REINVENTER L\'EGLISE

1. tsimiandravola ( 27/09/2006 14:31)
Miarahaba ny rehetra indray aloha fa efa ela izao no tsy teto.Indro misy toe-javatra tsy dia vaovao loatra fa izao fotsiny aho vao nahita azy,ka inona ary izany?

-Misy pastera Amerikanna antsoina hoe McLaren nanoratra boky atao hoe \"re-inventer l\'église\".Io bokiny io dia natontan\'ny LLB (ligue pour la lecture de la bible) ary amidy ao amin\'ny tranon-kalan\'ny LLB mihitsy (http://www.llbfrance.com/editions/catalogue/rubrique6.html),izany hoe azo antoka fa tohanan\'ny kristianna maro ao antampotampony ao.

-Rehefa dinihana nefa dia tena contesté be mihitsy io boky io
http://www.vigi-sectes.org/mclaren/

Ny tiako ho lazaina eto ny amin\'izany dia tsotra:efa niresaka aho teto ary nivatravatra mihitsy aza nilaza fa \"daba loaka\" ny kristianisma (miala tsiny amin\'ny olo-masina),ary tsapako izao fa na ny kristianina maro aza dia tsy mino intsony ny zavatra efa ninoany taloha fa tampitampenana ny sisa tsy rovitra mba hateza.Tsapan\'io pasitera io,ary tsapan\'ny LLB koa matoa avoakany sy amidiny ny boky,fa tsy misy avenir intsony ny christianisme à l\'ancienne fa tsy maintsy mivoatra manaraka ny toetr\'andro ny kristianisma foronina (integration des homosexuels,des divorcés,etc cf livre...)

-Tsy io pasitera Amerikanna io ihany ny mivoana toy izany fa marobe ireo efa nisy ara-tantara,ary marobe ireo mbola eo ankehitriny:anisan\'izany ity Pasitera mpampianatra téolojia tao Montpellier ity http://pensamiento.over-blog.com/

-Fehiny dia diniho tsara fa raha jerena fotsiny ny zava nitranga mifantoka amin\'ny maha \"daba loaka\" ny kristianisma dia izao avy:-Ny namoahana ny film dernière tentation de Christ-Ny roman nataon\'i Dan Brown-Ny procès de Luigi Cascioli izay mi-denoncer ny historicité an\'i Kristy-Ny boky navoakan\'i Neil Asher Silberman sy Israel Finkelstein-Ny namoahana ny évangile de Judas-etc etc sy ny mbola ho avy...
Ireny rehetra ireny dia eo daholo manambara fa ny firoborobon\'ny finoana misy eo amintsika vahoaka mahantra hatrany afrika ka hatrany Azia dia mariky ny fahantran-tsaintsika ka tsy ahafahantsika mioitra.Ny soatoavin\'ny olona no ankamamiana fa ny antsika navela,ny fomba fisainana sy fijerin\'ny vahiny no nataontsika ho filamatra fa ny antsika natao fakofako.

Dia izay aloha no voalaza hatreo fa mbola hitohy
novalian'i prime ny 12/10/2006 06:17
2. vetsoko ( 27/09/2006 15:25)
misy zavatra ngeza be ity tiako ho azonao tsara,important ity fa diniho tsara:
ny film,ny boky,ny zavatra alefa @ internet rehetra dia fantaro fa misy mpanoratra daholo,noho izany mety ho conviction personnelle,mety ho fanohanan-kevitra,mety ho fampielezan-kevitra,bref HYPOTHESE na ANALYSE;IALAO NY FIHEVERANA HOE MARINA DAHOLO IZAY ALEFA na film io na inona,jereo hatrany ny biographien'ilay mpanoratra na réalisateur dia ho azonao daholo ny hevitra tohanany sy aheliny,fantaro koa ny nationalitény sy ny finoana arahiny.
Mikasika ny christianisme indray na i christ dia nisy nanao azy ho fitaovana,marina izany,fa misy koa ny tantara marina momba an'i christ,voatantaran'ny baiboly sy boky maro samihafa,ny zavatra vitany,ny fiainany,ny fampianarana navelany,,ireny kosa no niteraka finoana ho an'ny kristianina sasany,FINOANA IO;nisy ny fahagagana ary nisy ny faminaniana maro efa tanteraka hatramin'izay ary voamarina ao anaty baiboly.Fantaro fa ny baiboly sady teny soratra masina misy faminaniana no koa sady RECITS sy tantara voarakitra ara-tsoratra,donc authentique,marina
ZA aloha mivavaka @ jesosy ,mino azy,izany rehetra izany dia nohon'ny zavatra hitako sy niainako
3. jentilisa ( 27/09/2006 15:40)
inona avy moa ilay antsika navela? tanisa no andrasako!

