Maha-lasa saina ihany

21. dailynews ( 27/11/2006 18:30)
hoy i prime> Izaho mahita fa tsy maro an'isa izany ny kristiana raha eto Madagasikara...
[/quote]

izaho koa miombonkevitra aminao. ny kristiana titre izay miditra ampiangonana sy ny hoe satria niditra ampiangonana ny fianakavianay dia kristiana izy no maro anisa fa tsy ny kristiana izay efa nanolotena ho an ny Tompo Jesoa izay niditra tsirairay ho zanak Atra.
izaho manokana dia tahaka izany nandritra ny fiainako ela be..niditra ampiangonana foana h@ mbola kely sy nanao sekoly alahady h@ efa lehibe.....anefa aho dia fombafomba ihany... fa tsy nanana fifandraisana manokana akory t@ ATRa sy Jesosy Kristy fa rehefa nivoaka ny fiangonana dia tahaka ny fiainan izao tontolo izao ihany no fianako, tsy nisy nahasamy hafa azy mihitsy.... ,anefa dia nanao asa soa tokoa ary nanao tsraa fanahy ary nanezakezaka nanao izay mba mety t@ fiainana tao ampiangonana....
fa nony tonga ny fotoana iray nisy nilaza tamiko hoe krsitiana nanolo tena ho an i Jesoa ve ianao ary nandray ny famonjena (born again christian ary nandray ny salvation) dia tsy haiko akory hoe inona ny dikan izany...... tsy haiko akory ny dikany satria aho kay tsy nandalo io akory....

tsy ny fidirana ao ampiangonana sy ny hezakezaka ary ny fanaovana asa soa hoy izy no hahazoana famonjena, ary handovana ny fiainana mandrakizay, tsara hono ary mila tohizako saingy tsy ampy fa voalohany aloha mila mandray ny famonjena izany hoe mila miteny manokana aho fa izaho ranona dia hanaiky sy handray ny Tompo Jesoa eo @ fiainako sns....dia iny ilay atao hoe ateraka indray..dia rehefa ateraka indray dia mitombo ao anaty ny tenin Atra sns....

andraso fa hanoratra article momba ity aho. Fa tsy te hanohy aho fa lava loatra sady mila tohanana @ andinintsoratra masina ihany koa......ateriko eto rehefa tonga ny fotoana.

22. Imahaka ( 27/11/2006 19:01)
fa refa any an-danitra ange ny asa vita ihany no ifampitsarana na inona finoana na inona e. Zany hoe manaova ny marina sy ny mety hatrany e! dia manasoa ny mpiara-belona.
23. dailynews ( 27/11/2006 19:31)
Marina tokoa fa I Jesoa tsy hiteny hoe; etsy atsimo ny katolika, etsy avaratra ny evanjelika, etsy atsinanana ny advantista sy protestanta.. sns....(raha izay no definition nao ny hoe finoana), fa hoy Izy hoe..satria ianao( na iza na iza io rehefa tonga any) nanaiky ahy ary nandray Ahy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao manokana ary nanao ny sitrapoko ary tsy nanana lalana hafa hahatongavna aty andanitra ankoatra Ahy Jesoa dia tonga soa eto amiko.

Hoy Jesoa" Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana , tsy misy mankany @ Ray raha tsy @ alalako"

Izy tsy niteny hoe " Ny asa soa sy ny fahendrena be ary ny fahendrena isankarazany no lalana sy fahamarianan ary fiainana....."

Hoy Izy hoe IZAHO( irery ihany)

=> aza afangaro izany ny hoe rehefa manao ny mety sy ny marina dia ho tonga any andanitra....Tsara saingy tsy izay no handraisana ny famonjena hahatongavana any andanitra.

Rehefa nandray an I jesoa eo @ fiainana ny olona iray vao mikonty ireny asa soa rehetra vita sns ireny.

Jesoa+ izaho+ asa tsara=> sady sitrak Atra no manao soa ny manodidina.


Izaho tsy misy an i Jesoa + asa tsara=> tsy mikonty...ny olona ety ambony tany ihany no faly dia izay fa tsy mahazo sitraka @ Atra.

Tandremo izany.

Ny fanana an i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fiainako manokana no hahatongavako any andanitra
Fa tsy
Ny ezakezako sy ny asa soa vitako sy ny maha tsara fanahy ahy eo @ fiaraha monina na ny titre ko any ampiangonana @ maha paistera ahy, ny maha mpianatra sekoly alahady ahy, na ny maha chorale ahy, na mpiangona tsotra ahy(izay hampahatsiahivina fa tsara be daholo saingy tsy hahatongavana any andanitra)
24. cutie ( 27/11/2006 19:35)
Raha azoko tsara zany de ny tanjona de ny hankanesana ny an-danitra :lol::?:
Ny fanana an i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fiainako manokana no hahatongavako any andanitra

De in no dikan'io ?:lol:
25. Zina ( 27/11/2006 19:50)
cutie a logika be anie zany e,
tsy ho lasa any an-danitra raha tsy manana an'i Jesosy...
26. cutie ( 27/11/2006 19:51)
ka in ny dikan'le manana an'i jesosy koa:roll:
27. cutie ( 27/11/2006 19:54)
Rehefa nandray an I jesoa eo @ fiainana ny olona iray vao mikonty ireny asa soa rehetra vita sns ireny.

