REINVENTER L\'EGLISE

41. rakaroka ( 02/10/2006 21:16)
Voalaza ao anaty "sujet" moa ny resaka homosexuel Koa tsy hanahirana ihany ho an'ny Eglizy
ny hanao ny mariazy any am-piangonana raha ho an'ireo mpifototra amin'ny baiboly?...
Tsy hisy intsony ny hoe "tsy tsara raha irery rahalehilahy raha samy vehivavy no eo na hoe ny lahy no lohan'ny vavy, sns...
42. tsimiandravola ( 02/10/2006 23:00)
rakaroka:

Voalaza ao anaty "sujet" moa ny resaka homosexuel Koa tsy hanahirana ihany ho an'ny Eglizy
ny hanao ny mariazy any am-piangonana raha ho an'ireo mpifototra amin'ny baiboly?...
Tsy hisy intsony ny hoe "tsy tsara raha irery rahalehilahy raha samy vehivavy no eo na hoe ny lahy no lohan'ny vavy, sns...

Tena manahirana mihintsy ka!Fa izany hoe izao ,hitan-dry zareo foana ny hanaovana azy e,ary izany mihitsy no anaovany hoe "re-inventer l'église". Ny ahy ,ny mahamaika ahy fotsiny dia ny hoe,matoa ry zareo manao hoe re-inventer l'eglise,dia fantany fa tsy mandeha lalana izany ny hatramin'izay,IZANY HOE MARINA IHANY IZANY NY AN'NY MPIKIRITIKA HATRAMIN'IZAY,ary marina koa izany ny ahiahiko taloha izay lasa sureté ankehitriny,mikasika ny eglise sy mikasika an'i Jesoa


43. tsimiandravola ( 02/10/2006 23:02)
Tsy nisy na hoviana na hoviana i Jesoa Kristy
http://tsinisijesoa.free.fr/tsinisijesoa.html
44. jentilisa ( 03/10/2006 07:55)
Tsy athée aho fa miteny toy ny athée, tsy miaro ny obscurantisme animiste aho fa mamely ny obscurantisma kristiana. Fa iza no milaza aminao fa hidaroka baomba an'izao tontolo izao ny iraniana silamo? Satria ve izany no lazain'ny kristiana amerikana? Fa iza marina no tena inoanao e? asa fa dia misaritaka anie izany hevitra izany e! ary izay no mampisisika ahy hanontany ilay soatoavina. Fototra io fa tsy sisiny velively.

izaho tsy mino fa hidaroka baomba nokleary an'izao tontolo izao ny iraniana. Ny fantatro dia tsy te-handany solika izay mihalafo vidy izy dia mampiasa angovo hafa ao amin'ny fireneny fa mivarotra ny solika mihalafo any ivelan'ny fireneny.

Eritreretina ho bado loatra manko ny mpivavaka iraniana satria mpiavavaka mira vendrana amin'ny sasany ka tsy mba mahay mijery ny lafiny ekonomia sy ahazoany tombotsoa. Rehefa te-hampiasa saina dia ampiasao manontolo sy irery ny saina. Ny mahavariana anie dia ny vazaha tsy mino indray no inoanao rehefa niala tamin'ny finoana ny vazaha nino ianao e!

Ny tena namotika ny saina teto Madagasikara tsarovy fa athées no betsaka tamin'ny governora jeneraly namotika io saina io fa aza ny kristiana ihany no enjehina eto.

