Mamela ahy hiresaka an' i Amma

41. rakaroka ( 14/11/2006 17:42)
Ny secondaire izany tsy hoe tsinontsiniavina ankatoavina koa fa ny ordre mibaiko au fond de l'être
dia ny "FITIAVANA" ny hafa manaraka izany... raha tia
mila manaja ny tel ou tel...
Ny tiako marihina kely tsy dia nisy niangaran'Andriamanitra BBBbbe loatra angamba tahaka ny hoe "jereo ny voninkazo fa na i Solomona teo amin'ny voninahiny aza tsy nitafy rahaka ny iray tamin'izy ireny?...
Tahaka an'i Amma manana ny haniny koa izy,noho ny tsy fahatakaran'ny mpino dia ampifandrafesina Kristy,Boudha, Krishna, Amma, ect...
I Amma anie ka manaja ireny rehetra ireny tahaka ny mpiray tam-po aminy rahateo mety marina angamba ny hoe samihafa rizareo fa ny fampianarany anie ka "IRAY" ihany rehefa tena zohina, seul différence dia maro ny débats tsy hitovizan-kevitramihitsy noho ny soratra tsy précis sy ny "application"'izay voasokatra indrindra indrindra mais avec Amma "VIVANTE" izy fa tsy analysé-na tsy fantatra hoe ahoana loatra toa ny soratra voarirotra toa tsinain-kena tsy hay intsony izay marina....
42. prime ( 16/11/2006 11:23)
rakaroka:
Tahaka an\'i Amma manana ny haniny koa izy,noho ny tsy fahatakaran\'ny mpino dia ampifandrafesina Kristy,Boudha, Krishna, Amma, ect...
Ny tenin\'Andriamanitra tsy miresaka olona fa miresaka fanjakàna misy Mpanjaka mahery dia Jesosy Kristy izany miaraka amin\'ireo vahoakany antsoina hoe fiangonana... sy fanjakàn\'izao tontolo izao izay manana ny vahoakany sy ny mpanjakany rahateo koa... Ka raha mifandrafy ireo dia efa voasoratra ho amin\'izany rahateo...
rakaroka:
I Amma anie ka manaja ireny rehetra ireny tahaka ny mpiray tam-po aminy rahateo mety marina angamba ny hoe samihafa rizareo fa ny fampianarany anie ka \"IRAY\" ihany rehefa tena zohina, seul différence dia maro ny débats tsy hitovizan-kevitramihitsy noho ny soratra tsy précis sy ny \"application\"\'izay voasokatra indrindra indrindra
... samy hafa ny fampianaran\'izao tontolo izao toy itony an\'i amma itony izay noratovina araka ny fahendren\'olombelona sy ny traikefa isankarazany araka ny ezaka sy ny asa nataony ary ny zavatra nisy... sy ny fampianaran\'i Kristy mamerina mihitsy ny fitiavan\'Andriamanitra hatrany @ fiforonan\'izao tontolo izao...
43. rakaroka ( 17/11/2006 15:32)
Ny teny raketina ao am-po sy amin'ny alalan'ny asa , iainana angamba no tena MITENY hanana ny heviny eo anatrehan'Andriamanitra ny mpiara-belona fa tsy sanatria raki-tsoratra zary pli-vava fotsiny matoa i Jesoa nilaza fa "jereonareo ny soratra satria mihevitra ianareo fa hahita fiainana anefa tsy manaraka izay takian'ny soratra akoru ny fomba fiainana....
Ny délicat amin'ny resaka finoana dia tsy adi-hevitra fa "sensation" de bonne flair et intuition.
Jesoa nilaza hoe "...minoa na noho ny asa fotsiny aza!...
Ny nahafinaritra amin'i Amma dia misy cohérence tanteraka amin'ny "conception" de Base namoronan'Andriamanitra azy hatrany amboalohany ny fijeriny. Izy anie tsy hanao amin'i Prime hoe tahafo na araho itsy... au contraire fantaro ny nature-nao dia miainà finaritra amin'izany eo anivon'ny mpiara-belona sy izao tontolo izao. Izay tsy manenjika hoe tsy nety ilay fivavahanareo, izaho angamba no nanao izany fa tsapako lany andro tokoa raha hifampitsikera fotsiny, izay no mahatonga ahy tsy miresaka loatra intsony fa EKENA aza fa METY DIA METY NY FIJERY KRISTIANA ary firariana indrindra dia ny ahavitana BBBe eo amin'izay niantsoana, saingy tsapako fa morainy kokoa aho miara-miasa amin-dry Amma du moins tsy lany mi-discute sy manazava fa avy dia miatrika izay tokony atrehina.
