Mamela ahy hiresaka an' i Amma

21. rakaroka ( 06/11/2006 19:03)
Ny hoe réligion na tsia ny christianina.Tsy resaka fifanenjehana ilay izy ka! Tsy mametraka olana amin'izany isika. I Amma vonona hiara-miasa amin'ny réligion manana hitsim-po sy mifanaraka amin'ilay base hoe "spiritualité",Amour de l'humanité, paix, compassion"...
Be anie ny olona sahirana au monde e! raha sanatria aza hoy izy hoe izany no vintan'ireny olona ireny na karma-ny, sns.... tsy anjarantsika manana ny ampy kokoa ve ny manome tanana manampy ny hafa?...
Fa 'za kosa aloha mahatsapa fa na hiodonko ho vy na hiodin-ko ho vato isika ny mpino dia voatsara amin'ny
asany sy ny fitondra-tenany foana, ka toa i Amma ity plutot ny asany sy ny fitondra-tena no tena no tena nasongadiny anatin'ny fampianarana...
Uzy tamin'ny Tsunami ireny mibata gony BBbbe...
mihosina miaraka mibata vato amin'ny olona, dia ilay nankao anaty rano koa izy satria lasa nataho-drano noho ny "tsunami" ny olona: dia niara nikotaba rano niaraka tamin'ny olona. Misy endriny tena ory miaraory, misi endriny mitsiky toa mamelona fanantenana ho an'izao taonjato diavintsika izao!...
Rahateo atrik'asany ny hanasoa ny tontolo!

22. soanja ( 07/11/2006 04:45)
Rakaroka> misaotra betsaka. Zah manana an'ity fomba fisainana narahako hatramin'izay, ezaka sady tiako hiafarana raha mbola azo atao:


"You are the face of Love, I hold you in my heart, You are my family and You are the face of God."

