stresse

1. bertran ( 03/09/2006 16:51)
inona no atao hoe stresse de ahoana nofomba hanoerana azy io !
novalian'i fijo ny 27/09/2006 21:15
2. lemenakely ( 03/09/2006 17:11)
Ny stress dia mandainga izay olona tsy manana azy fa saingy izao ny fahaizana mi gerer azy no tena essentiel.
Maro ny zavatra entina mi gerer azy ohatra mbà manao activité samy hafa e: mihaino musique ohatra na mamaky boky manao sakafo ....raha mijanona @ toerana 1 sy manao zavatra tsy miovaova dia mazàva ho azy tonga ny stress!
3. Vaika ( 03/09/2006 19:56)
Le stress est l'état de tension chronique (à la fois physique et psychique) qui découle d'une façon inadéquate de gérer la pression (psychique) pendant une période prolongée.
Raha fintinina izany dia io no atao hoe : "stress", ny olona mponina ny renivohitra (mihazakaza-dava, be herehina dia mitaintaina lava...)no matetika tratran'izy io (aretina !?)
Tsy mitovy amin'ny atao hoe : SSPT (syndrome de stress post-traumatique) izay mahazo ny olona voadona mafy teo amin'ny fiainany (victime attentat, viol ets...) ka ny fipotrany SSPT dia henjana lavitra noho ny stress tsotra (manofy ratsy sy mitabataba, phobies maro isan-karazany...)
Tsy dia mila fanafody ny stress (sady tsy misy fanafody hohanina !) ary arakaraky ny "traumatismes" sy ny toe-batanao no hahamaivana na hampazefatra ny fiantraikan'ny stress (tsy mitovy ny fomba fi-gérer-n'ny tsirairay ny état de stress).
maromaro ihany ny fomba fisehon'ny stress, - manifestation physique ohatra dia ny mony, ny nify simba, ny gencives mandeha rà !!! lamosina marary, problèmes de circulations, cancerItalic text sy ny maro tsy voatanisa...
- manifestation psychique : tsy mahita tory (troubles du sommeil), kizitina ets...

Vaha-olana : mahagaga fa any amin'ny fomba fisainana tatsinana (asiatique) no tena ahitana ny vaha-olana !
Yoga, acupuncture, massage...
Fa nakehitriny dia efa mba nofintinin'i Dr David Sevran Schreiber (Guérir le stress, l'anxiété, la dépression sans médicament ny psychanalyse) ny tokony atao :
- horloge biologique
- respiration : cohérence cardiaque
- écouter avec le coeur....
Tsy azo hadino fa ny fahaizana ny mi-gérer ny stress no mampiavaka ny olona azo hitokisana sy ny perdants.
4. Vaika ( 03/09/2006 20:20)
(Tohiny kely)
Izay atao rehetra hialana amin'ny stress dia azo sokajina ho "palliatifs" daholo. Ny stress mantsy dia tsy tokana fa samihafa daholo isaky ny tsirairay.
Ny azo ambara angamba dia iray no tena fanafodiny : ny fahaizana ny mihaino ny tenanao !
Mihinan-kanina tsara (équilibré), rehefa reraka dia maka aina na matory, mikojakoja toe-batana (sport, loisir), ary ny tena tsara indrindra : mihaino ny fonao cohérence cardiaque hoy Sevran Schreiber : izany hoe mampitovy lanja ny fo sy ny saina !
Ny atao ?
Aleo maka antsasak'adiny isan'andro mihaino sy "miresaka" ary mampitony ny fonao (im-piry moa hatr'izay ianao no mba nidera ny fo kelinao nefa izy daholo no nizaka ny onjam-piainana rehetra nianjady taminao ?). Tsy mila maka sarotra fa mba manao "break" kely dia milamina tsara daholo avy eo. Rehefa ny fidoboky ny fo mantsy no misavoaravoara dia tsy mandeha intsony ny fisainana sy ny eritreritra (ohatra : niampita arabe ianao dia saika voahitsaky ny camion, ao anatin'ny 1 s dia déconnecté tanteraka ny sainao, izany hoe tsy mahavita mibaiko (sady ela loatra e !) ny tokony atao intsony fa ny instinct de survie (émotion): ny vatana iray manontolo no mibaiko ny tenanao hitsambikina hanavotra aina ! ) Raha tsy salama ny vatana dia mazava ho azy fa tsy au top koa ny saina, ny stress kely tsy misy dikany lasa mampijaly, dia lasa adin-tsaina, dia lasa dépression ets... !
"Aleo mihaina ny temps présent (ici et maintenant)" hoy ny hendry !