44. rakaroka ( 17/11/2006 16:47)
Ny fanjakan'ny lanitra?
Notanterahiny ara-bakiteny ilay hoe "Ety an-tany tahaka ny any an-danitra... Nataony sy ezahiny hatao andro aman'alina isan-tsegaondra aza sitrapon'Andriamanitra '(scéance de méditation de volonté divine). Rahateo tsy mpanao ampihi-manba ny haren'ny tany tahaka ny mpanana maro rizareo izay hanana fahasahiranana amin'ny fanjakan'ny lanitra,
fanasoavana ny mpiara-belona tsy an-kanavaka no hampiasana ny harena fa tsy karazan-drendrarendra
tahaka ny hanao "villa" na hividy "Avion privé" sns.
Zary heloka eo imason-drizareo aza ny hoe olona iray manana ny miom-pampana anefa ny manodidina azy mandry fotsy, na sakafo tapa-kibo tahaka izay fahita etsy sy eroa indrindra any amintsika .
Ho ahy soa fa nisy i Amma satria nt fitiavana dia miara marary amin'ny tsy fahamarinana koa. Tiako mihitsy hoe misy mpiata-belona amiko (na tsy gasy aza)miombona aina, fanahy fihevitra, fientanam-po ary indrindra tsy hiraviravy tanana fa hahay hanararaotra ity fiaina-mandalo ity.
45. prime ( 22/11/2006 10:04)
Ny tena hitako tsy azon\'i rakaroka dia ny atao hoe kristiana sy ny fiainana kristiana...
46. rakaroka ( 22/11/2006 13:21)
hazavao ary ... fa izao tonga aty ny dada sy mamako avy any madagascar dia nitondra sary audiovisuelle nisy tafika masina tany rizareo: nahafinaritra ahy ery ny nijery azy nisy ireo kristiana manao ezaka isan-karazany:lafiny sosialy , koltoraly, fiaraha-monina sns...dia natao tamim-pitiavana tokoa ... mahavelom-bolo mihitsy , mieritreritra aza aho hoe hifarimbona amin-drizareo, dia efa nisy programme nomanina hiarahana miasa.
47. rakaroka ( 23/11/2006 11:00)
Fa nahafantarako zavatra Bbbbbe tokoa aloha ry Amma:
Ity farany teo tany Toulon, dia mbola hisy hiarahako amin-drizareo amin'ny 10 déc sns...
http://www.webblop.org/video/amma1106.wmv.
En faites nisy sage efa nanao fandinihina zavatra maro mikasika ny fiainana tena tsara ho fantatra mihitsy, ohatra hay ve ny kilalao échec rizareo indiana no namorona azy ( izaho tia milalao échec dia ny ato an-trano). Ny géometrie koa kay ny origine raha ny marina dia tany fa avy eo vao nanao fikarohana koa rizareo Grec. Ny trano raha ny marina
tsara kokoa hono ny hoe avy any atsinanana no misy ny varavarana fidirana: hisian'ny harmonie sy ny force et énérgie vitale kokoa ny foyer amin'izay: mararaka ny fiposahan'ny masoandro. Tsy maninona raha avy any avaratra koa fa ny Atsimo no tsy tsara loatra.
Eto izao dia toa manandro. Ié marina ny fandinihin'i Prime mikasika ahy hoe misokatra ho an'ny rehetra ny fijeriko satria eo am-piatrehana ny fiainana tsy izay nianarana tao anaty boky ihany no takiana fa
zava-maro loha koa dia hadisoana ve ny manana bagages hoenti-miatrika izao mondialisation izao?...
Je crois sincèremment que c'est un plus...
48. soanja ( 23/11/2006 14:55)
Rakaroka> Misy idiran'ny Fen shui ve zany io resaka fipetraky ny trano io?
Misaotra anao ny nizara an.
49. prime ( 24/11/2006 08:46)
Ny atao hoe kristiana dia olona manana an'i Kristy ao anatiny ka Izy sy Kristy dia efa iray, olona nibebaka ka nanombo ny momba azy sy Tenany teo amin'ny hazofijaliana ary efa miara-mitsangana sy miara-belona Aminy amin'ny androny sisa rehetra rehefa vita batisa... ny fiainana Kristiana mazava ho azy dia izay rehetra fiainan'ny mpino, manatanteraka ny sitrapon'ilay Andriamanitra Mahery sy Mpanjaka dia Jesosy Kristy eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina...

