Torohevitra tokony atao ho an'ny zaza teraka aty ivelany

61. niryna ( 23/02/2007 00:26)
diamondra27:

niryna:

Maro ny zaza tsy dia miteny gasy rehefa tonga aty ivelany na teraka aty ivelany.Tsy misy fotoana hiresahina ve ny rar satria teny tsy dia misy miteny firy sa zavatra hafa?Mahita fomba ve ianareo ka nahomby ,inona no tokony atao?



ka aiza ilay torohevitra? F'angah tsy nyrina no manome azy?

Raha mahita aho fa hifandimbiasana ny resaka.Mety ho tian'ny olona mety tsy ho tiany.Efa misy milaza fa tsy mila toro-hevitra:b:b hono izy koa ;-)

62. niryna ( 23/02/2007 00:28)
mbaliana:

vahiny2004> antony iray koa iny.. fiheverako azy anisan'ny identité ny olona iray ny fahaizana ny tenindrazany... ianao zao afaka miteny tsara hoe za gasy fa ny zanakao ? gasy sa vazaha taratasy? anontanio izy fa hisalasala satria raha gasy tsy hay akory ny fomba fiteny nefa ny RAD mahay.. vazaha fa mahay ny teny vazaha fa tena vazaha tokoa ve? tsy haiko alha.. raha metisy ndray mantsy dia hafa ny fipetrany satria maka ny identité ny rainy na reniny amin'izay toerana ipetrahany......

Miombon-kevitra aminao aho.

63. niryna ( 23/02/2007 00:46)
Samy manana ny maha-mety ny tokan-tranony avy isika rehetra.Tsy hiadian-kevitra iny.Matetika misy ny olana ka tsy ilay olana no atao hitenenana ny antony tsy ampianarana ny zanan-tsika ny fitenin-tsika fa tonga dia manizingizina hoe tsy mila izany izahay.Misy manana ny olana ny olona matoa mizara ary misy amin-tsika ireo vao miteraka ka izany no hanomezako hevitra ho anareo raha tianareo.Mananjanaka aho ary tamin'ny voalohany dia nampianarin'ny vadiko teny frantsay izy satria izy nampianatra frantsay,tsy nampianariko ny teny gasy izy satria tsy manana fianakaviana miteny gasy izahay,misy ny namana fa tsy miteny gasy ny ankizy fa miteny anglisy.Noheverinay fa tsy misy olana izany ary dia nizotra teny ny fiainanay,ny reniny miteny anglisy aminy ,ny rainy miteny frantsay aminy.Nianatra izy nandray ny teny espagnol vetivety ary noresahin'ny rainy teny espagnol no teny frantsay,no teny anglisy avy amin'ny reniny.Izahay mivady anefa mifampiteny gasy ary mifangaro ao izany ny tenin'ity zaza.Nahay nilalao ny ankizy ihany izy anefa nony nalefa nody satria niteny frantsay taminy ny ankizy.Rehefa niverina tany dago izy dia teny gasy no hitenenany na dia vazaha miteny gasy aza izy.Tena naneny aho ry ireto tsy nampianatra azy teny gasy a,misaotra an'Atra fa notohizany ny fitenenana teny gasy ka na dia miambakavaka aza izy dia mandeha ilay teny gasy rehefa miresaka izahay hatramin'izay rehefa misy tsy hainy ihany vao ataoko teny anglisy,ny rainy moa dia miambakavaka be rehefa hiteny azy teny gasy fa atahorany ho tsy hazony.Ny mahavariana anefa dia tiany tanteraka ny tanindrazany ary nalahelo hono izy tsy nampianarana azy ny tenin-drazany.Hoy aho hoe ahoana izany rehefa lehibe ianao ka hanambady?Alefako any amin'i bebeny ny zanako hoy izy hiteny gasy8):oops:8O ny fanoratana moa dia veloma ry tany.:cry:
64. dadie ( 27/03/2007 16:27)
ny zanako d mahay miteny gasy fa menatra satria misy accent bref.... rehefa miresaka amizareo za d miteny gasy ary manao jeux mihintsy aho aminilay 10 taona oe ra tsy miteny gasy tsy mamaly aho d mety tsara fa ny tsy ainy no teneniny teny gasy ,rehefa eo imason'ny namany ka misy zavatra angatahiny vola oatra d mody mandray boky na ttsy aho no mande nefa miresaka aminy oe tsy misy na ataoko hira d azony d ovainy ny resaka ih ih ih na oe ao an trano izy ambakin'ny namany d mody hira no ataoko nefa miresaka aminy zanako aho d mety fona e ih ih ,ny mampalahelo fotsiny d am zao fotoana betsaka ny ankizy tsy miteny gasy tsony oatra ra 200 izy reo d eritrereto anie d'ici 10 ans refa manambady reo e miteraka d tsy mahay teny gasy koa d ny dans 20 ans dray sns ....,indrindra ra manambady vaza d zay no vita ./.
NB za akory tsy contre ny oul manambady vaza an fa am mahamalagasy no vita satria vitsy ny oul manambady vaza mody déf any dago
65. mbaliana ( 28/03/2007 07:06)
niryna> ny fiainana mandalo e... adidin\'ny RAd fotsiny ny manome sy mampifaly ze ilain\'ny zaza... manao ny ezaka rehetra zay tokony hatao mandritra ny fahazazany sy ny fahatanorany... fa rehefa lehibe ny ankizy, izy no tompo-tsafidy...ny tsy nanao zay tratran\'ny aina no ratsy...

dadie> rehefa tena lasa manambady vaza sns izy .. inn moa no lesoka amin\'izany fa mety manembona kely fotsiny ny RAd hoe lasa vaza ny zanako sy ny taranako hihhihhii...
fa ohatran\'ny zaza nampianarina sport io e.. tsy io no ho lasa asa antom-pivelomany (ho an\'ny sasany)fa mahalala fotsiny ny fisiany sy karazany...dia mba efa nanandrana dia efa nifaly....afaka mitantara hoe za koa efa nanao an\'io :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4671