5. tafita ( 03/09/2006 20:32)
ity misy zavatra tsara be hanao stresse fa toa tsy haiko mametaka azy eto amin'le hoe jereo eto ireny fa omeo ny Email aho handefasako azy na atoroy hoe ahoana le fanaovana jereo eto iny
6. Fiffi ( 03/09/2006 21:30)
Tafita: misy fanazavana momba an'io ato fa tsy tadidiko hoe aiza le izy fa halefako hafatra any @ nao raha vao hitako fa tsotra be ny fanaovana an'io an!
7. cutie ( 03/09/2006 21:43)
mikojakoja toe-batana (sport, loisir),

io ny fataoko manala stresse :P:P:P
8. Vaika ( 03/09/2006 22:07)
cutie : tsara be zany kah !;-)
D'abord, mahagaga fa na sport tsy dia mampiasa vatana loatra aza dia mety : tir au pistolet à 10 m ohatra (tsy an-kihetsika !), na kanety be...
Misy kosa anefa sport be mihintsy nefa toa tsy misy fiantraikany loatra fa vao mainka aza toa mandreraka amin'ny tsy antony. Ohatra fotsiny ny hazakazaka. Firy tamintsika moa no tsy nanao footing vao maraina dia iray volana raha be indrindra dia nanipy gants ?
Tsy ilay hazakazaka no mafy loatra fa ilay rythme no tsy mifanaraka amin'ny tena, ka ilay sport hanalana stress indray no mankarary an-doha (crampes, courbatures, fatigue générale, fahakiviana tanteraka...).
Averiko eto ihany ny valiny. Henoy ny fonao ! Ny fo no donnée biologique accessible indrindra sy amin'ny fotoana rehetra (na mihazakazaka aza !)
Ny tokony atao ?
Mividy cardio-fréquencemètre (io no tena tsara) tsy adalan-ndry Mark Allen (5 fois vainqueur Ironman d'Hawaï !) no mampiasa an'io fitaovana io !
Azo atao koa ny mihazakazaka sady miresaka dia tsy atao izay maha-sempotra!
Dia mazotoa ry cutie fa tsara ny sport !=D
9. cutie ( 03/09/2006 22:08)
ary meditation nga tsy mety :P
10. Vaika ( 03/09/2006 22:42)
Ka méditatio revue par Schreiber mihintsy ilay voalazako etys ambony (cohérence cardiaque !)
11. cutie ( 03/09/2006 22:45)
ok :oops::oops::oops: tsy hitako izy teo
12. Vaika ( 03/09/2006 22:53)
cohérence cardiaque = respiration + mihaino fo :D
Ny méditation = non-pensée no tena izy, fa ny an'i leiry nampiany monologue kely amin'ny tenanao (ny fonao)
13. cutie ( 03/09/2006 22:54)
tena mbola tsy mahavita an'zany za alou fa ny saiko mandehandeha be :-D:-D:-D:-D
14. Vaika ( 03/09/2006 23:05)
ka izay no mahasarotra ilay méditation:D
Fa raha ohatra kosa i njy sady manao respiration no mi-calmer ny fon-njy dia tsy mandehandeha ilay saina.
fa ny an'i Schreiber aza, lazainy fa tambatambazana mihintsy ilay fo koh:D
Dieny eto aloha dia lazaiko fa best seller (700 000 exemplaires vendus, saika naha-depa ny baiboly mihintsy:-D ) ilay bokiny fa betsaka ny critiques namely azy nefa nitanisa izay mety fotsiny i nedala fa tsy niseho nanome vaha-olana ny fahavoazana mety hianjady amin'ny fiainana iray manontolo. Fa nandeha be ilay boky ka zay no lazaiko hoe : sao dia mahasoa ihany fa topazo maso (sady tsy sarotra ny mamaky azy);-)
15. cutie ( 03/09/2006 23:06)
Mpandefa : Vaika [ Valio ] 04-09-2006 01:05:06
Lohateny : Re : stresse
ka izay no mahasarotra ilay méditation
Fa raha ohatra kosa i njy sady manao respiration no mi-calmer ny fon-njy dia tsy mandehandeha ilay saina.

