Temoins de Jehovah

61. Robert ( 05/10/2006 23:07)
Jesoa=Zanak'Andriamanitra
==>Jesoa=Andriamanitra¸



=>Jesoa=Zoki-ntsika
=>Isika=Zanak'Andriamanitra

==> Isika=Andriamanitra

:-D:-D:-D

62. isaka ( 06/10/2006 04:50)
Araka ny fampianarana ny Eglizy momba ny trinite dia mampianatra fa anisan'ny persona iray koa ny fanahy masina . nefa raha jerena ny Baiboly dia hery miasan'Andriamanitra izy io na koa hoe hery ampiasaina. ohatra:ny @ Samsona dia mitantara toy izao ny Mpitsara14:6; Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany ; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.MOa ve tena nisy persona iray araka an4Andriamanitra niditra nilatsaka t@i Samsona ka nampiasa ny vatany hanao izany??Tsia fa ny herin'Andriamanitra no nampahery an'i Samsona.
63. prime ( 06/10/2006 10:06)
isaka> Raha raisina ho "personne" Andriamanitra dia mitombina ny lazainao... fa "identification" @ mahaIzy Azy no lazain'i soratra masina fa tsy @ fijerintsika olombelona ka tsy voafetran'ny toerana, ny fotoana, ny asany fa Izy ihany ilay Taloha sy Ankehitriny ary Hoavy... fa @ izao ankehitriny izao efa tsy andron'ny Ray intsony, tsy andron'i Jesosy Kristy intsony fa andron'ny Fanahy Masina... Izany no maneho fa lehibe tsy hay takarina ny mahaAndriamanitra Azy... tsy azo personnaliser'na araka ny sain'olombelona fa manana ny mahaIzy Azy...
64. isaka ( 06/10/2006 11:33)
mbola tsy mazava an'i prime ve ny zavatra ambara eo???
65. prime ( 06/10/2006 14:09)
Mazava tsara amiko kah... fa ny tiako ambara dia milaza mazava tsara manao hoe: tsy azo "personnifier'na" araka izay takatry ny sain'ny olombelona ny mahaAndriamanitra an'Andriamanitra ka haka "raison" n'olombelona isika hanambaràna ny mahaIzy Azy, hoe toy ny fifandraisan'ny olombelona ray sy zanaka no fifandraisan'Andriamanitra sy Jesosy...
66. ranini ( 31/10/2006 09:02)
Jesoa=Zanak'Andriamanitra
==>Jesoa=andriamanitra¸



=>Jesoa=Zoki-ntsika
=>Isika=Zanak'Andriamanitra

==> Isika=andriamanitra

67. prime ( 31/10/2006 10:09)
ranini=Robert :°):lol::wink:
68. ranini ( 31/10/2006 13:58)
Misy mpanaraka an'io finoana io ve eto azafady? Tsy izany mantsy fa tena manitikitika ny saiko be ny te hahafantatra ny ahoana i Jesoa amin-dry zareo. Anjely tokoa ve Izy sa zah no nandray vilana azafady. Misaotra mialoha.

tena marina io eritreritrao io ry soanja a!Anjely i Jesosy ary miavaka mitsy satria izy nbo anjely matanjaka indrindra sy ambony indrindra.zay no iantsoana azy hoe ARKANJELY= ark + anjely = lehiben'ny anjely.toy ny ilazantsika ny hoe archiduc=arc+duc na koa hoe archeveque=arc + eveque.ary izy io koa de zavboary noforonina voalohany(kolosianina 1:15.16.17)jereo koa ny APOK 1 :1.2 fa mbola nomena'Andriamanitra azy ny zavtra iray vao nomena anjely ary avy eo nomena an'i Jaona midika izany fa ambany noho ny Ray=JEHOVAH i Jesosy kristy.lava ny resaka fa tohizantsika eo ihany eee a+
69. soanja ( 31/10/2006 14:08)
Misaotra Ranini fa mazava tsara. De tohizo ary ny fanazavana rehefa malalaka fa vonona ny hihaino aho.
70. prime ( 02/11/2006 10:08)
Tonga dia manitsy aho alohan'ny andehanan'ny resaka lavidavitra, i Jesosy tsy anjely velively... satàna no anjely ka sao manao blasfemia eo isika...
71. soanja ( 03/11/2006 17:41)
prime:

Tonga dia manitsy aho alohan'ny andehanan'ny resaka lavidavitra, i Jesosy tsy anjely velively... satàna no anjely ka sao manao blasfemia eo isika...


I Prime koo. Io ny finoany ka inona no azonao atao fa mihaino tsara fotsiny. Zah mino fa raha miresaka izany izy tsy mihevitra ho blasfemia mihitsiny.

72. prime ( 06/11/2006 06:10)
soanja> misy zavatra tokony ahitsy ihany rehefa tokony ahitsy fa manjary mivilana ny resaka... ny tena tsy mety aza dia ny tsy miteny... mbola am-pitiavana no ifanoroana fa azo atao koa nefa ny tsy miteny ka dia ho faty @ hadisoany ny olona...
73. soanja ( 06/11/2006 06:25)
Prime > Ok:D
74. prime ( 08/11/2006 12:45)
75. Azrael666 ( 15/04/2025 05:35)
18 taona aty aoriana: mamaly aho: manana bokin'ireo bdb aho. Tena Jesosy,araka ny exegese-n'ireo, no ilay Arkanjely Mikaela ao @ Baiboly TT. Io no lasa olombelona any @ TV dia nitondra anarana hoe Jesosy! Ary nasandratra ho Mesia t@ batisany. @ boky "tilikambo fiambenana",sy "Jesosy Kristy: ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany" no ivoizan'izy ireo an'izany teolojiany izany. Marihiko koa fa ho an'izay mahay hebreo sy grika toa ahy, dia hahita fa mifototra @ Baiboly "diso dika" (fanahy iniana nodisoina traduction) izany theologie "hors sujet" TJ izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627