Ny adi-tsaina, tebiteny,ahiahy.Vahaolana mahomby

1. niryna ( 09/01/2007 18:44)
Ireo zavatra telo ireo no saika mianjady amin\'ny fiainantsika isan\'andro.Misy vahaolana anefa mety hialana aminy.Alefaso ary ny dinika sy ny tafa fa tena liana izahay indrindra ny taona ity vaovao ity,mila miala amin\'ny ratsy mahazatra amin\'izay.Asa aloha fa tolona lava ihany izy ity8-)8-)8-)
novalian'i niryna ny 20/01/2007 05:12
2. dailynews ( 09/01/2007 18:51)
Ny ahy na inona na inona: na voninkazo ny fianana na tadio, h@ kely indrindra ka h@ lehibe indrindra dia apetrako eo ampelatanan'i Jesoa izay rehetra ataoko.

Koa raha misy ny olana mbola mitranga raha toa ka efa nentiko ambavaka. Dia isaorako Azy io na ratsy na tsara ary entiko ambavaka indray iny olana iny dia mitohy indray ny dia.

Misy tokoa ny tebiteby sy ny ahiahy @ maha olombelona saingy mino aho fa maivana lavitra izany rehefa zaraina @ i Jesoa fa tsy entiko izaho samy irery.
3. Fiffi ( 09/01/2007 19:33)
de hoy Jesoa hoe "manantona ahy ianareo zay mahavesatr'hentana........
4. booboo ( 09/01/2007 20:33)
Dailynews > eka ouz !
5. Lek ( 10/01/2007 07:56)

Misy tebiteby, adi-tsaina, ahiahy avy amin'ny ratsy natao: vaha olana aza manao ratsy e! aza mangalatra,mandainga, mamono olona,mijangajanga sns...ny didy rehetra e!
Misy nefa avy amin'ny olam-piainana tsotra e! ilaina izany fa mampivavaka fa raha misosa ho azy ny fiainana dia maro ny tsy manantona an'Andriamanitra:roll:
6. prime ( 10/01/2007 10:14)
Vahaolana mahomby : Jesosy Kristy...

Ny adin-tsaina, ny tebiteby, ny ahiahy akory tsy ho foana na manana an'i Kristy aza satria ilay ratsy vaomaika koa aza romotra raha manana an'i Kristy ny olona fa ny tombony dia mbola hafa ihany izany hoe i Kristy mihitsy no mandray an-tanana ny fiainan'ny olona iray...
7. Ilo ( 10/01/2007 11:01)
Hoy Kristy : "mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatr'entanta, fa Izaho hanome anareo fitsaharana"
8. prime ( 10/01/2007 12:14)
Maro no vahaolana azo aroso araka ny takatry ny sain'olombelona fa tokana no vahaolana tena mahomby ary maharitra mandrakizay fa tsy mandalo dia : Jesosy Kristy...

"Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana]" Jeremia 29:11
9. cutie ( 10/01/2007 23:45)
Mpandefa : prime [ Valio ] 10-01-2007 13:14:14
Lohateny : Re : Ny adi-tsaina, tebiteny,ahiahy.Vahaolana mahomby
Maro no vahaolana azo aroso araka ny takatry ny sain'olombelona fa tokana no vahaolana tena mahomby ary maharitra mandrakizay fa tsy mandalo dia : Jesosy Kristy...

Ho an'ny oul be finoana io :lol:
10. Fiffi ( 11/01/2007 09:51)
tsy misy vaha-olana afatsy ny fanantonana an'Andriamanitra.....
11. prime ( 12/01/2007 09:04)
cutie> :lol:... be finoana ahoana ary? koa efa hoe vahaolana maharitra ho an'ny rehetra mihitsy io koooo...:)

I Kristy anie tsy tonga teto an-tany ho an'ny olo-marina sy ny olona tsara fanahy e... fa ho an'ny mpanota hibebaka mba ananan'ireo fiainana mandrakizay amin'ny alalany e...
12. cutie ( 12/01/2007 20:22)
prime ka efa we mila finoana zany rehetra zany :lol:
13. niryna ( 14/01/2007 19:03)
[quote=Fiffi]

[de hoy Jesoa hoe "manantona ahy ianareo zay mahavesatr'hentana.]
Misaotra aky fiffi nanome hery a :D


14. niryna ( 14/01/2007 19:07)
[quote=dailynews]

[Ny ahy na inona na inona: na voninkazo ny fianana na tadio, h@ kely indrindra ka h@ lehibe indrindra dia apetrako eo ampelatanan'i Jesoa izay rehetra ataoko.

