha tsy manaiky ny antsika izy ireo dia "tsy antikristy" akory,tsy mino sy manaja ny antsika izy fa ny azy ihany no inoany,tokony manaja izany isika ary tsy tokony manambany ny finoan'ny olona hafa,ny atao hoe kristiana ange ka izay mino fa misy kristy,zanak'Andriamanitra,natera-behivavy,hamonjy ny olombelona t@nandatsahany ny rà-ny,ary ny kristiana dia tokony mino ny faneke-pinoana,ny fandraisana (ny komonio io),tsy mety oa ry reto raha ny baiboly, sy finoana an'Andriamanitra no hifamaliana eto a!tokony samy milaza ny fijeriny,dia raha misy pasitera na mopera no mitory,ary ny fahaizana no zaraina.misy reo olona tsy mankalaza ny noely zany,tsy antikristy izy tsy akory,na izy ireo manana ny Andriamaniny, na tsy manana,
54. Fiffi ( 04/03/2007 21:31)
linarako2:
Raha isika samy kristiana aza no hifanenjika hanaraka ny tsy mpino izay manenjika ny kristiana toa anao ahoana no hinoan'ny hafa toa anay fa kristiana ianao.
maninona hoe eeehhh :roll::roll:
izay manenjika ny kristiana toa anao
fa iza ny kristiana henjehako ? enao ???????? henjehako ahoana zany ??? :roll:
ahoana no hinoan'ny hafa toa anay fa kristiana ianao
zah tsy mangataka anao hino ahy.....na kristiana zah na tsia an ! rehefa tsy mino enao de tazomy ho anao zany !


55. prime ( 05/03/2007 11:00)
lamie> Ambarao ilay \"contradiction\"...:wink:
lamie:
tsara ny manana finoana,tsy @Andriamanitra inoantsika irery fa samy manana ny azy ny olona rehetra eto antany,tsy fahadisoana anefa izany ka raha tsy manaiky ny antsika izy ireo dia \"tsy antikristy\" akory,tsy mino sy manaja ny antsika izy fa ny azy ihany no inoany,tokony manaja izany isika ary tsy tokony manambany ny finoan\'ny olona hafa
... Tsy azonao ny voambara raha izany... Iza moa no tsy manaja ny finoan\'ny hafa? izaho ve? sao dia tsy mamaky tsara aza ianao... ny voalazan\'ny soratra masina dia mazava tsara ary ireo nolazaina ireo fa tsy hoe izaho no handeha hilaza izay tiako lazaina...

Mazava tsara ny lazain\'ny soratra masina, ary fantatrao tsara izany fa tsy hoe foronina akory ny amin\'ny teny hoe \"anti-\", \"miaro tsy ho tratry ny...\", \"mpanohitra an\'i...\" mety mahalaza azy avokoa, ka tsy izany indray no ho voaboasana etoana, fa mazava tsara ny atao hoe \"antikristy\" izany... ary mbola hamarinin\'ny Tenin\'Andriamanitra rahateo...

Ny Tenin\'Andriamanitra mihitsy no mamaritra ireo fa tsy hoe resaka fanajàna ny finoan\'ny hafa na tsia... tsy resaka fahaiza-miaina eto amin\'izao tontolo izao no vohizin\'ny Tenin\'Andriamanitra etoana mikasika ny \"antikristy\" fa ny famonjena ny fanahin\'ny olona...
lamie:
ny atao hoe kristiana ange ka izay mino fa misy kristy,zanak\'Andriamanitra,natera-behivavy,hamonjy ny olombelona t@nandatsahany ny rà-ny,ary ny kristiana dia tokony mino ny faneke-pinoana,ny fandraisana (ny komonio io),
... Ka manohitra izany ve ny voalazan\'ny Tenin\'Andriamanitra notsongaina ireo?
lamie:
tsy mety oa ry reto raha ny baiboly, sy finoana an\'Andriamanitra no hifamaliana eto a!tokony samy milaza ny fijeriny,dia raha misy pasitera na mopera no mitory,ary ny fahaizana no zaraina.
... Ka tsy misy mifamaly anie eto ry lamie fa fizaràna ny Tenin\'Andriamanitra no atao e... mety misy manana hevitra hafa, ka maninona moa? izay no mba fandraisany azy dia izay izany no finoany... angaha moa misy an-tery ny finoana?

