fifdianana

61. Fiffi ( 04/12/2006 08:38)
jereo ao @ dinika hoy ny gazety ny valiny ô
62. bazylou ( 04/12/2006 15:57)
vaovao farany teo

tana
70%ra8
3% lhnrik
8% rtsrhnn
4% r rtsrk
7% herizo

diego 1 sur 2 b de vote, vote feno tanteraka
8993 ra8
1828 lhnrik
284 rtsrhnn
8650 r rtsrk
1231 herizo

Ambositra, vote complet
5612 ra8
4090 herzo
Ny ambiny kritika kely

Mbola hitohy



63. bazylou ( 04/12/2006 16:13)
Ireto ny vaovao tatsy amin'ny min interieur

www.mira.gov.mg/election/lien.php
64. booboo ( 04/12/2006 16:31)
misaotra nizara
65. bazylou ( 04/12/2006 17:26)

vaovao vao azoko teo ity!!

Antsirabe 1,
ra8 144567 76%
lhnrk 9040
rtshnn 8616
ambiny 0.00

TAna ville
ra 8 440045
lhnrik 21101
rtshnn 55933
r rtsrk 37631

vokatra nasionaly tao amin'ny coupole tamin'ny 20h00 teo

ra8 69.72%
lhnri 3.34%
rtsrhnn 8.55%
rtsrk 5.98%
herizo 7.11%
ny ambiny 0.1 sy akotry daholo
66. bazylou ( 04/12/2006 17:41)
ilay score nasionaly io dia mbola hisy fiovana satria tsy mbola raikitra io hoy ny tvm !!!
Eto aho dia misaotra manokana ireo tary akama rehetra nanome info ahy tany antanana omaly alina!!
Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga,....
MERCI RY ZALAHY ARY MAHEREZA E ,
67. kitjo ( 04/12/2006 18:21)
tonga dia fisaorana bedabe mitafotafo alefa any amindry zareo any bazyl an

za ko aloha dia misaotra manokana anao e!
68. Lejim ( 04/12/2006 18:38)
bazylou> bravo, =D
Na ny tsy namana tato aza tonga mamangy serasera doly noho ny ezaka nataonao!
Merci beaucoup lesy e!
69. jefra ( 04/12/2006 19:06)
Za ko d misaotra anao be d be bazyl =D=D=D=D=D=D

Heveriko fa efa vita ny resaka! Nandresy haut les mains premie tour Ra8.
Ny any ambanivolo, farafahalikamatiny, mahazo 50% izy, dia efa vita izany fa tsy mampiova lilolilolila ntsony.

Miarahaba sy mitso-drano azy hahavita bebe kokoa noho ny 5 taona lasa.

D maneho etoana ny fankasitrahana ny namana rehetra. D pi-maso manokana ho an'i kitjo ;-);-)
70. lagoon ( 04/12/2006 21:59)
Misaotra an'i Bazylou.
Fa araha io résultats io tao @ coupole izany dia tsy misy rembourser afa tsy i Ravalomanana ihany hatramin'izao?

:-D:-D:-D:-D:-D:-D
71. bazylou ( 04/12/2006 23:12)
Tsy misy fisaorana fa ny anay ady baolina mazava no
atao e!!
Tadidio anefa fa tsy mbola raikitra ireo chiffre ireo ary mitohy hatrany ny fanisana vato any Madagasikara!! ireo b de vote nahitana zavatra tsy mamely aza dia haverina ny fifidianana sy ny fanisana izany , ka aza dia mitsambikina alohan'ny baolina fa tsy mbola vita e!!
Tany Mahajanga nisy b de vote roa mahery no tsy ara-dalana, ny tany diego misy mahery ny telo no b de vote tsy nazava, tany tamatave sy tulear dia dia nisy koa ny torak'izany. Mety kely balitika angamba ireonefa mety hampiova zavatra , indrindra moa fa misy vato annule!!
72. bazylou ( 04/12/2006 23:18)
mbola afaka 10 andro vao azo tanteraka ny vato rehetra ! mbola ho avy ny fitsarana ireo vato tsy mazava sy ireo olona nanana carte electorale roa na 3....Aorian'ny fitsarana dia mety haverina ny fifidianan sasany.
Bref il y a du pain sur la planche!!
73. jefra ( 04/12/2006 23:19)
bazylou> Ny fijeriko an, raha resaka 5%, na 10%, na 20% ny elanela dia mitombina ilay hoe andraso aloha. Mpifidy firy no tao amin'ireo bureaux ireo? Dia omeo izay 2nd ny vato rehetra tamin'ireo (atao hoe io olona io nanao 100% d 0% ny hafa rehetra), fa mbola lavitra be foana...

Fa olombelona aho ka mety diso kaoty ihany koa.
74. bazylou ( 04/12/2006 23:22)
aza adino ny mijery iy site ity fa miakatra tsikelikely ny info ao aminy

http://www.mira.gov.mg/election/lien.php
75. bazylou ( 04/12/2006 23:33)
Hoy i wanadoo::

Ny hevitr'ireo kandidà nandeha nifidy
04-12-2006 / 14:29


Ing. Herizo Razafimahaleo. Tsy manaiky raha misy ny hala-bato
Raha sanatria misy ny hala-bato sy ny tsy ara-dalàna, hoy Ing. Herizo Razafimahahelo, nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny Ivandry, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany, dia hitsangana ny tenany hanohitra izany. Nolazainy koa fa amin’ny andron’ny fifidianana dia tsy hita izany tsy ara-dalàna izany. Ny fanaovana hala-bato mantsy, mandritra ny fanaovana ny lisi-pifidianana sy ny karatra ary indrindra ny aorian’ny fifidianana sy ny fanangonana ny vokatra amin’ny toerana samihafa.

