Aza manahy ny ho ampitso.Manana finoana ve ve ianao amin\'io?

21. cutie ( 24/12/2006 02:04)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 24-12-2006 02:55:51
Lohateny : Re : Aza manahy ny ho ampitso.Manana finoana ve ve ianao amin'io?
But Faith brings Hope my friend!

marina zany :lol:
tsy afa-misaraka reo :lol:
22. Zina ( 24/12/2006 02:11)
marina mihitsy zany ka
23. soanja ( 24/12/2006 02:50)
Zina , Cutie, Ikaretsaka > :-*:-*:-*:-*(l)
Mba hangalariko koa ny hetsiky Fifi eto:
Joyeux Noel daholo o. Mankafy sy mankamamy ny finamanana teto. Soanja hivavaka ho antsika rehetra.:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
24. Zina ( 24/12/2006 02:53)
ianao ko torak'izany :-*. Isan'andro mihitsy aho no mivavaka ho antsika eto ary faly aho fa tsy izaho irery no manao an;ilay izy....
Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra ary ny fanahiny tsy hiala ao amin-tsika amin;izao vanin'andro hifaliana izao...(l)
25. soanja ( 24/12/2006 02:55)
Zina:

ianao ko torak'izany :-*. Isan'andro mihitsy aho no mivavaka ho antsika eto ary faly aho fa tsy izaho irery no manao an;ilay izy....
Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra ary ny fanahiny tsy hiala ao amin-tsika amin;izao vanin'andro hifaliana izao...(l)


Amen!(l)


26. ikaretsaka ( 24/12/2006 03:25)
joyeux noela daholo tokoa izay tsy manketo raha tsy aorian'ny krismasy o
27. oceanejane ( 24/12/2006 13:05)
ny faniriana anie dia ny hahatoky sy tsy hanay fa @ maha olombelona ny tena de mbola resiny fanka-panahy ihany e.

izaho de sahy manao vavolombelona aminareo @ zvt hiainako zao:
nanana olana aho @ couple, de nivavaka aho ary novaliann'Atra ny fivavako de ankehitriny nisy fiovana be tampoka le olo-tiako ary de nisaraka izahay.tsoriko aminareo fa 1 volana lasa aho tsy nieritreritra izany zvt izany hitranga mihintsy.
kivy sy resy tanteraka aho ary nitodika tam fivavahana indray. marina fa refa nilamina ny fiainako de otrany ary tena tsy nahatiaro ny hatsaran'Atra sy ny famindram-pony ahy ary ankehitriny aho de mangataka sy mifona aminy noho izany.

asa tokoa hoe mbola misy zvt andrasany ovaiko ve am fiainako sy ny fitondratenako fa mangataka aminy aho hoe ra sitrakao ary ra izy no anjarako de aoka izahay hifamerina, de nifamerina izahay. kanefa izany tsy nahasakana ny olananay tsy hitohy.matetika ary azo atao hoe isan'andro mintsy aza de miady lava de roahany aho hiala ao antrano de ny hany ataoko de tsy miady aminy intsony aho fa de mangina mamaly azy hoe tsia satry hoa za mahatoky fa mbola hiova zao fiainantsika zao fa mila maharitra aho.
de ny mivavaka no ataoko nefa mbola misy ihany le fanahiana de refa sendra zay fotoana zay de tena resy tanteraka aho de avy eo vao mahatsiaro hoe nangataka foana aho nandritra zay fotoana zay hoe ra tsy anjarako izy de aoka hifarana ny anay ary omeo hery aho hiatrehako izany kanefa de mbola eo foana zahay 2.

lazaiko anareo fa ndrai2 refa avy miady iny zahay de mikipy aho de mivavaka mba hanorony ahy izay tokony hataoko de ankehitriny aho nilefitra.

mba mangataka ny torohevitrareo aho, mivavaka aho ary matoky syresilahatra aho izy no anjarako matoa mbola nataon'Atra mbola 1 foana zahay na de eo aza zany retra zany.
diso aho ve mieritreritra izany satry hoe izay no tiako hitranga?