Jesoa+ izaho+ asa tsara=> sady sitrak Atra no manao soa ny manodidina.

io no tsy azoko
28. ikaretsaka ( 27/11/2006 20:18)
Rehefa nandray an I jesoa eo @ fiainana ny olona iray vao mikonty ireny asa soa rehetra vita sns ireny.


Mandray ahoana? isaky ny avy manao komonio ve sa inona io.. tsy azoko

Jesoa+ izaho+ asa tsara=> sady sitrak Atra no manao soa ny manodidina.

io no tsy azoko koa



29. dailynews ( 27/11/2006 20:20)
raha tsy diso aho efa nisy an io fanazavana lava be tary aloha tary fa tsy maninona ary e. :D

Mandray an i Jesoa=>

Misy zaza roa ao antrano, ny iray tena zanaka, ny iray taiza.
Ny tena zanaka izay zanaka ara biolojika dia zanaka handova.
Ny zaza taiza ihany kosa dia tsy afaka ny handova raha tsy miova ny etat ny miala @ maha-zaza taiza azy fotsiny mankany @ zaza natsangana.

Nony tonga anefa ny fotoana, nananganana io zaza taiza io, izay fotoana iray nanekeny fa manomboka izao dia ho dadany sy mamany ireo olona ao antrano ireo dia nanaraka ihany koa ny lova satria tena lasa zanaka izy.

Tahaka izany ihany koa ny olona miditra ampiangonana betsaka. Na dia zaza taiza tao antrano aza anefa mbola tsy niova ny etat-ny ka niala t@ maha zaza taiza azy fotsiny ho any @ zaza natsangana dia tsy afaka handova ny fanjakan Atra izy.

Io fotoana io ilay fotoana mahatonga saina azy manokana hoe( tsotra be)" Atra o, manomboka androany aho dia te ho zanakao. Tiako ny handray an i Jesoa ato ampoko, ary tiako Izy ho Tompoko sy ho mpamonjy ahy @ fiainako manokana manomboka androany. Tsy izaho intsony no tompo ny fianako manomboka izao fa ianao Jesoa no tompony izany hoe ianoa Jesoa no manapaka, tsy izay tiako fa izay tian i Jesoa. Manaiky aho fa nohomboina t@ hazo fijaliana ianao ary nitsangana t@ maty ary nintsangana ho famonjena ahy. Mibebaka aho @ fahotana rehetra izay vitako..ary manomboka izao dia hiara dalana aminao. amena"

Io izany vavaka ohatra ataoko izao fotsiny e, fa tsy formule akory.

Dia tsotra be ilay izy, fa izany hoe ilay olona iray mihitsy no mila manapa kevitra. Tsy hoe fanapahankevitry dada satria izy efa kristiana...Atra zanaka no ananany fa tsy zafikely, na hoe fanapahankevitry ny vady, tsy manana vinanto ihany koa Izy....

Fa izaho manokana mihitsy no mila manapa kevitra. Dia rehefa vitako izay fanapahankevitro manokana izay dia izay ilay hoe TERAKA INDRAY. lasa zanaka aho manomboka io fotoana io, tsy hita maso avy ety ivelany ny fanapahankevitro fa kosa ilay fotoana hanapahako hevitra iny ny anarako no voasoratra any andanitra fa izaho ranona dia zanak ATRA.

ho an ny zaza natsangana dia voasoratra any @ tribonaly ny anarany.

Fanapahankevitra izany ilay izy ary misy ny vavaka atao. Ary vita izay dia miova ny etat misy ahy..avy @ tsy zanaka mankany @ zanaka.

ajanoko eto aky a, misy TA daholo ireo manohana azy saingy mamaly haingana aho fotsiny aloha aho izao dia tsy eto ampelatanako ilay izy. :D

tsy haiko aloha ra tena mazava fa mba nihezaka nanazava kely aho araka izay tratrako androany ..mino aho fa misy ireo mbola afaka manampy izay tsy vitako.