Fa na izany aza dia mbola mamerina ihany aho hoe, mila mitandrina ny mpino amin'ny fampianarana toy ny an'i Amma itony... hafa ny hoe manovo fahalalàna ka mandray izany ho fahendrena sy ny hoe mino tanteraka izay tena zava-doza satria misy fanahy miasa ao ambadika...
50. rakaroka ( 24/11/2006 17:25)
Ilay resaka finoana, tsy "dogme" Bbbe fahatany na manaraka ambokony izay voasoratra fotsiny ka! Misy resaka "expérience" mifanaraka amin'ny loi de l'univers.
51. rakaroka ( 25/11/2006 10:12)
Raha nanaraka ny video etsy ambony dia nahita fa misy "tension de négativité" ny olona. Karazana blocage tsy hivelarana eo amin'ny vraie dimension de la vie izany; be kokoa ny fanoherana na intérieur aza:be fanahiana na dia amin'ny tsy tokony ahiana aza:zary zanaky ny ankanosana e: TSY TSARA izany!
Manahy foana no BBbe an-doha, toa miaro fatratra ny
an'ny tena dia manenjika ny hafa lava. Hoy i Amma izay tsy hanao izao ny mpino sasany hoe ny mamako no tena izy, lafatra sy maha-te ho tia fa ny anareo dia mpivaro-tena sanatrian'izany!
52. rakaroka ( 25/11/2006 10:36)
Mamaly an'i Soanja etsy ambony aho. En faite misy fandinihina mi-coincide tokoa.Fa ny trano nonenako tokoa aloha dia any antsinanana no miditra sy mivoaka
izahay ary tena voaporofo tokoa ny filaza eto satria
tsapa fa nisosa tsy araka ny nanampoizina azy aza ny fiainanay!...Dia ny an'ilay namako atsimo varavarana izay tokoa tsapa ho nikororosy!...:atao hoe "coincidence" tsy maninona fa izao fony aho tany amin'i Amma farany teo dia maro ny zavatra namidiny:
zavatra efa fampiasa hatrizay hatrizay ary nahitan'ny nampiasa azy fahombiazana. Dia tahaka izany no fisintonana lesona fa tsy hoe 'ndeha hamorona aho. Nisy fotoana andro tsy sitran'ny dokotera akory ny aretina fa ny "odifery" anatin'ingahy Ratsimamanga no nahasitrana dia isaoran'Andriamanitra nisy izany fa tsy 'ndrha hohenjehiko hoe tsy araka ny baiboly izany tant que tsy ary voasoratra ao anaty Baiboly avokoa ny loi mi-régir ny "Univers". Jereo anie ohatra ny loi de Pytagore amin'ny centre de gravité: marina ny hoe mianjera manantona ny tany ny vainga ka tsy tsinontsiniavina izany satria hoe tsy voasoratry ny baiboly satria lalana mi-régir marina sy natao iainana koa.
53. prime ( 27/11/2006 11:08)
rakaroka:
Ilay resaka finoana, tsy "dogme" Bbbe fahatany na manaraka ambokony izay voasoratra fotsiny ka! Misy resaka "expérience" mifanaraka amin'ny loi de l'univers.
:-D:-D izay no hilazàko hoe tsy azonao ny atao hoe kristiana sy fiainana kristiana...:wink: hafa ny atao hoe dogme, hafa ny atao hoe fahalalàna, hafa ny atao hoe fiainana...:wink:

Ny lalàna mi-régir ny zavatra rehetra sy izao tontolo izao (l'univers) dia Andriamanitra no tompony sy manao izany ary mpandrindra sy mpanjàka amin'izany ka inona moa no mampifanohitra izany @ baiboly? izy anie no namorona an'io e... ka tsy hainy ve hoy ianao izany sa hoe mila lazaina antsipiriany ao anaty baiboly vao lazaina fa fantratr'Andriamanitra? vao maika tena mifototra ny fomba fandinihina zavatra... na ny "théories de la photosynthèse" anisan'ny élémentaire kely indrindra na ny "astronomie" na inona na inona, Andriamanitra no tompon'izany, fa tsy misy azon'iza n'iza ireharehàna na dia kely aza... na izaho na ianao na i pascal na i pythagore, mpindrana fotsiny ihany ary tsy goutte iray akory @ fahalalàn'Andriamanitra no hay ka izany no ilàna fianarana mandrakariva... saingy rehefa mba mahafantatra na dia kely aza dia aleo hiverina Aminy Izy tompony ny voninahitra fa maivana kely raha izay fahalalàn'olombelona...:wink:
54. rakaroka ( 30/11/2006 14:11)
Prime. mahafinaritra ahy ny fijerinao eto mahatakatra fa Loi Divine koa ny loi de l'Univers.Ka eo indrindra isika,satria tsapa fa ignoré-na na tsinontsiniavina mihitsy ireny lalàna tsy voasoratra ao anaty baiboly ireny anefa anisan'ny éléments miconstitue ny "puzzle" de la
Vie mihitsy! Dradradradrainao à l'infinie ohatra hoe : "RAISO Jesoa" jusqu'à tsy zoviana amin'ny maro izany fa tsy MISY HEVINY aminy intsony! Tsy marina mandrakariva fa rehefa hoe mandray an'i Jesoa dia
mandeha ho azy ny ambiny satria tsy voaseho rahateo ny "cause à effet" ifandraisan'izany amin'ny fiainana atrehina ankehitriny. Any an-koatra tsy sur akory!ary nohadinoinao ilay hoe mahazoa fahalalana mahazoa fahendrena, manàna FITIAVANA.
Hiodin-ko vy na ihodin-ko vato sady andrandrain'ilay mpahary no andrasan'ny mpiara-monina dieny eto an-tany anefa ny zavatra telo "concrets" nolazaiko ireo ohatra. Ianao no sahy hitsara ahy ho miharaka amin'Andtiamanitra amin'izany fomba fijery tsy manaraka ny fombafihevitra izany fa na ny "conscience-ko na ny voasoratra na ny Ray tsapako hoe en Harmonie amin'ny fijery sy ny fiaina.
55. prime ( 01/12/2006 11:26)
Tsara dia tsara tokoa raha izany satria mitovy hevitra isika sy enao @ io hoe Andriamanitra no Tompon'ny zavatra rehetra io ary Izy rahateo koa no mandrindra izany...
rakaroka:
Dradradradrainao à l'infinie ohatra hoe : "RAISO Jesoa" jusqu'à tsy zoviana amin'ny maro izany fa tsy MISY HEVINY aminy intsony! Tsy marina mandrakariva fa rehefa hoe mandray an'i Jesoa dia
mandeha ho azy ny ambiny satria tsy voaseho rahateo ny "cause à effet" ifandraisan'izany amin'ny fiainana atrehina ankehitriny. Any an-koatra tsy sur akory!ary nohadinoinao ilay hoe mahazoa fahalalana mahazoa fahendrena, manàna FITIAVANA.
:)

