REINVENTER L\'EGLISE

61. jentilisa ( 07/10/2006 08:56)
O Ratsimiandravola a! efa lehibe ianao fa dia mahavariana tokoa. Leon\'ny finoana tokoa angaha ka lasa tsy misy inoana ny dia ny zavatra tsotra ambara aza.
Izaho no milaza aminao fa raha ny nataon\'ny kristiana sasany tamiko no heverina efa tsy kristiana intsony aho dia lavinao izay. Izany hoe na dia izay niainako aza dia lavinao. Rehefa kelikely angamba dia holavinao ihany koa fa efa niady hevitra maharitra teto isika...tsy hisy intsony tsinona ny porofon\'ny niadiantsika hevitra taloha rehefa tsy voatahiry ireny adi-hevitra taloha ireny.

Izao anefa mba hampiditra resaka kely aho. Tsy hoe rehefa tsy misy ny porofo dia milaza izay hoe tsy misy ilay zavatra. Misy fisalasalana ao anatin\'ny tsy fisian\'ny porofo, mety ho misy ilay zavatra nefa mety ho tsy misy. Etsy ankilany indray dia dingana tsy azo tsinontsinoavina ao amin\'ny fitsarana ihany koa ny vavolombelona. Be ireo nijoro vavolombelona tamin\'ny trangan-javatra iray fa tsy hoe iray ihany ny isan\'ny olona. Raha sahy mijoro amin\'ny fisiana ireo vavolombelona maro ireo. Inona no ataon\'ny mpitsara? Hiampanga ireo vavolombelona rehetra ireo ho mpandainga? fa izay heveriny hoe tsy nisy izany ka hanohitra ny filazan\'ny maro amin\'ny fisian-javatra? eritrereto ihany.

Ny zavatra iaianako ary moa avy hatrany dia lavinao ny fisiany nefa tsy misy dimampolo taona akory koa hitady inona handresen-dahatra anao aho. Misy manko fomba fiteny koa manao hoe tsy misy jamba tahaka ny minia tsy mijery!

Efa impiry aho moa no namaly ireo resaka avzerinao farany rehetra ireo? sa te-handresy lahatra ireo niditra faramparany tato amin\'ny namana serasera kosa angamba ianao.

Na izany aza mitadiava hatrany ary olona manaporofo ny tsy fisian-javatra na inona na inona e!
62. jentilisa ( 07/10/2006 09:08)
Satria moa izany hitsikera ihany no adin'i tsimiandravola dia omeko ity teny fohy ity izy hotsikerainy:

nihinambary aho, dia ravitoto ny laoka, nasiako lasary voatabia ilay izy. Dia akondro no nataoko tsindri-tsakafo.

tahaka ny siora aho fa tsy maintsy voatsikera io? :°)
63. vetsoko ( 07/10/2006 14:16)
document anaty internet ve no amalianao ahy????????position,na opinion na hypothèse na analyse anie ireny e!,miankina @ mpanoratra na mpanangona;efa hoe tsy mino ianao dia voaray le izy fa manjary lasa ridicule ianao miziriziry @ zavatra misy.
azoko tsara ny opinion nao fa aza matahotra,ianao dia manohana sy LASA miombon-kevitra @ ireo chroniqueurs sy analystes athées maro izay manohana ny heviny sy miezaka mi-démontrer fa tsy nisy i jésus,finoanoam-poana ny christianisme ets ets...dia resy lahatra ianao,safidy iny,fa izahay ohà nahita tombon-tsoa be dia be t@ le izy dia sady vao maika mino no tsy te hiala à le izy,asa ianao raha mahazo anay koa
64. tsimiandravola ( 08/10/2006 22:06)
jentilisa:
zaho no milaza aminao fa raha ny nataon\'ny kristiana sasany tamiko no heverina efa tsy kristiana intsony aho dia lavinao izay. Izany hoe na dia izay niainako aza dia lavinao. Rehefa kelikely angamba dia holavinao ihany koa fa efa niady hevitra maharitra teto isika...tsy hisy intsony tsinona ny porofon\'ny niadiantsika hevitra taloha rehefa tsy voatahiry ireny adi-hevitra taloha ireny.
Mino aho fa efa nianjadian\'ny tsindry hazo lena na ny fisainam-pohy kristiana i Jentilisa ,ary tsy i Jentilisa ihany no voan\'izany fa be dia be.Tsy izany akory no tsy inoako,fa ny antony hifikiran\'i Jentilisa amin\'ny kristianisma toy ny olo-maro.Amafisiko ihany fa eo amin\'ny antony aho no tsy d\'accord ka mahatonga ahy niteny hoe tsy mino.