de ra mba misy afaka manazava ahy ny hevitra fonosiny ty teny ao am Baiboly ity hianareo de hisaorako mialoha 'Salamo 132:6-7' tsy haiko ze nahatonga io teny io tampoka tao antsaiko zahy niady omaly alina de nefa tsy azoko tsara ny tena hevitr fonosiny


de misaotra mialoha @ toro-hevitrareo
de samy ho tratry ny Noely sambatra daolo isika
28. niryna ( 25/12/2006 02:40)
Inona no atao hoe finoana? Zavatra tsy hita maso kanefa mino ny fisiany.
Vakio ny Heb 11:1-39.Mahatonga antsika ahafantatra fa Izy no nanao izao tontolo izao,Izy dia velona, mamaly vavaka izy,mahafantatra ny ho avin-tsika izy,ary mamily antsika tsy hiverina amin\'ny zavatra ratsy efa nandalovana,manana fahatokisana ny fanahy masina isika noho io finoana io,mitarika antsika andeha amin\'ny fahamarinana.Misy koa anefa ny mino ny asan\'izao tontolo izao ka mahatonga azy haka tapa-kazo ,hijery tanana, hanao ny herin\'ny maizina,mivavaka amin\'ny sampy na atra hafa,manao ny herin\'ny maizina.Samy mandaitra daholo ireo araka ny finoan\'ny tsirairay.
Raha eo amin\'ny teny ambony indray dia araka ny tenin\'ny namana teo fa tsy maintsy manana tarigetra ianao fa tsy miandry ny mana milatsa eo,manana tanjona ary arahina am-bavaka mandrakariva izay zavatra atao.Ny fanomezany io teny aza manahy io dia manome antsika toky fa izy no tompon\'ny zavatra rehetra ka izay zavatra mitranga dia nataony izany fa tsy nanao zavatra tsy ho zakan-tsika izy.Ny fiainantsika izany dia efa voafetra ka tsy tokony hitazona ny olana misy eo amin-tsika irery isika fa mivavaka aminy ary mangataka vavaka amin\'ny namana ihany koa.
29. niryna ( 25/12/2006 02:52)
Ho an\'ny namana izay mety voa toin\'i oceanejane.Tsy mora ny mahazo anao ary samy manana fahatsapana daholo isika rehetra,aza kivy fa ny ataonao dia ny mivavaka azy, mamela ny tenenao koa ianao,jereo raha misy toetra fantatrao fa tsy tiany aminao ka ratsy,hovay iny tsy noho ny aminy irery fa noho ny aminao.Dingana iray lehibe io.Efa niteny ihany aho taloha satria maro ny fijoroka vavolombelona teo amin\'ny fiainako,ary maro ireo olona nijaly kanefa novalian\'Atra ny vavaka nangatahiko ho azy ireo,tsy voahisa intsony.Dimy ny dingana tokony ho arahin-tsika raha te-ahita ny herin\' Atra isika.1- mangataka famelana.2-mamela ilay olona ary mivavaka ho azy mba ho voahavitra ny fanahiny sy hiova izy.3-mamaky ny soratra masina ka tafiditra ao ny ohabolana isan\'andro( misy 31 isa),iray isan\'andro ary mifanaraka ny andro androany,raha tsy vita ilay omaly dia roa no atao.4-Mitadidy ny teny ao @ baiboly,iray isan\'andro,mba ho fiarovana sy apinga.5-alalino ny soratra masina izay vakianao akoatry ny ohabolana ka ampiaro amin\'ny fiainanao.Ireo rehetra ireo dia miafara ny vavaka nampianarin\'ny Tompo ary matoky ianao fa izy no tompon\'ny tenanao sy mpanavotra anao.
Samy ho tratry ny krismasy sambatra daholo isika rehetra.
30. prime ( 26/12/2006 09:44)
zina:
Izay manana an;i Jesosy dia tsy mba manahiahy ny fiainany sy ny ampitso mihitsy.
Hoy izy ato Mat 6: 25 sy Lioka 12: 22
aza manahy ny amin'ny aianareo, izay hohaninareo na amin'ny tenanareo izay hotafinareo...
... mitovy hevitra tanteraka...=D
31. ikaretsaka ( 26/12/2006 21:39)
"Tomorrow is a mistery, yesterday is history", ... Just live "now" and hope for tomorrow"

Hope fa tsy afraid an!


tsy manahy aho fa manantena
32. ravatorano ( 27/12/2006 06:41)
manana tokoa ary tsy manahy izany mihitsy
"Izy no tokiko"
:wink:
33. ikaretsaka ( 27/12/2006 06:53)
Faly mahafantatra an'i Toky n-Dravato! (sipany fahafiry ianao kay?) =D kivazivazy an
34. prime ( 27/12/2006 14:02)
Ny mpino aloha tsy manahy satria Andriamanitra no miahy ny fiainany...
35. soanja ( 27/12/2006 17:06)
prime:

Ny mpino aloha tsy manahy satria Andriamanitra no miahy ny fiainany...


