Torohevitra tokony atao ho an'ny zaza teraka aty ivelany
21. andry08
(
13/02/2007 12:38)
ny ahy akia ry mbaliana dia azy no hijery ny tiany an!ary tsy izaho no hanery ankolaka na mivantana !
Izay mahasoa ny azy mety tsy hahasoa ny ahy !
Izay mahasoa ny azy mety tsy hahasoa ny ahy !
22. Fiffi
(
13/02/2007 13:23)
ny azoko lazaina de hoe : olondehibe ireo RAD-ny ankizy ary mahafantatra ny tokony hataony sy zay mahasoa ny zanany!!
23. chakkakkely
(
13/02/2007 18:33)
marina ny an i fiffy , tsy misy rad anoro zavatra ratsy ho an yn zanany zany ,
24. mbaliana
(
13/02/2007 19:32)
fiffi sy chakkakkely> mazava ange zany e...
andry08> samy manana ny heviny tokoa akia ny olona
andry08> samy manana ny heviny tokoa akia ny olona
27. niryna
(
14/02/2007 05:52)
mbaliana:
andry08> fa anga kosa i niryna niteny hoe tsy maintsy e.. mitady hevitra izy ny tokony hatao mba hahaizan'ny ankizy gasy aty ivelan'ny dago miteny gasy...ho an'ny zanany aloha fa tsy ho an'ny hafa raha zay no hitany fa mahasoa an'ny zanany...dia raha misy manaraka ny heviny arahaba soa arahaba tsara
amiko aloha tsy misy afa-tsy Rar... no afaka mampita an'io fahaizana teny gasy ho an'ny zanany io e...
Fa misy koa zaza metisy mahay teny gasy a... sady tsy haiko fa ny aty aminay le ankizy metisy ireny mankany dago tamana be mitady hanao vakansy any foana
Misaotra betsaka mbaliana.Hevitra mandalo ny ahy iny raha tian'ny Andry ho fantatra,ny ahy ny zanako mahay tenimpirenena maro ary misosa daholo.Fanampiana ny olona ny eto fa tsy tery.
28. niryna
(
14/02/2007 05:56)
andry08:
ny ahy akia ry mbaliana dia azy no hijery ny tiany an!ary tsy izaho no hanery ankolaka na mivantana !
Izay mahasoa ny azy mety tsy hahasoa ny ahy !
Marina ny anao ,fa raha manan-janaka ianao ka teraka taty ivelany mbola tsy nahita izany ankizy mitsidika ny tanindrazany, tsy mahay miteny ny tenindrazany,ny ankizy te-hilalao aminy,ny fiteny anefa tsy mifankahazo:cry::cry::cry:.
30. mbaliana
(
14/02/2007 11:38)
asa aloha ry ireto fa nisy ankizy kely zay taty aminay dia tsy nahay teny gasy mihitsy (gasy ray gasy reny) .. dia nony vacances dia nalefan'ny RAd tany dago.. tany anefa izy sady tsy nanana namana sady ny ankizy tany koa mbola nianatra, dia nalefan-dry zareo nianatra koa le zaza tany... dia nataon-drizareo fanao le izy pendant 2 ou 3 ans rehefa vacances .. zao le ankizy efa lehibe sady mahay teny gasy ohatry ny hoe nipetraka tany dago foana...
hevitra iray aloha io fa tsy haiko na tsara na ratsy .. ny vokany fotsiny dia nahay teny gasy le zaza :lol::lol:
hevitra iray aloha io fa tsy haiko na tsara na ratsy .. ny vokany fotsiny dia nahay teny gasy le zaza :lol::lol:
32. niryna
(
14/02/2007 17:18)
mbaliana:
niryna> tsy misy fisaorana fa hevitra no aposaka eto e :D
Mila olona manana positive attitude ny serasera ato:D
33. tisera
(
14/02/2007 19:00)
:) tena manampy be io positive attitude io eo @ fiainana é! indrindra @ fifandraisana ao an-tokantrano : @ safidy alaina hoe hiteny gasy sa tsia : ilay ray aman-dreny mihitsy no mila resy lahatra voalohany , fa raha mbola misalasala ny ray aman-dreny dia sarotra @ ilay zaza no ho resy lahatra hoe mety aminy ny miteny gasy. Tsy hoe sanatria ratsy ny ankizy tsy mahay miteny gasy fa tena mana-tombony kosa izay mahay sy tia ilay miteny.Fa araka ny hevitro manokana dia toy ny zava-drehetra dia mila kolokoloina fa tsy hoe vitan' ilay miresaka andavanandro fotsiny mba hahaizan'ilay zaza misokatra bebe kokoa @ teny gasy : ny ahy izao ny zanako isaky ny avy amakiana boky tchoupi na oui oui na franklin dia hamakiana tantara fohy ao anatin'ny tantelin-jaza vaovao sns... Mianatra tsianjery vazaha izy any am-pianarana dia mba avy koa aho mikaroka tsianjery fohifohy na lavalava mora ianarany sitrany ahay mba fantany hoe "harena " koa ny teny gasy .
