Ny any an-dafy any hono ...........

61. Fiffi ( 01/11/2006 14:50)
raha tsy mitsiky koa ange enao tsy hitsikian'ny olona eh !
62. andry08 ( 02/11/2006 13:31)
Tena marina fa rehefa tsy mitsiky dia tsy hitsikian'ny olona fa tsy handeha hitsiky veunjana beuh(hoy fasaly). Rehefa miramirana dia misy olona mitsiky ho azy . Ny olona aty frantsa aloha dia tsy dia mitsiky loatra rizareo rehefa ratsy ny andro( avy orana be, gris be ny lanitra,mangatsiaka be).
Amin'izay manao akanjo mainty be ny hakabetsahany dia vao maika loza.:(:(:(mampatahotra aza indraindray.
63. cutie ( 02/11/2006 19:24)
Ny olona aty frantsa aloha dia tsy dia mitsiky loatra rizareo rehefa ratsy ny andro( avy orana be, gris be ny lanitra,mangatsiaka be).

:-D:-D:-D:-D:-D
64. Fiffi ( 03/11/2006 18:12)
:-D
65. xxx ( 27/11/2006 03:01)
Nandalo kely tany Amerika aho ary mahita karazana olona
erak'izao tontolo izao.Ilay trano roa mitovy nazeran'ny mpihetraketraka aloha no tena nampalahelo ahy satria izaho efa niakatra teny amin'ny fara-tampony e.Izao ilay izy fefy be fotsiny.Ny fiangonana izay teo ankaikiny dia lasa manana tantara satria tena narovan'Atra mihitsy ary tsy nisy nipika na kely aza.Feno zavatra mihantona eo amin'ny fefin'ilay fiangonana izay olona maty tao amin'io toerana lehibe eo NY io: Bracelet, famantaranandro, fakan-tsary,sary,tee-shirt sns.EFa dimy taona no nianjerany ary ny souvenir dia mipetraka eo daholo kanefa na ve zavatra sarobidy aza dia tsy misy maka ny olona na iray aza.Hoy aho miteny irery hoe raha tany amin-tsika izao itony efa najifa.Ny hofan-trano dia lafo-be ary ny fianarana dia tsy mandoa vola ny publique.Ny universite dia mandoa vola.Ny ankizy dia tsy mahazo kapohina fa migadra ny RAR raha miantso polisy ny zanany na ny manodidina.Isaky ny mangatsiaka ny andro(okt) dia mihena adin'ny iray ny ora,ny volana Avril indray dia akisaka ampiana iray ora ny famantaran'andro.Misy fety eo amin'ny 14 no isany isan-taona ka ny 11 amin'ireo dia tsy miasa ny mpiasa fa mandray karama.Misy defile mitanjozotra foana indrindra rehefa mafana ny andro,fetin'ny colombiana, mexicana, karana, braziliana, gay sy lesbien(mpanelaka na ireo homosexual).Marikoriko ny mijery azy ary misy tsy fantatra hoe lahy mihitsy.Misy toerana misy azy eraky ny province,misy teorana mitokana ny karana, ny sinoa, ny jamaikana, ny koreana.Betsaka teorana fivavahana ary mbola misy ny fiangonana hilatsahin'ny fanahy masina.Ny sinoa, sy ny karana e dia mitovy ny aty amin-tsika.Feno varotra toy ireny eo amin'ny pavillon ireny.Tonga ny fotoana mangatsiaka dia mividy akanjo mangatsiaka ary ariana ny akanjo mafana.Mifampangalatahaka araka ny lamaody,kamo miasa ny amerikana ny ankamarony ka mialona ny vahiny ny sasany satria karazana fanadinana daholo ny asa tsara.Ny paska,feno ny fiangonana,toy izany koa ny krismasy,manao arbre de noel ny ankizy alahady alohan'ny krismasy.Ny volana Nov dia manao fetim-boritsiloza ka manao vorona ao anaty lafaoro daholo ny olona,mifanasa ny fianakaviana,mahandro vomanga, karazan-tsakafo.Fisaorana ny native amerikana na Thanksgiving.Ny anay nahandro voritsiloza izahay fa nataonay handro-gasy!.Henan-kisoa sy vorona dia manao samosa sy nem,miaraka ny lasary karoty,dia ampianay ny sakafon'ny amerikana ka nanasa vazaha izahay dia ilay andro gasy no tiany.Vorona be anie izany atao anaty lafaoro izany e dia asiana toton-kena sy celery ary karaoty ao anatiny ary andrahona (5H).Matsatso fa izay ny fomba aty.Teneniko ihany izay tadidiko.
66. xxx ( 27/11/2006 03:32)
