Tandremo..

21. xxx ( 24/01/2007 17:38)
cutie>

Fantaro Cutie fa tsy izaho na izahay anie no faly hamorona hoe misy ny fisarahana mandrakizay (hell)amin\'Andriamanitra izany e!!!

Tsy satriko aza ve hoe hiaraka daholo isika olombelona rehetra izao rahatr\'izay, ninoninona nataontsika tety ambony tany manomboka any amin\'ny mpamono olona, mpandainga, mpaniratsira, mpijangajanga, homosexual, sadam hussein, xxx izay manoratra eto, katolika, protestant, bodista, hindu, soanja, muslim, democrats, advantista, niryna, republicans, cutie, lazadaddy, mormons, pissoa, mere theresa, ben ladden, billionaires, beattles, britney spears, mpivavaka @ razana, ra-hery eugene, every hollywood stars, ikaretsaka, dailynews, francis turbo, sns... you name it..

Kanefa ny tena fahamarinana avy amin\'Andriamanitra Velona sy Fitiavana (fa tsy avy amiko na avy @ olombelona), izay tsy miova hatramin\'izay ka ho mandrakizay dia izao:

...TAFASARAKA AMIN\'ANDRIAMANITRA MASINA NY OLOMEBLONA REHETRA NOHO NY FAHOTANA VITANTSIKA TEO ANANTREHANY...

\"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin\'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy\" Isaia 59:2

\"Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an\'Andriamanitra.
Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza\" Rom 3:10

\"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin\'Andriamanitra,\" rom 3:23

Fanontaniana ho anao misy ve sahy ilaza fa mbola tsy nanao izany fahotana izany?

Tsy haiko ny valinteninao fa raha izaho izay miteny aminao izao dia efa nahavita zavatra maro mifanohitra amin\'ny tenin\'Andrimananitra, efa nangalatra aho, efa nijangajanga, efa nampijaly olona, maro e.. ary tsy marina aho sy ary tsy nitady izany Andriamanitra araky ny voalazanao io izany aho.

Fantatro fa tafasaraka amin\'Andrimanitra aho ary tsy hiditra velively izany fanjakan\'i Kristy izany aho raha maty t@ izany andro izany.

If I died back then, God would definitely send me straight to hell!!! Why?

fa nahoana no hoe mankany @ helo (afobe)?

Satria Andriamanitra no mandefa ny olona any, fa tsy izaho na ireo ao @ \"group\" lazainao io.

\"Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: matahora izay manam-pahefana hanary any amin\'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: matahora Azy\" Lioka 12:5

\"Fa fantatrareo marimarina, fa samy tsy manana lova eo amin\'ny fanjakan\'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). Aza mety hofitahin\'olona amin\'ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran\'Andriamanitra amin\'ny zanaky ny tsi-fanarahana.\" Efesian 5.

\"Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin\'ny farihy mirehitra afo sy solifara; \" Apokalypsy 21:8

Na ianao mino an\'Andriamanitra @ ireo teny ireo fa misy tokoa ary maro ny olona alefan\'Andriamanitra mankany @ farihy mirehitra afo.


>>>> Izao anefa ry cutie, Andriamanitra tsy tia an\'iza na iza ho very ary tsy nijanona hoe tafasaraka aminy isika rehetra fa isaorako Izy fa nataony tsapako fa mbola lehibe lavitra ny fitiavany antsika sy ny fitiavany Ahy ary nampafantariny ahy ny lalana \'TOKANA\' ao @ Jesosy Kristy izay nomeny hiverenantsika Aminy:

\"nefa hamarinina maimaimpoana amin\'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin\'i Kristy Jesosy, Izay nasehon\'Andriamanitra tamin\'ny rany ho fanavotana amin\'ny finoana\"

\"Indro ny Zanak\'ondrin\'Andriamanitra [Jesosy Kristy], izay manaisotra[na mitondra] ny fahotan\'izao tontolo izao!\" jaona 1:29

\" Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray, afa-tsy amin\'ny alalako\" Jaona 14:6

\"Ary tsy misy famonjena amin\'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin\'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. [afa-tsy Jesosy Kristy]\" asa 4:12

>>>

Mazava be ilay izy cutie a. Efa nomen\'Andriamanitra ny Famonjena Tokana [Jesosy Kristy] fa ny fivavahan-diso (religion) maro isan\'karazany dia mamorona zavatra hafa izay eritreretiny fa anantonana an\'Andriamanitra.

