Sipa nanjavona !!!

1. majesty ( 29/11/2006 06:02)
Niasa teny akaikin'ny INPF ivato aho teo aloha,nisy fotoana tsy maintsy niasana alina anefa indray andro,ka voatery ny tena nijanona tao ampesana,alohan'ny nandraisana ny asa aman-draharaha anefa dia mba niaraka niresadresaka tamin'ireo gardien teo ambavahady teo aho,ry zareo moa milalao daomy eo,tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teo io fotoana io,nisy sipa anankiray izay nandalo,angamba teo ho eo amin'ny 20 taona teo rakalakely io,bikana sy tena tsara tarehy sady souriante b izy,ny mpanao daomy moa ny kilalaony ihany no notohizany fa toa tsy niraika akory,fa izaho sy ilay gardien iray vaovao izay no taitra.Ary tampoka teo dia nandeh nanaraka an'le sipa ty akama ray ity,afaka teo amin'ny 10minitra teo dia iny ranamana fa niverina sady tera-tsemboka,ka rehefa nanontaniana izy dia izao no navaliny."nanaraka an'le sipa aho hoy izy,ary nantsoiko izy mba hateriko,rehefa manakaiky azy aho dia lasa ery aloha ery tampoka izy,dia nenjehiko ihany hoy izy ka isaky ny manakaiky azy aho dia lasa ery aloha ery tampoka foana izy,ary farany tsy hita izay nanjavonany;kinanjo nony nierika aho araka ny filazany ihany dia lasa teo aoriako tampoka ikala ka teo no nahitako ny tongony tsy mitehaka amin'ny tany".Teo hoy izy no nitsoahako ka niovako lalana ary soa ihany fa tafaverina eto aho.tsy taitra akory reto mpilalao daomy namaly avy eo hoe,olona faha 5 aminao zao no tratran'zay tato ampesana.
Ka hoy aho hoe,mila mailo ihany ry zalahy fa sao de sendran'ny toy izany fa dia loza angamba.
2. fasaly ( 29/11/2006 06:57)
majesty: sao mba be angano lay bandy kosa fa sao nahazo ny paket:roll: raha tsy ny maso mitsy no mahita aza mino fa ny mpilaza angano ve tsy hahay hitantara:roll: maty aho raha tena izaho no nahita anzany, aza de sodoka manaranara-pna ny bikàana sy ny hatsaratarehy am alina aza fa sao any ampsana vao mivatana:?
3. Fiffi ( 29/11/2006 07:02)
de hoe matotoa ve zany le sipa ? hummmm....nisy tantara nataoko zay ao @ vetso sera2 ohatran'mitovy @ io ! nefa ny ahy aloha tena tantara noforonoko mihintsy an ! "Raivo" ny titra .
4. vale ( 29/11/2006 07:36)
Majesty: kaiiiii, mampatahotra koa izany! :?, ary sao de laingan'ilay lhl marina izany ?..
5. lanto ( 29/11/2006 08:01)
Naheno tantara ohatran'io zah tany Ifanadiana. Ilay rangahy sady mpody alina no tia vehivavy. Dia tojo vehivavy izy indray alina, nanaraka azy tany anaty ala tany, nentiny nihodikodina tao. Nony ela ny ela tonga saina dia nitady ny lalana mody. Nony tonga tany an-trano natsipy ny pataloha fa tsy nahavolana tsony. Hay ity pataloha nirehitra indray fa nisy briké tao anatiny. Ny maraina izy vao nitantara ny nanjo azy. Ny zanany indray no tonga vao maraina nitantara tao aminay. :)
Mba mijereva ihany tongom-behivavy zany e ! :lol:

6. tywa68 ( 29/11/2006 08:52)
ny mahagaga dia lay matoatoa "vavy" manja sy tsara bika sns ... tsy miseho raha tsy @ zay manana saindratsy ! :lol:
7. vale ( 29/11/2006 09:44)
:-D:-D
8. pissoa ( 29/11/2006 09:58)
Mba mijereva ihany tongom-behivavy zany e !

