Ho Filoha

1. soanja ( 04/09/2006 06:38)
Ahoana ny hevitrareo hoe iza marina no tokony ho tsara hofidiana ho filoham-pirenentsika fa dia be loatra ilay mpilatsaka dia tsy arako intsony. Misaotra mialoha.
novalian'i faralisy ny 17/10/2006 12:38
2. papala ( 04/09/2006 07:44)
Amiko ny olona tokony hofidiana ho filoam-pirenentsika dia manana an'izao fomba fiasa toy izao :

-Olona mino an'Andriamanitra izany hoe Kristianina satria ny 80% n'ny Malagasy dia Kristianina avokoa.

-Olona matanjaka ara-batana tsy misy aretina, tsy mila an'ireny olona mora sempotra ireny fa maha be raharaha @ tenany fotsiny.

-Mahay mifanerasera a @ karazan'olona rehetra eto Mscar : *ireo tantsaha, *ireo mpandraraha,*ireo mpiasam-bahoaka,*ireo antitra, *ny tanora sns.....

-Mahay mamporisika ni vahoaka hiasa fa tsy hitomemem-poana.

-Mahay mifanerasera amin'ireo firenen-dehibe efa matanjaka, satria ilaina ny mijery an'ireo mba ho fitaratra sy hianarana. fa tsy ny firenena mahantra foana no iharahana
3. xxx ( 04/09/2006 08:00)
papala:

Amiko ny olona tokony hofidiana ho filoam-pirenentsika dia manana an'izao fomba fiasa toy izao :

-Olona mino an'Andriamanitra izany hoe Kristianina satria ny 80% n'ny Malagasy dia Kristianina avokoa.

-Olona matanjaka ara-batana tsy misy aretina, tsy mila an'ireny olona mora sempotra ireny fa maha be raharaha @ tenany fotsiny.

-Mahay mifanerasera a @ karazan'olona rehetra eto Mscar : *ireo tantsaha, *ireo mpandraraha,*ireo mpiasam-bahoaka,*ireo antitra, *ny tanora sns.....

-Mahay mamporisika ni vahoaka hiasa fa tsy hitomemem-poana.

-Mahay mifanerasera amin'ireo firenen-dehibe efa matanjaka, satria ilaina ny mijery an'ireo mba ho fitaratra sy hianarana. fa tsy ny firenena mahantra foana no iharahana


i Daniela Rajakoba izany mety @ io tsara na i Mayol :)

"hamarino kely koa aloha ilay hoe 80% dia kristiana"

4. Simpona ( 04/09/2006 08:06)
=))=))=))=))=))
Za kou mahafeno ire fepetra ireo saingy tsis spons :(:(
5. Simpona ( 04/09/2006 08:17)
Vazi² ihany reny fa ireo oul milatsak de betsak tkou ary maro am'reo no tsy dia fantatry ny rehetra loatra raha tsy vao haingana.
Za zao raha nanana spons mety nilatsak :lol::lol::lol: , zany hoe, mety maro ny olona mitovy am'reo, na mihoatra aza saingy ny hoenti-manana no tsy itovizana.
Ireo olon-tsy fantratra ireo amiko dia tsy mbola azoko ametrahana fitokisana loatra.
Misy koa ireo fantatra fa saingy ny lafy ratsiny no tena be fantatra momba azy, tsy dia nampivoatra loatra tamin'ny fotoana nananany fahefana teo amin'ny faritra misy azy.
Ka amiko dia hatram'zao aloha dia aleo izay hitako niasa ihany no hiasa.
Asa ny hevitrareo.
6. fens ( 04/09/2006 08:22)
papala:

ny 80% n'ny Malagasy dia Kristianina avokoa.


Hono ho ah! enao ve efa naheno le hiran'i Noely iny? ho izy ao anatin'ilay tononkira ho e
"Andramo anie ny manontany
Kristiana va enao?
Fa tsy misy angamba sahy hamaly
Hilaza hoe "Tsy izy aho
Fa menatra ka de manaiky
Hatramin'ireo tsy mpankato
Nefa tsy mbola naharesy
Ny hatezerana tsy tanty
Raha vao voadoana ny hambom-po"

De siora ve enao fa tena 80%n'ny malagasy de kristiana? za manao anao hoe tsy ampy io fa ny 50% no izy ary 30% silamo izay hita any amin'ny faritra maro, ny ambiny dia saika mpamonjy ny fivavahndrazana sy tsy mino!
:?:
Ny momba ilay ho Filoha de tsara angamba jerena hoe iza no tena vonona indrindra amin'ny fahafoizana ny fananany sy ny ainy fa tsy vonona ny haka ny an'ny vahoaka? nefa raha amin'ireo kandidà ireo de tsy mahita aloha za e!
:-w:-w:-w
tsy haiko na miandry ahy hilatsaka angamba vo hotanteraka io fepetra io!:lol::lol:
7. Fiffi ( 04/09/2006 08:48)
iza indray hoy nareo no ho filoha eo fa tsy i Ra8 hiany eh!
8. papala ( 04/09/2006 11:10)
Hitanareo ? Ny Malagasy dia 80% dia mino an'Andriamanitra avokoa satria Hamariniko ny teniko : Mivavaka any Ampiangonana daholo na tsy mivavaka any ampiangonana aza ny olona dia eo @ andro fahafatesany dia tsy maintsy miditra ampiangonana daholo rehefa maty, na hiantsoana mompera na pasitera ? Hitako mihintsy na mandeha eny andalana aza hianareo dia mahita an'ireny mpiteny ratsy be ireny, fa rehefa avy eo izy dia hoy izy hoe : "tsy mba matahotra an'Andriamanitra ao antampon'ny loha", rehefa matahotra an'Andriamanitra izy dia efa Kristianina izay.