Asa fa tahaka ny miovaova hevitra ihany ianao ra-tsiamiandravola. Inona no dikan'izany tsy misy religion izany rehefa tsy athée? Fanontaniana anjorony fanodinan-dresaka indray ve izany? tandremo sao mibolisatra tahaka ilay kolontsaina teo indray rehefa tsy iny ny fototra e!
45. vetsoko ( 03/10/2006 13:20)
vehivavy anankiray accidentée t@ moto dia natao ablation ny tranon-jaza,par conséquent tsy miteraka intsony izy hoy ny dokotera ary normale izany,nitodika t@ fivavahana izy,dia nangataka zaza,ny vadiny tsy nino mihintsy ;nalefa ny fitondrana am-bavaka sy ny ets... BEVOHOKA izy avy eo,ary dia teraka soamantsara,any io ramatoa io,any koa ilay zaza,hitako ny naha-accident azy,hitako ny naha-bevohoka azy,namangy azy izahay t@ teraka izy,dia any le akizivavy efa 17 ans izy izao.Manomboka eto za tsy hamaly anao @ raison intsony fa hotantaraiko sy ho démontreko aminao hatrany fa misy ny métaphysique sy ny domaine ivelan'ny raison sy logique humaine ary spirituelle
46. prime ( 04/10/2006 09:12)
D asa aloha ry tsimiandravola fa tsy mbola voa démontre'nao hatr@ izao hoe tsy nisy Jesosy... ary na dia eo amin'ny lafiny tantara fotsiny aza, raha Jesosy no tsy nisy d Andriamanitra mihitsy no tsy misy... d tsy nisy koa angamba ry mahomet... ry Mosesy... ry Jakôba...
47. tsimiandravola ( 04/10/2006 10:49)
prime:

D asa aloha ry tsimiandravola fa tsy mbola voa démontre'nao hatr@ izao hoe tsy nisy Jesosy... ary na dia eo amin'ny lafiny tantara fotsiny aza, raha Jesosy no tsy nisy d Andriamanitra mihitsy no tsy misy... d tsy nisy koa angamba ry mahomet... ry Mosesy... ry Jakôba...

Ataoko fa diso be ny fandraisan'i prime ny resaka.tsy ny démostration ny amin'ny tsy fisian'i Jesoa mihitsy no tsy vitako fa ny ady atao amin'ny aizintsaina sy ny esprit borné ary ny cerveau lavé no tena mafana vay:Aiza re Ra-prime no ahafahana mampiaiky olona tsy te hijery amin'ny fahiratan-tsaina tokony ho izy toa an'i Lazarandria toy ity?:
Lazarandria:
"Atao inona anefa izany? Ampy ahy ny fahafantarako fa tonga namonjy antsika izy, ary mbola hiverina haka antsika. Tsy ilaiko fantarina akory hoe rahoviana. Ny adihevitra tsy ahitan-tsoa ankoatr'izay tsy dia ilaiko loatra satria manome vahana fifanjevoana".
Dia toy izany no olona ifampiresahana,dia inona no démostration azo asetry ny olona toy izany??????Ary any no mipetraka indrindra ny olana fa tsy any amin'ny demonstration loatra.

48. Bibilava ( 04/10/2006 10:53)
Hitako fa marina mihitsy kosa aloha io voalazan'i Tsimiandravola io an!:lol:
49. jentilisa ( 04/10/2006 15:04)
hay ve lazarandria ihany no anaporofoanao fa borné, lavé ny sasany e! fa na izaho aza tsy mitovy hevitra aminy na oviana na oviana. Ny fandraisana andraikitra eto amin'ity izao tontolo izao ity no tena foto-kevitra ijoroako.Ny manao safobemantsina ihany koa ho'aho tsy mety.

Avelao hiasa aminay ihany ny otrikaina mamelona anay raha poizina aminareo ilay izy. Tsara ianao raha mamoaka boky na lahatsoratra lava avy aminao mihitsy, avy amin'ny fanadihadianao manokana fa tsy nadika avy tamin'olona izatsy na izaroa fotsiny.Mbola manana fivavahana ihany ianao (na tsy misy andriamanitra intsony aza ilay izy)raha mazoto mampiely hatrany ianao nefa hevitr'olona mba hitanao no nahatonga anao resy lahatra. Jereo tsara fa tsy manakiana anao aho, manome soso-kevitra ho anao aho. Raha fanaratsiana fotsiny ihany manko no atao...fandravana ihany izany no misy fa tsy misy ny fanorenana. Raha mandrava, mamotika fotsiny manko tsy mahasoa na inona na inona izany fa sady mametraka ianao ny zavatra rehetra tokony handraisan'ny tsirairay ny andraikiny amin'ny zavatra tokony ataony avy.

