vehivavy

1. Achia ( 17/09/2006 09:03)
Inona moa no hevitry ny vehivavy raha ny Baiboly no jerena ?
novalian'i prime ny 14/11/2006 10:28
2. simplex ( 17/09/2006 10:15)
fanaka malemy v ?:P:oops::oops:
3. Fiffi ( 17/09/2006 10:17)
inona hono no hevitr'i Achia ?
4. simplex ( 17/09/2006 10:26)

- Misy zao vevavy tena henjana be, toy an'i Rota ohatra. i Estera koa toa manana boky manokana mintsy...
- Misy zao vevavy renin'Andriamanitra ohatra
- Misy zao ny vevavy natao ho famenon'ny lelahy, maro tokoa singanina manokana i Eva

Ho fehiny, samy manan-danja na lahy na ny vavy teo @ fiaraha-monina. Ankoatry ny toetra maro ananany, ny vavy dia voarakitra ho toy ny loharanon'aina sy mitondra hery hoan'ny lahy...

:-*:-*
5. Fiffi ( 17/09/2006 20:55)
simplex: ny fanontaniana mipetraka ange de hoe "Inona moa no hevitry ny vehivavy raha ny Baiboly no jerena ?"
6. soanja ( 18/09/2006 04:15)
Ny hevitro dia tsy tena manana anjara toerana goavana ny vehivavy ao amin'ny baiboly satria izay no niainan'ny Jiosy tamin'izany fotoana izany , saingy tsy notsinotsiniavina koa ny zavabitany. Fa i Jesoa kosa dia nanome ny fitiavany ho antsika rehetra tsy ankanavaka ka izay no zavadehibe amiko.
7. Fiffi ( 18/09/2006 04:54)
soanja: tsy aiko raha hoe ny toerana no tian'i Achia lazaina fa toa hoe ny hevitra ?
Achia: hazavao ny tiana lazaina fa tsy araka eh! HEVITRA ahoana ?
8. majesty ( 18/09/2006 06:32)
ny hevitry ny atao hoe vehivavy????
Raha namorona ny vehivavy voalohany Atra dia nataony hoe Eva no anarany na azo adika hoe "Aina" izany hoe ny hevitry ny atao hoe vehivavy zany raha ny soratra masina no jerena dia midika hoe "AINA"
9. booboo ( 18/09/2006 09:36)
Achia > tsy azo tsy araka sady tsy mazava mihitsy. Hevitry ny vehivavy momba ny Baiboly sa Hevitry ny Baiboly momba ny vehivavy no tianao anontaniana ? sa hafa mihitsy :?:
10. Achia ( 18/09/2006 12:23)
ho avy Jesosy hampakatra ny vadiny de iza ary zany o ! de jereo @ io hoe inona ny heviny ô ! :-D
11. Fiffi ( 18/09/2006 13:04)
inona ary ity valiny bizaroïdan'i Achia ity ? :roll:
12. booboo ( 18/09/2006 13:09)
hihihihihi ankamantatra
13. prime ( 18/09/2006 14:09)
Tsia tsy ankamantatra io fa tsy maintsy ho avy ny fotoana fampiakarana dia ny andro iantsoan'i Kristy ny mpanompony hiakatra any an-danitra... ny tenin'Andriamnitra mihitsy no milaza fa ny Fiangonana no vadin'i Kristy ary hampiakarina rehefa tonga ny fotoana...
Raha manam-potoana jereo ny Apokalipsy 19:9, Efesiana 5:23, Matio 25 1:13
14. booboo ( 18/09/2006 14:21)
dia aiza ho aiza @ zay ilay :
Inona moa no hevitry ny vehivavy raha ny Baiboly no jerena ?


Io fanontaniana io mihitsy no tsy azo tsy mazava tsy araka :oops:
15. lapino ( 18/09/2006 14:31)
Raha nataon'i Achia tao anaty farango sosona angamba ilay hoe "vehivavy" dia mety ho nazava kokoa. Sa za koa tsy mahazo? :roll:
16. pissoa ( 18/09/2006 15:32)
za koa tsy mahazo :-D
17. Achia ( 18/09/2006 17:23)
ye @ manaraka hataoko ao anaty farango telo mitsy ry lapino a ! . Fa ilay nolazainy prime zao no nahazo tsara ilay fanontaniako ka ra averiko lazaina zany dia vehivavy = fiangonana raha ny filazan'ny baiboly no jerena . Misy karazana vhv roa nefa ao voalaza ao ka ho jerentsika izy reo hoe ahoana , ka ao @ apokalipsy 12 dia milaza vhv mitafy masoandro ary ao @ apokalipsy 17 dia ilay vhv janga lehibe , ka iza avy ary izy ireo ?
18. pissoa ( 19/09/2006 07:28)
Zay vao azoko le resaka fa mbola tsy haiko ny valiny :-D
19. prime ( 20/09/2006 09:25)
Kay kay kay, vy mahamay anie izany lalaovinao izany ry achia e...:wink:
20. lapino ( 20/09/2006 10:21)
pissoa:
za koa tsy mahazo :-D

Zay vao azoko le resaka fa mbola tsy haiko ny valiny :-D;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2971