Izao koa manko! efa be dia be ny mampifanohitra ny fiangonana ila-bola-tany atsimo sy ila-bola-tany avaratra satria efa be ny mivaona ny any avaratra amin'ny resa-pinoana. Ary raha amerikana indray dia miala tsiny aho fa ilay avy any amin'ny ankapobeny tsy azoazoko loatra. Izay mitana ny finoana madio ihany angaha ka mety ekeko!
4. Kamoufle ( 27/09/2006 15:53)
Tena ty misy azoko izany resaka izany fa serieux loatra, I schumacher aza efa haka retirety koa mbola mc laren a mc laren , tsy aleo indray Mba moto GP no resahana ,mba manaraka ny teknikan'i valentino rossi , za aloha boky Yamaha ihany ko , sady matanjaka no tsara motera eee, allez rossi , ouiiii le dok of the road... sa ahoana letsy ry hery looooo eugene..
5. vetsoko ( 27/09/2006 16:21)
mialà i kamoufle @ le rubrique fivavahana ia mifinra rubrique hafa raha io ny valintenin'ise @ le sujet mandeha
6. jentilisa ( 27/09/2006 16:27)
tahaka ny fantapatatro ity Kamofle ity fa izany hoe tsy tian'i...ilay tsy tiany maizina ao amin'ny momba ny TJ...tondroina mivantana!
7. pissoa ( 27/09/2006 16:43)
:-D:-D:-D
8. tsimiandravola ( 27/09/2006 21:32)
vetsoko:

misy zavatra ngeza be ity tiako ho azonao tsara,important ity fa diniho tsara:
ny film,ny boky,ny zavatra alefa @ internet rehetra dia fantaro fa misy mpanoratra daholo,noho izany mety ho conviction personnelle,mety ho fanohanan-kevitra,mety ho fampielezan-kevitra,bref HYPOTHESE na ANALYSE
Ny conviction perso no mitambatambatra dia lasa conviction de masse,ny fanohanan-kevitra dia fitaovana ahafahana mandresy lahatra,ny fampihelezan-kevitra dia vokatry ny hevitra heverina fa efa matotra,ny Hypothèse sy analyse dia voaray ao anatin'izany fanohanan-kevitra izany,ka na marina daholo na diso daholo,na marina antsasany fa diso ny antsasan'ny film na boky na kabary na hypothèse na analyse dia porofo izany fa DISCUTABLE ILAY TOE-JAVATRA.Ka ny toe-javatra discutable (à priori mihevaheva) voalaza eto dia ny kristianisma niainana sy ninoana hatreto.

vetsoko:
IALAO NY FIHEVERANA HOE MARINA DAHOLO IZAY ALEFA na film io na inona,jereo hatrany ny biographien'ilay mpanoratra na réalisateur dia ho azonao daholo ny hevitra tohanany sy aheliny,fantaro koa ny nationalitény sy ny finoana arahiny.
Fepetra voaaraka foana ve izany eo amin'izay ankatoavin'ny eropeanna avy any amin'ny outre atlantique????Eritreretinareo angaha fa tsy Europeanna ihany koa anie ireo Amerikana ireo ?:mitovy tradition,mitovy hoditra ,mitovy ambition.....
vetsoko:
Mikasika ny christianisme indray na i christ dia nisy nanao azy ho fitaovana,marina izany,fa misy koa ny tantara marina momba an'i christ,voatantaran'ny baiboly sy boky maro samihafa,ny zavatra vitany,ny fiainany,ny fampianarana navelany,,ireny kosa no niteraka finoana ho an'ny kristianina sasany,FINOANA IO;nisy ny fahagagana ary nisy ny faminaniana maro efa tanteraka hatramin'izay ary voamarina ao anaty baiboly.Fantaro fa ny baiboly sady teny soratra masina misy faminaniana no koa sady RECITS sy tantara voarakitra ara-tsoratra,donc authentique,marina
Tsongoiko fotsiny ilay hoe voamarina ao anaty baiboly:héhéhé!raisonnement circulaire toy ny hoe marina ny baiboly satria voasoratra ao fa marina izy.Mba fantatrao ve fa ny baiboly irery no boky antitra basivava miteny irery?Ny sisa rehetra dia nodoran'ny kristianna daholo,hany ka ny baiboly irery sisa niangana ary miteronterona irery eo anivon'ny lavenon'ireo boky manakiana azy rehetra sy ireo tsy mitovy firehana taminy rehetra...
vetsoko:
ZA aloha mivavaka @ jesosy ,mino azy,izany rehetra izany dia nohon'ny zavatra hitako sy niainako
Zonao tokoa izany,ary manaja ny fahalalahanao ny amin'izany aho ,saingy raha azo atao dia ataovy tsiambaratelo fa aza aseho vahoaka fa mahamenatra ê!