Izaho hatramin'izaho dia fanovozam-panahy be ho ahy ny baiboly. Tsy misotro azy toy ny ronono intsony aho fa mihinana azy toy ny amin'ny ventin-kanina. Ny hena moa amin'izao fotoana izao eto Madagasikara dia misy taolana. Ny andro ho avy no tsy fantatra...:lol:...koa izaho ve dia terenao hihinana taolana na dia hita izao aza fa tsy ho lany tsy azo hanina iny. Nefa tsy ny taolana ihany koa no tsy ihinanako hena. Haiko ny manala ny hena. Izay rahateo no ilana ny saina e! sa tsy mampiasa saina aho amin'izany fa borné sy lavé sy...:lol:
50. tsimiandravola ( 04/10/2006 21:37)
Jentilisa:
Avelao hiasa aminay ihany ny otrikaina mamelona anay raha poizina aminareo ilay izy
.Ka mampalahelo anay anie ianareo e!:lol: ary raha poizina ho anay ilay izy dia poizina ho anareo koa izany fa saingy ianareo fotsiny no efa domelin'ny finoana ka tsy mahatazana intsony:cry:
Jentilisa:
Tsara ianao raha mamoaka boky na lahatsoratra lava avy aminao mihitsy, avy amin'ny fanadihadianao manokana fa tsy nadika avy tamin'olona iza tsy na izaroa fotsiny.Mbola manana fivavahana ihany ianao (na tsy misy andriamanitra intsony aza ilay izy)raha mazoto mampiely hatrany ianao nefa hevitr'olona mba hitanao no nahatonga anao resy lahatra
Tsara ny manamarika fa tsy nisy nahay izay hainy ary nahafantatra izay fantany hatrany ankibon-dreniny,tsy maintsy nianarana avy any ivelany daholo izany rehetra izany.Tsy misy afa-mi-zesta ka hilaza fa raitra,eny fa na ianareo kristianna aza dia nandova izany tamin'olon-kafa...Sa ahoana.Ka torak'izany koa aho,hevitr'olon-kafa no hitako fa tena mifanaraka tsara amin'ny entendement-ko sy ny lojika ary ny "raison" dia izay no raisiko koa ,ka inona no olana amin'izany?
Jentilisa:
Jereo tsara fa tsy manakiana anao aho, manome soso-kevitra ho anao aho. Raha fanaratsiana fotsiny ihany manko no atao...fandravana ihany izany no misy fa tsy misy ny fanorenana. Raha mandrava, mamotika fotsiny manko tsy mahasoa na inona na inona izany fa sady mametraka ianao ny zavatra rehetra tokony handraisan'ny tsirairay ny andraikiny amin'ny zavatra tokony ataony avy.
Tiako dia tiako ny hanoso-kevitra ny amin'izay eritreretiko fa spiritualité raisonable ka mifanaraka tsara amin'ny conditions humaines,nefa ataoko fa tsy ho afa manorina aloha raha tsy mandrava.Tsy maintsy ravàna aloha ny fototra lomorina miorina vao afaka mampijoro trano manjary.Ny nkabeazan'ny olona mantsy dia matahotra izany fahafatesana izany,matahotra izany hoe afobe izany,matahotra izany hoe fitsarana farany izany sns sns.Ka aleony tsy mi-riska fa na ho any na tsy hoa any dia mino aloha.Raha marina moa ny voalaza dia mba afaka manantena fa mba hamindran'
atra fo satria mba nino ihany,raha tsy marina moa ilay izy fa ny voalazan'i tsimiandravola no marina dia atao ahoana moa???
(hitohy)
51. jentilisa ( 05/10/2006 07:33)
Ny olona domelina dia tsy mahatsiaro mijoro tsara intsony. Heverinao ve fa tsy mahatsiaro mijoro intsony aho? Tsy miankina amin'izay tenin'ny mpitondra fivavahana ny finoako fa ahy manokana izany.Efa nilaza aho taloha fa raha ny nataon'ny kristiana tamiko taloha no heverina tokony ho efa tsy kristiana intsony aho. Saingy ilay poizina aminao fa otrikaina ho ahy kosa no nahatonga ahy heveriko ho mihoatra noho ny hafa aza.

Be tamin'ny fiainako no nahagaga ahy ny zava-nitranga. Araka ilay otrikaina ho ahy, na ho anay izay mino hoe: Fahadalana ho an'ny tsy mino fa hery sy fampaherezana ho an'izay mino kosa. Ny fahagagana tsy natao ho an'ny tsy mino sady tsy misy dikany ho azy rahateo fa ho an'izay mino ihany. Io fahagagana io tsy hoe mazia fa fanehoana mialoha ho ahy ny zavatra mety hitranga...mety heverin'ny hafa hoe intuition saingy tsy izany velively.