\"Religion is a man-made way to God, but only Jesus Christ is God\'s way to Him.\" yanno what I mean?

Tsy hanampy hevitra hafa intsony aho fa mazava sy tsotra ny tenin\'Andriamanitra.

>>> \"Ary tsy misy famonjena amin\'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin\'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. [afa-tsy Jesosy Kristy]\" asa 4:12
22. xxx ( 24/01/2007 17:51)
There are thousands religions, and not one of them can take you to heaven.

Salvation is NOT found in a religion, it is found in a Person--The Lord Jesus Christ!
23. booboo ( 24/01/2007 17:56)
gné ?
24. mignone ( 24/01/2007 18:15)
kiranil ve tsy hitsonika vetivety rehefa tonga ny afobe
25. pissoa ( 24/01/2007 18:16)
=))=))=))
26. booboo ( 24/01/2007 18:18)
:-D:-D:-D
27. xxx ( 24/01/2007 19:21)
mignone sns..> =)) ilay kiranil aloha otrany mba tiako tam za mbola tany mada fa za zao tsy mahita an'ireny tsony aty us aty. :lol:


raha nahavaky hatramin'io 'kiranil' soniako farany io ianareo dia mahafinaritra izany.

satria dia efa naheno ny Famonjen'Andriamanitra ianareo na dia indray fotsiny eo @ fiainanareo aza, fa anjaranareo sisa no mino izany na tsia.

na Andriamanitra na Jesosy Kristy (izay mahay ny zavatra rehetra ) na izaho izay mpanompony tsy mieritreritra ny hi-forcer na iza na iza..

hoy Izy manao hoe :

"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko" apok 3:20

Ianareo ve mihevitra fa tsy hain'Andriamanitra ny miditra ankeriny ao @io varavaran'ny fonao io, tsy mila mandondona izany, na tonga dia potehiny fotsiny tsotra izao fa tsarovy fa tsy manao izany Izy, Tena Fitiavana Izy ary manaja ny safidin'ny tsirairay.

ok? :-*

Mbola i Kiranil ihany ity.


28. cutie ( 24/01/2007 22:53)
Tena Fitiavana Izy ary manaja ny safidin'ny tsirairay.

ok?

ka manin no we
Atra no mandefa ny mpanota any @afo be raha fitiavana izy :roll::roll::roll:
29. cutie ( 24/01/2007 23:06)
Salvation is NOT found in a religion, it is found in a Person--The Lord Jesus Christ!

jesus christ =god
sa tsy zany ?
30. cutie ( 24/01/2007 23:12)
Fanontaniana ho anao misy ve sahy ilaza fa mbola tsy nanao izany fahotana izany?

Tsy haiko ny valinteninao fa raha izaho izay miteny aminao izao dia efa nahavita zavatra maro mifanohitra amin'ny tenin'Andrimananitra, efa nangalatra aho, efa nijangajanga, efa nampijaly olona, maro e.. ary tsy marina aho sy ary tsy nitady izany Andriamanitra araky ny voalazanao io izany aho.

EFa haiko fa mpanota daholo isika eto.
Ny sasany ato manko efa misy milaza fa tsy manaraka ny fomban'izao tontolo izao fa miseho ho masina. ( entre pas iny :-d)

Le nitady Atra lazaiko zany le mivavaka @Atra. Za ko angamba no tsy mahay manazava , zay no pble :lol:
31. xxx ( 25/01/2007 00:52)
Cutie>

Asa na novakianao tsara ilay voalazako io ambony io (avereno vakiana miadana azafady indrindra) fa tsy izaho ange no niteny hoe misy ny helo e, na namorona izany afobe izany ho an\'ny olona.

