DIEGO sy NOSY BE tsy tia merina!

21. patrick2002 ( 05/11/2006 14:08)
zay tany rehetra tany @ cote nandehanako dia nahita merina foana izaho mila ravin'ahitra ,nefa maromaro ihany ny tany efa notsidihako tany madagasikara hatrany @ farany atsimo ka hatrany @ farany andrefana.Manontany an'ireny merina ireny izaho hoe : mba tamana ve ianareo aty ,dia milaza izy ireny ,fa tena tamana . Ka asa na inona no nataon'ny xxx tany no tsy tian'ny olona ,angamba izy mitady hametaveta vehivavy fotsiny ,ka alan'ny olona :roll::roll::roll:
22. soanja ( 05/11/2006 14:47)
Miankina amin'ny toe-tsaian'ny tsi-1-1 ny itiavan'ny olona iray ny olona iray , na foko iray na firenena iray.
Ny lamina efa misy matetika dia efa manome io fomba fisainana io hoe ny foko izao mankahala foko izao sns sns fa ny tenanao manokana kosa no MIEZAKA mampiseho fa tsy voatery handevozin'izany fisainana napetraka izany ianao. Azonao atoa tsara ny mampiseho fa tsy mitombina io ary afaka manao mihoatra lavitra mampiseho fandraisana ny hafa ianao.
Miankina tanaterka aminao anefa izany. Olon'ny fisainana sy mandinika koa anefa ny hanovanao izany ka mino aho ahita sy hamaly izany asa na act ataonao izany izy. Tsy ny rehetra anefa fa amiankina amin'ny fisokafan'ny sain'ilay anaovana an'izany ihany.
N'aiza n'aiza io no miasa ary na foko inona na foko inona na olombelona tahaka ny ahoana.
Koa mahereza fa tsy mora ny mira miaina amin'ny hafa.
Ny zavatra atao voalohany aloha dia ny mi-Observe ny fomba amam-panao ao amin'io firahamonina io ary maka noty mihitsy. Miezaka manaraka ny norme takiany ary farany dia mahazo ny tiany apetraka na dia misafofoto aminao aza le zavatra hitanao. Rehefa hitany fa misy ny ezaka avy any aminao dia handray anao izy matetika.
23. rrgmt ( 05/11/2006 15:06)
Raha ny fahazoako ny tsy fitiavana merina any avaratra dia ara-tantara (historique) hono :lol:
Nisy merina nonina tany dia nanjakazaka sady fetsifetsy ary tsy tian'ny olona ka izay no IMAGE MIPETRAKA AMIN'NY MPONINA dia majaray tsy tia merina (ohatra akaiky Zafy Albert) kanefa olna t@ izany ve no nanao ny nataony dia ny rehetra no tsy tiana, toy ny hoe nisy ny mpangalatyra akoho tao Alasora taloha dia hatr@ izao dia mbola lazaina hoe mpangalatra akoho ny Alasora. Hevitra efa lany andro tokony hihoarana sy ilaozana izany amiko8)
24. Fiffi ( 05/11/2006 18:11)
zany izy hoe historique zany !
25. degree ( 05/11/2006 19:19)
Marina io hevitr'i rrgmt io toy ny ankari be lelo,"olonairay no be lelo ka lasa anaran'nyolona ao avokoa ny hoe olon'ankaribelelo:-D
26. prime ( 06/11/2006 10:02)
patrick2002> Samihafa ny andrefana sy ny avaratra... raha ny tany andrefana no resahina dia fanjakàna naman'ny merina no nitondra tany (na sakalava Boina io na Menabe) (ary tsarovy fa ny vadiben'i Radama I teto Imerina dia mpanjakavavin'i Boina "Rasalimo" ankoatry ny mahapifatidrà an'Andriamisara sy Andrianampoinimerina) ary mbola tarazo mandrak'ankehitriny ny fifankatiavan'ny tatsimo sy tandrefana ary ny merina... fa raha ny tavaratra hafa mihitsy no zava-nisy...
Ary izany no maha ara-tantara azy...
27. Fiffi ( 06/11/2006 18:01)
tantara nefa mbola hataon'ny olona hiany hatramin'zao ?
28. patrick2002 ( 07/11/2006 03:48)
prime : izaho dia efa tany amin'iny faritra avaratra iny koa fa torak'izany betsaka ny merina mila ravin'ahitra any, hitako tamana daholo ireny olona ireny.
29. belaza ( 07/11/2006 09:23)
kala> eritrereto hoe ao tanà(ankatso) izy dia efa mampiseho ny toetra ratsiny maika fa tonga any aminy? nareo ko betsaka milaza fa miresaka tsra ry zareo rehefa any aminy satria nareo vehivavy. enao ko milaza fa côtière nefa tsy raciste, ahoana koa moa ny fomba hilazanao hoe raciste eto e
30. patrick2002 ( 07/11/2006 14:41)
Ka ny ao ankatso anie ,diniho ny fiainana hiainan'ny cotier ao eh! dia diniho ny tombotsoa azon'i zanaky Iarivo ,mirava mianatra mody any @ ray amandreniny, efa misy sakafo vonona ,ny cotier sarotra vao mahazo cité U ,mipetraka @ trano kely ,mahandro sakafo ,ny fianarana tsy misy tokotaniny any ka mi deprime ilay bandy sorena ,ny fiainana sarotra ny ray amandreny tsy afaka mandefa vola fa sahirana ,ny bourse tsy mahazo,na mahazo fa 1 semaine dia lany ,ka diniho tsra ireo,
Izay zao mba olona anisan'ny tia vazaha fa rehefa nianatra taty andafy nanjary nankahala vazaha ,ny antony rehefa tena dinihina ilay izy ,tratry ny adim-piainana ianao ,dia sorena hoe tsy misy te hahalala ny manodidina ,dia mankahala be fahatany.
31. Fiffi ( 07/11/2006 17:06)
patrick2002:
Ka ny ao ankatso anie ,diniho ny fiainana hiainan'ny cotier ao eh! dia diniho ny tombotsoa azon'i zanaky Iarivo ,mirava mianatra mody any @ ray amandreniny, efa misy sakafo vonona ,ny cotier sarotra vao mahazo cité U ,mipetraka @ trano kely ,mahandro sakafo ,ny fianarana tsy misy tokotaniny any ka mi deprime ilay bandy sorena ,ny fiainana sarotra ny ray amandreny tsy afaka mandefa vola fa sahirana ,ny bourse tsy mahazo,na mahazo fa 1 semaine dia lany ,ka diniho tsra ireo,
patrick2002: io kosa aloha raha ny hevitro de efa tokony efa fantatra mialoha zany zavatra zany alohan'ny nahatongavana ry zareo ao Tana hoe hianatra eny ankatso .