Raha be fahatahorana izy eo amin'ny fiainany dia manahy izy izay sao tsy tian'Andriamanitra.
Diso be io fampianarana io.
Tsy biby fampitahorana Andriamaniatra fa Fitiavana.


36. ikaretsaka ( 27/12/2006 18:01)
namaste soanja...
37. dailynews ( 27/12/2006 21:07)
mialatsiny fa tsy namaky izay voalazan ny namana aho fa tonga dia mamaly. Ny finoana amiko dia araka ny volazan ny hebreo 11:1 ihany koa.
Dia ny finoana ihany koa amiko dia mino ny fisian Atra sy mino ny zavatra izay lazain Atra. Tsy tokony fotsiny hijanona hatreo @ hoe mino ny fisian Atra.

koa raha hiresaka ny ampitso dia izao no ataoko: raisiko ny teny fikasan Atra @ lafimpianako rehetra izay tenin Atra ka inoako fa marina ary azo ampiharina @ fiainako, ohatra ny momba ny vady, zanaka, fahasalamana, asa, protection.... dia entiko ireo promesses n ireo ao anaty vavaka hoe:
satria ianao Atra niteny ireto teny ireto momba ny lafimpiainako rehetra dia apetrako eo ampelatanao ny ampitsoko rehetra momba an io dia tononiko tisrairay.

Dia tsy miahiahy intsony aho fa raha misy ny zavatra mbola mitranga anefa efa napetrako teo Aminy ny zavatra rehetra dia isaorako Izy satria ny zavatra rehetra hono dia mahasoa izay tia Azy, koa tsy hatahotra ny ampitso aho. Fa dia ny ataoko kosa dia tsy maintsy mametraka na inona na inona planina ko eo @ fiainako eo ampelatanany.

asa raha mazava
38. ikaretsaka ( 27/12/2006 21:11)
ary ilay mino" hoe ao anatiko andriamanitra dia miseho amin'ny zavatra rehetra andavanandroko sy ny rehetra manodidina ahy araka ny fitarihan'ny fanahy masina azy "
39. soanja ( 27/12/2006 21:17)
dailynews:

mialatsiny fa tsy namaky izay voalazan ny namana aho fa tonga dia mamaly. Ny finoana amiko dia araka ny volazan ny hebreo 11:1 ihany koa.
Dia ny finoana ihany koa amiko dia mino ny fisian Atra sy mino ny zavatra izay lazain Atra. Tsy tokony fotsiny hijanona hatreo @ hoe mino ny fisian Atra.

koa raha hiresaka ny ampitso dia izao no ataoko: raisiko ny teny fikasan Atra @ lafimpianako rehetra izay tenin Atra ka inoako fa marina ary azo ampiharina @ fiainako, ohatra ny momba ny vady, zanaka, fahasalamana, asa, protection.... dia entiko ireo promesses n ireo ao anaty vavaka hoe:
satria ianao Atra niteny ireto teny ireto momba ny lafimpiainako rehetra dia apetrako eo ampelatanao ny ampitsoko rehetra momba an io dia tononiko tisrairay.

Dia tsy miahiahy intsony aho fa raha misy ny zavatra mbola mitranga anefa efa napetrako teo Aminy ny zavatra rehetra dia isaorako Izy satria ny zavatra rehetra hono dia mahasoa izay tia Azy, koa tsy hatahotra ny ampitso aho. Fa dia ny ataoko kosa dia tsy maintsy mametraka na inona na inona planina ko eo @ fiainako eo ampelatanany.

asa raha mazava



Mazava dia mazava ry DAILY.:D

40. dailynews ( 27/12/2006 21:22)
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.06