Mba inona no fari-pahaizan-dRavalo fa tiako ho fantatra!

61. kitjo ( 15/11/2006 15:03)
iny ndray no tsitako le!
62. fijo ( 15/11/2006 20:35)
raha ny valin'ny fanontaniana aloha dia tsy aiko.henoko fotsiny hoe tsy dia nianatra firy izy.izay no mety ho zavatra misy.
fa ity koa zavatra misy.hatramin'izay nahalalana an'ny madagasikara,dia izay mpitondra tsy dia nianatra firy ihany ,no tena nampandroso ny firenena malagasy.
ANDRIANAMPOINIMERINA,tsy nianatra,nefa namorina ny rafitra nisy tao mada voalohany.
RANAVALONA tsy nianatra ,nefa namorina ny code de 305 articles.code civil gasy voalohany.
TSIRANANA mpampianatra EPP faripahaizana kilasy 3eme.nefa nahavita ny rafitra rehetra nisy tao mada izay mbola lovana hatramin'izao. ary farany RAVALOMANANA tsy dia nianatra koa ary lazaina fa tsy mahay teny frantsay,nefa hany filoha nahavita be taorian'i TSIRANANA.
rehefa jerena iznay dia toa izay tsy dia nianatra no tena mahefa be hoan'io firenena io.ka mba aoka hisaina isika "nianatra"fa toa lasa jejo amam baoritra fotsiny.
ary aza ny fianarana no jerena fa ny fahatsilon'ny saina.
ny mahay sy ny intelligent tsy mitovy,nefa aleo intelligent toa izay mahay.
63. akama2006 ( 16/11/2006 10:21)
fijo> hoy ianao ra8,filoha nahavita be tao aoriany tsiranana:?::?::?::?::?::?::?::?::?:!inona avy le vitany!:?::?::?::?::?::?::?:

foano aloha ilay resaka lalana sy infrastructure satria BM sy FMI ierny fa tsy mitaha any Nampoina aminy heviny sy ny heriny vahoakany,na i Tsiranana sy ny vola niditra tao aminy caisse de l'etat!Dia mety ho hita eo ny fahamarinany teninao izay!

ka dia miandry valiny ,tompoko!
64. kitjo ( 16/11/2006 18:12)
nndrriii..

mampalahelo ahy enao ry akama k!
misy gazety online maromaro vakio fts isan andro d hitanao ao ny valiny tompoko

de toute facon hatrizay ny BM sy FMI nanome vola foana fa in ny vita teo?

zao vita ny lalana sns, ao ny fahaiza-mitantana zany!
65. fijo ( 16/11/2006 23:04)
efa novaliako etsy ambony etsy letsy io an.
66. ronaldo09 ( 17/11/2006 21:17)
Samoana:

hoy Ronaldo:
Dia inona ny diplaomany ary taiza izy no nianatra


Angamba efa mba voavaly teto izay kely mba ananan'ny filohantsika fa mifona izahay Ronaldo fa tsy afaka mamorina intsony a !
-Aza omena tsiny raha tsy mahay fiteny betsaka toa anao ilay filohantsika
-Aza omena tsiny raha tsy nianatra toa anao futur tapi-pahaizana ny filohantsika
-Aza omena tsiny raha tsy mba mahazaka sipa colonie toy io lanjalanjainao io ny filohantsika fa mihafy @ vady gasikeliny e !

Dia mba miangavy anao izay Ronaldo mba hody rehefa vita ny fianaranao fa miandry anao ny firenena. Mampamangy indrindra ny Tchéchène ao rehefa alefan'i Poutine milalao baolina any ianao e!

Inona moa ny olan-drangahy amin'ny sipa lanjaiko .Tsy any anie ny resaka ary za koa tsy manaratsy fa manontany e!

67. fijo ( 17/11/2006 23:01)
misy resaka sipa indray ngaha ?????
68. kitjo ( 18/11/2006 05:55)
fa aiza alo le sipa lanjalanjaina znay e?
hihihi
sa @sary?
69. ronaldo09 ( 18/11/2006 09:59)
Ny sariko leity nojereny dia lasa nakany amina sipa indray ny resaka!
70. akama2006 ( 18/11/2006 10:58)
tsy fahazia mitantana ka!ny axe vita rehetra anie ka misy interet any tik....daholo e!nahona ny axe tena mila lalana sty natao fa lazaiona fa miandry 5 taona manaraka??????
71. kitjo ( 18/11/2006 13:21)
ny aiza ary zayy e!

d lalana aiza no lazainao fa an TIKO fts? ngah misy barazy le izy

aza d faly manenjika fts re e!
72. akama2006 ( 18/11/2006 13:31)
kitjo> tena marina izany e!ny lalana mankany aminy nord vita rehetra iny anie noho ny mikasika tik.....no tena antony e!fa sty izay olona any anty sava any!fa ry zareo moa tsy mahatakatra ka dia aleo aloha hifaly sy ihoby fa rehefa tonga saina ve tsy hamaky takotra eo ihany hilaza hoe: izahay vahoaka avy atsy....sy avy aroea dia tena voafitaka tokoa,100% any i prezida!:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
73. kitjo ( 18/11/2006 15:48)
eny e, k na zay aza no tena antony betsaka ko ny mahazo tombotsoa amin le izy sady afaka mandeha am-pahalalahana ka inona ny olana amzany?