Haizatra ho an'ny tsirairay noho izany no mahamino na tsy mino azy. Na inona na inona mitranga tsy misy afaka ny hanala ahy amin'ny finoako...ary na dia hihatra amin'ny aiko aza izany satria zavatra niainako ilay izy.

Ny amin'ny hoe tsy misy mahay hatrany ankibon-dreniny kosa indray, marina izany fa izao ny tena fahaizana tsy ilay tsianjery masiso fa ilay fahaizana mijery, fahaizana mamakafaka, ary mandray ny zavatra ho toy ireny hoe ianao ireny mihitsy no nieritreritra ny momba azy.

Izaho raha miady hevitra aminao tsy maka hevitr'olona na izay fandresen-dahatra avy amin'olona fa izay ahy no lazaiko...nanana ny fandinihako aho. Milaza ianao fa mamotika aloha fa raha tsy miala mihitsy ny fototra tsy afa-manorina. Fa inona moa ny fototra? Ny fitiavana no fototra lehibe indrindra amin'ny finoana kristiana...koa raha ny hanala ilay fitiavana izay fototra amiko nefa tsy noeritreretinao angamba fa heverinao ho zavatra hafa ka hoe lomorina dia sasara ny olon-ko hariva ny andro, hoy ranavalomanjaka izay, fa tsy hiova hevitra aho...
52. prime ( 05/10/2006 07:48)
Tsimiandravola> Tsy misy ve izany Andriamanitra hoy ianao?... sahinao ve ohatra ny milaza ampahibemaso fa vonona ny hifanatrika aminy (défi) amin'ny fotoana rehetra, amin'ny toerana rehetra raha misy Izy (mba hanaporofonao fa tsy misy Izy)?...
53. jentilisa ( 05/10/2006 08:04)
io defi io tsy dia mety loatra...ny fitiavana manko tsy mila defi
54. prime ( 05/10/2006 10:25)
jentilisa> Fantatro fa tsy mety raha ho an'ny mpino... fa ho an'i tsimiandravola milaza fa tsy nisy Jesosy tsy hitako izay atahorany hanao défi amin'Andriamanitra hoe lainga daholo ny baiboly soratanao raha tena resy lahatra izy @ izay lazainy...
Ilay hoe "ny fitiavana manko tsy mila défi" tsy dia mazava loatra...
55. jentilisa ( 05/10/2006 15:02)
Andriamanitra fitiavana tsy mila antsika mihaika fandrao mihaika tsy amin'antony na mieboebo izay karazam-piavonavonana ihany. Ny fiavonavonana manko dia karazam-pahalavoana sahady koa. Asa na mazavazava kokoa na ahoana?
56. prime ( 06/10/2006 10:45)
jentilisa> azoko ny tianao ambara fa ny ambarako no tsy azonao... i tsimiandravola anie no resahina fa tsy ianao e...
Ny tsy mazava indray amin'ilay hoe "ny fitiavana manko tsy mila défi" dia mahagaga ihany satria i tsimiandravola anie efa miteny mivantana ny tsy fisian'i Jesosy e, ka fitiavana inona no lazaina raha miteny tsy finoana?... fa tsarovy i Farao tany Egypta rehefa niteny hoe tsy misy izany Andriamanitrao izany ry Mosesy... efa défi izany ka inona no idiran'ilay hoe fitiavana... fa raha tena sahy mitompo teny fantatra ny olona iray fa tsy misy Jesosy ohatra, tsy misy tokony atahorany mihitsy ny mihaika...
fanamarihana : i tsimiandravola no iantefan'ny resaka eto nefa toa i jentilisa no mamaly eo @ toerany... angaha iray ihany ianareo?
57. vetsoko ( 06/10/2006 14:51)
tena marina ny nolazaiko tery am-boalohany hoe misy lacune ny connaissancen'i tsimianadravola,porofon'izany ianao milaza hoe tsy nisy na oviana na oviana i jesosy.Za niheritreritra hoe le maha -Andriamanitra azy no lavinao ,hay kay le fisiany mihintsy,loza.
Jesosy dia tena nisy,voaporofo ara-tantara io,ara-tsiansa,betsaka ny temoin nanatri-maso nahita azy,anisan'izany ireo olona rehetra nanoratra ao anaty filazantsara(matio,marka ,lioka, jaona,petera ,paoly..........)sao koa heverinao tsy nisy ireo olona ireo,sady mpanara-dia an'i jesosy ireo no lasa écrivain ihany koa,dia nanoratra ny témoignage sy ny opinionny dia io no lasa filazan-tsara,mbola nisy maro nafenina aza.O ry tsy miandravola a,jesosy dia israelien,avy any nazareth,ao anatin'ny faritra miteny(langue locale)ARAMEEN,ny jiosy rehetra eran-tany dia manaiky fa nisy jesosy,olo-masina,nanao fahagagana saingy tsy izy no mesia hoy izy fa ny mesia mbola ho avy,ary misy juifs pratiquants be anankiroa miara-miasa amiko,ny naissancen'i jesosy kristy anie ry tsimianadravola no nanaovana ny référence ny calendrier sasany e!dia no validén'ny romana satria izy no nanjaka t@ izany,ary israely dia teo ambany fahefan'ny romana(colonie),ireo romain nino sy nahita an'i jesosy dia naoratra koa,ary ny ankamaroan'ireo dia nafenin'ny fitondrana romana satria manao remise en question ny pouvoir romana t@ izany,izany no namoronana ny eglise catholique romain,mba hifehy an'izany rehetra izany sy hitana tsiambaratelo,ary mba ho lasa autorité religieuse internationale sy ny pape ets ets... misy chapitre hoe romana ihany anefa ao anaty filazan-tsara fa mba sokafy ihany,oay e!heveriko fa fantatrao daholo izany rehetra izany matoa ianao sahy nanizingizina hay kay non,satria ny olona rehetra mahalala an'izany tsy afaka milaza intsony hoe tsy nisy jesosy,andriamanitra O!saingy tsy fahadisoana anefa ny tsy fahalalana ,saingy naorinao t@ izay ny tsy finoanao,de lasa ridicule le izy satria zavatra nisy no terenao fa tsy nisy,nefa verité historique,recoupéé et vérifiée archéologiquement ,ce qui veut dire scientifiquement
Fa ianao aloha tsy mino,voaray iny
58. tsimiandravola ( 06/10/2006 21:12)
prime:

Tsimiandravola> Tsy misy ve izany Andriamanitra hoy ianao?... sahinao ve ohatra ny milaza ampahibemaso fa vonona ny hifanatrika aminy (défi) amin'ny fotoana rehetra, amin'ny toerana rehetra raha misy Izy (mba hanaporofonao fa tsy misy Izy)?...
O ry ra-prime a!Mba lanjalanjao tsara ny fanontaniana ê!
Tsy nilaza mihitsy aho fa tsy misy Andriamanitra (singulier ou pluriel).Izaho dia "sans religion", Agnostique....
NY ZAVATRA FANTATRO FOTSINY DIA IZAO: RAHA MISY ANDRIAMANITRA (pluriel na singulier) DIA TSY I JEHOVA MIHITSY,TSY NY ANDRIAMANITRY NY MONOTHEISTE MIHITSY.
prime:
sahinao ve ohatra ny milaza ampahibemaso fa vonona ny hifanatrika aminy (défi) amin'ny fotoana rehetra, amin'ny toerana rehetra raha misy Izy (mba hanaporofonao fa tsy misy Izy)?...
Mifanatrika amin'iza?,raha amin'i Jehova na i Jesoa dia tsy haiko ny mamaly anao satria RDV amin'ny tsy misy mba hafahafa ihany.Nefa aleoko lavitra manome RDV amin'ny tsy misy toy izay mifanao RDV amin'ny Kristianna handoro ahy amin'ny bucher,na RDV amin'ny musulman hanapaka ny lohako.