Tohin'ny diako tany Amerika.Araka ny teniko teo dia toerana be mpivavaka indrindra ary aty dia mampianatra ny ao anaty baiboly hoe omena ny fiangonana ny 10% ny karamanao sy ny voalohambokatra.Mivavaka ianao fa eo am-pitadiavana asa, raha vao mahazo asa dia omeny ny fiangonana ny karamany herin'andro.Isaky herinandro no mandray karama ny olona any.Any amin'ny province hafa dia tsy be olona tahaka ny NY.Mirehitra ny jiro amin'ny alina izay toerana alehanao,manana tele, telecel, fiara
daholo ny ankamaroan'ny olona.Aty amin-tsika tsy misy jiosy,fa any feno ny toerana ary efa eo amin'ny mpitondra ny fahefana ry zareo.Io karazana olona io irery ihany ny singaniko fa manava-tena, tsy miaraka amin'ny olona, miady ny Italiana, ny maity, ny olona izay manodidina azy.Ny zanany tsy mahazo manampy olona, tsy mahazo milalao miaraka amin'olona tsy mitovy azy.Toerana nisy jiosy no novangiako ka ny olona mipetraka eo akaikiny no niteny izany.Mpivavaka izy(aza manao vavaka lavareny toy ny jiosy),mitondra baiboly hebrew Testameta taloha izy ka any amin'ny faran'ny pejy no vakiana voalohany,manao tsianjery.Mitokana ny fandrahony sakafo misy hena sy misy vita aminny ronono sy fromage.Maty daholo ny jiro rehefa zoma ka olona no hindraminy,tsy mahandro sakafo intsony izy ny sabotsy na manao zavatra hafa.Ny ascenceur aza dia ny mpiambina varavarana no manapotsitra ny bokotra.Manaraka ilay ao @baiboly izy fa ny teotrany tsy mitovy amin'izany.Toa mijaly daholo izay olona miasa ao aminy.Misy ary sign izay tamin'ny andro namonon'ny sovietika azy ka apetraky ny olona,izay tratra manao io dia voasazy sy mandoa vola.Mampianatra ny zanany daholo ny vahiny tany ary ny sinoa,ny karana, koreana,ny olona miteny espagnol dia miteny ny zanany amin'ny teniny ary tsy dia mianatra teny anglisy firy ny bebe sy ny dadabe.Tsy mifidy asany vahiny ka izay misy dia ataony,misy aza mitsimpona tavoahangy eraky ny arabe dia iny no sasany ary averiny any amin'ny mpivarotra.Ny asan'ny olona vahiny dia izay misy ary karama raisin'ny olona herinandro any raisin'ny olona aty 6-12 volana aty amintsika.Ny malagasy dia toa miaraka ihany ny mitovy,ary eo amin'ny fanaovana sakafo dia misy tsy te-hanome ka lasary karoty fotsiny no entiny kanefa ny sakafon'ny olona rehetra no hohaniny,olona vitsivitsy no manao io fomba ratsy io ary tsy mety miverin-dalana.Mahay mifankatia ny gasy, mifamangy raha misy marary,na maty.Miara-tonga daholo rehefa misy fety.Betsaka angamba izay,fa ny arabe any kosa aloha dia mahavariana e!Io arabe eo ankorondrano io no nalain'ny fanjakana tahaka tany ary lalana mandroso fontsiny dia fiara efatra na dimy no miara-mizotra.Nahavariana e.Ankizy kely dia efa mahay
milalao ordinateur.Be loatra ny kilalao ka na feno aza ny tranon'ny olona tsirairay,mbola mitady tsy faly ny zaza.Nintendo moa dia ariana fotsiny.Fety ny andro dia manasa olona ry zareo ka ariana ny fanaka dia mividy vaovao na misy efa fanofana dia manofa kely aloha dia averina afaka iray volana.Ny vahiny amerikana no mahay manangona indrindra sy tsara fiasa indrindra satria avadiny vola any aminy ilay dolaka dia lasa betsaka.Saiky manana trano daholo ny olona ary efa misy aza mahavidy trano aty .
67. methode ( 29/11/2006 09:38)
Tena mila maka konze ngamba hamakiana ny voalazan'i xxx
68. niryna ( 30/11/2006 06:39)
Tsy mba mahaliana kosa ve ny miheno ny fitantaran\'XXX azy, toa any koa aho izany na dia hita tamin\'ny TV azy ny santionany kely.
69. booboo ( 30/11/2006 07:06)
eny ho'aho ry Niryna.