30. cutie ( 27/11/2006 20:25)
manapa-kevitra hoy njy
tongatonga ho azy zany io ve sa ahona?toa tsy misy porofo akory eo manko fa le zaza natasangana no nomen-jy porofo
31. ikaretsaka ( 27/11/2006 20:34)
mitovy hevitra @ cutie za
32. dailynews ( 27/11/2006 20:48)
Dia tahaka ny zaza iray teraka ihany koa. rehefa teraka eto antany izy dia mila mitombo.. mila mihinana ronono..raha tsy mihinana sakafo izy dia maty.

Ny olona teraka indray ara panahy ihany koa dia tahaka ny zazakely iray teraka, mila mitombo ara panahy satria ilay olona teraka iny olona vaovao, dia ilay olona teraka ara panahy ihany koa lasa olona vaovao.

Tsy mitombo raha tsy misakafo, mila olona mpitaiza, mila soloina sns....

Ny olona teraka indray:
raha tsy misakafo iny vao teraka iny dia mihamarary dia maty..ny sakafo dia ny Tenin Atra.
ny TA dia @ alalan ny famakiana ny Teny, ny fihanoana toriteny, famakiana literatiora kristiana, fandehanana miangona sy ny fiarahana @ mpino sns....

Ny zaza teraka dia manao maloto anaty couche, fa tsy hoe raha nanao izany akory izy dia hoy ny RAD hoe: ariako ity zaza ity fa nanao izany. Diovina ilay zaza dia soloina...
Ny krsitiana teraka indray ihany koa dia mbola manota...tsy hoe akory hoe nanota izy dia hoy Atra hoe tsy zanaka intsony.... fa izy kosa mila manadio ny tenany @ fifonana isananandro. Dia mandeha indray

Ny zaza teraka dia mianatra mandeha, dia mianjera kely...
ny xtiana teraka indray ihany koa dia manan izany toetra izany...mianjera, lavo @ fahotana taloha dai avy eoa nefa mitsangana... dia mihamatanjaka rehefa miha lehibe.

raha homena sakafo tsy ara pahasalamana io zaza io dia lasa marary ary tsy mitombo tsara.
Ny nateraka indray ihany koa mila mihinana sakafo madio sy mahasalama mab hahafahany mitombo tsara, mila mitandrina izany ny @ fampianarana maro dia maro fa dia tena misy tokoa ny tsy mahasalama ary misy ny mahafaty.

Ary dia mitohy ny tantara saingy dia mila mila tonga lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe...

mba tsotsoriko fotsiny ilay izy io. Asa raha mba misy azo horaisina....


33. simplex ( 27/11/2006 20:53)

Dailynews wa :evil::evil: mahazo daroka ndry an:°) ataovy fohifohy oooooooo :°):-*:-*
34. dailynews ( 27/11/2006 20:54)
cutie:

manapa-kevitra hoy njy
tongatonga ho azy zany io ve sa ahona?toa tsy misy porofo akory eo manko fa le zaza natasangana no nomen-jy porofo


eny aky a, misaotra nanontany.

Ny fotoana tahaka io dia rehefa mahatsiaro tery ny fon ny olona iray. Fa raha tsy atao @ fo dia tsy mety. Mety ho androany, mety ho rahampitso..araka izay mahatery ny fon ny olona iray anefa ny tsara indrindra dia androany...fa raha tsy tery ny fo anefa hanao izany dia voatery miandry...anefa ny fiandrasana ela loatra grave satria tsy hay hoe rahoviana no hiala ity tany ity. iny ora tsy ampoizina iny.
tsy haiko raha nahavaly fanontaniana fa mba hamaly izay azoko atao aho raha mba misy kely manampy ihany.
fa izao aloha aho handeha fa rahalina indray aho miverina eto. :wink:


35. dailynews ( 27/11/2006 20:55)
andray ity simplex...tsy menatra mandaroka:D
ka manjary tsy mivoaka anie raha tsy lava e...de ahoana izany ra atao fohy kely dia tsy mazava.....de voadarok'i cutie sy ikaretsaka indray za....
36. cutie ( 27/11/2006 21:00)
:-D:-D:-D:-D
37. cutie ( 27/11/2006 21:01)
dailynews
tery ahona alou le fo e :lol:
38. simplex ( 27/11/2006 21:02)
:D:D
kapoka kely fotsiny io ka :-*
somary taritina ny resaka aloha.
D ra vao mamaly izy, d aseseho @ zay ny arguments-nao. Ataovy kofona mintsy :-D
alefaso tsikelikely. :°);-):D:D

39. cutie ( 27/11/2006 21:03)
simplex, alazako @ m. nge e
ataovy eo ihany :-D
40. simplex ( 27/11/2006 21:08)

:-D:-D:-D
manin za ?
atoro kely fotsiny izy fa manjary tsy voavaky (Dailynews: u're losing the audience) d mba araraotina asiana kapoka kou :°);-)

aza miteninteny an :-* ity fotsiny tenenina anazy :*:*
ok ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2318