59. tsimiandravola ( 06/10/2006 22:00)
Jentilisa:
Ny olona domelina dia tsy mahatsiaro mijoro tsara intsony. Heverinao ve fa tsy mahatsiaro mijoro intsony aho?
Afa-mijoro ianao ka!Fa mijoro amin\'ny vatana ,fa tsy mijoro amin\'ny fahaleovan-tenan\'ny \"raison\"
Jentilisa:
Tsy miankina amin\'izay tenin\'ny mpitondra fivavahana ny finoako fa ahy manokana izany.Efa nilaza aho taloha fa raha ny nataon\'ny kristiana tamiko taloha no heverina tokony ho efa tsy kristiana intsony aho.
Tsy afaka hino an\'izany aho ,sy ireo mpamaky mahiratsaina.
Jentilisa:
Be tamin\'ny fiainako no nahagaga ahy ny zava-nitranga. Araka ilay otrikaina ho ahy, na ho anay izay mino hoe: Fahadalana ho an\'ny tsy mino fa hery sy fampaherezana ho an\'izay mino kosa. Ny fahagagana tsy natao ho an\'ny tsy mino sady tsy misy dikany ho azy rahateo fa ho an\'izay mino ihany. Io fahagagana io tsy hoe mazia fa fanehoana mialoha ho ahy ny zavatra mety hitranga...mety heverin\'ny hafa hoe intuition saingy tsy izany velively.
Io dia karazan\'nilay hoe olom-boafidy ihany e!Ka nahatonga ny Jiosy ho \"vahoakan\'Atra\",izay nosongonan\'ny kristianina.Ny an\'ny Jiosy moa dia lasa orgueuil de race mihitsy satria Andriamanitra mihitsy no nifidy azy ireo (Andriamanitra AZA ,nifidy azy ireo),tsy nahagaga mihitsy raha nafototr\'i Adolphe taminy ny fitaovam-piadiana nifantohany dia resaka famoanana race ihany koa.
Ka ny tranga eto dia ianareo mpino dia nofidian\'i Jesoa na i Jehova mihitsy hitoeran\'ny fahagagana ê!
Ny mahagaga nefa dia misy koa ny mahomby ireo lazaina fa ratsy fanahy,ireo izay manao z\'inona ny \"avo indrindra\"(psaume 73),ny azy ireny indray dia lazainareo fa tsy fahagagana?????

Jentilisa:
Haizatra ho an\'ny tsirairay noho izany no mahamino na tsy mino azy. Na inona na inona mitranga tsy misy afaka ny hanala ahy amin\'ny finoako...ary na dia hihatra amin\'ny aiko aza izany satria zavatra niainako ilay izy.
Ka raha haizatra ilay zavatra,noho izany dia personnel,noho izany dia tokony tsy hodradraina eran\'ny tany aman-danitra,ary tsy misy antony ihany koa hanenjehana ny tsy mpino sy ny mpikiritika tahaka ny fanao mahazatra ny kristianna hatramin\'izay taon-jato maro lasa izany.

Jentilisa:
Ny amin\'ny hoe tsy misy mahay hatrany ankibon-dreniny kosa indray, marina izany fa izao ny tena fahaizana tsy ilay tsianjery masiso fa ilay fahaizana mijery, fahaizana mamakafaka, ary mandray ny zavatra ho toy ireny hoe ianao ireny mihitsy no nieritreritra ny momba azy.
Ny tsianjery dia ilaina,indrindra raha integré sy analysé tsara ny zavatra notovozina.F\'izany hoe te hanaraby moa ny kristianna dia mody ampiana teny ratsy hoe \"masiso\".