Merci xxx a ! miandry ny tohiny e:°)
70. xxx ( 01/12/2006 05:05)
fa ny tena nahagaga anahy taty de aty ankizy kely 5 taona hoa de efa miteny anglisy be mihitsy ..
tsika natao zao eli e, cnela e.. sns..
fa ny Yo man, I love you sy ny F... you ary ny Bye bye ihany no hay
71. niryna ( 01/12/2006 07:00)
Lasa lavitra kosa aloha ny ankizy any an-dafy e. Misy zaza izay nandeha tamin'ny TV iray volana lasa, nampianarin'i reniny teny gasy, teny frantsay,resahin'i dadany teny anglisy ary nianatra teny espagnol,voataiza ara-pivavahana hatramin'ny mbola kely ka na maningana aza indraindray mahalala matahotra ny RAR ihany, aiza izany zaza maditra any amin-tsika izany hoy ny renibeny naka rivotra tany aminy.Ny lafiratsiny dia tsy azo kapohina ny ankizy ary baranahiny be loatra ny fitaizana, tsy mahangona vola fa mahavidy zavatra. Aiza
koa ny zaza iray fontsiny dia efa feno kiraro ny hevitranony, saika mividy foana isan'andro.Tsy mahay manangona kosa aloha ny ankizy e fa ny rar dia mahay satria efa nahita fahoriana taty dago.
72. xxx ( 01/12/2006 10:56)
xxx:
fa ny Yo man, I love you sy ny F... you ary ny Bye bye ihany no hay


xxx,
otr'zao no tena fahenoko eo @ isaky ny 20 segondra eo ho eo, eo @ vazah io an:

F...,F...ing, F... off, F... u, bitch, Piss off, Jackass, asshole, what the F...?, motherF....., I don't give a sh.., son of a b...., that is disgusting, sh..., gold digger, call girl

aleo ihany mianatra I love u kle:°)
73. dailynews ( 01/12/2006 19:58)
xxx> nazoto be kosa ianao an. misaotra nizara ary e. nampihomehy kosa ilay resaka karoty e...mba tsy ny olona rehetra kosa angamba izany?

Ilay resaka karama hoe isankerinardo koa marina saingy tsy ny rehetra. arakaraka ny asa io: misy ny isambolana(asampanjakana ohatra..., misy ny isantapabolana ary misy io lazainao io.

