menu du jour" poisson"

1. diamondra27 ( 16/10/2006 23:03)
raketina ve sa sao de misy tsy dakôro.
Oe aiza v de poisson foana no hanina mandritra ny herinandro?

De inon no tianareo, crevettes sa langoustes sa tilapia sa carpe sa raie sa trondrogasy sa blakibasy sainona?

=))=))=))=))=))=))=))

2. diamondra27 ( 16/10/2006 23:09)
manao entrée aloha zany an!

de salade thon
na salade de saumon

inon no afangaro azy de atao aona?
le thon iny zany (miette) afangaro @ macédoine de légumes na atao sosy @ mayonnaise mitokana d'efa izy.
asiana sira sy poivre , tongolo de tongolo ravina sy ze mahafaly ny sainao de vita. Aza adino ny mofo "pain français" (any dago vao mafana io" sao de tezitra eo ndray samoana:-P

kay , adinoko le boiabesan-drasamoana klé

manaraka= langouste atao grillade ngamba no tsara de asiana ail sy persil sa le atao sosy miaraka @ lait de coco no tianareo?

Voilà zay aloha fa @ herinandro indray refa miverina za


3. miantra ( 17/10/2006 07:55)
Merci Diam!

Dia ny laoka koa atao trondro nahandro gasy lafihina anana hum!!!!:miam::miam:

Ny ro matsatso aza adino miaraka amin'ny sakay.

4. diamondra27 ( 17/10/2006 08:35)
miantra: anana na poireaux na haricits verts mety daholo akia a!

de aza adino le kasoka fa iny no tena matsiro
ny ro matsatso indray de ron'angivy asiana anana e:wink: atao nahandro gasy fa gasy isika e!mampatavy be le sakafonjareo vazah tony tsy lasa.

LE LANGOUSTE zaraina 2aloha vao griller-na
hummmmmmm
dessert : fruit de efa ampy fa kamo be za hikotrana

5. Aino ( 17/10/2006 09:33)
ary diams mazoto mahandro raha ny fahitako azy ah!!
6. booboo ( 17/10/2006 09:44)
le thon iny zany (miette) afangaro @ macédoine de légumes na atao sosy @ mayonnaise mitokana d'efa izy.
asiana sira sy poivre , tongolo de tongolo ravina sy ze mahafaly ny sainao de vita.


-Na koa, maka voatabia somary lehibe, esorina ny tampony iny dia loharana @ sotrokely ny atin'ilay voatabia avy teo.
-Atao sesika anatin'ilay voatabia dia saromana @ ilay satroka kely iny avy teo.
-Atao ambony ravin-tsalady dia afaka aroso sy hanina @ miaraka @ mofodipaina raha tianao hihihihihi
7. diamondra27 ( 17/10/2006 10:03)
boobbo:wéé ao tsara ka!
fa nanome hevitra anah ndry an! fa ny ahy ny fanaoko de manao lasary karoty sy laisoa (achard),samy mahay an'io daholo ngambany an! asiana sosy curry de atao anaty voatabia araka ny voalazan'i booboo io , sady sakafo maso no sakafo kibo:-D:-D de atao anaty plat asiana salady de laitue an'i soanja(fa tsy le nandrahoana an!):wink: de inon ko re no azo ampiarahina aminy e! aleo atao maivamaivana fa raha mavesatra be ny entrée de tsy mahalany sakafo eo.

Fa le trondro saosy ao tena matsiro mihitsy
8. booboo ( 17/10/2006 10:04)
Laoka(4pers.) : Truites au vin rouge (fa zà t@ nanao dia zay trondro hitako voalohany teo no nataoko :oops:)

-Trondro lehibebe fa tsy ilay kely blitany ireny na izany aza(truites ouz ilay boky fa bof)
-Karaoty
-Tongolo oignon 1
-Dobera 150g
-1 bouquet garni
-Lafarinina 1 sotro
-Divay mena 2 vera
-Sira sy dipoavatra.

1-Rehefa voakarakara sy voasasa madio ny trondro dia amanina @ lamba klou vao asina sira sy dipoavatra anatiny sy ivelany.
2-Voasana ny karaoty dia tetehina kiboribory
3-Atsonika anaty lapoaly ny dobera, tsy izy rehetra, dia endasina ny oignon sy ny karaoty.
4-Hosorana dobera ny plat fanaovana gratin ireny, dia atao tao ilay tongolo sy karaoty teo. Atao ambonin'ireo ny trondro. Ampiana ilay bouquet garni ary lemana @ divay mena avy teo. **** Aza atao saron'ilay divay ny trondro na izany aza.
5-Asiana feuille-na papier alu. eo amboniny dia masahana anaty lafôro mandritra ny 15 min eo ho eo.
6-Rehefa izay dia tsihifina ny trondro dia garder-na au chaud (saromy fotsiny)
7-Afindra anaty casserole ny jus de cuisson dia atao mihena de moitié (efa eo ambony afo ilay casserole @ io). Rehefa avy teo dia asiana dobera tokony ho 3 sotro (ambiny) ary ilay lafarinina 1 sotro. Afangaro tsara, afo @ malefaka, mandritra ny 3 min eo ho eo.
8-@ farany, dia esory teo ambony afo dia averina asiana potipotika dobera kely. Araraka teo ambonin'ny trondro izy vao mafana tsara iny dia tondé aroso eo no ho eo ihany.

