Ny Apocrypha

61. Rasiligaoma ( 27/12/2006 14:53)
ka eo amin'ilay "famaritana ny atao hoe tenin'andriamanitra " mihitsy no hitako fa olanareo baibolista sy tsy izy!

Mahery loatra i Lotera sy ny Sola scriptura ...
62. soanja ( 27/12/2006 17:17)
prime:

pissoa> miala tsiny fa tsy izaho no mampivily ny size fa misy zavatra tokony hazavaina satria ny mamaky ny \"forum\" toy itony dia karazan\'olona maro ka raha tokony apokrifa no ifampidinihina dia somary miitatra kely ny resaka izay mitondra fanazavàna fa tsy manamaizina akory... fa misaotra aloha amin\'ny fanamarihana...

soanja:
Mino ve i Prime fa i Jehovah resahinao io no Fanahy Masina midina ato anatintsika rehefa manaiky sy mitia ary mikatsaka azy isika satria no hinoantsika fa fahamarinana?
fa iza no Andriamanitra resahintsika sao tsy mitovy tokoa aloha... Jehovah (Ilay Masina indrindra) anie no Andriamanitra Ray antsoin\'i Kristy e, ny Teniny tonga nofo dia tsy lazaina intsony fa Izy Tenany, ary ny Fanahiny nambomba ny rano teo amin\'ny asa namoronana an\'izao tontolo izao ihany no mbola Fanahiny nampanantenain\'i Kristy ho an\'ny mpianany...
ikaretsaka:
ka ilay finoana ------> efa samy mino anie .. io efa voavelabelatra efa eeeeeeela tato fa nareo ngamba mijapy train dia tsy koprendre ...
... ny tena olana resahina eto dia ny finoana ny Tenin\'Andriamanitra sy ao amin\'ny Tenin\'Andriamanitra fa tsy ny finoana araka ny herintsaina fotsiny ka ilazàna hoe hita eny rehetra eny ny Tenin\'Andriamanitra... efa karazana \"blasfemia\" mihitsy izany satria ny Tenin\'Andriamanitra dia tokana ihany ary fehezin\'ny boky iray atao hoe \"baiboly\"... eo no tena olana amin\'ilay hoe finoana fa tsy ilay asa fanompoana tsy akory... ny hita eny rehetra eny sy tovozina resahinareo ary averimberinareo dia tsy Tenin\'Andriamanitra fa ASAn\'Andriamanitra ary voaporofo avokoa amin\'ny Teniny voalaza ao amin\'ny baiboly... Lasa afangaronareo ny hoe Tenin\'Andriamanitra sy ny asany ka izay rehetra asany sy vokatry ny asany sy vokatry ny teniny indray no lazainareo fa Teniny...
Ny Tenin\'Andriamanitra koa dia tsy ilay bitsika ihany koa miresaka amintsika isanandro fa zavatra hafa mihitsy indray izay (azo amoronana lohahevitra hafa indray ny mikasika izay)...

Miala tsiny fa tena mihoatra ny lohahevitra no resahina satria mivaona mihitsy ny filaza ny finoana kristiana indray2 ka tsy maintsy miverina hatrany amin\'ny tena fototra dia ny soratra masina...


Aleo rehefa malalaka aho dia ho entiko eto hoe aiza ho aiza ao amin'ny olombelona ny ipetrahan'ity finoana sy fahatsapana fikatsahana an'Andriamanitra SY FITIAVANA Azy. Satria hita fa toa izay angamba ny olana eto hoe ahoana ny handraisanao an'Andriamanitra/ tenin'Andriamanitra amin'ny vatanao satria olombelona isika.


63. ikaretsaka ( 27/12/2006 19:02)
prime:
Tenin'Andriamanitra dia tokana ihany ary fehezin'ny boky iray atao hoe "baiboly".


tadiavo ao anaty baiboly aza ny teny misy an'io hoe izay ao anaty baiboly ihany no tenin'andriamanitra e?
64. ikaretsaka ( 29/12/2006 05:13)
tsy hita ve ry prime sa mbola mitady???
65. prime ( 29/12/2006 11:55)
Efa voavaly io ary ambadika ary fa tsara raha averina amin'ny lohahevitra ny dinika raha azo atao...

Mikasika ny apokrifa na deoterokanonika dia voarakitra soamantsara ao anaty baiboly ireo... (baiboly katôlika dia misy azy)...

