haisoratra malagasy

1. jvais ( 24/08/2006 18:35)
Miarahaba antsika rehetra !
Raha mba azo atao de mba maniry ny hamaky ny tononkalon'ireo kalazalahy amin'ny haisoratra malagasy aho raha mba misy manana.
ireto avy ireo tadiaviko :
- Rado (Georges ANDRIAMANANTENA
- DOX
- Om Guy (RABESAIKY Marie Guillaume)
- SOLOFO José
Misaotra antsika mialoha e,
Asandrato ny hai-teny, hai-soratra malagasy fa sady feno anatra, torohevitra, ary ko fahafinaretana, sady gasy antsika rahateo e !
Anja
2. Fiffi ( 24/08/2006 19:10)
jvais: misy ny tononkalo ato @ sera2 fa tsy aiko raha nisy nampiditra an'ireo fa jereo hiany . http://serasera.org/vetso/
3. Vaika ( 24/08/2006 19:27)
Maty

Maty ilay mpivaro-tena !
Maty tsisy mpanontany !
Maty tsisy mpahonena !
Maty tsisy mpitomany !

Ny mpivavaka ?...Nandalo...
dia nisaotra ny Andriamaniny :
"Afa-doza nampimalo,
hono, izao ny tany maminy"...

Tsy mba olona tomefy
no namoaka izato faty
Fa tovovavy jefijefy
na fiaina, na fitafy...

Ny iray niantso an'Andriamanitra
sy nivantambantan-teny :
"Omeo azy re ny Lanitra
fa ampy izay ny Afobeny"

Rado (16/01/1970)

4. Fiffi ( 24/08/2006 21:00)
Voninkazo adaladala

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory... ! Izy irery no mifoha.


Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony


Rado11 janoary 2002
5. naritsimba ( 25/08/2006 05:16)
Miarahaba antsika namana rehetra e!
Ho antsika izay hampiditra tononkalo na tononkira dia mba iangaviana ho tsy hisy diso tsipelina sy hanaja tsara ny fomba nanoratan'ilay mpanoratra azy eo @ lafiny fitsipi-pitenenana sy ny mari-piatoana (teboka amam-paingo sns...
ary i Fiffi izany tena mankafy tononkalo an!
6. Fiffi ( 25/08/2006 08:48)
tena marina mihintsy aloha hoe tokony tandremana zay soratana fa indraindray tena ahitana hoe "d , wa ,sns
naritsimba: :) mamaky aloha zah fa tena mbola hafa hiany ny haisoratra Malagasy an!:)
7. mandrindra ( 25/08/2006 08:52)
fiffi, io tonokalo io ve ilay nataon'i erick manana hira?
8. kelly13 ( 25/08/2006 09:19)
za tsy mahay fa miala tsiny :(
9. Fiffi ( 25/08/2006 09:22)
mandrindra: tsy aiko akia an! ny hiran'i Eric manana mba fantatro zao de le hoe "dans un coquillage" iny nadikany teny gasy iny fotsiny .
10. Vaika ( 25/08/2006 10:32)
ekeko

Ekeko fa misy veloma tokoa
Atao amin'ny maty : arahina saona
Fa fara-veloma mangidy kokoa
Ny an'izay velona tsy afaka hihaona

RADO (Mey 1969)
11. booboo ( 25/08/2006 10:37)
hum....
12. Vaika ( 25/08/2006 10:48)
Ho antsika izay hampiditra tononkalo na tononkira dia mba iangaviana ho tsy hisy diso tsipelina sy hanaja tsara ny fomba nanoratan'ilay mpanoratra azy eo @ lafiny fitsipi-pitenenana sy ny mari-piatoana (teboka amam-paingo sns...

Fanampiny kely : rehefa handika ihany (hindrana sy tsy nangataka fanomezan-dàlana) dia aleo "texte intégral" tsy misy commentaire perso !
Sao dia tsy mety tokoa ny mandika tonon-kalo eto ?
13. prime ( 25/08/2006 11:19)
vaika:
Sao dia tsy mety tokoa ny mandika tonon-kalo eto ?
14. Vaika ( 25/08/2006 11:31)
Prime : Sao dia misy olana amin'ny droits d'auteur mantsy ka aleo hajanona dien'izao dia mba moramora ny sazy raha sendra tsy azo atao:D
15. Simpona ( 25/08/2006 13:28)
koklongany fa rehefa hitako le bokin'i Rado ao amiko de omeko bobaka be enao, sao mandiso tsipelina eo za de bedy :lol::lol::lol:
Tsy misy olana min'ny mpanoratra tkou ve aloha ny mandefa ireny eto e, sao enjehin'ny OMDA eo za kle.^:^^:^^:^

Ny ahy ilay Ekeko (io napetrak'i Vaika eo ambony io ny tonokalon'i Rado isan'ny tiako indrindra: Fohy nefa mafonja
16. Fiffi ( 25/08/2006 13:30)
io aza aloha nalaiko anaty net an! ka raha azo nalaina tao ve de tsy azo halefa eto ? jereo ange ao @ haisoratra malagasy fa misy ao an!
17. mandrindra ( 25/08/2006 13:45)
Afo tsy matin'ny rano

Fa fihetsika nampihodivitra,
Ary lamba nihelatra monja;
Sy hanitra nentin'ny rivotra,
Fitopan'ny zipo manonja:
Dia zavatra tsy inona akory,
Kinanjo nofisi-matory

Fa maso niherika foana,
Ary tsiky niantefa tsy fidy;
Eritreritra sendra tsaroana,
Toa votsy nampangidihidy
Kinanjo dia lasa nivaona
Aretina mandavan-taon!

Dia miverina fa tositosy,
Zanak'omby maniry kijana,
Sola-bato ka tian-janak'osy,
Volan-tsinana tsara zahana!
Tsy nampoizina indrindra ary izany,
'Ty fisainako lasa nankany!

Ny toerana lavitra akaiky,
Ny làlana mahasadaika,
Fa izy mandà sy manaiky,
Kanefa ity 'zaho efa maika:
Maninona moa ra' lazaina,
Hiononan'ny fo noratraina!

Vetsovetso ka lasa nihoatra,
Nofy mamy ka tiana hateza,
Ny ao am-pony tsy fantatra loatra,
Misy aloka mangezaheza :
Miefitrefitra anie ny ao anaty,
Ka sao tsy fitia mandra-maty!

Fitiavana kely nisisika,
Fitiavana kely tsy levona;
Toa zavatra manitikitika,
Toa sery nirina hampihevina;
Kinanjo nampiditra angano,
Tonga afo tsy matin'ny rano

RODLISH
18. booboo ( 25/08/2006 13:55)
hum...
19. mandrindra ( 25/08/2006 14:00)
hum ahoana ry booboo ?
fananmpiny kely, i rodlish na Arthur Razakarivony dia teraka tamin'ny 1897
20. booboo ( 25/08/2006 14:06)
hum...sizé t@ terminale aby reo hitako hatreto ireo fa tsisy raha kah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3181