Azo atao ihany koa ny mizara fahaizana eto raha manana fahendrena sy fahalalàna amin\'izany ka maninona tokoa moa? Ny amiko manokana dia tsy manana zaraina afatsy izay lazain\'ny soratra masina aho...
lamie:
misy reo olona tsy mankalaza ny noely zany,tsy antikristy izy tsy akory,na izy ireo manana ny Andriamaniny, na tsy manana,
... Ka na hankalaza moa na tsy hankalaza anie tsy maninona e... an\'ny tsirairay izany... na hino na tsy hino an\'Andriamanitra ihany koa dia malalaka...

Ny voalazan\'ny soratra masina dia mazava araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an\'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy]\" I Jaona 2:22

\"ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an\'i Jesosy dia tsy mba avy amin\'Andriamanitra; ary izany no fanahin\'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin\'izao tontolo izao sahady izy.\" I Jaona 4:3

\"Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin\'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin\'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.\" II Jaona 7
56. lamie ( 06/03/2007 19:50)
azafady ry prime: hoy ianao- Jesosy Kristy dia tsy Andriamanitra
- Jesosy Kristy dia tsy Zanak'Andriamanitra fa mpFa Andriamanitra dia Fitiavana ary Kristy izany Andriamanitra izany...
.ireo tsy nazava kely e!fa tsy manakiana anao aho akory,amiko:Andriamanitra iray ihany,ny finoana iray ihany,
57. prime ( 07/03/2007 07:39)
lamie:
azafady ry prime: hoy ianao- Jesosy Kristy dia tsy Andriamanitra
- Jesosy Kristy dia tsy Zanak\'Andriamanitra
... 8O Taiza aho ry lamie no niteny an\'izany? sao dia tsy novakianao tsara ilay voalaza?...
Izao no nambarako tao ambony tao (averiko fa tsy maninona) :

Ny antiKristy koa dia sahy milaza fa mitovy amin\'ny andriamanitra rehetra nisy (Zeus...) sy ireo olon-kendry izay nisy i Kristy (Dai Lama, Mohamet, Freud, Platon...) fa tsy miavaka ho Andriamanitra na Zanak\'Andriamanitra izany...

Marihiko tsara fa ny antikristy hoy aho...:)

Ary namaly an\'i fijo aho no nahatonga ahy nanamafy ny hoe:
Fa Andriamanitra dia Fitiavana ary Kristy izany Andriamanitra izany...

Mifameno izany fa tsy mifanohitra velively...

Tsara ny fanamarihana toy izao raha atao fa miangavy aho hoe vakio tsara fotsiny aloha vao mamaly fa manjary ohatry ny lalovana fotsiny ilay hevitra tiana ambara ka lasa isaky ny teny no andraisana ny hevitra dia tsy mety...
58. lamie ( 07/03/2007 08:49)
marina ny an'ise ry prime,miala tsiny ry se a!diso koa ny fandraisan'ise lay nolazaiko,tsy manonona anarantsika aho fa "ny tsy mpino",no resahiko,aty dago aho zao fa @ fiverenana manao bebe, dia tohizana ny koranatsika e!
59. prime ( 07/03/2007 10:48)
lamie> ... dia tonga soa aty dago r'ise a... tsy misy tsiny... dia ialàna tsiny koa raha nisy fahadisoana...
60. prime ( 12/03/2007 08:13)
Ny fanahin'ny fiambenana sy ny fahalalàna no tsara angatahana raha te-hiaro tena tsy ho tratran'ny masirasiran'ny antikristy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607