Ny amin'ny fahefàna teo am-pelatanan'i ry Lotera sy ireo namany vitsivitsy indray dia azo zohina ao anatin'ny tantaran'ny fiangonana... (azo anorenana dinika vaovao)... fa ny fahefàna teo aminy dia noraisiny toy ireo mpanompon'Andriamanitra rehetra nomen'Andriamanitra izany, izay nofohazin'ny Tompo ka noteren'ny Fanahin'Andriamanitra hanambara ny fitivany ka anitsiana izay mety ho tsy fahamarinana teo anivon'ny fiangonana mba hahatanteraka ny finoana sy ny fanantenana ary ny asan'izany fiangonana izany...

66. ikaretsaka ( 29/12/2006 13:33)
prime> dia rehefa lotera dia mahazo fa rehefa ianao tsy mahazo... hhhhmmm?
rehefa izy de noteren'ny fanahin'andriamanitra...
nofohazin'andriamanitra
lasa misy fanahy ..idiran'ny fanahy masina koa izy..
nifoha izy
fa rehefa ianao dia tsy izy...

dia gaga ihany aho hoe
mpanompon'i lotera ianao sa andriamanitra?

izay nolazain'i lotera ihany no eken'ny saina amam-panahinao sa ze lazain'andriamanitra?
67. soanja ( 29/12/2006 16:47)
ikaretsaka:

prime> dia rehefa lotera dia mahazo fa rehefa ianao tsy mahazo... hhhhmmm?
rehefa izy de noteren'ny fanahin'andriamanitra...
nofohazin'andriamanitra
lasa misy fanahy ..idiran'ny fanahy masina koa izy..
nifoha izy
fa rehefa ianao dia tsy izy...

dia gaga ihany aho hoe
mpanompon'i lotera ianao sa andriamanitra?

izay nolazain'i lotera ihany no eken'ny saina amam-panahinao sa ze lazain'andriamanitra?


Mitombina tanteraka ny fanontanianao ry Ikaretsaka. Liana dia liana amin'ny valiny aho.
Inona ny mampiavaka anao sy i Mose Lotera tompoko?

68. Rasiligaoma ( 29/12/2006 19:22)
iza no anontanian'i Soanja?
i Prime ve sa izay mandalo?

Raha izaho no anontanian'i Soanja dia izoa no fahitako azy:

Taitra i lotera dia nifoha... dia nampatoriany daholo ny mpanaraka azy!
Mahery mihitsy ilay boay ka!
69. Ruby ( 29/12/2006 20:46)
fa tsy de azoko loatra, ary le nanoratra ity size ity anie noheveriko hoe kristiana e. to otsan ny hafahafa be ndray izy izany knou....very ao..aiza i lazadaddy...
70. Ruby ( 29/12/2006 20:48)
itony ize itony angamba le nolazainy mantsy fa manenjika baiboly, zay no mahatonga ahy miteny hoe aiza i laza.
71. Rasiligaoma ( 29/12/2006 22:29)
ny fahitako anío indray anefa tsy manenjika baiboly fa mitondra fanamarihana (precision) fotsiny
72. soanja ( 30/12/2006 00:57)
Rasiligaoma:

iza no anontanian'i Soanja?
i Prime ve sa izay mandalo?

Raha izaho no anontanian'i Soanja dia izoa no fahitako azy:

Taitra i lotera dia nifoha... dia nampatoriany daholo ny mpanaraka azy!
Mahery mihitsy ilay boay ka!


I Prime no anontaniako ka? Nahoana no manana ny fahamarinana farany i Lotera?

Mahay izy ka.


73. ikaretsaka ( 30/12/2006 01:05)
rasily> masiaka loatra ianao an...
taitra eo indray toko a lotera fa hein!
74. soanja ( 30/12/2006 01:09)
Ruby:

fa tsy de azoko loatra, ary le nanoratra ity size ity anie noheveriko hoe kristiana e. to otsan ny hafahafa be ndray izy izany knou....very ao..aiza i lazadaddy...


Ruby> Averiko indray satria zah no nanokatra ny size.

Maninona no nisy nanalana ny atao hoe baiboly raha nanapakevitra fa hatambatra ihany tany amboalohany? Valio aho raha mba afaka mamaly indry?

Tsy midika akory fa ny Kristianina rehetra dia ho 100% amin'ny zavatra rehetra voalazan'i baiboly, indrindra le ny an'i Protestant satria raha nihevitra ianao fa io ny tenin'Andriamaniatra dia io izany. Nefa namboarin'i Lotera sy ny namany ilay izy hifanaraka amin'ny teo-tsainy satria nihevitra izy fa mifandipatra le resaka raha tafiditra ao daholo.