-I Daniel Rajakoba indray aloha dia efa antitra e! Sady hitako toa tsy dia hitako loatra!
-Fa milatsaha aloha rehefa avy nandinin-tena hoe: inona no vitako t@ vahoaka?
9. nahud ( 04/09/2006 12:05)
SALUT DAOL an ny ho filoha ve? aleo aloha tsy mpivavaka izany, afeniny ao am ny fivavahana ny tandrony toa ilay mpivaro-dronono am zao, ny tsara de reo mpanao politika.
FIRY AM REO MILATSAKA NO TENA MPANAO POLITIKA?:twisted:
10. papala ( 04/09/2006 12:17)
Dia avy eo hianao dia ahodikodiny @ politikany fotsiny! Ha ha ha!
11. soanja ( 04/09/2006 14:20)
Raha mba afaka manonona anarana hoe i iann fidina fa izao no fahitako azy, dia mahavaly tsara ny fanontaniako satria raha ohatra ka hoe ny tiako de ol tahak'izao sy izao dia tsy ho fantatro mihitsy hoe iza ilay olna satria zah tsy any dia tsy maharaka hoe iza no antitra, na maditra na manota sns.. Misaotra betsaka o. De mba aza aodina moa ny size fa manjara twisted.
12. Fiffi ( 04/09/2006 16:14)
nahud:
aleo aloha tsy mpivavaka izany, afeniny ao am ny fivavahana ny tandrony toa ilay mpivaro-dronono am zao,
nga hono ny mpivaro-dronono sady misy tandroka no manafina ny fivavahany ao ? :roll::roll:


13. cutie ( 04/09/2006 23:03)
:-D:-D:-D:-D
za koa de tsy maharaka e
Iza ary no ho fidiako :roll::roll::roll::roll:
14. Fiffi ( 05/09/2006 06:01)
soanja:
Raha mba afaka manonona anarana hoe i iann fidina fa izao no fahitako azy,
soanja: io angamba akia ho sarotra ny hamaliana azy raha toa ka tsy any dago an! mila mahafantatra koh hoe inona sy inona avy ny zavatra mba nataon'ny olona 1 , zavatra tsara , hita maso sy azo tsapain-tanana !

Le hoe izao no fahitako azy manko ....ho sarotra hiany ny hamaliana an'io!


15. prime ( 05/09/2006 08:26)
papala> mitombina ireo "critères" lazainao ireo fa efa nanome ny heviny mikasika an'io ny FFKM... Fa ny tsy hitako ao izao nefa tena anisan'ny lehibe indrindra koa dia ny hoe "...olona tia tanindrazana, olona nahavita fianarana ambony, olona manam-bady aman-janaka ara-dalàna, olona mikajy ny kolon-tsaina malagasy sy ny mahamalagasy, olona tia fandrosoana, olona sahy misedra ny mafy, olona efa nampiseho t@ asany sy ny fitondran-tenany fahombiazana"... Mbola maro aza, fa ireo aloha no tadidy avy hatrany...
nahud> "mpanao politika" no nitondra antsika hatr@ izay fa toa latsaka tao anatin'ny mangitsokitsoka isika kanoooo...
16. tywa68 ( 05/09/2006 08:52)
=D=D
17. soanja ( 05/09/2006 11:17)
Ka iza izany io ol io ry papala azafady fa io tokoa no tiako satria mety amin'ny piesiko koa. Zah tsy tonga any raha tsy efa ankatokin'ny fifidianana 2 na telo andro alohany dia tsy hahay izay mba tsara fa dia miandry anareo hanome ahy torohevitra.
Mba te hanao ny adidiko @ tanindrazako kosa aho nefa tsy te hanolobato mafana ho n'izay mipetraka any.
18. Simpona ( 05/09/2006 13:07)
Raha mba afaka manonona anarana hoe i iann fidina fa izao no fahitako azy, dia mahavaly tsara ny fanontaniako satria raha ohatra ka hoe ny tiako de ol tahak'izao sy izao dia tsy ho fantatro mihitsy hoe iza ilay olna satria zah tsy any dia tsy maharaka hoe iza no antitra, na maditra na manota sns..

I Ra8 ihany ngamba aloha no eritreretiko mbola azo fidiana raha mijery ireo olona efa milaza hilatsaka za
Fa izy aloha tsy mbola nanambara am fomba ofisialy ny filatsahany an (ty mbola ao anatin'le 16).
Raha am reo 16 ireo no tsy maintsy hifidy dia i Ny Hasina ngamba, saingy manahy ihany aho am politikan'ny rainy izay mety hiantraika any aminy. :-w:-w
19. andraina7 ( 05/09/2006 13:39)
Tô ts itako ze m'lay ko! mitovy daholo rehefa tonga eo,samy mameno pôsy s mitsdy ny interêt any fotsiny; za lou ts hifidy @ 03Dec e!
20. lapino ( 05/09/2006 14:08)
andraina7, za zao mety tsy afaka mifidy fa mba fidio ho ahy ary ny kandida iray e! ;)
soanja, raha mahazo roa na telo andro izany ve tsy mbola hisy fotoana hihainoana ny faradoboky ny propagandy? na rehefa tonga any ianao, ny olona any mety mahalala kokoa ny zava-misy, ka sao dia izy no tsara henoina?
Za manko izao raha anontanianao dia manana anarana iray, mety ho be no toy izany koa, kanefa safidinao ny vatonao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0558