9. tsimiandravola ( 27/09/2006 21:49)
jentilisa:



Izao koa manko! efa be dia be ny mampifanohitra ny fiangonana ila-bola-tany atsimo sy ila-bola-tany avaratra satria efa be ny mivaona ny any avaratra amin'ny resa-pinoana. Ary raha amerikana indray dia miala tsiny aho fa ilay avy any amin'ny ankapobeny tsy azoazoko loatra. Izay mitana ny finoana madio ihany angaha ka mety ekeko!

Ny fifanoheran'ny bola atsimo sy avaratra misongadina indrindra dia ny fandrosoana ara-toe-karena .Manana tombon-dalana be ny bola avaratra .Raha tsorina dia vao maika izy ireo nandrosoa satria efa ela izy ireo no nanao ny "revolisiona indostrialy" ary koa revolisiona manohitra mpitondra fivavahana sy ny fivavahana,ka nahatonga ny fisarahan'ny Fivavahana sy ny fitondrana.Dia io ilay tonga amin'ny ilay hoe "ny mahantra ihany no mahantra ê!Sady efa tototry ny tsindry hazo lena ara-ekonomia no mbola tsindrin'ny obscurantisme kristianna.Izany no mahazo ny bolan-tany atsimo.
jentilisa:
Ary raha amerikana indray dia miala tsiny aho fa ilay avy any amin'ny ankapobeny tsy azoazoko loatra. Izay mitana ny finoana madio ihany angaha ka mety ekeko!
Ka na azoazonao ry zareo na tsia ,inona no miova?Rehefa lasa fihetsiky ny la masse ilay resaka dia hisy dikany inona olona iray na roa manaiky na tsy manaiky???Diniho tsara fa ny LLB mihitsy no manely an'ilay boky,dia eritrereto amin'izay ny ampahan'ny kristianna mety hiova hevitra ka hirona amin'ny voalazany.Ary enga anie ka ho olona déçue no ho maro ka hiala amin'ny obscurantisme kristianna mba ahafahantsika mianakavy mirona any amin'ny social sy ny politika sy ny soatoavina sns ranoray fa tsy hilamaka any amin'ny opium du peuple!!

10. jentilisa ( 28/09/2006 07:03)
Ity fanontaniana ity dia haveriko foana:

Inona tamin'ny soatoavintsika ary no navela nefa tokony ho notohizana? Tadiavinao tsy valiana io. Ny ila-bolatany avaratra sy atsimo indray dia izao. Tamin'ny voalohany dia finoan'ny mahantra sy ny antonontonony fari-piainana io finoana kristiana io. Ny manankarena hatrany no mahatonga fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra. Vakio tsara ny epistily nosoratan'i Jakoba. Izao ny ila-bolantany avaratra misisika amin'izao hoe atao mitondra fiangonana izao ny "homosexuel". Izay dia fanasarahana goavana be ihany koa na toy ny tsy misy dikany aza aminao.

Ny finoana kristiana ihany koa dia fiainana sy fisainana. Angaha ny hitsikera ny fiainanay no andehananao eto? Avelao izahay hiaina ny fiainanay araka ny finoanay raha izany no itazonan'ny fahamarinana eto amin'ity tany ity.

Raha ny tsy finoanao ny fisian'izay Jesoa na mampihevaheva ny finoana kristiana no ahafahanao mitandro ny fahamarinana sy mampanjaka ny rariny amin'ny olona samy olona dia tano ho anao ihany koa izany. Ary izaho tsy menatra ny finoako fa hery ho ahy ny finoako...

Raha ny hoe LLB indray, fa angaha izy no mpiandraikitra ny finoan'ny kristiana? Vondron'olona no ao amin'ny LLB fa tsy ny administrasionan'ny finoana kristiana tsy akory.
11. rakaroka ( 28/09/2006 10:04)
Tsy fombako an'i Tsimiandravola kosa aloh fa isan'ny mampahantra ny mponina ny faritra atsimo raha zohina ny tantara dé ny obscurantisme nentin'ny finoany:
Nisy mpikarola Grika: Pythagore,sns... I Descartes izay namoaka vava hoe: "mbola ho eny amin'ny volana ny olona indray andro any" izay tsy ninoana tamin'izany fa izao efa tarafin-drizareo amin'ny "Google earth" indray ny position'ny olona tsy naharaka ny fandrosoany tahaka an-drizareo silamo hoe mihohoka sns ...ihany ny anay! dia tara e!...
Ilay izy kosa anie voasoratra ao amin'ny baiboly fa ny zavatra rehetra dia natao ahasoa izay tia an'Atra ka tsy tokony ho "Borné " , zary vao misy zavatra hafa mitranga dia action de rejet izany foana!Koa nahoana no tsy hahantra?...harena koa anie ny hevitry ny hafa e! Sa "suffisance" ny hoe manana ny "Baiboly"?...
12. vetsoko ( 28/09/2006 10:09)
Tsimiandravola tsotra le izy,tsy mino ianao dia manamarina sy manaporofo ny tsy tokony hinoana sy hanarahana ny christianisme,za mino sady nahita soa t@ le izy dia tiako ho zaraina @ hafa.
Za dia aty @ bola tany avaratra no mipetraka,manankarena ny aty ary mandroso araka ny filazanao azy ary mbola ny christianisme no mibahan-toerana sy majoritaire:allemagne,suisse,royaume uni,danemark,finland,norvège,Etats-unis,italie,espagne,suède...Détrompez vous,ary vao maika miakatra be le izy satria miakatra koa ny musulman,izany no réalité aty
13. rakaroka ( 28/09/2006 10:25)
Mamaly ny resak'i Jentilisa angamba aho hoe inn ny zavatra toa nariana? tsy noheverina loatra?...
Tena tsy tambo isaina 'lé izy.
raha tsiahiviko anao fotsiny ilay kalo hoe:
"Ianao no tena malagasy... fa tsy ireny 'Ntaolo ireny!":
Na fihetsika , na fiteny, na fomba,... tsy voatanisa!
mbola eo koa ny harena "may", namidy sy tsy nokarakaraina...
Misy karazana fandinihina MMMmmaaaro vitan'ireo mpandinika tsotra tamin'ny faritra maro fa tsy nahoana loatra. Ohatra karazana fampiasana ravin-kazo,sns: nobatiana 'lé izy anefa Ratsimamanga namoaka izany, maro aza no mi-valorisé azy ny aty ivelany!
Ny "fanandroana" , satria tsy heverina hoe ara-pomba kristiana, mba fantatrareo moa fa efa taloha lavitran'ny nahaterahan'i Jesoa anie no efa nisy ny fandinihina toa izany, mandrak'androany!Ary tsy hoe satria tsy mi-"intéréssé izany ny "chrétien" dia tsy misy fahamarinany na tsy tokony hoheverina, anefa ny fahafantarana ny lalàna rehetra mifehy ny natiora no ahato ilay tso-dranon'Atra hoe manjakà amin'ny tany!
Mila "ouverture d'ésprit ny "kristiana"!"...
14. jentilisa ( 28/09/2006 11:30)
tsimindravola ve no anontaniana dia rakaroka no mamaly? averina ihany izany ilay fanontaniana e! inona ilay soatoavina tokony notohizana dia navela? izay manko izao no tena tian-ko fantatra! eto manko dia heverina ho mihevaheva amin'ny tsy antony ny finoana kristiana...efa mahazatra amin'nyadi-hevitra fanao iny fa ilay soatoavina indray no tiako resahina.
Tsy mety manko amikoilay maka referansa ami'nny baiboly ataon'i rakaroka nefa ny baiboly sy ny fahamarinany anie no tena thoherin'i tsimiandravola e!