9. bobone ( 17/10/2006 13:36)
:D
ary ny trondro asiana voanio( côcô manakôry!
maka trondro be nofony ireny in-dry ! de hapangotrahana kely!
avy eo esorina ny nofony izany hoe hatao tsongo nofotra! avy eo kikisana @ ambozy aty Mahajanga misy io Ambozy io an! na mety misy koa any à la côte !
avy eo tatavanina tsara fa ilay ranony fotsy be iny no tena ilaina!
arotsaka anaty vilany ny trondro voatsongo nofony de arotsaka ao koa ny ranona voanio na côcô!
de asianao epice kely tongolo gasy voatoto tsara ! poivre kely! izay mety manome hanitra mahafinaritra e!
NB tsy azo asiana menaka anh! côcô de efa ampy!
izay ! aza ritina be fa somary asiana ranony kely
de mazotoa homana e!
tandremo fotsiny sao misy taolany
10. boubounezy ( 17/10/2006 17:35)
mesy diam fa hainjy ny nanoy ny MENU DU JOUR ET JE COMPTE SUR TOI AN!
tsara ny sakafo nataonjy, ny any boobo kou saingy otrany fanao merlan à la française nefa tsy misy maratsy azy kou zany.
ny poisson coco bobone mou dé tena tsara be mintsy fa tsisy otrany lé sakafo matsiro sady maivana ny, nahandro gasy zay lafian zé tina ilafiana azy fa ny lafika tena tiko dé ny sôsety, ny ananana, ary ny haricot véra otrany any diam dé mazoto tsika ary mifanorohefitra fa ny evitriny maro matakadavitra:wink::-*:-*:-*:-*:-*
11. titis ( 17/10/2006 19:45)
trondro lafihana poireau koa tsara!
Zany hoe atao saosy voatabia sy tongolo ny poireau de rehefa mendy tsara de atao eo ambonin'ilay trondro(trondro gasy),avela hiara_masaka tsara @izay de tsy atao be rano fa kelikely ihany.
Deh ampiarao @ vary sy rougail anie fa tena miam miam mitsy.Aoka fotsiny!
12. vale ( 17/10/2006 20:01)
mmmmmmm,:) miam be dôly izy izany!:miam::wink:
13. Fiffi ( 18/10/2006 16:42)
tsara be daholo zany recette-nareo zany an! de inona ny légume ho hanina miaraka @ io ?
14. vale ( 18/10/2006 23:00)
diamondra27:

raketina ve sa sao de misy tsy dakôro.
Oe aiza v de poisson foana no hanina mandritra ny herinandro?

De inon no tianareo, crevettes sa langoustes sa tilapia sa carpe sa raie sa trondrogasy sa blakibasy sainona?

=))=))=))=))=))=))=))


:lol:bilakibasy,hihihihihi



15. diamondra27 ( 19/10/2006 08:25)
vale: inon moa no atap oe: trondro blakibasy?
:oops::oops: Tsy tadidiko akory ange fa za mba miteny fotsiny mahatsiaro le hira t@ fahazazana oe: (misy trondro vao² hono e! , blakibasy no anarany, aiza izy no mipetraka, any anaty rano)

booboo,bobone: misaotra e!:-*
bbnz: he he he, ndry ihany no nampianatra ahy koa

fiffi: vary akia no ampiarahana aminy a!
na ovy ze tiandry
16. tisera ( 19/10/2006 16:34)
izaho ko r'ireto dia tena mankafy trondro mihitsy : na inona na inona karazany ; na inona na inona fikarakarana azy na inona na inona fahandro azy dia tiako foana . Toa efa nomeko teto ny carpaccio na trondro ( saumon , na filet tilapia koa tsara):
- citrons 2 na 3 potserina ny ranony dia asiana aneth sira kely
-trondro 500g eo hoeo
Fisahina manify dia manify ny nofo-trondro rehefa avy nesorina tsara ny taolany dia asoka ao anaty fangaro citrons dia atao eo ambony plat handrosoana azy dia rarahina filet huile d'olive dia atao anaty frigo min 12heures dia mihinana avy eo : atao entrée miaraka @ mayo raha mahiahia !
17. cutie ( 19/10/2006 21:43)
:miam::miam::miam::miam: fotsiny sisa
18. mandrindra ( 20/10/2006 09:45)
tisera, atao à la tahitienne koa tsara ka.
thon no tetehana toy ny kodia kely, sahabo eo amin'ny 2 cm eo ny hebehany. dia avy eo asiana ranomboasary makirana maintso. azo ampiana izay condiments sy épices rehetra mahafinaritra ny tena : ail, persil, coriandre, poivre ...
avela hilona 12 ka hatramin'ny 24 ora, arakaraka izay fahamasahana itiavana azy.
fa tena milay be io, indrindra rehefa atao tsakinady.

fandrahona trondro tsy manahirana : ataovy amin'ny laforo. saromana papier alu ny plaquen'ny lafôro, dia paetraka ny trondro madio asiana voatabia, karôty, poireaux, tongolo egypta. hosorana sira, dia rarahana rano sy menaka kely. saromana amin'ny papier alu dia astofoka ao anty lafôro. ny trondro dia ilay lehibebe tahaka ny vivaneau 1kg à 1,5kg.
19. diamondra27 ( 20/10/2006 11:51)
mandrindra: ny sakafo atao papillote aloha tena sady tsara no mahasalama e!
20. mandrindra ( 23/10/2006 14:43)
diamondra27, ie, sady tsy manahirana ny mahandro azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7244