34. mbaliana
(
14/02/2007 19:25)
tisera> =D=D maharaka kosa akia ny amin'izany koa ,, tena ilaina mihitsy io finiavana io aloha
35. tisera
(
14/02/2007 20:46)
:)ka raha tsy atao an'izay ange ilay zaza ry mbaliana dia manjary voafetra @ irakiraka sy resaka madinidinika : andao hisakafo ; andehana miborosy nify ; inona no tian'ialahy hohanina , inona no nataonareo androany , esory ny kiraro , ampirimo ny ankanjo , ampirimo ny kilalao ... dia tsy dia misy "échanges " loatra dia raikitra ary aho mamaky ireny angano fohy @ teny gasy ireny é: ifaramalemy sy ikotobekibo , ikotofetsy sy imahaka sns... dia ampanarina ny "raha misy manome " , "bitro kely feno volo" , "iza iry ambony iry" sns... izaho aza ange mba manam-paniriana hividy ireny angano ho an'ny ankizy t@ radio rnm taloha ireny dia mba efa nasaiko naka renseignement ny havana tany dago fa mbola tsy nahazo valiny aho ; dia vcd -n'ny momota izao no jeren-janako dia fohy hehy : dia mba tiany aloha fa ny mahagaga ahy dia tsy tia hira gasy :clips variété izany an! izy nefa miteny gasy (na dia mi-rouler "r" aza sady misy accent kely é!)
38. niryna
(
15/02/2007 05:54)
tisera:
:) tena manampy be io positive attitude io eo @ fiainana é! indrindra @ fifandraisana ao an-tokantrano : @ safidy alaina hoe hiteny gasy sa tsia : ilay ray aman-dreny mihitsy no mila resy lahatra voalohany , fa raha mbola misalasala ny ray aman-dreny dia sarotra @ ilay zaza no ho resy lahatra hoe mety aminy ny miteny gasy. Tsy hoe sanatria ratsy ny ankizy tsy mahay miteny gasy fa tena mana-tombony kosa izay mahay sy tia ilay miteny.Fa araka ny hevitro manokana dia toy ny zava-drehetra dia mila kolokoloina fa tsy hoe vitan' ilay miresaka andavanandro fotsiny mba hahaizan'ilay zaza misokatra bebe kokoa @ teny gasy : ny ahy izao ny zanako isaky ny avy amakiana boky tchoupi na oui oui na franklin dia hamakiana tantara fohy ao anatin'ny tantelin-jaza vaovao sns... Mianatra tsianjery vazaha izy any am-pianarana dia mba avy koa aho mikaroka tsianjery fohifohy na lavalava mora ianarany sitrany ahay mba fantany hoe "harena " koa ny teny gasy .
Misaotra betsaka anao aho,fa enga anie hitohy hatrany izany,aza kivy fa izay atolotrao ny zaza ihany no hiainany rehefa any aoriana8)8)
39. niryna
(
15/02/2007 05:56)
tisera:
:)ka raha tsy atao an'izay ange ilay zaza ry mbaliana dia manjary voafetra @ irakiraka sy resaka madinidinika : andao hisakafo ; andehana miborosy nify ; inona no tian'ialahy hohanina , inona no nataonareo androany , esory ny kiraro , ampirimo ny ankanjo , ampirimo ny kilalao ... dia tsy dia misy "échanges " loatra dia raikitra ary aho mamaky ireny angano fohy @ teny gasy ireny é: ifaramalemy sy ikotobekibo , ikotofetsy sy imahaka sns... dia ampanarina ny "raha misy manome " , "bitro kely feno volo" , "iza iry ambony iry" sns... izaho aza ange mba manam-paniriana hividy ireny angano ho an'ny ankizy t@ radio rnm taloha ireny dia mba efa nasaiko naka renseignement ny havana tany dago fa mbola tsy nahazo valiny aho ; dia vcd -n'ny momota izao no jeren-janako dia fohy hehy : dia mba tiany aloha fa ny mahagaga ahy dia tsy tia hira gasy :clips variété izany an! izy nefa miteny gasy (na dia mi-rouler "r" aza sady misy accent kely é!)
Soa fianatra e :D
40. niryna
(
15/02/2007 05:59)
rush:
ny olana @ niryna dia izao: tia miziriziry @ heviny ianao ! tsy izay hevitrao rehetra ange dia ho marina sy ho tonga lafatra avokoa e ! ny ray amandrenin'ireo zaza ireo mahafantatra izay tsara ho an'ny zanany fa tsy anjaran'i niryna mihintsy no hilaza fa zao sy zao ary tsy mety izany .
sao adinon'ny rush fa fifanakalozan-kevitra ity,tsy nisy niteny taminao eo hoe izay teneniko no tsy maitsy atao,ianao ilay olona manome soketa ny olona rehefa manao fahadisoana raha izany,tonga dia mitsaratsara fotsiny.Tena variana ny toe-tsainan'ny olona sasany ato amin'ny serasera aho indraindray,rehefa tsy mahita zavatra tsara ho teneniny dia tsara no mangina.::cry::cry::cry: