Tandremo..

61. Zina ( 26/01/2007 16:47)
valiko any @ vavolombela ndry hihih
62. cutie ( 26/01/2007 16:48)
ok:lol:
63. kiranil ( 26/01/2007 18:50)

\"Fa velona sy mahery ny tenin\'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin\'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan\'ny fo.\" heb 4:12

Mahery tsy zakan\'ny fisainako, tsy zakan\'ny fisainanao, fisainan\'ny olombelona fotsiny ny voalaza ao anatin\'io Soratra Masina io ka izay no mahatonga ny maro manda azy tsy ho tenin\'Andriamanitra. satria aminy dia Andriamanitra dia fitiavana fotsiny ka dia mankasitraka ny ratsy fanaon\'ny olona izay manjaka eto @ izao tontolo izao, ary tsy madefa ny olona izay tsy mibebaka any @ ny fisarahana mandrakizay (helo)izany.

\"Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an\'Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an\'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny.\" I tim 3:1-5

Io teny io dia nampanoratin\'ny Fanahin\'Andriamanitra efa ho taonjato maro tany aloha tany io kanefa dia mitantara mivantana (en direct sy en couleur mihintsy) ny zavatra hitako @ izao vanin\'andro izao, indrindra moa ny aty us.

Asakasak\'izay mbola tsy mino fa tena Andriamanitra Velona Madrakizay no nampanoratra ny teny rehetra ao amin\'io Soratra Masina io.

Izaho tsy manao \'deminer\' an\'iza na iza ka hilaza hoe izaho ihany no mankany an-danitra fa nareo rehetra mankany @ helo satria izaho dia anisan\'ireo voalazan\'io Soratra Masina io fa mpanota tahaka ny rehetra ary mendrika ny afobe.

Kanefa.. kanefa.. izaho efa niverina t@ Andriamanitra noho ny Fitiavana nasehon\'i Jesosy ahy tamin\'ny nanavotany ahy teo amin\'ny hazo fijaliana ary ny manompo azy sy manomezako lanja ny teniny (Soratra Masina) eo amin\'ny fiainako aho izao.

Izay mibebaka ihany no ho voavonjy ny ran\'ny zanakondrin\'Andriamanitra [Jesosy Kristy] fa tsy hoe \"automatic\" voavonjy daholo ny olona rehetra.
araky ny efa voalazan\'ny sasany.

Hoy ny sasany milaza :
\"Tsy ampy ny famakiana Baiboly fa ny fampiarana azy no tena ilaina
\"

Marina dia marina izany satria nahoana? Hamafisin\'ny Soratra Masina izany: \"Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo\" Jakoba 1:22


1 - Jesosy Kristy niteny nanao hoe:
\"Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin\'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: matahora azy.\" Lioka 12:5

Nefa izy mbola misalasala ihany ka miteny hoe:
Atra de fitiavana, ka manin no alefany any @afobe ny oul


2- Jesosy nilaza hoe :
\"Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan\'ny lanitra..\"Matio 3:2
\" Koa amin\'izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.\"Matio 25:13

dia hoy izy:
\"Efa oviana za no naheno an\'io
Efa hatramin\'ny mbola kely , ka tsy haiko tsony na mbola mitombona io na tsia \"


Lasa tsy mitombona aminy intsony ny lazain\'ny Baiboly momba ny fanjakan\'ny Lanitra
Fantaro fa na ny olona iray:
- maty (ary miandry ny fitsaran\'Andriamanitra sisa) ary matetika tsy fantatrao na oviana na oviana marina ianao no ho faty, (raha tsy hoe voan\'ny cancer sy sida..)
-Na mbola velona izy fa mahatratra ny fahatongavan\'ny fanjakan\'ny lanitra izay efa akaiky tokoa.

Ny tena tiana ahatongavana dia ny ahazoan\'ny olona antoka fa efa nibebaka tokoa noho ny ratsy vita ary mino fa Jesosy Kristy irery ihany no mamela heloka ary hany mpamonjy tokana ny olona rehetra fa tsy ny fanarahana fivavahan-diso isan\'karazany.

*************************************

Mahadiso hevitra ahy, mahadiso hevitra anao ny tsy fahafantarana ny Soratra Masina :

\"Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin\'Andriamanitra.\" Matio 22:29

****************************************

Ka raha izaho dia hanetry tena eo anatrehan\'Andriamanitra aho ary maniky fa marina ny teniny rehetra nampanoratiny ny mpanompony.

Misaotra.

Kiranil.
64. cutie ( 26/01/2007 18:56)
Ny tena tiana ahatongavana dia ny ahazoan'ny olona antoka fa efa nibebaka tokoa noho ny ratsy vita ary mino fa Jesosy Kristy irery ihany no mamela heloka ary hany mpamonjy tokana ny olona rehetra fa tsy ny fanarahana fivavahan-diso isan'karazany.

Fa efa niainanareo ve wa le fivavahan-diso :roll:
65. kiranil ( 26/01/2007 19:39)
Fa efa niainanareo ve wa le fivavahan-diso


Fanontaniana ve zany sa valiny ry cutie?? :lol:
efa nosoratanao ao @ io fanontaniana io ihany ange ny valiny e .. fa esory fotsiny ny "fa" sy ny "ve wa".. :°)

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm

Ka na inona na inona ho lazaiko eto rehefa tsy maharesy lahatra anao dia akory atao..

Betsaka ny zavatra voalazako tato fa aleo mangina amin'izay fa sao dia miohatra ny tokony ho lazaina ary aleo aho iala amin'izay fa anareo ny sehatra. Teneno izay teneninareo...

Ito teny ito no maharesy lahatra ahy:

"Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
Izay mpanao hevi-diso [Na: olona mitokana ho azy], rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa." Tit 3:9-11.


Misaotra naharitra hatramin'ny Farany.

Kiranil.







66. cutie ( 26/01/2007 20:24)
fanontaniana io apetrako io
67. Zina ( 26/01/2007 21:51)
Fa efa niainanareo ve wa le fivavahan-diso


misy betsaka mihitsy ny olona izay tena mitady an'Andriamanitra ka mitetity fivavahana samy hafa mba ahitany ny hoe - fahamarinana -
Asa raha izay no question-njy io.

Ny ahy manoka aloha dia tsy tratran;ny fivavahan-diso aho e zatria ilay itako dia hinoko fa io no tena izy satria nahitako ny fahamaniranana hatramin;ny mbola kely...
68. Zina ( 26/01/2007 21:56)
Betsaka ny zavatra voalazako tato fa aleo mangina amin'izay fa sao dia miohatra ny tokony ho lazaina ary aleo aho iala amin'izay fa anareo ny sehatra. Teneno izay teneninareo...

Ito teny ito no maharesy lahatra ahy:

"Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
Izay mpanao hevi-diso [Na: olona mitokana ho azy], rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa." Tit 3:9-11.

Kiranil a
marina ny teninao rehefa ita fa tsy misy kle mihitsy azo lazaina... efa nampiasaiko tokoa io verset io ndray2 ato...
fa izao aza mba kivikivy rehefa misy zavatra tsara tokony ho lazaina eto dia tokony lazaina mba ho hitany rehetra...Anjarany avy no mieritreritra... Ka tohizo any @ hafa any ...:-* Mahereza... tsy tantin'ny ra olombelona rehefa mandre ny fahamarinana izy satria manindrona...
69. cutie ( 27/01/2007 01:17)
samia mandinin-tena :-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823