Koa raha misy ny olana mbola mitranga raha toa ka efa nentiko ambavaka. Dia isaorako Azy io na ratsy na tsara ary entiko ambavaka indray iny olana iny dia mitohy indray ny dia.

Misy tokoa ny tebiteby sy ny ahiahy @ maha olombelona saingy mino aho fa maivana lavitra izany rehefa zaraina @ i Jesoa fa tsy entiko izaho samy irery.]
Marina io tenin'i dailynews io.Misy ny sasany milaza fa miaraka amin'i Jesosy ianao dia tsy misy ny olana.Tena misy foana io ary miha-maro ny fitsapana


15. niryna ( 14/01/2007 19:17)
[quote=Lek]

[aza mangalatra,mandainga, mamono olona,mijangajanga sns...ny didy rehetra e!]
Angamba tsy dia hoe avy amin'ny ratsy daholo ny tebiteby,mety kely finoana, mety miandry valim-bavaka,ary mety tsy manana faharetana angamba?
[fa raha misosa ho azy ny fiainana dia maro ny tsy manantona an'Andriamanitra]
Manadino an'Atra tokoa isika matetika rehefa mizotra ny fiainana,toa tsy mitady na mahatsapa ny zava-bitany.
16. niryna ( 15/01/2007 05:39)
Fiffi:

tsy misy vaha-olana afatsy ny fanantonana an'Andriamanitra.....

Marina tokoa io tenin'i fiffi io

17. niryna ( 15/01/2007 05:44)
prime:

Vahaolana mahomby : Jesosy Kristy...

Ny adin-tsaina, ny tebiteby, ny ahiahy akory tsy ho foana na manana an'i Kristy aza satria ilay ratsy vaomaika koa aza romotra raha manana an'i Kristy ny olona fa ny tombony dia mbola hafa ihany izany hoe i Kristy mihitsy no mandray an-tanana ny fiainan'ny olona iray...


Volazanao tanteraka.Ao anaty teny koa io hoe ireto no zavatra azo arahintsika raha ho te-lava andro hiainana:
Mila manana fo faly lalandava, fiadanan-tsaina izay ezahina izany,fitiavana,manana fahamatorana, mahafantatra ny tokony atao ary mifikitra amin'iny,mianatra ny mitia olona.;-)
18. niryna ( 15/01/2007 05:48)
prime:

Vahaolana mahomby : Jesosy Kristy...

Ny adin-tsaina, ny tebiteby, ny ahiahy akory tsy ho foana na manana an'i Kristy aza satria ilay ratsy vaomaika koa aza romotra raha manana an'i Kristy ny olona fa ny tombony dia mbola hafa ihany izany hoe i Kristy mihitsy no mandray an-tanana ny fiainan'ny olona iray...

Izay no antony mianatra mitia ny olona manodidina anao, manampy raha azo atao fa tsy tia tena,aseho ny manodidina ny tena toetra tsara tokony hananana miezaka ny manao zavatra tsara foana,manana toetra tsy kivy.:lol:

19. niryna ( 15/01/2007 05:53)
prime:

cutie> :lol:... be finoana ahoana ary? koa efa hoe vahaolana maharitra ho an'ny rehetra mihitsy io koooo...:)

I Kristy anie tsy tonga teto an-tany ho an'ny olo-marina sy ny olona tsara fanahy e... fa ho an'ny mpanota hibebaka mba ananan'ireo fiainana mandrakizay amin'ny alalany e...

Voalazanao ny fahamarinany io. Izany no mahatonga antsika hifanampy amin'ny fiainana ary ny fitiavana no zavatra iray mahafoaka ireo olana rehetra ireo,dia ny fitiavana ny namana toy ny tenentsika.

20. prime ( 15/01/2007 10:37)
Ary ny fitiavana an'Andriamanitra ry niryna mba ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.537