Mampitsiky ahy ny ambaranao satria dia mbola mamerina izany foana aho... ary na tsy izaho aza fa raha mbola olona novonjen'i Kristy tao anatin'ny haizina ka nandray ny fahazavàny dia mitovy hatrany ny holazainy hoe, Raiso Jesosy ho fiainana fa fehin'ny fahatanterahana izany... araka ny voasoratra hoe: "Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay]" Apokalypsy 3:19 sy ny hoe koa, "Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako." Apokalypsy 2:16
56. rakaroka ( 01/12/2006 12:37)
Ny blem 'ngamba dia ilay "codification"n'ny message tiana ampitaina no tsy mi-passe e . Milaza amiko mikasika fibebahana ianao na ny fiainana mandrakizay sns... Dia izao no izy:
Ny Afobe?
Tsy fantatro izany sady tsy tiako ho fantarina
aiza izy izany!
Ny hany fantatro inoako ho marina
dia izao ihany;
rehefa dikaina ny lalam-pitiavana,
rehefa ny ratsy no avela hitavana,
rehefa disoina ny hoe:"fahafahana",
rehefa manjaka ny fifanipahana,
rehefa manafotra ny hery mpandrava,
rehefa mangina ny feon'ny Mazava
satria ny antsoantsony tsisy mpandre...
dia izay no afobe!
57. prime ( 01/12/2006 13:59)
=D=D=D... hay ve enao mpanakanto e...:)
58. rakaroka ( 02/12/2006 09:28)
I Nary A. izay no nanoratra io fa nindramiko fotsiny!
Izaho koa aloha nanoratra tahaka ny hoe:
...Samy nomena talenta avokoa!
Samy andrandraina hamokatra koa
Toa voninkazo: kanto sy manitra!
Ho zanaka miendrika ilay ANDRIAMANITRA!
Fa inoako na i Prime tsy mivolana io aza: manana ny maha izy azy tokoa fa takona tsy fantatro fotsiny 'ngamba dia efa =D=D=D=D: zaho anefa manana talenta BBBbbbe tokotrany mbola afaka mi-enregestre sy manao clip ho an'i Prime aza!
59. prime ( 04/12/2006 10:47)
rakaroka> tena mana-talenta ianao kah...=D=D=D=D
mba ienregistrer'o sy hanaovy clip hoe?...:lol:

Mikasika ny filazantsara dia tsotra ny hevitro ry rakaroka... tian'Andriamanitra manokana ianao ka iriny ny hanatonanao Azy... tsy amin'ny saina fa amin'ny fo amin'ny anaran'i Jesosy... izay no mba hafatro...
60. rakaroka ( 09/12/2006 15:08)
prime:

rakaroka> tena mana-talenta ianao kah...=D=D=D=D
mba ienregistrer'o sy hanaovy clip hoe?...:lol:

Mikasika ny filazantsara dia tsotra ny hevitro ry rakaroka... tian'Andriamanitra manokana ianao ka iriny ny hanatonanao Azy... tsy amin'ny saina fa amin'ny fo amin'ny anaran'i Jesosy... izay no mba hafatro...


Ka aiza aza Izy hohatoniko izany?... s'il joue à la "cache-cache" ... je ne sais pas comment faire!
Eritreretiko hoe ao am-po sy fanahiko ao mihitsy anie Izy matoa voaresaka foana ary nanao ezaka ho amin'ny épanouissement-n'ny fiangonana aza aho fa toa voageza Bbbben'ny structuren'ireo mpitondra fiangonana.
'Zaho izao miaina aty amin'ny faritra izay mihavitsy andro aman'alina ny mpiangona...Ny olana : tsy misy mankany am-piangonana intsony ny manodidina ahy, izaho mandeha mitarika ankizy roa mandeha ho any fa tena henjana izany!....Déjà lavidavitra vao misy fiangonana, vao 5 mn hanombohana dia manontany ny rahoviana no ho tapitra ny ankizy... anontaniany daholo "qu'est-ce que cela veut dire... Ou est Dieu?... comment est-il? etc...


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081