Farany dia manandanja amiko ny boky isan-karazany ao amin'i baiboly na ny soratra/tenin'Andriamanitra ao fa tsy izy reheta akory , satrai ny sasany dia izay hitako fa mampisangojy ny olombelona en general matetika ary mampisarantsaraka , eny fa na dia azo lazaina hoe mampiady sy nitarika ady isan-karazany teto ambonin'ny tany. Tsy izany anefa rah mandinika isika ny hafatr'Andriamanitra ny fahitako azy fa tokony ho FITIAVANA.
Ny ady eo amin'ny samy Kristianina no resahiko an. Koa noho izany dia midika izany fa mi-fail le zavatra fa tsy tomika matoa toy izany.
Noho izany dia raisiko toy ny boky rehetra ny baiboly fa tsy masina ary ao anatiny misy tenin'Andriamanitra ary ny sasany tantara sy hevitra sns.

Ka asa re izay hitsaranao ahy fa io ny finoako ary matomboka be io finoako io. Faly aho fa manana an'Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina no tokony ho fanilontsika lalandava ary tsy tokony hampiady antsika na eto aza. Fa matoa misy izany dia mbola misy zavatra tsy lalim-paka na matory ao amintsika ka tsy nampiasaina. Namaste daholo.



75. ikaretsaka ( 30/12/2006 02:44)
Maninona no nisy nanalana ny atao hoe baiboly raha nanapakevitra fa hatambatra ihany tany amboalohany? Valio aho raha mba afaka mamaly indry?


za ko mba liuana @ izay ho valin'io


FAMERENANA KELY HO AN'IZAY TSY NAHARAKA SY TSY NAHALALA

HO an'izay tsy naharaka sy tsy nahalala aloha dia

1) fampitahana sy filazana ny tenin'andriamanitra nesorin'i Lotera tao anaty baiboly katolika ka tsy voasoratra ao anaty baiboly protestant no nolazaina teto.

2) dia notanisaina ireo Boky ireo sy ny tao anatiny sy ny voalaza @ izany

3) dia nisy ny nanao remarque hoa .. hah... ary kay izany izao no nahatonga ilay tsy fanaovana izao sy izao!
76. soanja ( 30/12/2006 02:50)
misaotra nanome fameranana Ika!:D
77. fali ( 03/01/2007 12:44)
misaotra an'i soanja a ! bonné année aky a ! Atra dia fitiavana, Ray Masina o manamasina anay @ fahamarinana fa ny teninao no fahamarinana.
78. soanja ( 03/01/2007 16:04)
fali:

misaotra an'i soanja a ! bonné année aky a ! Atra dia fitiavana, Ray Masina o manamasina anay @ fahamarinana fa ny teninao no fahamarinana.


Amen! Bonne Annee Fali!:D:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)


79. prime ( 12/01/2007 13:45)
Raha tena hiverina amin'ny lohahevitra isika fa tsy hifampitsikera fiangonana dia ito ary misy rohy ka anasàna anareo vetivety :
http://fr.wikipedia.org/wiki/Apocryphe_%28Bible%29

Raha tena dinihina ny resaka apokrifa dia tsy marina velively ny filazàna fa i Lotera sy ny namany ihany no nanala ny ampahany sasantsasany ny boky nisy t@ fotoan'androny nosokajiana ho apokrifa...

Ny mahadiso ny fitarihana ny lohahevitra etoana dia izay nolazain'ny Eglizy Katôlika ihany no notsongain'i soanja fa raha ny tena izy dia na ny Eglizy Katôlika Rômana koa aza tamin'ny fotoan'androny dia nanala ny filazantsara (evanjely) noheveriny fa tsy mitombina satria tsy avy amin'Andriamanitra hoy izy, ka ny Fanahy Masina ihany koa no niasa tamin'ireo mpanompon'Andriamanitra ireo tamin'izany (Papa, Eveka, Pretra...)... Koa naninona koa izany no nesorin'ny fiangonana Rômana ny filazantsaran'i Jodasy, Filipo, Tomasy, Maria Magdalena, Nikôdemôsy... sns...

Ka aza maika ny hitsara rey olona fa misy antony ny fiangonana matoa nanala ireny Boky ireny satria nanana endrim-pampianarana mamadika na mandika mihitsy ny fampianaran'i Kristy...

Raha te-hahafantatra ny tao ambadika ianareo dia mba araho aloha ity rohy ity :
http://fr.wikipedia.org/wiki/Gnosticisme

Naninona no tsy lazaina eto fa izay fampianarana fiangonana iray ihany no lazaina, ny fitenenan-dratsy ny anaran'i Lotera moa dia anareo iny, fa maty tamin'ny fitiavana sy ny fanompoana an'Andriamanitra izany lehilahy izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085