fa maninona loatra?

21. jentilisa ( 29/12/2006 06:01)
IKaretsaka! mbola hamaly foana ve ianao nefa dia "provocation" fotsiny no ataony? raha ny olona toy ireny anie hihena be dia be ny kristiana satria...fototra ny baiboly fa tsy ny trano manontolo e!

Tsy maintsy tarhin'ny Fanahy Masina vao mahalala ny tenin'Andriamanitra fa io baiboly io na iondanana aza tsy mahavonjy anao raha atao solon'ody io!
22. ikaretsaka ( 29/12/2006 06:03)
namaste jentilisa!=D
23. soanja ( 29/12/2006 06:15)
Ny baiboly dia boky tena anisan'ny ilaina indrindra raha hitodika amin'izany atao hoe Finoana saingy tsy io no fanaperana. Andriamanitra no fanaperana.
Misaotra antsika nanadihady teto.
24. ikaretsaka ( 29/12/2006 06:21)
zahako aho namaly azy sy nanao precision:
Voalaza teo :
1) Angaha raha tsy ao @ Baiboly ihany Andriamanitra no mifanerasera amintsika dia voarara ny miresaka Baiboly?


zahako----->Ataoko fa tsy misy fandrarana teto @ serasera teo .. ary tsy mbola nisy niteny MIHITSY teto hoe aza miresaka baiboly ...

Resaho ny baiboly fa aza forcena ny olona hanaraka anao !..... raha mantany ny hoe angaha io IHANY no nandeha teto...

samy mamoy ny heviny io

raha forcena na ampitahorina ankolaka ny olona hoe fitsarana be e...maty raha tsy manaraka ny ataonareo eeee sns.... tsy mety izany!
PUBLICITE izany fa tsy finoana....

Voalaza teo :
2) Ivelan'ny Baiboly koa dia tsarovy fa mitabataba be mihitsy i Satana, ka tandremo sao tsy feon'Andriamanitra no henonao!


zahako---->IO dia miankina @ spirituality an'ny tsirairay, ao anatiny baiboly koa aza i satana mitabataba be mihitsy...ooooooay sady ampiasainy koa io ho fitaovana handrotehany anao.. jereo fotsiny ny tantarany ao rehefa maka fanahy sns...

Voalaza teo :
3) Ny Baiboly dia arofanina, ahafantarana na Andriamanitra tokoa ilay miresaka amintsika andavan'Andro io na tsy Izy. Raha Andriamanitra dia tsy hanohitra ny Teniny mihitsy ka izay no ilaina ny Baiboly.


zahako----->Arofanina daholo , torak'izany ny sakramenta, ny saple, litania, komonio, vavaka amin'ny alalan'ny olomasina , sns.....

samy manampy (reconfort) ary samy miaro ny fanahinao tsy ho very aby ...


izay ny tanjona.. ny tsy hahavery ny Fanahy

Ary samy manana ny fombany mba tsy hahavery ny fanahiny! fa tsy heo iry ihany no mety na itsy ihany
[/quote]
25. jentilisa ( 29/12/2006 06:26)
Protestanta be tsy mahalala ny teny hoe namaste aho ry Ikaretsaka
26. ikaretsaka ( 29/12/2006 06:32)
jentilisa:

Protestanta be tsy mahalala ny teny hoe namaste aho ry Ikaretsaka



ny hoe namaste letsy dia midika hoe ...

"Ny spiritualite.. na ny fanahy masina izay ao anatiko dia manaja ny fanahy masina izay ao aminao"
27. soanja ( 29/12/2006 06:40)
Ika sy Jentilisa> Namaste daholo ary.:D
28. prime ( 29/12/2006 07:24)
Dia misaotra an'i LD tanteraka manamafy ny fanamarihana rehetra efa miverimberina mikasika ny finoana kristiana sy ny baiboly...
ikaretsaka:
Arofanina daholo , torak'izany ny sakramenta, ny saple, litania, komonio, vavaka amin'ny alalan'ny olomasina , sns.....

samy manampy (reconfort) ary samy miaro ny fanahinao tsy ho very aby ...
... dia ampio koa ny siklika sy ny minitra sy ny vavaka amin'ny maty sy ny fiantsoana olo-masina sy razana rehetra... miampy ny karazana fomba rehetra fivavaka... hummmmmm...
29. ikaretsaka ( 29/12/2006 07:29)
prime> vavaka ho an'ny maty aloha no fiteny fa tsy vavaka amin'ny maty!

Dia inona no ataon'ireny hmmmmm tsy mitovy @ baiboly ihany? samy reconfort @ fanahin'ialahy...
sa ahoana?
30. ikaretsaka ( 29/12/2006 07:34)
Prime sy LD sry DN> ity mbola adinon'i laisany ny namaly azy!
rehefa voavaly io de Namaste za

[quote]"porofoy ao anaty baiboly hoe izay hita ao anaty baiboly IRERY IHANY no tenin'andriamanitra [quote]

31. tywa68 ( 29/12/2006 07:48)
Ka tsy hamaly anao @izany izy ry Ikaretsaka, satria tsy misy milaza zany ao an ! ny tena mazava @kristiana d hoe io baiboly io dia entina manamafy orina ny finoana efa ao aminao !
Ka na hitanisa tsianjery maimbo eo aza ny baibolista tsy midika zany hoe tena marina ny ataony satria tsy maintsy arahina fihetsika sy fiteny mendrika, fa tsy hoe handrangitra ny sasany :lol:
32. prime ( 29/12/2006 08:20)
ikaretsaka> misaotra amin'ilay fanitsiana...:)

Fa hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ilay velona sy masina manan-kery avy any Nazareta :
"...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Jaona 14:6

Sa tsy ampy Jesosy izay ambaran'ny baiboly fa mbola mila an'ireo rehetra notanisainao rehetra ireo?

