haisoratra malagasy

21. mandrindra ( 25/08/2006 14:07)
fakafakao io tononkalo io :-D:-D:-D
22. Fiffi ( 25/08/2006 14:09)
hummm
23. mandrindra ( 25/08/2006 14:19)
ary ahoana ary ianareo no mi hum hum daholo.
raha manembona ianareo dia toy izao :

Don-tokana mampiseto

Mampahamanina raha midona
'Zay don-tokana lavitra any;
Feo tsy nomanina hampirona,
Kanjo misoko mangina ihany!

Fohafohaziny ny alahelo,
Lasa tsy tana ny sentosento;
Sendra izay dona mamelovelo;
Vahona tsy satry ny fiainana eto!

Mangotikotika ny ao anaty;
Tsarotsaroana ry'lay tsy hita;
Velona ihany sa efa maty,
Rendrika an-dalana sa tafita?

Mametsovetso tsy hay tsindrina
'Lay eritreritra mahatsiahy;
Mahatsiarotsiaro ny havan-tiana,
Velona aok'izany 'reo ahiahy!

O ry don-tokana, mba mitsera.
Vonto ny maso, mitrahotraho;
'Lay tandrifindrahona te-hianjera
Faohy moramora sy mba alefao,

Aza mateti-pidona, ho'aho,
Ry don-tokana mampitsetra,
Fa ny foko miontana mitalaho,
Torotorovana, manjoretra!

Enga hianao mba ho sovenira
Hifahatsiahivan'ny eto an-tany;
"Ho kalo fiventiny sy ho hira
Hamaoka ny masony raha tomany"!

Ignace RATSIMBAZAFY
24. Fiffi ( 25/08/2006 14:22)
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Respect/ta_clap.gif[/IMG]
25. booboo ( 25/08/2006 14:28)
kiiiiiii ....sao dia mbô diavolana aza androany lé !
26. mandrindra ( 25/08/2006 14:29)
jereo rahalina :-D:-D:-D
27. booboo ( 25/08/2006 14:31)
hum...akaiky ho tsinana kay :^)
28. Simpona ( 25/08/2006 14:54)
Tena mampietsika ny aingam-panahiko ity fa aleo ko za hanoratra:

Takariva vao maraina
Tolakandro tamin'izay.
Tam sasakalina iny
No nidify ilay masoandro.

;-);-);-);-)

Ko klongany fa misy slamo miantso fivavahan izany de tapak ny ainga panahiko. :):)
29. booboo ( 25/08/2006 14:58)
:-D
30. Fiffi ( 25/08/2006 15:30)
:roll:
31. jvais ( 25/08/2006 15:39)
Misaotra antsika rehetra namaly ny antso aho ary mbola manantena fa mbola hitohy izany an !
Misaotra le nanoro tao anaty net koa e,
Za reto tsy mahalala na diavolana izao na maizimbolana, ndraso jereko refaveo
veloma daholo e
32. Fiffi ( 25/08/2006 15:54)
33. pissoa ( 25/08/2006 16:32)
mandrindra an - mba ataovy any amin'ny tononkalo ireo e :roll:
34. Fiffi ( 25/08/2006 16:34)
35. Vaika ( 26/08/2006 08:08)
raha mbola misy

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso !

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
Nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina ?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra ?

RADO (24-02-70)
36. era ( 26/08/2006 10:29)
jereo fa ao amin'ny haisoratra.org koa misy bdb
37. cutie ( 26/08/2006 10:34)
Mpandefa : Vaika [ Valio ] 26-08-2006 10:08:30
Lohateny : Re : haisoratra malagasy
raha mbola misy

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso !

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
Nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina ?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra ?

RADO (24-02-70)

Hay ve ka tononkalon'i Rado io e :P
38. pissoa ( 26/08/2006 11:20)
Ity tiako be (l)(l)(l)

Asa izany

Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany,
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo,
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo,
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko,
Ka mivetso ny fitiavako. O antony, fantaro!


Dox
39. booboo ( 26/08/2006 11:21)
hum...
40. Vaika ( 26/08/2006 12:02)
cutie : :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6814