Aza manahy ny ho ampitso.Manana finoana ve ve ianao amin\'io?

1. niryna ( 23/12/2006 05:52)
Voasoratra ao anaty baiboly io teny io.Ahoana no fahazoanao sy fampiaranao azy amin\'ny fiainana?
novalian'i xxx ny 12/01/2007 16:00
2. apache ( 23/12/2006 06:44)
Izay no atao hoe finoana. "Optimisme dans l'esperance telle est la voie de Dieu". Pensée Positive foana e!
3. soleil ( 23/12/2006 07:10)

Ny tenin'Andriamanitra de marina foana fa sika no tsy mahay mandray azy sy maharitra ary mitana ny finoana ananantsika , misy namana maro no efa mijoro hho vavolombelona ny @ zany manodidina ahy ary tena maniry mafy ny ho tonga sy hanana zany finoana matanjaka zany aho

efa misy ihany ny tranga niseho tamiko fa refa misalasala koa de tsapan'Andriamanitra
4. Fiffi ( 23/12/2006 08:21)
Hapetraka eo am-pelatan'Andriamanitra fotsiny ny fiainanao fa Izy no mandahatra ny zava-drehetra....
5. ikaretsaka ( 23/12/2006 13:17)
"tsy misy mahafantatra ny ampitso"

"Ary misitery ny fiainana"
6. jentilisa ( 23/12/2006 15:42)
Rehefa manaiky hotarihain'Andriamanitra na dia amin'ny zavatra mety ho sarotra aza dia tena mitombina mihitsy io resaka io. Ny mampihemotra ny maro matetika dia noho ny zanany na ny fianakaviany...fijeriko manokana izay!
7. kally ( 23/12/2006 16:51)
Fomba mety hahitana fahasambarana sy fiadanana io. Ny fitetehana ny ampitso lava tsy ho hita no isan'ny mahtonga ny olona ho be fahotana sy be teti-dratsy matetika ary na tsy ireo aza, dia tsy mety mahita fahasambarana fa manahy lava ny olona misaina be loatra ny ampitso. Ny ahy dia reveo manja aloha ny androany, mionona @ androany, atao tsara be foana ny androany ohatry ny hoe androany no farany.Ny rahampitso tsy hay!
8. soanja ( 23/12/2006 17:02)
Ny androany atoavy tsara indrindra dia ny ampitso tonga eo ihany rehefa tahak'izay. Ny tanjona kosa tokony hanana daholo. De avy amin' iny no ampisainao isanandro ho amin'ny androany.
Amiko raha tsy manana tanjona aho dia naman'ny maty. Ny tanjoko anefa inona? Dia ny hikatsaka ny tsara indrindra dia tsy iza fa Andriamanitra.
9. ikaretsaka ( 23/12/2006 17:56)
izay indrindrya...
tsy misy mahalala ny rahampitso anie e..
ary raha tsy ho tonga moa iznay rahampitso izany?
10. Fiffi ( 23/12/2006 21:20)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/F%EAtes/merryXmas.gif[/IMG]
11. cutie ( 23/12/2006 21:44)
merry xmas fiffi
faly za fa tsy niasa tampoka njay :lol::lol::lol:
12. cutie ( 23/12/2006 21:46)
oups
tsy vaovaly ny fanontaniana
Aza manahy ny ho ampitso.Manana finoana ve ve ianao amin\'io?

Manahy ihany indraindray fa refa arahina finoana sy asa de milamina:lol:
13. soanja ( 23/12/2006 22:08)
cutie:

merry xmas fiffi
faly za fa tsy niasa tampoka njay :lol::lol::lol:


Zah koa faly fa tsy miasa indry Xmas.


14. simplex ( 23/12/2006 22:12)
niryna:
Voasoratra ao anaty baiboly io teny io. Ahoana no fahazoanao sy fampiaranao azy amin'ny fiainana?

Ny tena fahazoako an'io aloha d aleo tsorina fa tsy dia tena matoky an'io loatra aho e. Marina fa hoe ny ampitso tsy fantatra fa na izany aza tokony mba hofantatra @ ankapobeny ihany ny mety hitranga (ra tsisy ny sampona). Ka zay le izy e, aleo mailo fa tsy hoe satria izay ny ao anaty baiboly d ho tslem b :-P

Izy io anefa dia ampihariko isan'andro :°), toy izao ny fitrangany: "za jerena d manga ny lanitra". Na koa hoe: "tsy koi ranga fa ze alehany any alehany a";-)

Izany hoe tsy hinoako loatra izy io fa ampihariko ihany fa tenin'A/tra tsin :°);-):-D

Any an-danitra mifankahita 8)
15. cutie ( 23/12/2006 22:23)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 23-12-2006 23:08:31
Lohateny : Re : Aza manahy ny ho ampitso.Manana finoana ve ve ianao amin'io?
Hoy i cutie:

merry xmas fiffi
faly za fa tsy niasa tampoka njay



Zah koa faly fa tsy miasa indry Xmas.

toa hilamina ihany akia ny holiday @ty koa :-*:-*:-*
16. Zina ( 24/12/2006 01:03)
Izay manana an;i Jesosy dia tsy mba manahiahy ny fiainany sy ny ampitso mihitsy.
Hoy izy ato Mat 6: 25 sy Lioka 12: 22
aza manahy ny amin'ny aianareo, izay hohaninareo na amin'ny tenanareo izay hotafinareo...
17. ikaretsaka ( 24/12/2006 01:18)
ny rahampitso aza tsy faantatro hoe ho avy na tsy ho avy.. hisy sa tsy hohisy.. ka inona no tokony hampanahy ahy
18. soanja ( 24/12/2006 01:30)
ikaretsaka:

ny rahampitso aza tsy faantatro hoe ho avy na tsy ho avy.. hisy sa tsy hohisy.. ka inona no tokony hampanahy ahy


Tsy azoko. Fa nahoana ary isika no manampinoana nefa tsy hino fa hisy ny ampitso?
Inona izany no ilaintsika ny finoana?


19. ikaretsaka ( 24/12/2006 01:44)
tsy misy mahalala izany ange ry soanja e.. na ny segondra ho avy aza tsy fantatrao hoe ...mety ho izay ny fin raha izay no tian'andriamanitra

"Tomorrow is a mistery, yesterday is history", ... Just live "now" and hope for tomorrow"

Hope fa tsy afraid an!
20. soanja ( 24/12/2006 01:55)
But Faith brings Hope my friend!
Izany hevitro izany akory tsy midika hoe aza atao tsara ny androany. Fa kosa mino aho hisy ny ampitso satria ao Andriamanitra antampon-doha mi-assurer izany ho ahy. Nefa raha toa ka tsy hisy io dia manaiky izay anjarako aho. Zah vonona foana ny handeha na izao na amaray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0426