te ho any @ paradisa daholo kanefa...

1. diamondra27 ( 18/12/2006 16:31)
raha vao marary na misy zavtra manjo dia matahotra ny ho faty.

Contradictoire be ilay izy.
novalian'i cutie ny 03/01/2007 00:58
2. Fiffi ( 18/12/2006 16:45)
satria nahoana ? ......

Nefa eo @ io hoe misy zavatra manjoa na marary io indrindra no hivavahana mafy ....GHampitombohina ny finoana , ny fivavahana .

Jehovah no mpiandry ahy
Tsy hanan-java mahory aho
Mampiandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy...

Eny na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho
Dia tsy hatahotra ny loza aho
Fa Ianao no amiko.....
(salamo 23)
3. Fiffi ( 18/12/2006 16:46)
Jehovah no mpiandry ahy
Tsy hanan-java mahory aho
Mampiandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy...

Eny na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho
Dia tsy hatahotra ny loza aho
Fa Ianao no amiko..... (salamo 23)
4. soanja ( 18/12/2006 16:50)
Tsy ny rehetra kosa angamba no matahotra ny ho faty an. Saingy tsy ezahana koa ny hahatongavan'ny fahafatesana haingana satria niteny Andriamanitra hoe karakarao tsara ny Tempoliny.
5. diamondra27 ( 18/12/2006 17:42)
Fiffi: marina aloha io fa refa tonga le fotoana dia tsy ao mihintsy, raha tena manampinoana be vao mety io

soanja:ny ankamaroan'ny olona aloha de izany e! manaova ange sondage e! na jereo ny fihetsiky ny olona
6. pissoa ( 18/12/2006 17:47)
Raha io tenin'i diams io no zohina, dia tokony hamono tena daholo isika mianakavy dia tonga malaky any amin'ny paradisa :lol: Fa tsy izay no izy. Isan'ny fikatsahana ny Paradisa ny "fiahiana" ny aina ! Izay tonga soa no arahabaina (fa tsy izay tonga aloha ihany). Tsy dia ny fahafatesana izany no atahoran'ny olona, raha ny hevitro, fa ny "miaina" no mbola maminy. Misy nuances be izany. :-D:-D:-D
7. nikopol ( 18/12/2006 18:02)
za mahafantatra paradisa tsy mila fahafatesana! ze tena namako ihany no hatoroko an'io
8. vale ( 18/12/2006 18:19)
fa aiza marina ny paradisa fa fanina aho ? :roll::°), misy ny finoana sasany milaza fa ny paradisa dia ho ety an-tany izany hoe hisy tany vaovao(jerosalema vaovao) izay ety an-tany, rehefa any aoriana any, ny finoana sasany indray dia ny paradisa dia any an-danitra!
9. diamondra27 ( 18/12/2006 18:46)
nikopol:

za mahafantatra paradisa tsy mila fahafatesana! ze tena namako ihany no hatoroko an'io


mba atoroy ihany aloha fa mba mahasoa anay izany e

10. diamondra27 ( 18/12/2006 18:48)
pissoa:

Raha io tenin'i diams io no zohina, dia tokony hamono tena daholo isika mianakavy dia tonga malaky any amin'ny paradisa :lol: Fa tsy izay no izy. Isan'ny fikatsahana ny Paradisa ny "fiahiana" ny aina ! Izay tonga soa no arahabaina (fa tsy izay tonga aloha ihany). Tsy dia ny fahafatesana izany no atahoran'ny olona, raha ny hevitro, fa ny "miaina" no mbola maminy. Misy nuances be izany. :-D:-D:-D



ka maninona ary ny olona no mitsabo tena rehefa marary e!
11. diamondra27 ( 18/12/2006 18:52)
vale:

fa aiza marina ny paradisa fa fanina aho ? :roll::°), misy ny finoana sasany milaza fa ny paradisa dia ho ety an-tany izany hoe hisy tany vaovao(jerosalema vaovao) izay ety an-tany, rehefa any aoriana any, ny finoana sasany indray dia ny paradisa dia any an-danitra!




le paradisa aloha mety ho hita eto antany e!

fa le paradisa lazain'ny maro de le aorian'ny fahafatesana.
12. pissoa ( 18/12/2006 19:15)
diams:
ka maninona ary ny olona no mitsabo tena rehefa marary e!