"Ianao no endiky ny fitiavana, noraisiko ao anatiko ianao, ianao no havako ary ianao no endrik'Andriamanitra eo anoloako." Namaste! Soanja
23. rakaroka ( 07/11/2006 16:51)
Raha averintsika vakiana anie ny I koritiana toko faha 13 dia hoe : "Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho...na dia manao faminaniana
ohatran'ny ahoana aza...,sns..." fa tsy manam- pitiavana dia toa kipantsona mikarantsana , toa varahina maneno...tsinontsinona izany.
Dia faranany io toko io hoe ankehitriny ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana ny fitiavana. Fa ny FITIAVANA no LEHIBE amin'ireo!...
Mijery ny fiainana andavanandro anefa toa hoe teraky ny fitiavana isika hono nefa "ni recevoir ni donner de l'amour" à quelqu'un toa tsy iainana akory!...
mieritreritra ity fiainana samy maka ho azy .
Raha miresaka "sujet" details secondaire kely mikasika ny "finoana" izay mitondra amin'ny divergence indray no mibahana: hoy i Amma na atao aza hoe marina ny fanazavanao izany toa ny jiro mirehitra ao anatin'ny fibaliakan'ny masoandron'Andriamanitra izany fa aza hadino ny mafy ady maro miandrandra anao. Na tsy volabe aza hoy izy
fa teny tsotra hitondra fampaherezana ho azy ireny maika moa hevitra sy ainga, fanampiana azy ireny:
izany no faritany hoe vavaka natao!
Tsara ny "paroles" isan-karazany fa manoatra izany ny
"actes" teraky ny vrai Amour, sanatria tsy hirazana sy hitsetra fotsiny ny hafa fa mba nahatondra ny anjara boriky nialofan'ireo sahirana!...
24. prime ( 08/11/2006 12:10)
rakaroka> misaotra... d firy izao no asa soa araka ny fampianaran\'i amma vitanao? mba azo tanisaina v?
25. rakaroka ( 08/11/2006 13:58)
Mampatsiahy ahy ilay fianakaviako izay ny fanontanian'i Prime:Novoriany tato an-tranoko ny fianakaviana aty am-pita dia samy nasainy nilaza ny parcours-ny avy.
Sadaikatra aho ny hitanisa ny zava-bitako eritreretiko hoe "goutte d'eau dans l'ocean" bien que be ny olona mi-reconnaitre hoe nanao zavatra aho
na teo amin'ny fianankaviana na teo amin'ny fiaraha-monina,na tao amin'ny fiangonana aza saingy limitén'ny rafitra ny ezaka tiako nentina tao amin'ny fiangonana.
Amin'ny fotoana iresahako izao dia eo am-pamolavolana drafitra fototra mifantoka amin' ny faritra atsimon'ny tany aho: "GOAVANA BBBBBbbbbe" ilay izy raha ny marina satria antoky ny ampitson'i Madagascar koa izany ka ahoana ampian'i Prime aho hihevitra azy ity?....
26. rakaroka ( 08/11/2006 18:48)
élément iray ao amin'ny fampianarany ny asa soa fa tsy fehiny. Ny izy kokoa dia hoe fiainana am-pitiavana "appliqué" fa tsy sarintsariny sanatria!
Dia ilay "fitiavana io fahaizana mitia na ny tena aza,tahaka izany koa anefa ny namana indrindra fa Andriamanitra : izay ihany.
Hitanisa ny zava-bita?....
Metimety kokoa angamba ny hiheverana ahy hoe tsy nahavita n'inona n'inona, zinona moa izay vitako manoloana ny atrehiko izao sy ny mbola miandry?....
En plus 'za anie ka nihooooooitra mmmmmmaaaaafy tokoa e! dia ny journey-ko na ny seconde saiky natrehina tam-piheverana fatratra mba tsy handalo foana sanatria, indrindra tsy hisian'ny fanenenana:
Mifoha maraina aho mivavaka dia mamaky ny karazana
fahendrena tokony ho fantatra dia manaraka ny planning du jour nomaniko ny alina. Ny alina indray
mivavaka dia manao bilan ny journey!
Saiky nihainako au maximum de mon herintsaina, herim-batana ary herim-panahy ny fotoana maro tam-pitiavana koa fa vao miha aza manampy tosika ny
solika efa eo am-pelatanana ny fisian'i Amma.
27. prime ( 10/11/2006 13:44)
rakaroka:
Amin'ny fotoana iresahako izao dia eo am-pamolavolana drafitra fototra mifantoka amin' ny faritra atsimon'ny tany aho: "GOAVANA BBBBBbbbbe" ilay izy raha ny marina satria antoky ny ampitson'i Madagascar koa izany ka ahoana ampian'i Prime aho hihevitra azy ity?....
... sao dia tokony hilatsaka ho filohan'ny tany tsy momba ny atsy na ny aroa enao?:lol::-D:-D

Ampiako indray ary ny fanontaniako... mitondra mankaiza i amma aorian'ny fahafatesana aza e?
28. rakaroka ( 10/11/2006 21:31)
Tsy voatery hoe hirotsaka filoha anie rehefa manao zavatra e. I Amma anie tsy filohan'i Inde e fa nany filohan'i Inde aza manaja azy rahateo tsy populaire noho izy.
Mikasika ny mandrakizay, raha ny marina tombatombana ny "antsika", rahateo ny plan d'action-ko mibanjina ny "VIE" aloha fa tsy "après vie". Ampy ahy fotsiny ny hoe vitako tsara ny zavatra atrehako "présemment" satria miantoka zavatra maro foana izany, "raha voahatrika tsara avokoa ny 'chaque" seconde", tsy dia hisy hampanahy na ny fahafatesana aza ary ny any ambadika aza vao miha "encourageant" hoe "dia ahoana koa ny manaraka?...Indrindra hoe niainana tam-pitiavana ilay VIE.
29. soanja ( 11/11/2006 13:55)
rakaroka:

Tsy voatery hoe hirotsaka filoha anie rehefa manao zavatra e. I Amma anie tsy filohan'i Inde e fa nany filohan'i Inde aza manaja azy rahateo tsy populaire noho izy.
Mikasika ny mandrakizay, raha ny marina tombatombana ny "antsika", rahateo ny plan d'action-ko mibanjina ny "VIE" aloha fa tsy "après vie". Ampy ahy fotsiny ny hoe vitako tsara ny zavatra atrehako "présemment" satria miantoka zavatra maro foana izany, "raha voahatrika tsara avokoa ny 'chaque" seconde", tsy dia hisy hampanahy na ny fahafatesana aza ary ny any ambadika aza vao miha "encourageant" hoe "dia ahoana koa ny manaraka?...Indrindra hoe niainana tam-pitiavana ilay VIE.


Rakaroka> Tohanako hatrany ny hevitrao. Misaotra betsaka ary mirary fahombiazana hatrany amin'izay ataonao. May God Bless You hozy ny vazah aty aminay. :-*


30. prime ( 13/11/2006 10:02)
rakaroka:
Tsy voatery hoe hirotsaka filoha anie rehefa manao zavatra e.

Pour une vision d'une envergure telle que tu as décrit, ne sois pas modeste...

Sady rahateo koa ianao tsy hitovy @ amma mihitsy no tsy ho amma II rahateo koa fa iza no mahalala raha ianao no filohan'ny pays non aligné?...:lol:

Ny ahy indray ny olona milaza ho olo-kendry nefa tsy mahalala ny hoavy, na ny velona na ny maty, na ny aorian'ny fahafatesana dia karazana olona mitarika ho amin'ny tsy fahalalàna ihany... satria voafetra ihany ny fahalalàn'izany olona izany...
31. soanja ( 13/11/2006 17:29)
Rha any hiranay tany amin'i Katolika dia nisy hoe :

- Manomboka aty an-tany (2)e
Manomboka aty an-tany ny Paradisa a a.
Raha isika olombelona (2)e
Mifankatia.

Ny RAY ao andanitrao a.
Fitiavana tsy misy fetra
.....

Ny tiako resahina ry Prime dia hoe raha ny eritreritra sy ny fahalalana ny any ankoatran'ity fiainana ity dia mety efa manana ny fahalalana kely kosa angamba ny tsirairay satria voalaza ao anaty baiboly. Ary betsaka lavitra noho izany ny fikarohana momba izany saingy ny ety an-tany no base hanombohana ny fandaminana ny fidirana any.
Todiho sy jerena ary ampiharo ny fitiavana izay nozarain'i Kristy tamintsika fa izay no tena mission taty hilaza amintsika fa tiany isika ary miahay antsika izy. noho izany dia raha miasa sy mampihatra ny Fitiavana lazain'i Kristy ny eto isika dia mino aho fa tsy ho tezitra Andriamanitra.
32. dailynews ( 13/11/2006 19:02)

mazava ny fanazavan i rakaroka. raha fintiniko izany ny hahazoako azy amin ny teny roa dia olona tia olona izy ary tia manao soa ary tiany ny mpanaraka azy ho tahaka izany.
misy hitovitovizany amin ny fampianaran i i boudha ihany koa ny fijeriko azy raha jereko tampoka satria dia boudha dia olona tena hendry tokoa ary ny zavatra rehetra lazainy dia tena ohatry ny mety daholo ary izy dia tena manetry tena sns....tsy misy maharatsy an izany mihitsy.
ny olako fotsiny ho an ny kristiana( ho an ny kristiana hoa an), raha mbola kristiana an. dia mila mitandrina amin ny fampianarana tahaka itony satria mahasondriana tokoa ilay izy anefa ho an ny kristiana mitondra tsimoramora amin ny lalana hafa mihitsy.
manomboka mahita lalana hafa ankoatra an i Jesoa handehanana any andanitra sy hivavahana ary atokisana. dia rehefa tafiditra amin'izay anefa dia efa grave be...dia tsy tohizako intsony.
rehefa manomboka mahita hoe izy manasitrana, izy mamaha olana, izy manao an izao sy izao dia manomboka roboka amin ny fampianarana hafa ankoatra an i Jesoa izany dia izay no mila tandremana. Ary miresaka spiritualite i rokaroka eto momba an i amma eto....donc..tsy zavatra innocent ity raha ho an ny kristiana. efa mazava be fa i rokaroka dia nampitovy lenta an i Jesoa, amma, boudha eto...