"18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanĂ na masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity." Apokalypsy 22:18-19

Hoy koa Jesosy : "Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany," Jaona 12:48

"Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Jaona 1:1

"Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day]" Jaona 1:14

Fa hoy koa Jesosy : "...Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;" Matio 19:11

Vao ny ampahany ihany ireo, fa ny baiboly iray manontolo no manaporofo an'ilay Teny tena marina ary feno sy tanteraka... fa mba porofoy koa hoe azafady ny Tenin'Andriamanitra maro ankoatry ny baiboly ary?

33. pissoa ( 29/12/2006 08:45)
Izahay mpamosavy dia tsy mahavanon-draha raha toa ka mamaky Baiboly ny olona tianay amosaviana, izany no ankahalanay ny Baiboly

Hita mihitsy hoe "Mpamosavy" no niteny an'io. Tsy fantany akory fa Andriamanitra no niaro ny olony fa TSY ILAY BAIBOLY. Ilay baiboly dia "fitaovana" nanampy an'ilay olona hiantso sy hatoky an'Andriamanitra fotsiny.

Ka raha misy mampiasa ny Baiboly ho "Mpiaro azy" na any amin'ny fiainana isan'andro any na amin'ny ady hevitra mandeha, dia aoka izy handinika fa mitovy izy sy ilay mpamosavy :-D:-D:-D
34. pissoa ( 29/12/2006 08:53)
Prime:
Vao ny ampahany ihany ireo, fa ny baiboly iray manontolo no manaporofo an'ilay Teny tena marina ary feno sy tanteraka... fa mba porofoy koa hoe azafady ny Tenin'Andriamanitra maro ankoatry ny baiboly ary?

Ohatra tokana :

I Prime ve mivavaka ? (Amin'Andriamanitra no tiako ambara mazava ho azy fa sao io indray no hotaritina sy hitanisana andalana amiko eo :-D )

Inona ny mivavaka ? Mivavaka = Miresaka amin'Andriamanitra + ... (Izay tianao hanampiana azy).

1 - Manana baiboly foana ve amin'ny fotoana rehetra tiana hivavahana ? (Izaho aloha tsia, indraindray izaho any anaty haizina be no mahatsiaro miresaka amin'Andriamantira. Ianao tsy haiko ...)

2 - Rehefa tsy eo ary ilay baiboly. Mety misy "resaka" mandeha ve raha sanatria Andriamantira efa nanapa-kevitra ny himoana no hiresahana ?

3 - Efa noteneniko tary ambadika dia averiko eto indray. Ny olona tsy mahay mamaky teny ve izany tsy rarahin'Andriamanitra, tsy hitenenany fa hiavonavonany fotsiny ? (Rain'ny zanany rehetra Izy hoa fa tsy Rain'ny be saina sy ny mahay mamaky teny fotsiny :-D )
35. pissoa ( 29/12/2006 08:56)
(Tohiny)

4 - Ahoana ny olona talohan'ny nisian'ny Baiboly ? Niresaka tamin'izy ireo ve Andriamanitra raha amin'ny Baiboly ihany Izy no miteny ? Soa ary tsy Andriamanitra no niresaka tamin'ny olona taloha - ka nahazahoana io Baiboly io ... (Ka tamin'izany tsinona tsy nisy baiboly ka, donk raha ny hevitrareo no arahina dia tsy niteny mihitsy Andriamanitra :wink: )
36. prime ( 29/12/2006 08:59)
ikaretsaka> dia mba manasa anao koa hoe "porofoy fa misy Tenin'Andriamanitra hafa ankoatry ny baiboly"...
37. tywa68 ( 29/12/2006 10:55)
Hirotsaka amintsika tsirairay avy anie ny fahasoavan'i Tompo ka tsy hiady @zavatra tsy misy dikany :lol::-*:-*
38. pissoa ( 29/12/2006 10:58)
Ho tanteraka tokoa anie izaaaaany :lol:
39. LazaDaddy ( 29/12/2006 12:28)
Olona "mpanenjika Baiboly" no resahina dia mahana avy hatrany ny "sasany" miaro tena sy manodin-dresaka.

Raha tena tsy "mpanenjika Baiboly" tokoa tsy hitako izay hiarovan-tena sy hanovana resaka eto. :) Raha tsy izay mamorona adihevitra hafa. :)

Raha "mpanenjika Baiboly" moa ianao dia tsy maninona arosoy ny adihevitra fa zonao izany satria ianao no votoatin-dresaka :)
40. ikaretsaka ( 29/12/2006 13:27)
prime:

ikaretsaka> dia mba manasa anao koa hoe "porofoy fa misy Tenin'Andriamanitra hafa ankoatry ny baiboly"...


tsotra. tsy maka alavitra .. faran'ny evanjelin'i jaona.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011