74. xxx ( 09/12/2006 04:45)
Rehefa lamaody dia manao an\'iny daholo ny olona, ny akanjo morabe ka afaka mividy izay takany.
Manam-boatra tarehy,nify ahitsy, orona alavaina, nono habotsina, ny slip hanaovana avy dia misy eponge mba ho ngeza ny dodosy. Ny sakafo mora ary mitovy ny vidin\'ny aty amitsika saingy be zezi-bazaha hany ka ngeza-be daholo ny olona aty.Ny olona 25 taona izany toa efa antitra no fijery azy.Mandany vola amin\'ny fanaovana regime ny vehivavy fa te-ho kely mifintimpitina.Be toerana fanaovana fanantanjahan-tena.Feno fiangonana fokontany iray efa misy fiangonana folo ny manodidina eo.Mifangaro daholo ny olona fa tsy misy hoe zanatany mpamboly ny raharahany.Ny vahiny dia mahay mitady vola ary matetika manana fanana any amin\'ny taniny avokoa.Ny fitsaboana dia mandoa vola fa tsy mitovy ny ao Paris.Ny universite dia andoavam-bola na misambotra vola rehefa tsy mahazo fanampiana.Ny mahantra dia mahazo fanampiana.Tonga ny krismasy, saingy manangona akanjo mafana ho an\'ny mahantra daholo ny fiangonana, ny fiasana ,ny orin\'asa ary misy sampan-draharaha manangona akanjo alefa any afrika, sy Haitii.Aty tsy mba misy tsolotra izany fa matetika vita eo daholo ny zavatra atao rehetra.Ny mahantra aty dia mitsipona kapoaka eny @arabe ary misy toerana famotehana an\'ireny eny amin\'ny mpivarotra sasany ka voahodina vola.( tsy misy hoe misy tavoahangy ve ho vidiana e).Tonga dia mitsipona eny amoron-dalana ny olona na apetraky ny olona eny ny tavoahangina bebeksa.
Manary fanaka ny olona dia izay mila azy dia mitondra mody.Andao isika hamorina orin\'asa andefasana fanaka efa tonta?
75. andry08 ( 24/12/2006 13:17)
Mangatsiaka be ny ririnina ary indrindra ny manodidina ny noely iny.Mirehitra daholo ny jiro ary ny commune rehetra dia mampihaingo ny tananany daholo.Feno sapin sy jiro ny arabe . Mandeha mividy fanomezana daholo ny olona ary miara-misakafo ny 24 dec sy ny 25 dec( fianankaviana na mpinamana).
I dadabe noely moa dia hita ihany koa eny @ "grandes surfaces" na eny andalana mizara bonbon. Mandeha manao messe de minuit dia tara be vao misakafo manao reveillon de noël.:D:D
76. niryna ( 25/12/2006 03:31)
Tsy miangona rehefa krismasy fa sasak\'alina no feno ny fiangonana.Manangona akanjo sy kilalao hoan\'ny zanaka mahantra ny toeram-piasana,misy sampana manome sakafo ireo mahantra
77. sipagasy ( 13/01/2007 21:56)
mmhhh nefa ity ririnina iainantsika ity toa tsy mba ririnina kosa kouuuuuu tsy mangatsika akory ny andro tsy nilatsaka ny lanezy tssss gggrrrrr efa hivadika ny bolabolan-tany e!!!!! tany la reunion hono nisy lanezy ka hitanareo @ izany aza !!!!!:{
78. andry08 ( 13/01/2007 22:05)
Tena marina fa efa ela no tsy nahitako ny noël tsy nisy lanezy! Lasa automne hono hoy ny radio.
79. sandrica ( 26/01/2007 00:27)
Ny aty aminay indray de somary lafo2 ny fiainana (londres)indrindra fa ny hofantrano sy ny transport.
Mila miomana vola betsabetsaka raha mankaty satria midangana be @ny vola malagasy ny vidimpiainana.
Fa nefa azo iriranina ihany ny sakafo sy ny la mode satria misy sahaza ny voalanao avokoa ny vidinjavatra eny @ny mpivarotra na ohatrinona2 ny anananao ary de tsy lanilaniana ny la mode sady tena samihafa be @ny la mode hita any dago ary miova2 isaikiny herinandro ny article ao @ny mpivarotra ka raha mbola maka decision ianao hoe @ny herinandro na afaka ela2 vao hividy zavatra dia tsy mahita an'ilay zavatra ilainao teo iny intsony fa efa zavatra hafa indray no hita ao.
Ny aty aloha ny olona tsy de tena mpivavaka be izany e aty aza no ahitanao fiangonana tsy misy miangona intsony de lasa boite de nuit sy fanaovana karaoke de ontsa ny fonao hoe izao ve sisa itony nefa ny tilikambo mbola miranty eo foana.
Fanampiny, tsara be ny tanana rehefa hanomboka noel sy farany taona fa voaravaka jiro sy guirlande ny tanana sy ny hazo rehetra izay andalovanao ka mahafinaritra ery fa tsy mba hita any @ny tanana e.
Lava be fa tohizako @ny manaraka e.
80. niryna ( 26/01/2007 21:16)
sandrica:

Ny aty aminay indray de somary lafo2 ny fiainana (londres)indrindra fa ny hofantrano sy ny transport.
Mila miomana vola betsabetsaka raha mankaty satria midangana be @ny vola malagasy ny vidimpiainana.
Fa nefa azo iriranina ihany ny sakafo sy ny la mode satria misy sahaza ny voalanao avokoa ny vidinjavatra eny @ny mpivarotra na ohatrinona2 ny anananao ary de tsy lanilaniana ny la mode sady tena samihafa be @ny la mode hita any dago ary miova2 isaikiny herinandro ny article ao @ny mpivarotra ka raha mbola maka decision ianao hoe @ny herinandro na afaka ela2 vao hividy zavatra dia tsy mahita an'ilay zavatra ilainao teo iny intsony fa efa zavatra hafa indray no hita ao.
Ny aty aloha ny olona tsy de tena mpivavaka be izany e aty aza no ahitanao fiangonana tsy misy miangona intsony de lasa boite de nuit sy fanaovana karaoke de ontsa ny fonao hoe izao ve sisa itony nefa ny tilikambo mbola miranty eo foana.
Fanampiny, tsara be ny tanana rehefa hanomboka noel sy farany taona fa voaravaka jiro sy guirlande ny tanana sy ny hazo rehetra izay andalovanao ka mahafinaritra ery fa tsy mba hita any @ny tanana e.
Lava be fa tohizako @ny manaraka e.




Misaotra nilaza ny vaovao tany,rehefa mody kosa ianao dia vola kely fotsiny no atakalonao ka mahazo vola be dia be eo an-tanana fa mora lasa daholo:lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863