32. fanaina ( 07/11/2006 21:17)
ary mba te halala bebe kokoa ny prehistorique any mada marina hoa aho hoe mba nanao ahoana eh!!
33. Fiffi ( 07/11/2006 22:00)
jero ao @ google
34. prime ( 08/11/2006 07:52)
patrick2002> Marina tokoa fa betsaka merina any avaratra ary mahay mifandray tsara tokoa ny ankamaroany... fa tsy midika vely2 izany hoe mandray tsara ny mponina... fitadiavana ny ataon'ny merina any mila ravin'ahitra ka tsy ahoany loatra izay fanenjehana azy matoa izy tamàna any... fa lalina io olana io satria tsy resaka fahaizana mitsikitsiky sy mampandroso vahiny fa olana ara-tantara... vao maika moa ampian'ny merina @ toetra mahamerina azy izay iaraha-mahalala sy ireo mpanao politika mandranitra ny foko...

Tsy takona afenina ny fibaribarian'ny tsy fitiavan'ny tavaratra ny borizano ary tsy misy tsy mahalala izany... fa ny tena olana aza tsy dia ilay fankahalàna loatra satria samy manana ny hanitra ho azy sy ny fitaizàn'ny ntaolo azy avy fa ilay izy mibaribary mihitsy indray2... marina fa tsy hita mibaribary foana fa tsapa sy iainan'ny mpila ravin'ahitra isanandro izany...
35. belaza ( 08/11/2006 09:55)
Fiffi:

belaza: hono ........


tena marina ary tantara nisy izany ka fa mody nasiako hono fotsiny, hitanao raha mandinika ianao de ny olona avy any avaratra no tena betsaka aty andafy, satria saika vazaha taratasy jiaby zareo, ary raha tsy diso aho de mbola misy "base militaire" frantsay ao amina nosy kely avaratry diego ao..:@
36. Fiffi ( 08/11/2006 10:34)
zany an ?
37. prime ( 08/11/2006 13:30)
kolon-tsaina io d kolon-tsaina koa no vahaolana...
38. Fiffi ( 08/11/2006 20:18)
prime: aiza akia zany borizano zany ?
39. titis ( 08/11/2006 23:04)
Ny tena tsy haindry zareo raciste ireny dia hoe ho aiza fa tsy samy eto dago ihany,samy malagasy ,nefa ny merina dia tena tia mandray vahiny mihitsy ah,ry zareo hafa foko no vahiny lazaiko eto!
40. Fiffi ( 09/11/2006 10:56)
zany ange hoa eh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085