ohatran izany koa mantsy anie ny resaka boudhisme e, jerena avy ety ivelany sy anatiny tena raitra be mihitsy satria dia ny message mpitiavana no mandeha ary raha jerenareo ny ry zareo asiatika mpandala an io tena ohatra ny metimety mihitsy saingy... raha krsitiana ny olona iray dia mila mitandrina amin ny toa ireny raha mbola te handroso amin ny tena hoe finoana kristiana tsy misy fangaro.







33. dailynews ( 13/11/2006 19:36)
Fanampiny kely: hoy rakorako hoe nivaha ny olana nony avy nahita azy...
fa amin i rokaroka ..hivavahana ve izy sa hoe olona nanao soa fotsiny? ilay pb nivaha ve miracle ho anao? hoe nisy hery avy aminy sns...???


ary farany....raha tsy hivavahana izy dia hoy aho hoe tsara ny modely izay ataony noho ny fitiavany izay asehony.

34. prime ( 14/11/2006 13:05)
soanja:
Ny tiako resahina ry Prime dia hoe raha ny eritreritra sy ny fahalalana ny any ankoatran\'ity fiainana ity dia mety efa manana ny fahalalana kely kosa angamba ny tsirairay satria voalaza ao anaty baiboly. Ary betsaka lavitra noho izany ny fikarohana momba izany saingy ny ety an-tany no base hanombohana ny fandaminana ny fidirana any.
... ny fahalalàna tokoa mety efa mba mahay tokoa angamba ny tsi11 fa finoana mihitsy anie no takiana fa tsy fahalalàna fotsiny e...