Raha izaho no asainao misafidy dia aleoko aza tsy misy izany resaka helo izany, kanefa tsy izay anefa no zava misy fa isika rehetra dia efa nanota sy nisafidy ny hanohitra an\'Andriamanitra.

Ka na ianao mino io fa Andriamanitra Velona no niteny io na tsia.

Ny maha Fitiavana an\'ilay Andriamanitra Velona (izay resahiko eto fa angamba tsy ilay andriamanitra ao anaty eritreritrao) dia ny nanomezany antsika an\'i Jesosy Kristy, izay tsy nanota kanefa nanaiky ny ho faty noho ny fahontantsika.

\"izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an\'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika\"
IJaona 4:10

safidin-tsika olombelona ny handika ny lalana napetrak\'Andriamnitra sy ny hanota (vono olona, fijanganjagana, fanolanana, homosexuality, halatra, ...sns tsy votanisa) ary fantaro fa tsy maintsy misy valiny avokoa izany.

\"Fa fahafatesana [fisarahana amin\'Andriamnitra] no tambin\'ny ota,\" Romana 6:23a

vokatry ny fahotantsika dia tsy maintsy misy fahafatesana [fisarahana].

>>> Kanefa averiko ihany fa ito no maha Fitiavana an\'Andriamanitra:

\"fa fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin\'Andriamanitra ao amin\'i Kristy Jesosy Tompontsika.\" romana 6:23b

Hono ho\'a cutie:
Aminao izany na inona na inona ataon\'ny olona (fifamonoana, fijangajangana, fangalarana, blasphemy..) dia tsy mampaninona izany eo anatrehan\'Andriamanitra, satria hoe fitiavana Izy??

kiranil.



32. cutie ( 25/01/2007 01:55)
Hono ho'a cutie:
Aminao izany na inona na inona ataon'ny olona (fifamonoana, fijangajangana, fangalarana, blasphemy..) dia tsy mampaninona izany eo anatrehan'Andriamanitra, satria hoe fitiavana Izy??

non
Fitiavan izy satria mbola mamela ny helokareo oul tanisainanao reo. Ka asakasak'reo zay mbola manao an'zany , sady tsy za mitsy koa ny hitsara we fahotana ve reo sa tsia.

i kiranil ve alou mormone ?

Nivadika njay anie izy zany ry xxx e , nga lasa we fahafatesan njay ny tambin'ny ota fa tsy helo :roll:

Ary raha le resak fitiavan'Atra njay de efa haiko ny amin'iny.
33. cutie ( 25/01/2007 02:09)
Asa na novakianao tsara ilay voalazako io ambony io (avereno vakiana miadana azafady indrindra) fa tsy izaho ange no niteny hoe misy ny helo e, na namorona izany afobe izany ho an'ny olona.

ka i kiranil no mahay ze lazan'ny baiboly ao , fa nga za mahay , ka zay no anontaniako io.
Atra de fitiavana, ka manin no alefany any @afobe ny oul :roll:
34. majesty ( 25/01/2007 06:45)
hoy cutie:

Efa oviana za no naheno an'io
Efa hatramin'ny mbola kely , ka tsy haiko tsony na mbola mitombona io na tsia


Sao dia ny mbola fiandrasany an-njy tsy hisalasala intsony fa hanolo tena tanteraka ho azy no tsy mbola ahatongavany akia :D
35. pissoa ( 25/01/2007 08:08)
xxx na Kiranil :

Tsy "ianareo" no namorona ny helo. Marina izany. Resahina betsaka ao amin'ny Baiboly io.