15. lolabe ( 28/09/2006 11:53)
Tsimindravola a! marina tanteraka ny voalazan'i vetsoko, ianao efa ao antin'ny tsy finoana, ireo olona milaza azy ho mpanoratra ireo ko efa ao anatiny ihany koa, de tano mafy ny tsy finoanao fa raha tena handalina izany kristianisma izany ianao de tsy misy afatsy ny baiboly irery ihany vakiana fa aza mandany andro @ ireo boky nosoratan'ireo te hanaratsy mafy ny kristianisma ianao. Izay foana no mbola mahavoa ny tany andalampandrosoana, mora rebireben'ny olona @ fomba fieverany sy izay tafiditra ao antsainy momban'ny kristianisma hany ka lasa manaraka tsy fidiny ireo izay atao hoe secte, izay milaza fa any aminy no tena misy ny marina ary mivoy teny na fehezan-teny tokana ao @ baiboly mba hanamafisana ny tiany hahatongavana, fa fotory tsara ny baiboly de hitanao ny marina rehetra momban'ny kristianisma.
16. tsimiandravola ( 28/09/2006 20:16)
jenty lisse:
Inona tamin\'ny soatoavintsika ary no navela nefa tokony ho notohizana? Tadiavinao tsy valiana io
Tsy hoe tsy te hamaly an\'io aho,fa mivoana be ny sujet raha idirana izany.Ka raha azon\'i Jentilisa atao dia mamorona sujet ny amin\'izany.Isaorako fotsiny aloha i rakaroka nanome santionany amin\'izany ,fa ny ohatra azoko omena fotsiny mba tsy ivoahana be loatra amin\'ny sujet dia toy izao:

Nisy olona manamanjo novangiana tany ampiangonana (protesta eto frantsa),i dadapasy no misolovava ny mpamangy.Rehefa tena nozohina ny fizotran\'ny famangiana dia malahelo aho milaza aminareo fa tsy nisy intsony ny fomba nentim-paharazana tamin\'izany fa i Dadapasy irery no niteny,tsy nisy ny mpamaly,...tsapako tamin\'izay fa misy conflit ao ary tsy eo ihany no ahatsapana izany fa amin\'ny zava-maro hafa,,, ka nanjary zary fiteny mihitsy aza ilay frazy hoe :\" araka ny fomban-drazana izay tsy hita izay maharatsy azy\".Nanjary ny fomba fisainana kristianna no enti-mitsara ny fomban-drazana mba ahitana na misy na tsy misy maharatsy azy!!!!Amiko izany dia milaza azy ho raitra mihitsy ny kristianisma fa ny nentin-drazana dia KENDANDRENINY!Ka izany no anisany mahatonga ahy manao \"tsikera\" ny kristianisme.

Ka raha iverenantsika ny sosan-kevitra eto dia maro ny teolojianna no mirona any amin\'io fiovam-penitra io satria fantatr\'izy ireo fa mitombina tsara ny kritikan\'ny athée,sy ny agnostique,ary ny tsy mpivavaka isan-karazany..nefa tsy afa miandany amin\'izy ireny ry zareo fa aleony manova planna,...Misy amin\'izy ireny no lasa manao politika sisa,misy ny manova planna toy ny voalazako teo ary voakasik\'izany i McLaren Brian nanoratra an\'ilay boky,misy indray ireo vao maika aza mirona(mody mirona) any amin\'ny fivavahana satria fitediavam-bola mahomby mihitsy io (tsy atoro an\'izany isika saingy maro koa ireo mahita fika foana hi-excuser-na ny christianisme na dia voatery helohina aza ny \"mercenaire\" mampiasa izany ho fitediavan-karena).

Feheziko kely indray aloha ity:ny finoana monothéiste judéo-christiano-islamiste mihitsy no tena lo-aty,ny baiboly mihitsy no tsy azo ianteherana satria mifototra amin\'ny \"rêve\" sy \"vision\"(j\'entend délire) araka ny efa voalazan\'ny mpitsikera maro.
17. tsimiandravola ( 28/09/2006 20:48)
lelaBBBBBE:
fa raha tena handalina izany kristianisma izany ianao de tsy misy afatsy ny baiboly irery ihany vakiana fa aza mandany andro @ ireo boky nosoratan\'ireo te hanaratsy mafy ny kristianisma ianao
Tamin\'ny andro taloha mbola nahafahan\'ny manampahefana kristianna nanenjika,namono,najakazaka taon-jato maro dia namono izy ,nanejika ary indrindra indrinda nandoro sy namotika ny tahirin-soratra manohitra rehetra..mba tsy hisy hiangana intsony afa-tsy ny baiboly irery ihany.Nisy ihany nefa ireo ankanga sisa nanamborana vavolombelon\'ny zava-nisy tamin\'ireny andro ireny dia ireo evanjely rehetra naloha,nariana nohezahana nopotehana kanjo nisy ihany no tsy potika,anisan\'izany ny evangile de Judas.Tsy misy mi-interesser ahy ny amin\'io afa-tsy ny maha vavolombelon\'ny théorie Christique an\'ilay izy,izany hoe théorie bemiray notsongoina tamin\'ireo evajely maro mifandipatra(=arbitraire)