Ing. Ny Hasina Andriamanjato. Betsaka ny tsy mety tamin’ny fanomanana
Nambaran’Ing. Ny Hasina Andriamanjato, omaly, teny Analamahitsy, nisy ny toerana nandatsahany vato, fa betsaka ny zavatra tsy nety tamin’ny fanomanana ity fifidianana ity. Araka izany tokony haverina ny fifidianana mba ho tena demokratika sy marina izany. Misy ireo olona no mahazo kara-pifidianana 2 na 3. Misy kosa anefa no tsy nahazo mihitsy na iray aza. Ao ihany koa ireo tsy ao anaty lisi-pifidianana mihitsy, hoy ihany izy

Ing. Philippe Tsiranana. Nifidy na dia tsy nanana biletà aza ny tenany
Ohatra ny hafahafa ihany raha toa ka nifidy izany kanefa tsy nisy biletàn’ny tena aza ny biraom-pifidianana. Izany anefa no zavatra niseho, omaly teny Tsiadana, raha tonga nandatsa-bato teny Ing. Philippe Tsiranana sy ny anabaviny. Tsy nisy biletàny tao amin’ilay biraom-pifidianana nandehanany. Raha nanontaniana momba izany izy, dia nambarany fa amin’ny maha-olom-pirenena azy dia nanao adidy izy. Izany anefa, hoy izy, tsy midika fa manaiky ny fifidianana izy satria aminy dia betsaka ny tsy ara-dalàna sy ny zavatra tsy nety. Tokony haverina ny fifidianana, hoy izy, namarana ny teniny.

Lahiniriko Jean. Maro ny mpomba azy no tsy nahazo kara-pifidianana
Teny amin’ny birao fandatsaham-bato, Ankany Firaisana Ambaniala Itaosy, no nanatanteraka ny latsabatony ny kandidà Lahiniriko Jean, omaly, tamin’ny 10 ora maraina teo ho eo. Isan’ny nahavelom-pitarainana azy tamin’izany ny tsy fahatomombanan’ny fanamboarana ny kara-pifidianana satria maro ireo mpomba azy any amin’ny Faritany no tsy nahazo izany. Tiana ny manamarika fa biraom-pifidianana 2 izay ahitana mpifidy miisa 1.681 no ao anatin’io Akany Firaisana Ambaniala Itaosy io.

Elia Ravelomanantsoa. Manana andraikitra ny Fanjakana
«Betsaka ny olona tsy nahazo kara-pifidianana tany Fianarantsoa, Mahajanga ary Toliara. Manana andraikitra amin’izany ny Fanjakana ». Izany no tenin-dRamatoa Elia Ravelomanantsoa rehefa avy namita ny adidiny nandatsa-bato tetsy amin’ny EPP Amboaroy Ambohibao, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka fahefany teo ho eo. Nomarihina ihany koa ny fifamadihan’ny filaharan’ny vaton’ireo kandidà tany amin’ny biraom-pifidianana sasantsasany. Raha nanontaniana ny amin’ny tokin’aina eo amin’ny mety ho voka-pifidianana izy, dia nilaza tsotra hoe : “apetrako amin’Andriamanitra izany”.

Ilaina hatrany ny hahenoina ny hevitry ny kandida sasany


76. bazylou ( 04/12/2006 23:59)
marina izany jefra , nefa na dia izany aza anie tsy odian tsy hita ireo tsy mba afaka nifidy nefa voasoratra sy nankany amin'ny b de vote e!!
Ho hita eo e, aleo ho avy tsikelikely .
FA angaha moa tsy 5% mihoatra no mahazo remboursement sa 10% ???
77. sasa ( 05/12/2006 04:52)
bazylou toa 10% izy izay raha tsy diso za koa, ka le izy anie d izao, ny gasy aloha efa kamo mifidy hatramzay, tsy afenina izany, en plus raha tao am fokontaninay izao d misy karam-pifidianana tsy nalain'ny tompony akory, manaiky za hoe tsy tonga lafatra ilay izy, nefa mba efa ela ny olona no nientanina hijery ny anarany any am fokontany kanefa misy ny olona tena tsy mivaky loha.
78. bazylou ( 05/12/2006 07:53)
ekeko izany ry sasa , kanefa ao anie no rolen'ny etat e!!! aiza ilay vulgarisation sy fampalalam baovaon'ny vahoaka ?? I Pety atsy amin'ny alliance92 omaly tamin'ny 6 ora hariva dia nanambara mazava fa hanao famoriam bahoaka izy hanaporofoana fa lany le8!! Feno tokoa ny irregularité tamin'ity fifidianana na taux de participation na organisation, na carte electorale,...
79. sasa ( 05/12/2006 08:23)
hatramin'ny fifidianana hatramzay d misy foana ny irregularisation ary mihoatra noho izao aza,fa amiko aloha ny taux de participation an'i gasy d otraotranzao foana foana kamo mifidy, ny carte electoralen'ny aza tsy alainy koa, nomena zo hifidy ry zareo fa matoa izy tsy nifidy d manaiky izay lany eo.
Bazylou tsy naheno anzany Pety izany aloha za fa tsy azoko ilay hoe hanao famoriambahoaka hanamporofoana fa lany ra8 izany koa ve tsy hampmé f'angaha nivadika sahady hi hi hi hi hi:-D:-D
80. kitjo ( 05/12/2006 17:13)
bazylou> tsy nihaino alliance92 za omaly d efa tsy ao tsony ny lien fa sao afaka omenao eto ny vaovao omaly hariva?

ny atoandro no ananako

misaotra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1441