Avy aiza ny andro fitsaharana Alahady

21. Imahaka ( 19/12/2006 20:24)
mbelotavao> ary mbo valio ny fanontaniako e. misaotra
22. soanja ( 19/12/2006 20:38)
mbelotavao:

Soanja>> Alohan'ny hanomezana anao ny toko sy andininy dia tiako raha mba valianao ity fanontaniana ity : Manaiky ve ianao fa ny andro alahady no nitsanganan'ny Tompo ? Misaotra.


Tsy mahavaly ny fanontanianao aho mihitsy aho ry Mbelatavao satria tamin'ny andron'i Jesoa dia tsy nisy ny Alatsinainy talata sns fa calendrie hafa mihitsy ka da sarotra amiko ny hanaiky hoe alahady ny andro nitsanganan'i Tompo ary Asabotsy andro Sabata . Ny fantatro fotsiny dia rehefa misy andro natokana ho amin'zany dia ho faly ny tenako hidera amin'izany andro izany. Tsy mety kosa ny saiko raha tsy hidera mihitsy satria tsy mazava ilay fotoana. Saingy izaho koa dia tsy hanome tsiny ny hafa izay nifidy andro hafa hiderany izay tiany hoderaina sy hanompoany an'Andriamanitra. Isn't that simple!


23. prime ( 20/12/2006 11:51)
Ny tena fototry ny sabata no tokony dinihina fa tsy ny andro sabata... Jesosy efa nanitsy ny mpianany nanao hoe :

"Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata." Marka 2:27

dia hoy koa izy,

"Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata." Jaona 7:23

Ny andro alahady ara-baiboly dia trangan-javatra maro no niseho tamin'izany, ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, ny andro pentekôsta nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny fiangonana voalohany... sns fa tsy misy ifandraisany velively amin'ny andro sabata jiosy izany, toy ny tsy misy ifandraisan'ny paka jiosy ihany koa amin'ny paka kristiana...

Eny tokoa ny emperora "Constantin" no nanapaka izany t@ konsilin'ny nisea, fa tsy manamarina no tsy mandiso rahateo ny alahady ho sabata na tsia izany... ny fandraisana an'i Kristy aloha no tena zava-dehibe indrindra dia ny lalàna sy ny fampianarana manaraka ho azy rehefa manana an'i Jesosy...

Ka raha andro alahady rey olona no tian'ny olona anomezana voninahitra an'Andriamanitra dia aleo izy hanao izany fa tsara rahateo eo imason'Andriamanitra izany. Vao maika aza Izy ho faly raha ny andro rehetra no anaovana izany avokoa...
24. mbelotavao ( 21/12/2006 05:09)
Imahaka>
Isaia 58: 13-14

Soanja> Ny herinandro dia fito andro ihany hatramin’ny namoronana ny tany ka hatramizao na dia maro karazana ary ny Calendrier .

Prime>
Mark 2:27
Iza no Zanak’olona ambara eto ? Mba valio ! Tsy an’I Jiosy velively ny Sabata fa efa napetrak’Atra hatrany ampamoronana.
25. pissoa ( 21/12/2006 05:58)
Eeee, be teoria :-D:-D:-D

Raha misy koa mahita toko sy andininy ao @ BGaiboly milaza fa ny Alahady dia natokana hivavahana ary tsy fiasana dia alefaso eto fa homena valisoa lehibe.


Ary aiza ao amin'ny baiboly kay no misy soratra hoe "Sabotsy" e ! Tsy hoe "Sabata" any, fa "Sabotsy" - zah toa tsy nahita tamin'ny nitady tao amin'ny baiboly.org :roll:
26. soanja ( 21/12/2006 06:03)
mbelotavao:

Imahaka>
Isaia 58: 13-14

Soanja> Ny herinandro dia fito andro ihany hatramin’ny namoronana ny tany ka hatramizao na dia maro karazana ary ny Calendrier .

Prime>
Mark 2:27
Iza no Zanak’olona ambara eto ? Mba valio ! Tsy an’I Jiosy velively ny Sabata fa efa napetrak’Atra hatrany ampamoronana.



Zah dia mankasitraka ny fanazavana entinao momba ny andro Sabata ary misaotra anao nanome fanazavana be dia be sady tsy kivy.
Ka manomboka oviana io herinadro io, alatsinainy ny andro voalohany sa ny Alahady? Misaotra betsaka.
Satriko ny hidera an'Andriamanitra amin'ny andro rehetra, saingy io Alarobia io no mety amiko satria io no malalaka amin'ny asako. Tokony ialako ve zany ny asako de hamonjy ny andro Asabotsy aho any ampiangonana satria Sabata? Omeo hevitra ary.


