Avy aiza ny andro fitsaharana Alahady

41. pissoa ( 23/12/2006 17:47)
Oops - maninona no tsy Sabotsy no tiako nambara teo.
42. Achia ( 23/12/2006 20:20)
:wink: de tokony t@ ATRA mitsy ianao no miteny izany hoe maninona no tsy natao sabotsy no fanoratana azy fa tsy zany sabata izany :-D fa ny andro fahafito anie andro sabotsy foana e! na koa hoe samedi io ne kaandro faha7 foana no fipetrany afatsy @ ny diksionera vaovao @ zao e!
43. pissoa ( 23/12/2006 20:24)
:-D:-D:-D

Tsy haiko ny valiny hoe dia tsy hanontaniako tsony njy ... :wink:
44. pissoa ( 23/12/2006 20:26)
Njy ve no sarotsarotiny amin'ny finoako dia Andriamanitra tsara fanahy no elingeleniko :roll::-D
45. Achia ( 24/12/2006 06:15)
Tsy sarotiny finoanao aho akory e! ny zavatra tsimaintsy ataoko fotsiny no ataoko ary tsy manery mitsy aho hoe tsimaintsy manaraka izay lazaiko , fa rshefa naheno fotsiny ianao de ampy ahy zay
46. pissoa ( 24/12/2006 06:33)
Ka efa ela zah no naheno ary, fa tsy resy lahatra - dia mangina amizay :lol:
47. barry ( 24/12/2006 15:25)
:-D:-D efa nahazo ilay marika koa ianao zany a!
48. pissoa ( 24/12/2006 18:50)
Marika inn kou zany ... le tandra eo am'tarehiko mampa-manja kely anah ve ? :wink::-D
49. mbelotavao ( 26/12/2006 11:32)
Misaotra ireo rehetra nandray anjara !

Pissoa>>> Raha te hitady ny teny Asabotsy ao anaty Baiboly ianao dia mitadiava dictionnaire Hebreo-Malagasy.
50. prime ( 26/12/2006 12:59)
mbelotavao:
Prime>
Mark 2:27
Iza no Zanak’olona ambara eto ? Mba valio ! Tsy an’I Jiosy velively ny Sabata fa efa napetrak’Atra hatrany ampamoronana.
...


  1. asa raha azon\'i mbelo izany hevitra lazaina izany na resahina fotsiny... tsy nateraka isika hanompo sabata, fa ny sabata no nataon\'Andriamanitra itsaharan\'ny olona toy ny nataony tany am-pamoronana...
  2. i Jesosy Kristy no \"Zanak\'olona\" ambara, ka raha tompon\'ny sabata Izy dia afaka miasa ihany koa na dia sabata aza, imbetsaka mihitsy Izy no nampianatra ireo fariseo sy mpanora-dalàna izany fa tsy azon\'ireto farany... fa tsy andro fitsaharana fotsiny sy fanehoam-boninahitra ho an\'i Jehovah ny andro sabata (araka an\'i Kristy) fa andro fanafahana ihany koa... (ary nanome ohatra maro mikasika izany Izy)
  3. ho an\'i jiosy ny sabata tany am-panombohana ary natolotra ho an\'ny Zanak\'israely tao an-tendrombohitra Sinay ny lalàna mikasika izany... raha nanao ny andro fahafito ho andro fitsaharana Andriamanitra tany am-pamoronana dia naneho ny fomba fiasany sy nandinika ny hatsaran\'ny asany fa tsy niteny an\'i Adama sy Eva na i Noah na i Abrahama na i Isaka na i Jakôba izany ho andro masina velively...