Ny marina faharoa koa dia tsy "ianareo" no tokony handefa ny olona any. Na inona na inona lazain'ny baiboly, ny fandefasana olona any amin'ny helo dia none of ur business. Saingy izay no mitranga matetika, na eto na tsy eto. Ohatra amin'izany io efa lazain'i cutie io
cutie:
xxx
Ny tiako marihina fotsiny de zao :
Bdb ny karazana finoana eto ambonin'ny tany , ary reo finoana samihafa reo samy mitady an'Atra daholo .
Inoako koa fa reo oul samy manan ny finoany reo samy manan ny tanjony to live happiness and worship God.
Ka manin no lazainareo fa refa tsy kristiana ( tsy ao anatin'ny group nareo ) de tsy avotra, tsy voavonjy , going to hell sy ny tariny

tsy anjaranareo mihitsy no milaza, na mandefa ny tsy Kristianina any amin'ny Helo. Fa ianareo no iza na inona na inona lazain'ny Baiboly ? :-D:-D:-D

Ny Soratra Masina dia natao ho an'ny tsirairay mba hinoany an'Andriamanitra, hitiavany Azy, hitadiavany Azy bebe kokoa hatrany ; fa tsy natao ho anao sy ny toa anao hitenitenanana ny hafa toy ny hoe
- Enao misy Devoly,
- Ianao le tenenin'Andriamanitra hoe sandoka,
- Ianao tahaka izao ao amin'ny Baiboly pejy izao,
- ...

Heveriko fa tsy tenin'i cutie hoe "tsy haiko intsony raha mbola mitombina" no tokony ho taritina eto. Fa inona no fitandremana ataon'ny tsirairay ? Inona ny fitandremana ataonareo mampitandrina ireo ? Raha ny eto amin'ny serasea mantsy no jerena, dia toa lany andro milalao "deminer" ianareo mpiseho mpampitandrina ireo (miala tsiny). Izany hoe ilaozana mijery ny olona hoe
- Ito misy devoly
- Ito le sandoka
- Ito le lazainy atsy
- Ito mandeha any amin'ny afobe
- ...
Fa ianareo mba ahoana ? Sao ianareo ilay tena mpitsara sandoka ? Sao ianareo mijoro ho andriamanitra sandoka mitsara lava ny ataon'ny hafa ? Sao ianareo no andriamanitra sandoka milaza sahady ny hafa hoe ho any amin'ny helo ? (tsy natao ho valiana fa natao hodinihina)
Hoy i Niryna izay hoe raha mitsara araka ny Baiboly ony izy dia tsy maninona :-D Fa i Niryna sa Andriamanitra no natao hitsara sy handefa any amin'ny afobe na araka ny baiboly na tsia ny fitsarana ?

Anareo no mandinika. Tandremo ... hoy lava ianareo eto amin'ny forum miaraka amin'ny andalana be dia be. Fanontaniana : Ianareo ve mitandrina ? (toy ny mahazatra, tsy ilako valiny ny fanontaniana toy izao fa natao ho eritreretin'ny tsirairay fotsiny, dia aza misy mahatsiaro votsindrona fa hevitra fotsiny io fa tsy tsindrona tsy akory :wink::-D:-D:-D)
36. prime ( 25/01/2007 11:56)
Ka izay no mahafinoana azy, na mino, na tsy mino izay voalazan\'ny soratra masina...

Ny fitiavan\'Andriamanitra dia misy arofanina fa tsy fitiavana mandeha ho azy toy ny iheverana sy takatry ny sain\'olombelona...

cutie> Efa ambara anao tsy indray mandeha fa imbetsaka, fa \"Kristy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin\'ny Ray afatsy amin\'ny alalany\" Jaona 14:6...

Dia na safidiana Kristy dia manana ilay fiainana ary tena manana fa tsy hoe sarintsariny dia azo antoka ny tohiny... raha mino ianao dia ho voavonjy, raha tsy mino ianao dia ny teny efa nambara anao io no efa mitsara sahady...

hoy mantsy ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany,\" Jaona 12:48

Ny tena mahahafa ny finoana kristiana mihoatra noho ny hafa dia zavatra roa ihany :
- ny fahamarinan-toeran\'i Kristy ho lalana tokana mahavonjy amin\'ny andro farany ka tsy olona hafa no manambara fa Izy tenany mihitsy...
- ny fanambaràna ny fitiavan\'Andriamanitra, ka anjaran\'ny tsirairay ny mino na tsia...