27. tslem ( 21/12/2006 09:35)
dia tena mahafanina ry zareo fa ity mba vakio ah:Romana14/5,6

ho an'izay tsy manana baiboly dia izao no voasoratra ao:

Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy.Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny tompo

Romana14/ 22

Ny finoana izay hanananao dia hazony ho anao eo anatrehan'Andriamanitra.Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny
28. rmjfidle ( 21/12/2006 10:52)
Ny an'i tslem no marina e
29. tslem ( 21/12/2006 12:09)
rmjfidle:

Ny an'i tslem no marina e




:wink:
30. mbelotavao ( 22/12/2006 08:50)
Mangataka @ Atra hatrany aho mba tsy ho kivy @ filazana izay voarakitry ny Baiboly.
Atao ahoana moa ny minia tsy hijery ny andro Sabata izay voasoratra ao @ Didifolo izay nosoratan’ny rantsan’tànanan’Atra . Ary J.K mihitsy ary no nanazava ary niteny @ fomba mafonja nanao hoe: Mat 5

17 - «N'allez pas croire que je sois venu abolir la Loi ou les Prophètes : je ne suis pas venu abolir, mais accomplir.
18 - Car je vous le dis, en vérité : avant que ne passent le ciel et la terre, pas un i, pas un point sur l'i, ne passera de la Loi, que tout ne soit réalisé.

Koa manana safidy malalaka isika na hanaraka ny didin’Atra na ny didin’olombelona fa tsy terena velively . Misaotra


31. pissoa ( 22/12/2006 08:56)
Zah tsy novalianao :roll:

Ary aiza ao amin'ny baiboly kay no misy soratra hoe "Sabotsy" e ! Tsy hoe "Sabata" an, fa "Sabotsy" - zah toa tsy nahita tamin'ny nitady tao amin'ny baiboly.org
32. soanja ( 22/12/2006 08:56)
mbelotavao:

Mangataka @ Atra hatrany aho mba tsy ho kivy @ filazana izay voarakitry ny Baiboly.
Atao ahoana moa ny minia tsy hijery ny andro Sabata izay voasoratra ao @ Didifolo izay nosoratan’ny rantsan’tànanan’Atra . Ary J.K mihitsy ary no nanazava ary niteny @ fomba mafonja nanao hoe: Mat 5

17 - «N'allez pas croire que je sois venu abolir la Loi ou les Prophètes : je ne suis pas venu abolir, mais accomplir.
18 - Car je vous le dis, en vérité : avant que ne passent le ciel et la terre, pas un i, pas un point sur l'i, ne passera de la Loi, que tout ne soit réalisé.

Koa manana safidy malalaka isika na hanaraka ny didin’Atra na ny didin’olombelona fa tsy terena velively . Misaotra





Mbelatavao> Mahereza hatrany. Misy ho saintsainina ny nentinao teto ka. misaotra ary mirary soa. Soanja


33. Achia ( 22/12/2006 15:37)
tslem:

dia tena mahafanina ry zareo fa ity mba vakio ah:Romana14/5,6

ho an'izay tsy manana baiboly dia izao no voasoratra ao:

Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy.Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny tompo

Romana14/ 22

Ny finoana izay hanananao dia hazony ho anao eo anatrehan'Andriamanitra.Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny


De refa sabata izany no resahana de mivoaka itony toko sy andininy itony ?
34. pissoa ( 22/12/2006 16:15)
Ngah tsisy toko sy andininy akory io "Sabotsy" io ry Achia ? :lol:
35. Achia ( 23/12/2006 05:58)
tena misy io ka , fa ny alahady no toa tsy mahita aho
36. pissoa ( 23/12/2006 17:05)
Aiza ? :roll:
37. Achia ( 23/12/2006 17:10)
ka fantatrao ary ve aloha hoe inona ilay sabata dia andro fahafiry ao @ herin'andro no nanaovan'ATRA azy e!
38. pissoa ( 23/12/2006 17:14)
=))=))=))

Soratra hoe "Sabotsy" no anontaniako anjy ao amin'ny baiboly. Ny akoatra izay efa tsy tao amin'ny "Baiboly" fa fanazavana tianjy hohenoiko fotsiny :-D
39. Achia ( 23/12/2006 17:40)
Sabotsy dia teny Malagasy ary ny Sabata dia teny Jiosy @ fanisan'andro dia samy andro faha7 ireo ilay natao hitsaharana , de mangala kalo diksionera ilay taloha efa ela reny a ! fa ilay sabata mantsy tena halan'ny :evil: mihitsy de efa miova io @ diksionera vaovao lasa ilay alahady tianao indray no lasa andro faha 7 natao ho fanamasinana an'ATRA
40. pissoa ( 23/12/2006 17:45)
Ka maninona no Sabotsy no atao ao anaty Baiboly teny Gasy fa atao foana hoe Sabata raha izany ? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082