Temoins de Jehovah

1. soanja ( 27/09/2006 06:16)
Misy mpanaraka an'io finoana io ve eto azafady? Tsy izany mantsy fa tena manitikitika ny saiko be ny te hahafantatra ny ahoana i Jesoa amin-dry zareo. Anjely tokoa ve Izy sa zah no nandray vilana azafady. Misaotra mialoha.
novalian'i prime ny 08/11/2006 12:45
2. jentilisa ( 27/09/2006 06:44)
angaha moa hoe anjely fa tsy olona tonga lafatra fotsiny. Tsy ivavahana aloha!
3. Kamoufle ( 27/09/2006 07:00)
[Hors sujet]

Nahitsin'i hery
novalian'i Kamoufle ny 27/09/2006 07:28
4. booboo ( 27/09/2006 07:03)
8O :^):^)
5. loula ( 27/09/2006 07:27)
Salut a!
Zah aloha tsy ao anatin'io finoana io, fa ny hitako dia izao: misy rahavaviko tafiditra lalina @ izy io.
Manao fomba hafa mihitsy ry zareo, somary mihataka rehefa fahoriana, adidy maro isan-karazany... Tsy mifampiarahaba tratry ny taona, tsy manangan-tsainam-pirenena, tsy mitovy @ rehetra ny Pâques_ny... Ireo no hitako misongadina.
Izay no fantatro e!
6. hery ( 27/09/2006 07:30)
Jereo ihany sao hors sujet ianareo ka tsy mamaly ilay tena fanontanian'i Soanja :-)

Averiko eto ilay fanontaniana

Misy mpanaraka an'io finoana io ve eto azafady? Tsy izany mantsy fa tena manitikitika ny saiko be ny te hahafantatra ny ahoana i Jesoa amin-dry zareo. Anjely tokoa ve Izy sa zah no nandray vilana azafady. Misaotra mialoha.
7. Fiffi ( 27/09/2006 07:56)
Nisy fotoana zay aho nanaraka an'ireny Témoins de Jehovah ireny satria mba liana ary te-hahafantatra .
Tsy naharitra ela io ary zah aloha tsy nahazo hoe "lavage de cerveau" zany satria izaho no nametraka ny fanontaniana rehetra . Nohon'ny tonga ny fotoana namaliany ahy nohon'ny fitsabohina raha sanatria ka voan'ny accident ka mila "transfusion sanguine" dia tena nampiheritreritra ahy mafy io ! ary ny filazany fa ho avy tsy ho ela ny faran'zao tontolo zao sy hoe izay mpikambana ao aminy hiany no ho voavonjy satria ry zareo no tena hatao hoe "masina" "anjely "? nampihiratra be ny masoko ny zavatra nolazainy ahy ka aleo niala haingana na dia hoe liana sy te-hahafantatra fotsiny hiany aza ny zavatra tena fototrin'ireo mpikambana ireo.
8. hery ( 27/09/2006 08:06)
Ny fanontaniana iandrasako valiny (sady iandrasan'i Soanja koa angamba) dia hoe

Iza i Jesoa ho an'ny Temoins de Jehovah.
9. Fiffi ( 27/09/2006 08:22)
I Jesoa ho an'ny Temoins de Jehovah ? arakin'ny nolazain'ry zareo ahy aloha dia Rainy i Josoa ary Rainy na eto an-tany na any an-danitra ka naniraka azy ireo hilaza ny vaovao mahafaly .
10. Kamoufle ( 27/09/2006 08:24)
Ary i hery no tena hors sujet,tokony mandeha mitsabo saina kely ela fa tsy afaka manadihady.
Iza moa i jesoa ho an'ny Temoin de jehovah?
Tsy ny fanontanian'ialahy ve no adala??
Ka mila valintenin'adala koa izany.
Ka ny temoin anie tsy mitovy finoana amin'ny catho na protestan lety ee.
Afaka manonona Jesoa ho azy daholo, fa tsy voatery olona iray no itovy anarana.
Za izao hery no anarako , fa tsy eugene ; fa Mboatavo hery , dia hitovy ve ??
Ny Jesoa ho an'ny Tj dia fomba entina hampandriana resaka , hanababona olona,entina mampandry adrisa ,ny zavatra noteneni'ny jesoa n'y Tj tsy mitovy amin'ny catho ohatra ,ny jesoa catho manaja ny fiainampianakaviana fa tsy manasaraka,tsy haiko ny jesoan'i hery eugene izao, ny fahalalako ny jesoan'i hery eugene dia ilay mpanao censure sy mi bannir irony:lol::lol: ,jesoa pas gentil du tout:^)
11. pissoa ( 27/09/2006 08:29)
Kamoufle, dia mbola hors size njay ... Iza i Jesoa ho an'ny Temoins de Jehovah? fa tsy hoe manakory ny Jesoa an'i Hery Eugene. :-D
12. xxx ( 27/09/2006 08:38)
za koa nisy tonga tao amiko de lazainy fa ny catolika sy ny protestanta hono fampianarana diso
ny batisa ohatra jesosy hono tao anaty rano no natao batisa fa tsy rano aptraka ambony loha , de jesosy koa hono tsy nombohana t@ hazo fijaliana fa t@ poto tsy haiko fa za tezitra be nolaziny an'ireo
13. lapino ( 27/09/2006 08:42)
Sao dia mba ilay sujet no "hors réponse" e? :roll:
14. booboo ( 27/09/2006 09:24)
Kamoufle > re-
dia mbola hors size njay ... Iza i Jesoa ho an'ny Temoins de Jehovah? fa tsy hoe manakory ny Jesoa an'i Hery Eugene.
15. Kamoufle ( 27/09/2006 09:25)
pissoa:

Kamoufle, dia mbola hors size njay ... Iza i Jesoa ho an'ny Temoins de Jehovah? fa tsy hoe manakory ny Jesoa an'i Hery Eugene. :-D



Vakio tsara daholo aloha letsy vao mamalyahy ela an, ary avelao aho hikarakara ny amin'i eugene fa sao tsy voaenjiko io saka be io , mandihy ny voalavo ato!!
16. hery ( 27/09/2006 09:29)
Ny maha hors-sujet an'i kamoufle dia ny TJ no anontaniana eto :-) fa tsy i kamoufle... (en tout cas, iza moa no manontany ny hevit'oul mi-kamoufle :-p)

Primo. Tsy fanontaniako io...
Deuxio :-) Vakio tsara aloha ilay fanontaniana dia raha misy havaly dia valio fa tsy ny alahelo voan'ny TJ tany no aposaka eto.
Troisio :-) Tsy misy miteny hoe mitovy finoana amin'iza na amin'iza ny Témoins... fa hoe iza no hiheverany an'i Jesoa. Tsy tsotra be ve le fanontaniana? Rehefa tsy mahay dia miteny hoe "Tsy haiko ny hieveran'ny TJ an'i Jesoa"... Zah zao tsy mahay hoe iza no iantsoany an'i Jesoa... dia manontany.

Mba manetre tena kely e :-)
17. hery ( 27/09/2006 09:32)
lapino> Mitombona ilay fanontaniana kah. Raha misy TJ eto na mahalala tsara ny TJ dia inona no iheverandry zareo an'i Jesoa.

Mitovy amin'ny hoe Raha misy Silamo eto dia inona no iheveran'ny Silamo an'i Jesoa.

Ny valin'io faharoa io dia hoe ho an'ny silamo dia Mpaminany i Jesoa
Tsy mitovy finoana amin'ny katolika na protestant ny silamo ry kamoufle kanefa manana ny iheverany an'i Jesoa. Toa izany koa ny athées sns... dia samy manana izay iheverany an'i Jesoa daholo.

Tsy voatery hanana CEPE (ohatra anahy) vao afaka mamaly an'izany fanontaniana izany :-)
18. prime ( 27/09/2006 10:31)
Miala tsiny fa izao vao mba handray anjara...
Ny TJ hitako dia mandray an'i Jesosy ho "personne" hafa mihitsy par rapport @ Jehovah... Jehovah ihany no Andriamanitra ary Jesosy dia Zanany fa tsy Andriamanitra akory... Toy ny tokantrano hoy izy, ny Ray hafa dia hafa ny Zanaka fa ny anarana mety rohizana @ Ray fotsiny fa samy hafa ireo...
Noho izany, tsy i Jesosy no filamatra tokony itarafana ny fiainana ao @ Andriamanitra fa Jehovah... ka tsara lavitra ny miverina @ fototra, izany hoe mandray ny lalàn'i Jehovah ho fanaperana raha te ho velona ao @ Andriamanitra...
D misy fampianarana maro @ izay mifandrohy @ izay toy ny hoe 144.000 ihany no ho voavonjy fa ny sisa dia ho velona eto an-tany ary hanjaka eto rehefa tonga ny farany (ankoatr'ireo efa voalazan'ny namana ireo ambony ireo)...
19. lapino ( 27/09/2006 11:13)
hery, ka ohatra ny hors sujet daholo ny valiny tsinona, de izay no nanaovako hoe ilay fanontaniana angamba no hors réponse ... :wink::-D:-D
20. vetsoko ( 27/09/2006 11:40)
resaka momba ny TJ le izy na inona fanontaniana na inona dia mandeha ny fanadiadiana sy ny vécu rehetra sy ny hevitra samihafa mikasika le TJ;
ny zavatra voamarikako fotsiny t@ ity TJ ity dia ohatran'ny miha-mivoatra,misy fiovana izany foana ny foto-kevitry ry zalahy,taloha izy catégorique be @ resaka jesosy ,izao izy izao somary mamaha kely,manisy elanelam-panahy izy mba hialany @ fanenjehana azy.fa jesosy aloha tsy mesia aminy,tsy mipetraka ny trinite noho izany,tsy miditra am-piangonana izy ets ets
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2075