Ny any an-dafy any hono ...........

21. andry08 ( 13/09/2006 11:19)
Mba diso tsipelina angamba re io ry Fiffi an!:)
22. dolby ( 13/09/2006 12:04)
- Matetika ianao daholo no manao ny zava-drehetra, ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany, mandio trano, manasa vilia, manary fako....

- Betsaka fialam-boly azo atao ary hahitana karazany betsaka izay mbola tabou izy any amintsika. Centre de Loisirs isan-karazany koa dia feno.

- Ankoatran'ny petit boulot dia rehefa été ny mpianatra dia midina kely mianatsimo mioty vokatra mba hahazoana fanampim-bola, handoavana droit d'inscription amin'ny manaraka na mba vatsy entina miaina.

- Anisan'ny maha stressé ny manao renouvellement resaka taratasy aty raha tsy manana taratasy maharitra, satria na dia fantatrao aza fa tokony tsy hisy olana dia mitaintaina foana. Miankina amin'ny département hipetrahana dia mangataka résultat koa ny préfecture (ho an'ny mpianatra ihany io) ho afaka sa tsy afaka(misy isan-taona, misy isaky ny telo taona).

- Milamina kokoa ny province raha oharina amin'ny ao Paris.

23. miangalyandria ( 13/09/2006 18:47)
ny ahy, ny aty, ny taratasy ny administration no nanao azy, izaho nandoa ny vola nakana sary sy nanao visite médicale fotsiny, ny trano izy no niantoka koa, ny sakafo sy ny telefaonina ihany no iantohako dia ny kojakoja madinidinika sy ny fitafy, ny ambiny tsy dia hitako loatra. Ny sakafo izay tsy misy sakay voatetika no manenina, toa tsy hatavy mihitsy koa ! Arahaba ry algue, ny poara misary paoma !

Ny tany, niasa, nianatra, nanao stage sy ny sisa dia avy eo nahitan-dry zareo asa dia lasa taty. Ny sakafo, fromage râpé atsimo, fromage râpé avaratra, mampatavy. Tonga soa ny fondue au fromage sy ny gratin dauphinois !

Ny tany Dago, nianatra dia niasa dia avy eo lasa tany frantsa, ny sakafo, veloma ry saosisy gasy, ry tsaramaso, ry ravitoto sy hena kisoa, ry ramanonaka, tsy natavy niaraka taminareo !

Mbola hody any Dagoko, mbola hody any amin'ny Rhône Alpesko koa !!!!
24. chipie1 ( 14/09/2006 19:00)
de rehefa mandeha transport en commun de mividy tickets fa tsy mikidona kou :-P:-D
25. soanja ( 15/09/2006 04:40)
Aty koa dia hoe rehefa manao t-shirt na akanjo n'inn n'inn misy soratra resaka tanana , ohatra hoe "Las Vegas" Die efa tany izay ianao fa tsy hoe hanao akanjo hoe "izao sy izao" nefa mbola tsy tany akory dia imehezan'ny olona fotsiny. Efa tratra matsy aho indray mandeha dia izay e.
Ary raha soratra hafa dia hoe manohana an'ilay izy izay ianao fa tsy hoe miakanjokanjo misy soratra amin'ny tsy antony fotsiny fa mangatsika na hoe mafana sns. Rha fintinina dia ny eny ankoditrao no ahafantaran'ny olona ny hevitrao. Ny ahy moa izany dia Madagasikara ihany sy hatrany.:-*:-*:-*
26. miangalyandria ( 15/09/2006 15:40)
Hihihi Ka raha manao t-shirt hoe I love New York na hoe Brasilia izany tsy mety ry Soanja :?: Nefa nisy fotoana lamaody tany Frantsa lay maitso sy mavo Jamaica e ! Brazil e ! Nefa azoko antoka fa vitsy no tany hihihi :-D:-D
27. soanja ( 16/09/2006 00:10)
Tena izay mihitsy aky aty a, Miangalyandria. Raha manao ilay Bresil indry dia mihevitry izy fa avy any ianao. Rah toa moa ka tsy avy any ianao dia mihevitry izy fa efa tany ianao.
De raha zah manao t-shirt mexico de tonga de teny espaniol be ny miala any, avy eo angarian-dry zalahy ny vadiko sady itadiavany ady mihitsy. Mandreraka ihany dia aleoko mi-stick amin'ny Mada ihany ary hatrany.
28. naritsimba ( 18/09/2006 11:02)
soanja> zà zany zao raha avy any Texas dia mila manao akanjo cow boy? dia raha avy aty Dago indray izany zà ka avy any atsimo (Androy) dia mila misalaka? hihihihii
29. soanja ( 18/09/2006 16:31)
Zany ve? Ohatra ny azoko antsaina i Naritsimba hisalaka.:-*
30. naughtyboy ( 20/09/2006 16:23)
ny tsikaritro wa ry zalah n'aiza2 alehanao na atsimo na avaratra na andrefana na atsinanana de miova ny andro,fombany olona sns..ary na ny fotoana aza de samy hafa no famaritany olona azy fa ny tsy miova de ny mahagalasam ahy refa mahatsiaro ravitoto sy henakisoa iny ndrindra2
31. AmyJo ( 20/09/2006 20:04)
dolby:
- Matetika ianao daholo no manao ny zava-drehetra, ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany, mandio trano, manasa vilia, manary fako...
ka iza indray ary no hikarakara ny ttsy-nao ? ny fanasana vilia aloha d misy ny lave-vaiselle , ny hoe manary fako d mahazo container poubelle d hatao ao daholo d 2/semaine no tonga ny ramassage bêne à ordures maka ny fako.