Ka efa oe "mamy ny miaina" ary fikatsahana ny paradisa ny fitandrovana ny aina ! Fa tsy voatery hoe "matahotra ny ho faty" :lol: Njy tsy mamaky tsara akory :-D
13. vale ( 18/12/2006 19:18)
diam: ka samy aorian'ny fahafatesana dol anie reo lazain'ol ireo an! ny an'ny tmoin de jéhovah izao hono de oe hatsangana ny olo-marina rehetra, dia ety an-tany no hiaina ilay paradisa m/zay!:roll:, ny an'ny xtiana indray moa de hoe any an-danitra (za aloha xtiana e! :wink:)
14. Fiffi ( 18/12/2006 20:40)
heu.....ny paradisa fantatro aloha de any an-danitra.....zay natokana ho an'ny ...(?)
15. zizi ( 18/12/2006 20:51)
Misy hira masina izay manao hoe : manomboka ety an-tany ny paradisa raha isika olombelona mifankatia. Mazava ho azy fa ny paradisa fanaperana dia ilay any an-danitra any fa raha miaina io fitiavana io dieny ety an-tany dia efa misantatra ilay paradisa any an-koatra.
16. cutie ( 18/12/2006 21:39)
zizi
any an-koatra sa any an-danitra :roll:
17. jigs ( 19/12/2006 04:52)
ary maninona moa raha dinihantsika miaraka mihitsy ny ao anatin'io Baiboly io dia @ zay an tsy misy hoe: ny an'ny katoloka any an-danitra fa ny an'ny haf aany ankoatra na tsy haiko e. ao @ salamo mantsy izao de hoe: "izay manao ny marina dia handova ny TANY ary honona eo aminy MANDRAKIZAY ", de ahoana izany ny an'ireo mpitondra fivavahana mpanota ireo?? toa midradradradra ny ho any an-danitra nefa ry zareo?? tsy azoko mihitsy, A/tra ao @ Genesisy toa nilaza hoe: miteraha ... ary mamenoha ny TANY sa misy tohiny ve ao hoe "de avy eo mameno ny lanitra indray", asa aloha e! ahoana ny hevitrareo??
18. soanja ( 19/12/2006 06:37)
Izany paradisa izany amiko de tsy ho azo tsapaintanana mihitsy. Donko spirituel ka n'aiza n'aiza de mety zalahy. Ny zavadehibe de tafiditra ao ianao ary sambatra. Afaka sambatra tsara mihitsy ny fanahy. Isika rehetra afaka manaporofo izany sa isy tsy mahay?
19. pissoa ( 19/12/2006 07:08)
jigs:

ary maninona moa raha dinihantsika miaraka mihitsy ny ao anatin'io Baiboly io dia @ zay an tsy misy hoe: ny an'ny katoloka any an-danitra fa ny an'ny haf aany ankoatra na tsy haiko e. ao @ salamo mantsy izao de hoe: "izay manao ny marina dia handova ny TANY ary honona eo aminy MANDRAKIZAY ", de ahoana izany ny an'ireo mpitondra fivavahana mpanota ireo?? toa midradradradra ny ho any an-danitra nefa ry zareo?? tsy azoko mihitsy, A/tra ao @ Genesisy toa nilaza hoe: miteraha ... ary mamenoha ny TANY sa misy tohiny ve ao hoe "de avy eo mameno ny lanitra indray", asa aloha e! ahoana ny hevitrareo??

Tsy izany no resaka eto te ho any amparadisa nefa koa toa matahotra ny ho faty.

Inonao izay mpitondra fivavahana mpanota fa tsy ny tenana be fitsarana olona io no dinihinao tsara ? Inonao izy raha midradradradra ny ho any an-danitra, ianao angaha no hitsara azy, sa ianao no tompon'ny lanitra handehanany ?

Aoro size be mihitsy ianao. Zay ny hevitro :-D:-D:-D
20. soanja ( 19/12/2006 07:16)
diamondra27:

raha vao marary na misy zavtra manjo dia matahotra ny ho faty.

Contradictoire be ilay izy.


Raha ny fahitako le hevitra ry Diams de hoe tokony ho vonona isanandro ny oona iray aminzay mety hitranga rehetra satria tsy fantatra ilay FOTOANA. Ny fanahy no resahina amin'io. Fa ny resaka vatana kosa angamba dia takiana'Andriamanitra tanteraka isika hikarakara azy tsara ka raha marary dia mila tsaboina sy sitranina. Tsy mifanohitra ireo, olona vonona ara-panahy sy arabatana no matanjaka.
Ny ankamaroan'ny olona tokoa dia matahotra ny ho faty.
Satria mbola tsy ampy fahatokisana izany atao hoe "fiainan-ko ho avy" izany izy na mbola tsy "vonona" mihitsy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1193