Ny antony lehibe amikiran\'ny olona amin\'ny kristianisme na dia tsy tena convaincues aza izy ireny dia resaka influence de masse,resaka integration sociale.Raha raisiko ohatra fotsiny izao ny any ambanivohitray dia mamonjy miangona daholo ny distrika iray manontolo satria any no misy ny reconaissance sociale,any ny ampanambadiana ny zatovo,any no ambohim-pihaonana ifankahitàn\'ny mpiray fonenana.

Aza hadino koa ny évangile de la peur (tahotra ny ho very mandrakizay any amin\'ny afobe) izay fond de commerce tena rentable mihitsy ho an\'ny Katolika (indrindra indrindra):tsy mahagaga raha mifezaka ny olona,na ho any na tsy ho any dia mba minomino eo aloha sao misy famindram-po ihany Andriamanitra raha misy marina,raha tsy misy moa Andriamanitra akory atao fa tsy nisy namboly hoy ny fitenenana.
jentilisa:
Izao anefa mba hampiditra resaka kely aho. Tsy hoe rehefa tsy misy ny porofo dia milaza izay hoe tsy misy ilay zavatra. Misy fisalasalana ao anatin\'ny tsy fisian\'ny porofo, mety ho misy ilay zavatra nefa mety ho tsy misy.
Hahahaha...Héhéhéhéhé!!!!!
jentilisa:
Be ireo nijoro vavolombelona tamin\'ny trangan-javatra iray fa tsy hoe iray ihany ny isan\'ny olona. Raha sahy mijoro amin\'ny fisiana ireo vavolombelona maro ireo. Inona no ataon\'ny mpitsara? Hiampanga ireo vavolombelona rehetra ireo ho mpandainga? fa izay heveriny hoe tsy nisy izany ka hanohitra ny filazan\'ny maro amin\'ny fisian-javatra? eritrereto ihany.
Vavolombelona ve????
Na firy na firy,na lehibe na kely,na matavy na mahia,na vazaha na gasy...rehefa diso dia diso,rehefa sandoka dia sandoka,tsy misy afanafana fa diso daholo...
Eto aho dia mamerina indray ty DEFI ity ary miantso an\'izay vavolombelona ,na olona sahy na afaka manohana vavolombelona na porofo materiel mikasika ny fisian\'i jesoa Kristy ara-tantara izay ampangain\'i CascioliJereo eto ambany:
Cascioli:
Inutile que l’Eglise, le Vatican s’obstine à se taire ; si elle possède les preuves concrètes de l’existence historique de Christ qu’elle les montre à l’humanité. Environ deux milliards de personnes qui ont suivi la doctrine indiquée par l’Eglise attendent une réponse claire. Christ a-t-il existé oui ou non ? Si l’Eglise s’obstine à se taire sur l’existence de Jésus cela signifie seulement que n’ayant pas des preuves concrètes elle est bien consciente que Christ est un personnage de fantaisie et donc que l’Eglise est en train de tromper l’humanité »
ARY FANTATRAREO FA TSY MISY POROFO INCONTESTABLE AZON\'NY KRISTIANNA AROSO MIHITSY ,ARY EF NIHEZAKA IHANY NY KRISTIANNA NANOME,NAMORONA POROFO FAOPLA.
65. prime ( 09/10/2006 09:01)
Hono ho\'aho ry tsimiandravola, fa inona no porofo tena mivaingana indrindra? tsy ny \"teny atao sy ambara ary voasoratra ve?\"...
66. jentilisa ( 09/10/2006 15:06)
Satria i Luigi Cascioli dia niaina tamin'ny andro noheverina fa niainan'i Jesoa ary nivezivezy matetika tamin'iny palestina iny, ary dia tsy nahita izany Jesoa izany mihitsy! izay moa ilay izy?
67. tsimiandravola ( 09/10/2006 21:11)
prime:

Hono ho\\\'aho ry tsimiandravola, fa inona no porofo tena mivaingana indrindra? tsy ny \\\"teny atao sy ambara ary voasoratra ve?\\\"...
Justement, ny voasoratra (izay tsy msanidina toy ny teny) dia manambara,ary manaporofo fa tsy nisy i Jesoa Kristy satria tsy niresaka ny momba azy (izay malaza tokoa raha ny baiboly no zohina) mihitsy ireo mpahay tantara malaza tokony niresaka ny momba azy.Nefa tsy nisy.Banga lehibe noho izany ny rakitra ara-tantara,hany ka voatery namorona ny mpino kristianna ,ka nahatonga an\'i Flaviosy Josefa ho voatonina ho niresaka ny momba an\'i Jesoa.Eo ihany mantsy no mitoetra ny vavolombelona tokana lazaina fa marina,nefa ataon\'ny kritika sy analyse tsy tafatsangana mihitsy.

Raha nisy marina ary i Jesoa,inona no antony amoronana sy anasisihana porofo ao amin\'ny sangan\'asan\'i Flaviosy Josefa???
68. tsimiandravola ( 09/10/2006 21:22)
jentilisa:

Satria i Luigi Cascioli dia niaina tamin'ny andro noheverina fa niainan'i Jesoa ary nivezivezy matetika tamin'iny palestina iny, ary dia tsy nahita izany Jesoa izany mihitsy! izay moa ilay izy?
Tsy i Luigi cascioli ihany re ry Jentilisa no afaka mitonona ny amin'izany a!Ary aza manao resaka fanalam-bara-tena hoa fa efa betsaka loatra izay sophisme mampahalaza anareo mpino izay nandritra ny siècles 20.Aiza ve dia raha i Cascioli no mi-raisonne dia atao z'inona sy esoina ho niaina tamin'ny andron'i Kristy.Koa maninona raha mba atao izany koa ireo mpahay fivavahana fantatr'i Jentilisa rehetra??? (Ohatra hoe i Benoit,i Nenilava,i Mahjol,i Dahouda,i Luther king,i Ndremanjato,i Rajakoba,i Ramarosandratana,i Rasoamanarivo,i Rasalama,Raneny Thérézà!!!...)


69. jentilisa ( 11/10/2006 15:17)
Ianao ve tsy mahita hoe ny manaporofo ny tsy misy no sarotra kokoa? Ireo olona lazainao ireo ange mijoro vavolombelona amin'ny finoany e! sady be gasy ihany izy izany an! fa ny anao aloha vazaha tokana e! :°)
70. prime ( 12/10/2006 06:17)
Marina ry tsimiandravola fa tsy mpanoratra tantara malaza tokoa ireo nanoratra ny filazantsara sy ireo epistily ho an'ny fiangonana t@ fotoana'andro... marina fa i Joseph Flavius (na antsoina koa hoe Titus) no références historiques mahatonga adihevitra ny @ tantara... fa ny fijoroana vavolombelona nolazain'ireo apostoly sy ny "précisions" @ information nambaran'ireo d mifanojo avokoa nefa boky nosoratana t@ fotoana samihafa, t@ toerana samihafa, t@ fomba fijery sy fandinika ary fanoratra samihafa... ary voamarina teo @ finoana avokoa ary izay no maha inspirations divines azy ka nahatanteraka ireo boky rehetra ireo sy ny lazainy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0941