Ankehitriny kosa ,tsy azon\'ny kristianna atao intsony ny mandoro,mamotika ny sangan\'asan\'ny mpikritika ...(raha azony natao nataony an!) Hany azony atao dia miteny toa an\'i lolabe io manao hoe tsy misy afa-tsy ny baiboly ihany eeeee!!!

lelaBBBBBE:
mivoy teny na fehezan-teny tokana ao @ baiboly mba hanamafisana ny tiany hahatongavana, fa fotory tsara ny baiboly de hitanao ny marina rehetra momban\'ny kristianisma.
Satria i lolabe dia manao plia vava fotsiny fa tsy mahafantatra akory ny momba ny olona miresaka aminy dia mamela ahy hiangavy azy (an\'i lolaB) hamaky ny teny efa nosoratako tamin\'ny olona maro.
Efa leo aho ka tsy te hifaninana fahaizana baiboly amin\'iza iza,tsoriko fotsiny fa efa nandalina lava ny baiboly aho satria efa 45 taona aho vao afaka tamin\'ny finoana monothéiste.Ka jereo ity http://tsinisijesoa.free.fr/fanolorana.html
18. tsimiandravola ( 28/09/2006 21:32)
V tsokotsoko:

Tsimiandravola tsotra le izy,tsy mino ianao dia manamarina sy manaporofo ny tsy tokony hinoana sy hanarahana ny christianisme,za mino sady nahita soa t@ le izy dia tiako ho zaraina @ hafa.
Izay soa aminao dia tsy voatery ho soa amin\'ny hafa,resaka tena personnelle be mihitsy izany,noho izany dia tsy tokony hozarainao mihitsy,nefa moa tsy azo ferana ianao,noho izany dia aza mametra ny mpikiritika koa,hany an!!!!
V ma-tsokotsoko:
manankarena ny aty ary mandroso araka ny filazanao azy ary mbola ny christianisme no mibahan-toerana sy majoritaire:allemagne,suisse,royaume uni,danemark,finland,norvège,Etats-unis,italie,espagne,suède...
ireny dia firenena de tradition judeochrétienne,tsy ho afaka hiala amin\'izany ny fisainany na tsy mino intsony aza ny olona maro.Jereo fotsiny izao fa rehefa misy débat momba ny fisiana na tsy fisian\'i Dieu ny europeanna dia iza no ao an-tsainy? tsy iza akory da i Dieu au singulier,izany hoe i Jehova.Izany hoe efa voatefy fotsiny ny sainy dia lasa reflexe fotsiny ,lasa \"argent comptant\" foana ilay monothéisme,lasa toy ny hoe zavatra efa raikitra ,nefa lova avy amin\'ny judeochristianisme fotsiny.Izany akory tsy manao hoe kristianna daholo ireny olona ireny.C\'est vous qui devez vous détromper.
v tsokotsoko:
Détrompez vous,ary vao maika miakatra be le izy satria miakatra koa ny musulman,izany no réalité aty
Tsy ny fikiriambiby amin\'ny kristianisma no fitaovana mahomby hiadivana amin\'ny silamo.Raha izany no eritreretinareo dia hoy aho hoe :reviser-vo daholo ny copie.Tsy misy afa-tsy ny laisité,fa raha fivavahana no atao ampinga hiadiana amin\'ny fivavahana dia rava eo izay ho rava.Lasa guerre de réligion ilay izy.Ka izaho dia tsy te hanao anareo hoe:mifanapaha loha aloha ianareo samy mpino ao amin\'ny monothéisme fa rehefa tapitra mifamono daholo ny katolika sy ny shiiite,sy ny protesta sy ny sunite dia ho hita eo.
19. Fiffi ( 28/09/2006 21:54)
tsimiandravola: tena lava be ny fanazavanao an! :) aleo aloha ho vakiana miadana zany alohan'ny hamaliana .
20. Bibilava ( 28/09/2006 22:38)
Ataon'ny anay!!
Malailay!
Toy ny mpaka kitay!
Mba kôzy ry Tsimiandravola an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1266