Mamela ahy hiresaka an' i Amma

61. rakaroka ( 09/12/2006 15:26)
Ny tsotra hoe ekena amin'ny vava... misy masom-panahy
ao anaty feon'ny fieritreretana manitsy!. Misy azo ekena fa misy zava-dehibe tsy azo
hapandry saina ny fanekena lembenana fotsiny! Sarotra amiko ara-natiora 'ngamba ny hanaraka efa fotsiny! Eny ho eny misy nekeko ihany saingy manoloana ny fihemoran'ny fiangonana iainako Non
tsy mandry ny saiko! Ny hoe manana na tsia an'i Jesoa
aho , ny fanombanan'ny olona hoe tamana aty ivelany koa na manina an'i Dago zary tsy blemako intsony: manan-javatra atrehina sy "assumé-na aho: hilaza koa na sitrapoko na sitrapon'Atra mifangaro amiko ka eo
am-piatrehana sy am-pamitana izany aho no manoratra sy mirary koa ny hisian'ny fahatanterahan'ny "créature" tsirairay !
62. prime ( 13/12/2006 10:44)
rakaroka> azoko sary an-tsaina fa anisan\'ny tsy nahita fifaliana noho ny havesatry ny rafitry ny fiangonana tianao hanompona an\'Andriamanitra ianao... na izaho koa aza mahita fa betsaka ny tsy fahamendrehan\'ny fiangonana noho ny rafitra rehetra apetrany... nefa tsy @ anaram-piangonana no itiavan\'Andriamanitra anao fa amin\'ny mahaianao anao...

Fantatro fa anisan\'ny olona mpikaroka sy mpandinika ianao ary fantatr\'Andriamanitra izany no sady tia anao Izy satria tiany ho tanteraka sy ho mpiara-miasa akaiky aminy ao amin\'ny fanjakàny... tsarovy fa ny Apostoly Paoly koa dia anisan\'ny olona nanana ny nahaizy azy, sady nanam-pahaizana (mpamory hetra no mpitari-tafika), no olon-kendry (mpampianatra tany \"Grèce\" tao @ \"temple de la sagesse\"), no mpitondra fivavahana koa aza (fariseo no mpanora-dalàna ihany koa)... fatra-mpanenjika an\'i Jesosy fa nataon\'Andriamanitra mihoatra noho izay Apostoly nisy izy... nefa nasain\'Andrimanitra nibebaka aloha... raha te-handray an\'i Jesosy ianao dia tsy mila mandeha mankaiza sy mankaiza fa manaiky Azy feno, ary manaiky mibebaka Aminy fa ny fahatanterahana katsahinao dia ao Aminy rahateo... Mitokàna any an\'efitrano mangina, raiso ny baiboly dia vakio ireto raha sitrakao :

- Jesosy no miteny aminao anio ka manambara ny tenany :

\"1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin\'i Jehovah?2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin\'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.3 Natao tsinontsinona sy nolavin\'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana*, Ary tahaka izay tsy tian\'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian\'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin\'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon\'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak\'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan\'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin\'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin\'ny tanin\'ny velona Izy, ka ny fahadisoan\'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin\'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]9 Ary nokasaina hatao tao amin\'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin\'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin\'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]10 Nefa sitrak\'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon\'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy]11 Noho ny fisasaran\'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan\'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok\'ireo. [Heb.fahalalany]12 Koa dia hanome Azy anjara amin\'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin\'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin\'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan\'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan\'ny maro sady manao** fifonana ho an\'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao]\" Isaia 53:1-12

- ary izany fitiavany anao izany no anomezany teny fikasàna ho anao anio manao hoe :

\"1 He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin\'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.2 Nahoana ianareo no mandany* vola amin\'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin\'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin\'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an\'i Davida.4 Indro, nataoko vavolombelona ho an\'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin\'ny firenena.5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin\'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin\'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.6 Mitadiava an\'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin\'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin\'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.9 Fa tahaka ny hahavon\'ny lanitra noho ny tany no hahavon\'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an\'ny mpamafy sy hanina ho an\'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin\'izay ampandehanako azy.12 Fa amin\'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin\'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.13 Ny hazo kypreso haniry ho solon\'ny tsilo, ary ny rotra* ho solon\'ny sampivato; ary ho anarana ho an\'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]\" Isaia 55:1-13
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0072