Maha-lasa saina ihany

81. Achia ( 08/12/2006 18:39)
za nga miteny hoe hainjy ve fa ny hevitrinjy no hanontaniako :-P:-D
82. cutie ( 08/12/2006 18:42)
ka za tsy mahay mandinika :-D
83. Achia ( 08/12/2006 18:44)
eysss tsotra hairatra tsy hakipy ny maso de zay :°)
84. cutie ( 08/12/2006 18:48)
:-D:-D:-D:-D
85. Achia ( 08/12/2006 18:54)
tsy :-D:-D:-D hoa fa 8O8O8O8O no atao :°)
86. cutie ( 08/12/2006 19:00)
:-D:-D:-D:-D
87. prime ( 15/12/2006 08:02)
achia> Angamba ilay teny hoe "ampianarina" sy atao batisa no tsy mazava sy tsy azonao satria mifameno ny hevitrintsika fa tsy hoe mifanohitra akory...

Amiko ilay hoa ampianarina tsy hoe ampahafantarina tsy akory fa fitaizam-panahy manaraka ny fibebahan'ny olona sy ny mahavoavonjy azy... ny fampahafantarana tsy fampianarana fa fanehoana ny zava-misy... ny mahampanota ny olona, ny ota vitany, ny maha olona very azy, ny fanalavirana an'Andriamanitra (zava-misy izany, "faits, états des lieux, constats" araka ny tenin'Andriamanitra rahateo), ny fitiavan'Andriamanitra azy mba ho voavonjy, fa tsy hoe fampianarana akory...

Raha tonga dia ampianarina ny olona dia toy ny any @ sekoly alahady sy katesizy ihany... fahalalàna fotsiny fa Jesosy tsy raisina akory... Raha nandinika ianao ny tantaran'i Paoly ohatra dia naseho taminy ny zava-nisy, nibebaka izy vao nampianarina sy natao batisa fa tsy tonga dia ampianarina akory... Maro ny ohatra maneho ny asan'Andriamanitra toy izany na dia hoe tsy toy izany foana aza... I Maria Magdalena raha tratra nijangajanga ka saiky hotoraham-bato dia naseho taminy aloha (fampahafantarana) ny zava-nisy teo aminy sy Andriamanitra, ka rehefa nibebaka izy dia lasa mpianatra mpanara-dia isanandro an'i Kristy...
88. Achia ( 15/12/2006 17:04)
Tena marina io lazainao io fa ny hanampiako azy kely angaha de izao , ireo ohatra noraisinao de ireo ol t@ andron'i Kristy daholo ireo fa ankehitriny indrindra moa izany fa isika eto, @ sera2 dia maro no mahalala ny atao hoe Jesosy hoe iza marina ary inona no antondiany inona no sitrapony , ary ny manaraka izany ny baiboly ahoana no ampitana @ olona fa marina ary tsy misy diso izay rehetra nolazain'ny baiboly , tokony ho porofoina izany mba hitomboan'ny finoan'ny ol mba hilentika ao antsainy fa ilay ATRA voasoratra ao no tena ATRA ary tsy misy toa azy
89. prime ( 21/12/2006 11:46)
achia> tena mitovy hevitra aminao tanteraka aho fa ny olana eto amin'ny serasera tsy mino ny ankamaroan'ny mpandray anjara eto fa mahay kosa ara-tsaina na ara-tantara ihany hoe iza Jesosy... fa sady tsy raisina no tsy inoana loatra... indray2 aza dia atao kivazivazy mihitsy... ka ny tiako ahatongavana dia tsotra hoe ny handraisana an'i Jesosy mihitsy aloha no tena zava-dehibe... ny aorian'izay na hivavaka aiza na hivavaka aiza ho fitaizam-pinoana sy fitaizam-panahy amiko tsy dia olana loatra intsony fa Kristy no tena zava-dehibe aloha hoe manana Azy sa tsy manana Azy...
90. Achia ( 23/12/2006 12:42)
ka io anie no mahatonga ahy hanome sakafo mahery idraindray e! efa hita fa diso izao de ny baiboly indray no lazaina fa tsy azi raisina be fahantany , mampalelo ne ndraindray mahakivy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6477