  4. mbelotavao:
    Koa manana safidy malalaka isika na hanaraka ny didin’Atra na ny didin’olombelona fa tsy terena velively
    ... tsara tokoa izany fampatsiahivana ataonao izany... fa tsy ny fanarahana didy sy lalàna no iantsoan\'Andriamanitra ny olona fa ny hibebaka amin\'ny ratsy nataony ka hino ary handray an\'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy...
  5. mbelo> mitandrema ihany ny amin\'ny fampianarana ny didy sy lalàna fa tsy ny fanajàna sabata akory no fototry ny didy sy ny lalàna fa ny famonjen\'i Kristy... fa Jesosy efa miteny fa na manaja andro sabata aza ny mpino nefa diso amin\'ny iray amin\'ny didy sy ny lalàna (manao sarin-javatra voasikotra ivavahana, manana andriamanin-kafa, tsy manaja Ray sy Reny, manonontonona foana tsy amin\'antony ny anaran\'Andriamanitra, mandainga, mitsiriritra vadin\'olona, mangalatra, manao vavolombelona mandainga manameloka ny namana, tsy manaja ny hanina rehetra voarara, ny andro rehetra voarara, ny fisoronana tsy maintsy hatao amin\'i Jehovah...) dia diso amin\'izy rehetra (ao anatin\'izany ny fanajàna sabata fa tsy miavaka akory)... fa Jesosy no fahatanterahan\'ny lalàna... ny fanajàna ny andro iray mihoatra noho ny hafa na ny fanajàna ny andro rehetra ho an\'Andriamanitra dia ankasitrahany avokoa izany...


\"Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an\'ny olona, fa tsy ny olona ho an\'ny Sabata.\" Marka 2:27
51. pissoa ( 26/12/2006 14:54)
Pissoa>>> Raha te hitady ny teny Asabotsy ao anaty Baiboly ianao dia mitadiava dictionnaire Hebreo-Malagasy.

Dia averiko aminao ny fantaniana : Maninona no tsy natao Sabotsy ny ao amin'ny baiboly Malagasy fa natao hoe "Sabata" ... nefa ny anaran'i Jesoa aza nogasiana tsotra izao fa tsy najanona tamin'ny orizinal ? :lol:

prime:
mbelo> mitandrema ihany ny amin'ny fampianarana ny didy sy lalàna fa tsy ny fanajàna sabata akory no fototry ny didy sy ny lalàna fa ny famonjen'i Kristy...[...]

=D
52. Achia ( 26/12/2006 18:27)
Tsy hampieritreritra ihany ve ry prime raha mamaky ity voalazan'i Daniel 7/25 ty iana eo @ ilay fanajana ny tena izy
53. Mandefitra ( 27/12/2006 12:30)
Iriko mba hodinihan i Achia koa ity: ao @ kolosiana toko faha 2 :
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely ka mitompo amin'ny zavatra efa [tsy] hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony
19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny ozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy hianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany hianareo ka mety hodidiana hoe:
21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?
23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
54. Achia ( 27/12/2006 19:09)
Raha ireo teny nomenao ireo aloha dia hafahafa ihany raha tsy mijery tsara fa ny fahazoanao azy no tsy haiko fa izaho aloha refa mamaky zavatra toy itony dia vakiako hatrany amboalohany mihitsy e!
Fa mba misy tenin\'ATRA koa ity mba hojerentsika ka asa raha mifanohitra @ io na tsia , satria ianao manko sady miresaka fihinana sy fisotro ary ny sabata dia aleo ny baiboly no hijerena azy e!
2Korintiana 6/15,18 . 7/1
Ary inona no hifanarahan\'iKristy sy Beliala ? Ary inona no iraisan\'ny anjaran\'ny mino sy ny tsy mino ? Ary inona no hikambanan\'ny tempolin\'ATRA @ sampy ? Fa isika no tempolin\'ATRA velona araka ny nataon\'ATRA hoe : honina eo @ Aho sy handeha eo @ ary ho Andriamaniny aho ary izy ho oloko
Koa mivoa eo @ ianareo ka misaraha @ hoy Jehova
Ary aza manendry izay zavatra tsy madio
Ary izaho dia handray anareo . Ary ho Rinareo aho Ary hianareo ho zanako lahy sy zanako vavy hoy Jehova tsy toha
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika ry malala dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka @ fahalotoana rehetra na @ nofo na @ fanahy
De ao @ Hebreo 4/8,10
Fa raha i Josoa no nanome azy fitsaharana dia tsy mba nilaza andro hafa izy tao aorian\'izany . Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an\'ny olon\'ATRA
De diniho hoe mifanohitra ve ireo nomenao sy nomeko ?
55. Mandefitra ( 28/12/2006 05:36)
Ataoko fa tsy mifanohitra raha raisinao tsara le famaritana hoe Sabata = Fitsaharana ary ao @ Kristy zany Fitsaharana izany
Kol 2
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.
Matio 11 Hoy Jesosy Kristy
Mankanesa aty amiko hianareo zay miasa fatratra sy mavesatra entana,fa Izaho no hanome anareo fitsaharana
56. Achia ( 28/12/2006 19:26)
Fa ahoana aloha ny fahazoanao io kol 16 lazinao io e! sao mba mitovy hevitra ihany isika mantsy , i mbelo koa ty tsy hita fa somary miova kely manttsy ny size fa alefaso e! fa raha ny fahazoako ilay kol 16 io de hoe na misotro toaka ianareo na maninona ianareo de tsy tsy maninona fa ny tenany dia an'i Kristy .
57. Mandefitra ( 29/12/2006 05:19)
Inona moa no tanjon'ny Kristianina?tsy ny hahazo ny fiainana mandrakizay va?"Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana hoy Kristy, tsy misy mankany @ Ray afa-tsy @ alalako".Ny zavadehibe zany de ny finoana an'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra,nanolotra ny ainy sy ny rany ho fanavotana antsika...ankoatr'izay fombafomba fotsiny ihany "aloky ny zavatra ho avy ireny...".
Diniho ange ity:Matio toko faha 11
16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo.
18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
19 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny asany.