32. dolby ( 22/09/2006 08:48)
Tohizana kely ary :

- Zavatra tsy dia mahazatra ny maso loatra tany Madagasikara ho hita aty : olona roa mifanoroka eny andalana ao anatin'io koa ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Any amintsika toa naheno aho hoe hahazo lamandy izay tratra ??

- Na dia hoe samy aty an-dafy aza dia zara raha mifanena raha vao mifanalavitra ny toerana. Rehefa mampintondra entana izany dia aleo aza alefa paositra (misy vola aloha miankina amin'lanjan'ilay entana; dia mba lanjalanjao ny tokony hampitondraina :-) )

33. xxx ( 22/09/2006 09:23)
dolby:

Tohizana kely ary :

- Zavatra tsy dia mahazatra ny maso loatra tany Madagasikara ho hita aty : olona roa mifanoroka eny andalana ao anatin'io koa ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Any amintsika toa naheno aho hoe hahazo lamandy izay tratra ??..............

-



oadray mandoa lamandy???? ka raha tsy inona kouuu, dia tsy hahazo hampiseho fitiavana izany??? oroka anie no atao fa tsy firaisana akory e! mmhhh mahagaga ahy indray iny...
34. methode ( 22/09/2006 14:31)
De efa manomana vola andoavana lamandy zany xxx! hihihihi
35. fasaly ( 24/09/2006 08:39)
tsy de hitako lotra zay lazaina fa efa volaza dool! ny tena tsy voako dia ny teotrandro eto aminay tena mahakivy sy mahakamo mapiferitraina......hany ka raha vao miratra ny masoandro de manararaotra fatratra:wink: tena mifanohita mihitsny ny any madà...ny any telo volana raha misy ny toetrandro mangatsika sy manorana fa sisanzay tsara be foana ny andro nefa eto aminay ndray ny mifanohitra amzany dia ingahibe masoandro no tena mank:°)
36. dailynews ( 26/09/2006 17:55)
ny zavatra tsapako dia izao:
ny lehilahy dia tsy mikotikoty vehivavy eny andalana izany no sady manara maso be tsy ampanajana na mikitikitika fa manaja anao tsara mihitsy.
ny fijerijerena olona, fivandravandranaolona dia tsy fanao izany. na hoe lehilahy mitoditodika fa mahita vehivavy tsara tarehy dia misiotsioka sns......
na hoe any anaty tomobilina ianao dia mijerijery ny olona ao anatin' ilay tomobilina eo akaiky eo dia tsy fanao.

asa aloha e, ny eto hitako izany....ny toerana hipetrahako tsy mahasahana ny andafy rehetra, fa kosa dia hitako fa nisy nifanipaka amin ny zavatra hitako any mkara fotsiny.
37. soanja ( 27/09/2006 05:35)
Io aloha de marina ry Dailynews saingy nosimbain'i Mex le izy rehefa aty andrefana fa manao ny fanaon'i Gasy ry maditra isany.
38. chipie1 ( 27/09/2006 14:50)
ny vhv mifoka sigara eny andalana , mandé ho azy , normal be ,nefa ny any dago ratsy fijery be zany !
39. dailynews ( 27/09/2006 23:36)
soanja> ie sady any aminareo hoy ianao tena feno mex be....ie hitako ihany aloha ireny toetrany ireny e, mandreraka be!
40. miangalyandria ( 29/09/2006 04:28)
Hoy i dolby:
- Matetika ianao daholo no manao ny zava-drehetra, ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany,
dia hoy i AmyJo
ka iza indray ary no hikarakara ny ttsy-nao ?

Ka ny ahy ry zareo no nikarakara ny taratasy dia izaho naka azy fotsiny nony vita taty aoriana koa ! Mbô tsara vintana any zaho zany !:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5892