soanja:
Todiho sy jerena ary ampiharo ny fitiavana izay nozarain\'i Kristy tamintsika fa izay no tena mission taty hilaza amintsika fa tiany isika ary miahay antsika izy. noho izany dia raha miasa sy mampihatra ny Fitiavana lazain\'i Kristy ny eto isika dia mino aho fa tsy ho tezitra Andriamanitra.
... izaho dia tsy mitsahatra ny milaza hoe tsara miambina isika fa raha miteny Kristy hoe \"ny fitiavana no lehibe indrindra\"... dia ilay fitiavana ao @ Jesosy mihitsy no tiany resahina fa tsy fitiavana araka izay iheverantsika azy... fa ny fitiavana ao amin\'i Jesosy anie misy fetrany sy aro fanina fa tsy hoe fitiavana malalaka be @ izao e...
35. soanja ( 14/11/2006 13:44)
Prime> Ento eto indray ary raha afaka ianao ny teny nivoaka ny vavan'i Jesoa nilaza ny fetran'ny fitiavany. Fantatro fa ny tsy zakany dia ny fiatsaram-belatsihy sy ny famitahana sns fa mbola tsy nahita aho nilaza fa misy fterany ny azy ka ny izao sy izao ihany no tiany sy ny fitiavany. Ny sermon of the Mount no tena nahitako ny fitiavany ary tena ireo no hifikirako. Ny lazain'ny Mpaminany hafa kosa dia hafa satria miankina amin'ilay mpaminany nanoratra azy sy ny vanim-potoana niainany (ara-politika sy sosialy).
36. prime ( 14/11/2006 14:34)
Sao dia tokony hihaino an'i rakaroka aloha isika dia tohizana io rehefa avy eo?... satria lavalava mihitsy mantsy izany hoe fitiavana araka an'i Kristy na ao amin'i Kristy izany...:)
37. rakaroka ( 14/11/2006 16:41)
Hino na tsy hino ahy ianareo, anjarako fotsiny ny mampahafantatra ny heveriko fa synthèsem-piainana
teo amin'izay nolalovako satria "Gasy" mba nirepirepy
MMmmaffffy ady tanteraka koa aho folo taona lasa mahery kely izay:" tsy hainareo izaho nitrongy vao homana tahaka ny mpivarotra mafy ady gasy ireny, rehefa tsy mahalafo dia mandry fotsy." Hatrany aho no efa niara-nandinika lalina mikasika ity fiainana ity. Efa nisy boky maro niara-nandinika arakaraka ny "sujet"manitikitika ary ny sehatra tsy hoe nisy
"Secte" fa izahay samy mpinamana. Nisy boky nikasika ny "herin-tsaina" nodinihina: tahaka ny saka niatrika trano may ohatra miatrika ny hitsambikinany,
ka raha atao aza hoe ny "saka" no exemple, ny fahendrena angamba dia ny mahay mietry tena...
38. rakaroka ( 14/11/2006 16:56)
Misy fampianarana maro nanatsoahako lesona hoenti-miaina... tsy afaka hianina amina fijery iray fotsiny
satria voaforona tamin'izay nodiaviko fa ny fiainana manontolo tsy mitanila no nomen'ilay mpamorona antsika : Misy olona tena maha te ho tia na tsy mahafantatra izay fantantsika aza. Sanatria misy zazamenavava diso tsy vita batisa, tsy te hisaina kely akory aho no tsy hino rahateo hoe ho very izy satria rahateo ny fitiavan'Atra ny tsirairay inoako fa hihoatra lavitra ny fitsaran'olombelona...rahateo tsy nantsoina hifampitsaratsara isika fa samy hanao ny "Tsara" tahaka ilay mpamorona vitany tsara avokoa ny rehetra...Ny "TSARA" à basen'ny FITIAVANA ary ny fitiavana tsy voafetra mihitsy hoe i Jesoa ihany no tokony ho tiavina, na mijanona eo amin'Andriamanitra Ray fa nantsoina ho tia ny voahary rehetra mihitsy anie isika raha ny marina e : hatramin'ny fahavalo aza...
39. rakaroka ( 14/11/2006 17:09)
Ny mahatonga ny boussolen'ny resako hihisaka eo amin'ny fitiavana dia satria sady voalazan'ny Baiboly fa fehin'ny fahatanterahana izany, Ny lehibe indrindra tsy tokony hatao ambanin-javatra, sady tsapako ny veracitén'ny nolazain'ny I korotiana 13 iny e! Ka na hitory mikasika ny finoana tahaka ny inona aza moa, raha tsy manam-pitiavana, dia maysatso tsy hita izay handraisana ilay fampianarana e ; lasa mentale ilay izy fa tsy "spirituel".
Rahateo ny finoana nosoratan'ny baiboly anie ka nampifandraisina tamina asa foana raha ny marina... ary tsy asa kely fa na toa ny voatsinapy aza ny finoana dia afaka ahafindra tendrombohitra...
"Izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.
Donk mampieritreritra ihany ny fiarovana ny fahamarinam-pototry ny finoana iray tsy mamokatra loatra, voasoratra koa hoe "tsarao amin'ny voany ny hazo"...
40. rakaroka ( 14/11/2006 17:25)
Mikasika ny hoe nankany amin'i Amma, nivaha ny olana
hivavaka aminy...
Ka ilay fomba firafitry ny finoana mihitsy no tsy mitovy: 'Zaho MINO an'Andriamanitra raintsika namorona sy ilay niteny hoe manjakà amin'ny zava-boahary rehetra: Tsy ny lalana nataon'ny olona akory no hametra ny hetsiko tsy hikatsaka izay mahasoa ahy:
Normal et logique et naturel izany fihetsiko izany. Ka raha mitady solution any amin'i Amma, raha izay no namaha ny olana , maro anie ny cas toa ahy. Tena sincèremment inoako tsy ho fahotako mihitsy izany : soa fa nisy izy ary niarahana nisaotra rahateo Andriamanitra :
Ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny tontolo no lalàna mahafinaritra ahy indrindra , ny hafa agamba secondaire.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1809