aleo izany tsy natao le lalana? mm?

tsy aleo az aizay hoe ho azy nanaovany azy fa afaak mampiasa ny vahoaka toy izay oh ny an Zafy oe anarany teo @ fitondrana fa na 100m aza tsy vita na dia mba hoe ny tany aminy aza

asa aloha fa raha izaho manokana na ho an'iza antony na ho an'iza refa afaka mampiasa a ts rarahako raha mbola ts asian'ny tompony oe "propriete privee, tsy azo aleha"
74. kolokanto ( 18/11/2006 23:57)
message
Any Afrika atsimo dia teny anglisy no teny ampiasaina ary ry zareo zana-tany anglisy fa tsy Frantsay isika gasy teny Frantsay no ilina sy ampiasaina satria isika zana-tany Frantsay ,misaina aloha vao miteny e!
SAO DIA IANAO ALOHA NO TOKONY HISAINA VAO MITENY?????
MBA MENATRA RANGAHY!!!
Asa na hainao mahay be io fa efa tapitra t@ taona 1960 ny naha-zana-tany ny Malagasy???:roll:
Izahay aloha ry ingahy ronaldo09 tsy zana-tany frantsay intsony an!!
Ianao moa araka ny voalazanao io izany dia tena mbola zana-tany frantsay!! MAMPALAHELO!!!!
Ny mikasika an'i Afrika atsimo iny dia ohatra ihany ilazana fa tsy lasa lavitra ny teny frantsay.
Ary mba hainao mahay be io hoe faha firy @ "langue internationale" ny teny frantsay? Sa dia mbola takona tanteraka ny maha-zanatany frantsay anao ianao ka hoe rehefa tsy mahay teny frantsay de vendrana??? :-D Toa ohatran'ny lehibe loatra aminao manko le fahaizana teny frantsay!!
Inona no nataon'ny olona manam-pahaizana be anao taloha teo??? Nanapotika an'i Madagasikara!! Sa izany tokoa no porofon'ny fahaizany???:?::?:
75. kolokanto ( 19/11/2006 00:49)
Hoy ronaldo09:
Any Afrika atsimo dia teny anglisy no teny ampiasaina ary ry zareo zana-tany anglisy fa tsy Frantsay isika gasy teny Frantsay no ilina sy ampiasaina satria isika zana-tany Frantsay ,misaina aloha vao miteny e!
.
Tena mbola gaga ihany izah mijery ity lazainao ity!!:?:
76. ronaldo09 ( 19/11/2006 13:38)
Tsy miresaka amin'olona tsy ampy saina toa anao aho fa na tsy zana-tany intsony ny tantara tsy azo kosehina.
77. kolokanto ( 19/11/2006 21:20)
ronaldo09
Tsy miresaka amin'olona tsy ampy saina toa anao aho fa na tsy zana-tany intsony ny tantara tsy azo kosehina.

Aza miditra ato @ serasera intsony ry ingahy ronaldo rehefa tsy mahatanty ady hevitra!!:-D
IZA NO TSY MISAINA NY OLONA TOA ANAO MBOLA MIHEVITRA NY TENANAO HO ZANA-TANY FRANTSAY SA IZAHO!
Tsy azo kosehina ny tantara r'ingahy saingy tsy izay no midika fa mbola zana-tany ny Malagasy!!
Ianao irery angamba no mbola zana-tany???
78. ronaldo09 ( 20/11/2006 11:57)
Za akory tsy nilaza fa isika zanatany hatramin'izao ,fa eo amin'ny tenim-pirenena ampiasaina no nasiako resaka.Ny teny manaraka ny teny gasy zay ampiasain'i Madagasikara dia ny teny frantsay satria nahoana ?Isika dia zanatany Frantsay tany aloha ,ohatr'izay ny any afrika atsimo satria ry zareo zanatany anglisy dia teny anglisy,ny Angolais zanatany Portugais dia miteny portugais ,ny Argentins zanatany Espagnol dia miteny espagnole.Efa mahaleo tena isika fa na ny lalam-panorenana aza dia voadika amin'ny teny frantsay,ary isika koa dia membre feno ao amin'ny Francophone zany hoe isika dia mampiasa manontolo ny teny frantsay.
Zany no nitenenako hoe ilaina ny teny frantsay rehefa mivoaka an'i Dago .Ka ny olona lohany eo amin'ny firenena indray no tsy mahay miteny frantsay .Oviana moa ianao no nahita filoham-pirenena avy aminy tany francophone tsy mahay teny frantsay?????
79. kitjo ( 20/11/2006 13:33)


amin'izao tompoko fa tsy raharahanay fa tsisy dikany izany..tsy izany akory no tsy hampandroso an i Madagasikara

sy mety refa mpitondra koa za..hihi..za aloha tsisy atokona ko @io e.
Fa tsy olana amiko mitsy zany fa tsy ilaiko akory ny fahaizana teny frantsay fa anglisy dia ampy na aiza na aiza tompoko!
na ao dago aza!


Zany no nitenenako hoe ilaina ny teny frantsay rehefa mivoaka an'i Dago


nnndrriii..mivoaka ao Dago mankao La reunion sy Frantsa ihany ry voazanaka an!
zay ihany no ilainao ny frantsay lazainao io
80. kolokanto ( 20/11/2006 15:34)
Izany mihitsy ry kitjo an!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083