mila mamolan-tena zany :-D:-D
16. Vaika ( 03/09/2006 23:12)
:-w non wa !:-D
Resahina ny fo dia tsy mivezivezy ny saina fa mifantoka tsara izay lazaina amin'ny fo !
Ary aza sokafana ny vava fa ao an-tsaina no tenina izay tiana ambara amin'ny fo wa:-w
:-D:-D:-D
17. cutie ( 03/09/2006 23:14)
:-D:-D:-D:-D:-D
ka sarotra be wa zany resahina zany ny fo, zany ny nolazaiko we mila mamolan-tena :-D:-D:-D
18. Vaika ( 03/09/2006 23:38)
:-w zen wa a !:-D
Respire (amin'ny orona !) expire (amin'ny vava !) 3 fois dia avy eo akipy moramora ny maso dia henona moramora ny fitepon'ny fo de isaina tsara amin'izay tsy mieritreritra zavatra hafa ny saina.
NB : pihana aloha ny afo sao may tampoka indray ny kaly vao hikoropaka hanenjika any an-dakozia eo indray, dia hidona amin'ny riram-baravarana ny loha fa maika loatra (stress be !) dia dia hianjera safotra amin'ny tany dia may nu laoka dia may ny trano sns:-w
:-D:-D:-D
Calme, tsy mikorapaka sady détendu ! respire, expire...Tout va bien ! hadinoy ny factures, hadinoy ny asa aman-draharaha, hadinoy ny olana majinijinika : ny trano tsy voafafa, ny robinet mitete, ny courses mbola tsy vita, ny alika mbola tsy nentiny nivoaka nanao promenade, ny akanjo mbola tsy voapasoka, ny volo mbola tsy vita brushing, ny zôridira mbola tsy nariana, ny lera hijerena info amin'ny télé ets...
calme et détendu dia za jerena de manga ny lanitra :D:D:D
19. cutie ( 03/09/2006 23:49)
:lol::lol::lol::lol::lol::lol:
tapaka ny tsinaiko mamaky azy :-D
calme et détendu dia za jerena de manga ny lanitra

ka efa akipy ny maso koa hahita aiza :-D:-D:-D:-D
20. Vaika ( 04/09/2006 00:06)
Tandremo indray aza fa sao hakipy mafy be indray ny maso dia mihenjana be indray ny hatoka dia marary avy eo. Dia avy eo tsy mahita tory, de tsy ampy torimaso, de lasa kizitina, de misotro café be de be fa mbola te-hatory, de tara amin'ny maraina, de mihazakazaka manenjika bus, de hadino tampoka ny nanidy trano (fa maika loatra), de niverina indray nihazakazaka nanidy trano (kay voahidy ihany ny trano:-D ), de tara bus de nikoropaka nitady ilay portable(hampandrenesana ny any am-piasana fa tara kely), de nianjera tampoka ilay portable, de latsaka anaty tatatra ilay izy, de latsaka hatramin'ny ranomaso fa ilay nihondrika handraoka ilay portable iny no tafintohina ka nianjera, de nivonto be ny lohalika, de voatery niverina nody fa tsy afaka mandeha intsony fa marary be ny lohalika...:cry:
Détendu(e) wa a !:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4558