Ny fivavahana kristiana dia tsy fivavahana avy amin\'olona mankany amin\'Andriamanitra no fototra fa Andriamanitra manambara ny Tenany... ary eo no tena mahasamihafa azy @ fivavahana sy finoana hafa izay miainga avy amin\'ny olona mitodika amin\'Andriamanitra...
Ny an\'ny kristiana dia i Kristy (Andriamanitra) no manetry tena ka mitodika mankany amin\'ny olona...

37. xxx ( 25/01/2007 15:51)
Pissoa>

tsy anjaranareo mihitsy no milaza, na mandefa ny tsy Kristianina any amin\'ny Helo. Fa ianareo no iza na inona na inona lazain\'ny Baiboly


Tsy maintsy lazaiko sy zaraiko amin\'ny hafa (na ho faly ianao na tsy ho faly, na ihaino ianao na tsy ihaino, na tantinao na tsy tantinao ny voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra) momba ny Fitiavana nasehon\'Andriamanitra ny OLONA REHETRA (Silamo, atheist, bodista, hindu, kristianina, sns...) tao amin\'i Jesosy Kristy.

\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay\" jaona 3:16

Diniho tsara fa izay rehetra MINO azy ihany no tsy ho very. fa tsy hoe tonga dia tsy hisy ho very intsony ny olona rehetra.

Mbola misy olona tsy naheno izany Fitiavana izany eto kanefa mety mbola anisan\'ireo tsy manamafy ny fony no antony hanoratako eto fa tsy hanao \"demineur\" araky ny nitsaranao ahy, ka hilaza hoe pissoa=anjely na kiranil=devoly na hery=eugene.. :°)

Averiko ihany ito voalazako ito (raha sendra mahay kely teny anglisy ianao)

\"There are thousands religions, and not one of them can take you to heaven.

Salvation is NOT found in a religion, it is found in a Person--The Lord Jesus Christ! \"

\"all religion is a man-made way to God, but only Jesus Christ is God\'s way to Him.\"

>> Ekeo sy hinoy fotsiny ny lalana natolotr\'Andriamanitra. fa tsy natolotro izaho kiranil.

misaotra anao naharitra hatramin\'ny farany.

Cutie>

Diniho tsara ito:
\"
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin\'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy\" Lioka 12:5

iza no mandefa olona [manary mintsy aza] any amin\'ny Helo?? Izaho ve?? i lazadaddy ve? i dailynews ve? i prime ve?

>>> raha fantatrao ny valiny dia Matahora Azy.

Kanefa Cutie aza adino ireto teniny ireto :

IJaona 5:12 Izay manana ny zanaka [jesosy] no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak\'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.

\"izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an\'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika\"
IJaona 4:10

Mila finona amin\'ny fo ary manaiky amin\'ny vava fa Jesosy irery ihany no Tompo sy ho Mpamonjy antsika. izay no mahavonjy antsika.

Jereo ireto:

\"satria raha manaiky an\'i Jesosy ho Tompo amin\'ny vavanao hianao ary mino amin\'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin\'ny maty, dia hovonjena hianao.

Fa amin\'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin\'ny vava no anakena hahazoana famonjena\" Romana 10:9-10

Mihamaroa anefa ny tsy manaiky izany.

Jereo eto:

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm



>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>>

Za tsy niteny mihintsy hoe manaraha finoana na fivavahana (religion) toy izao na toy izao,
(izaho tsy mormon araky ny filazanao ahy ry cutie :-))

fa ny noteneniko dia ito:

\"all religion is a man-made way to God, but only Jesus Christ is God\'s way to Him.\"

manamafy ny voalazan\'i prime hoe :

\"Ny fivavahana kristiana dia tsy fivavahana avy amin\'olona mankany amin\'Andriamanitra no fototra fa Andriamanitra manambara ny Tenany... ary eo no tena mahasamihafa azy @ fivavahana sy finoana hafa izay miainga avy amin\'ny olona mitodika amin\'Andriamanitra...
Ny an\'ny kristiana dia i Kristy (Andriamanitra) no manetry tena ka mitodika mankany amin\'ny olona...\"

Ary Jesosy koa dia niteny hoe:

\"mankanesa aty amiko hianareo izay misa fatratra sy mavesatr\'entana fa izaho no hanome anareo fitsarana\"

Mankanesa an\'i @ Jesosy aloha, mibebaha, miala @ ratsy fanao, ekeo izy ho tompo sy ho mpamonjy anao ary manaja ny Teniny.