Aza ny ... tsony jerena volouany fa ny tongotra :roll: Sao de manao otran'ilay @ "Aina Hafa" (ilay film gasy) :-D
9. miangalyandria ( 29/11/2006 10:43)
Hay, soa ihany aho fa rehefa mijery lehilahy dia ny tongony foana no jereko aloha :-P sa tsy misy lehilahy ilay izy :?: sao mba manana eritreritra ratsy mantsy aho indray andro dia manaraka tovolahy bikana sy tsara tarehy =)) hihihi : izao no teneniko anao ry Miangaly :x : izaho ihany no mananatra ahy an :-P : MBA HENDRY :idea::!: hihihi Angaha moa aho maditra :( mba mijery tongo-dehilahy fotsiny eh =))
10. tywa68 ( 29/11/2006 10:46)
dia hijery ve dia ny tongony fotsiny ry Miangaly ?:-D:-D:-D
11. Aino ( 29/11/2006 11:18)
raha izhao nahita any iznay raha tsy torana diany eo aho!!
12. fasaly ( 29/11/2006 11:35)
zà lou tsy mino raha tsy izaho mitsy no mahita fa raha mbola tantara sy honohono de mihonohono kou zà:°):°):°):°):°)
13. majesty ( 29/11/2006 11:38)
Fasaly:
sao mba be angano lay bandy kosa fa sao nahazo ny paket raha tsy ny maso mitsy no mahita aza mino fa ny mpilaza angano ve tsy hahay hitantara maty aho raha tena izaho no nahita anzany, aza de sodoka manaranara-pna ny bikàana sy ny hatsaratarehy am alina aza fa sao any ampsana vao mivatana


Tena nisy io ka,raha mahafantatra mpiasa ao amin'ny INTH ao nareo na manontany an'reo mponina manodidina dia mahalala tsara ny fisian'io toe-javatra io.
Za koa ary vao nahita an'le jô tonga d saika potika ihany fa le hanao abandon d poste mintsy no tsy laitrako,kay le ranamana no nijabaka tany :-D
14. fasaly ( 29/11/2006 11:44)
andao aza jpkoitsika sy majesty io sipa mande alina io raha izany?????tandidin'i toi ve ny tarehiny sy ny bikany:°)
15. caprio ( 29/11/2006 12:09)
Hay ve tsy i majesty no tratran'ilay zavatra fa mbola mpitantara e!ka enao zany tsy nahita izay nitranga tany koa:-D:-D:-D:-D
16. sonwin ( 29/11/2006 12:29)
ahoana ny voasoratra ao anaty baiboly amin'izany zavatra miseho izany?
17. tywa68 ( 29/11/2006 12:56)
:roll:
18. prime ( 29/11/2006 13:08)
majesty> hay moa ise mbola tsy manambady?
19. bibilax ( 29/11/2006 14:09)
SLT DAHOLO FA ANGAHA TSY HITANAREO ANGAHA ILAY TANTARA ? FILM GASY INY ILAY LALAOVINILAY BANDY AO @ UNIK TALOHA INY ? TANTARA TENA MARINA INY FA AZA MANAO TSINOTSINONY ZAVATRA OTRANZANY FA REFA NAREO NO TRATRANY VAO GAGA ANGMBANY ? TENA MISY IRENY FA AZA TRATRANY IHANY ? MANDEHANA ANIE ENY @ FARITRY MANJAKARAY SY SOAVIMBAHOKA SY AMBANY HOPITALY MIARAMILA INY REHAFA HARIVA NYA ALINA NY ANDRO RAHA TSY MINO NAREO FA ??????? MARINA E
20. prime ( 29/11/2006 14:45)
bibilax> fa manin no tezitra b?...:roll::-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4034