58. Achia ( 29/12/2006 18:06)
Ary toko sy andininy mampisotro toaka daholo ne zany avoakanao zany e! satria io lazainao io zao de ohatra ny manao hoe kai Kristy aza nisotro ko ! ka nde koa isika hamely jama na vodka . De ilay 17 lazainao io inona moa no hifandraisan'io @ resaka eto zao isika ne zao samy mitsoka sodina e!
59. mbelotavao ( 31/12/2006 13:33)
Prime>> ataovy mazava tsara ny hevitrao fa aza asafotofoto tahaka izao.Ianao milaza fa tsy azo atao ny mangalatra nefa lazainao fa azo hovàna andro hafa ny andro sabata ? ahoana re izany e!

Pissoa>> Inona ny fototeny Malagasy niavian'ny hoe: Jesoa ?

Mandefitra >>> Ny Kolosianina 2:16 tompoko dia tsy miresaka velively ny ANDRO Sabata na andro fahafito fa sabata maromaro < à propos des Sabbats > hoy ny teny Frantsay . Ny Apostoly Paoly nanoratra an'io ary rehefa Sabata dia any @ Sinagoga foana ..
Mbola ho dinihintsika tsara io fa hoavy eo ny Sujet manaraka fa aza matahotra fa ny momba ny andro Alahady Fatsaharana no resahana aloha izao.
Misaotra e!
Achia>>Mahereza fa tsy maintsy ho fantatra mazava ihany izay tena ambaran'ny tenin'Atra .Vitan'Atra io e! Satria mifanaraka @ Sitrapony.
60. pissoa ( 03/01/2007 16:11)
Mbelovato : Ianao milaza hoe aza mangalatra ... nefa ianao mangalatra ! Ahoana re izany e ! Sa rehefa halatra ataonao tsy maninona fa ny "tsy halatra akory" ataon'i Pissoa dia problemonao ? Aiza enao izany e ! :-D:-D:-D:-D:-D
(Ary mitovitovy amin'izao le fikan'i Achia tany amin'ilay resaka Noely kle. Refa izy sy ny Sabatany dia tsy kwa fa refa ny hafa de wawawa tampoka. Olala, angamba misy mampianatra :-P:-D )

Fa maninona no NAGASIANA ny anaran'i Jesoa fa tsy nazomina ny Original ? Raha tsy azo dia maninona no atao Andriamanitra ny Anaran'Andriamanitra fa tsy najanona tamin'ny teny Hebrio ... Nefa ny Sabata tsy foy atao Sabotsy tanteraka refa Sabotsy tokoa ... Tena manan-danja noho Jesoa/Andriamanitra indray ilay Sabata angamba ka tsy maintsy notahirizina ooo :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008