Tsy hilaza eto mintsy aho hoe aiza inona no fiangonako misy ahy fa tsy izany amiko no zava-dehibe voalohany fa ny fiverenana @ Andriamanitra aloha ary ny fahafoizana ny ratsy fanao.

\" Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin\'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin\'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. \" Isaia 55:7

Efa niverina t@ Andriamanitra tokoa aho ry namana isany, ary miantso ireo izay mbola te hiverina Aminy.
Izay no mahatonga ahy miteny eto, kanefa indrisy ny zava-misy tsy maintsy hatrehina dia tsy ilaozan\'ireo izay manenjika, mbola minia mikipy, manamafy ny fony mananihany, ary maniratsira mintsy aza. :roll:

Kiranil.
38. pissoa ( 25/01/2007 15:59)
kiranil=xxx:
Tsy maintsy lazaiko sy zaraiko amin'ny hafa (na ho faly ianao na tsy ho faly, na ihaino ianao na tsy ihaino, na tantinao na tsy tantinao ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra) momba ny Fitiavana nasehon'Andriamanitra ny OLONA REHETRA (Silamo, atheist, bodista, hindu, kristianina, sns...) tao amin'i Jesosy Kristy.

Tandremo fa izaho tsy mandrara na iza na iza tsy hitory an ... diso be ianao :-D:-D:-D Hoy aho hoe tsy anjaranao ny milaza amin'ny olona hoe Ianao rangahy ity dia mandeha any amin'ny afo be. Toy izany koa tsy anjaranao koa ny mandefa azy any :-D:-D:-D

PS : Izaho tsy anjely ka. Sa moa misy anjely ratsy tarehy sy tsy tsara fanahy loatra ? =))
39. xxx ( 25/01/2007 16:03)
40. pissoa ( 25/01/2007 16:55)
Mbola misy olona tsy naheno izany Fitiavana izany eto kanefa mety mbola anisan'ireo tsy manamafy ny fony no antony hanoratako eto fa tsy hanao "demineur" araky ny nitsaranao ahy, ka hilaza hoe pissoa=anjely na kiranil=devoly na hery=eugene..

Averiko ihany ito voalazako ito (raha sendra mahay kely teny anglisy ianao)

"There are thousands religions, and not one of them can take you to heaven.

Salvation is NOT found in a religion, it is found in a Person--The Lord Jesus Christ! "

"all religion is a man-made way to God, but only Jesus Christ is God's way to Him."

>> Ekeo sy hinoy fotsiny ny lalana natolotr'Andriamanitra. fa tsy natolotro izaho kiranil.

misaotra anao naharitra hatramin'ny farany.

Raha tsy milalao deminer ianao, dia hajanony manomboka amin'ny fanondroana olona toy ny hoe *** Ianao ilay lazain'ny tenin'Andriamanitra hoe ... *** Ataovy ampy anao ny mitory an'i Kristy.


Tena mitovy hevitra amin'ito tokoa ve ianao ?
xxx:
"There are thousands religions, and not one of them can take you to heaven.

Salvation is NOT found in a religion, it is found in a Person--The Lord Jesus Christ! "

Tsy mampino satria vao ny url omenao dia efa misoratra sahady hoe false religions, dia rehefa sokafana ilay Pejy dia False Religions EXPOSED! no title-ny ? Sao slogan fotsiny io teninao ry Kiranil ! MPIHATSARAVELATSIHY hoa matetika ny mpiteny an'io Jesoa fa tsy fiangonana io :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.221