Jentilisa:
Izaho raha miady hevitra aminao tsy maka hevitr\'olona na izay fandresen-dahatra avy amin\'olona fa izay ahy no lazaiko...nanana ny fandinihako aho
Ohhhh lalala!!Dia mino ve i Jentilisa fa zazabodo no miresaka amin\'i Jentilisa???Ianareo kristianina manana ny fandinihanareo fa izahay tsy mpino mpangalatahaka hevitr\'olona ary mpanao tsianjery masiso??.AZA AMPIHOMBOANA NY FAHARATSIANA EFA IAMPANGAN\'NY TSY MPINO ANAREO FA EFA MBA AMPY IZAY Ê!SA AHOANA?
Jentilisa:
Milaza ianao fa mamotika aloha fa raha tsy miala mihitsy ny fototra tsy afa-manorina. Fa inona moa ny fototra?
Eto dia ny Kristianisme no fototra lazaiko fa nisy ary tsy maintsy arodana vao afaka manorina ,satria nisy fanontaniana nikasika an\'io teo aloha fa i ra-Jenty no tsy mahazo resaka.
Jentilisa:
Ny fitiavana no fototra lehibe indrindra amin\'ny finoana kristiana.
Raha ny fitiavana no fototra lehibe indrindra amin\'ny finoana kristianna dia mamelà ahy hilaza aminao fa kobaka am-bava no betsaka satria raha atao ny fandanjana dia ny loza no betsaka:fatiolona,fandringanana,halatra,fandrahonana,fandoram-belona,exclusion (excommunication)...Efa lava anie izay 20 siècles nahafantarana ny habibian\'ny kristianna izay ê!
Jentilisa:
fa tsy hiova hevitra aho...
Na tsy hiova az i ra-Jenty dia tsy hanakana ahy tsy hitsikera izany ê ,satria hitan\'ny olona mpamaky eny ihany izay marina,ary tsikelikely eny e!
60. tsimiandravola ( 06/10/2006 22:13)
vetsoko:

tena marina ny nolazaiko tery am-boalohany hoe misy lacune ny connaissancen'i tsimianadravola,porofon'izany ianao milaza hoe tsy nisy na oviana na oviana i jesosy.Za niheritreritra hoe le maha -Andriamanitra azy no lavinao ,hay kay le fisiany mihintsy,loza.
Jesosy dia tena nisy,voaporofo ara-tantara io,ara-tsiansa,betsaka ny temoin nanatri-maso nahita azy,anisan'izany ireo olona rehetra nanoratra ao anaty filazantsara(matio,marka ,lioka, jaona,petera ,paoly..........)sao koa heverinao tsy nisy ireo olona ireo,sady mpanara-dia an'i jesosy ireo no lasa écrivain ihany koa,dia nanoratra ny témoignage sy ny opinionny dia io no lasa filazan-tsara,mbola nisy maro nafenina aza.O ry tsy miandravola a,jesosy dia israelien,avy any nazareth,ao anatin'ny faritra miteny(langue locale)ARAMEEN,ny jiosy rehetra eran-tany dia manaiky fa nisy jesosy,olo-masina,nanao fahagagana saingy tsy izy no mesia hoy izy fa ny mesia mbola ho avy,ary misy juifs pratiquants be anankiroa miara-miasa amiko,ny naissancen'i jesosy kristy anie ry tsimianadravola no nanaovana ny référence ny calendrier sasany e!dia no validén'ny romana satria izy no nanjaka t@ izany,ary israely dia teo ambany fahefan'ny romana(colonie),ireo romain nino sy nahita an'i jesosy dia naoratra koa,ary ny ankamaroan'ireo dia nafenin'ny fitondrana romana satria manao remise en question ny pouvoir romana t@ izany,izany no namoronana ny eglise catholique romain,mba hifehy an'izany rehetra izany sy hitana tsiambaratelo,ary mba ho lasa autorité religieuse internationale sy ny pape ets ets... misy chapitre hoe romana ihany anefa ao anaty filazan-tsara fa mba sokafy ihany,oay e!heveriko fa fantatrao daholo izany rehetra izany matoa ianao sahy nanizingizina hay kay non,satria ny olona rehetra mahalala an'izany tsy afaka milaza intsony hoe tsy nisy jesosy,andriamanitra O!saingy tsy fahadisoana anefa ny tsy fahalalana ,saingy naorinao t@ izay ny tsy finoanao,de lasa ridicule le izy satria zavatra nisy no terenao fa tsy nisy,nefa verité historique,recoupéé et vérifiée archéologiquement ,ce qui veut dire scientifiquement
Fa ianao aloha tsy mino,voaray iny

Tena tara Année Lumière maro mihisy i Vetsoko izany!
Azafady,amin'ireo bedabe voalazain'i Vetsoko ireo,mifidiana iray na roa ho valiako,fa raha ireo rehetra ireo no ho valiako izao dia lasa boky iray mihitsy,na lasa misy lien be loatra.Nefa ity misy iray interessant be mba jereo ihany ary aza misy amelana na taolany iray aza ê!
http://www.luigicascioli.it/home_fra.php
http://www.luigicascioli.it/home_eng.php


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0456