Ny sambatra ao amin'Andriamanitra

1. prime ( 21/08/2006 13:23)
Matio 5:3-12[/b]"[b]3 Sambatra ny malahelo am-panahy;... 4 Sambatra ny ory;... 5 Sambatra ny malemy fanahy;... 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;... 7 Sambatra ny miantra;... 8 Sambatra ny madio am-po;... 9 Sambatra ny mpampihavana;... 10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;... 11 Sambatra hianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. 12 Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."

Ahoana ny hevitrareo?
novalian'i prime ny 02/11/2006 09:35
2. rakaroka ( 21/08/2006 14:15)
Vitsy ny oul tena liana sy mikatsaka indrindra moa miaina ny tena fahamarinana ara-panahy satria variana kokoa @ zavatry ny tany ny ankamaroan'ny oul!
Toetra ara-panahy ny miantra ny mitandro fihavanana.
Ny fahadiovam-po no sehatra ahafahana mampiantrano an'Atra. Raha misy oul mikatsaka "fahazavana sy fahamarinana" dé matetika voahenjika fa antoky ny "harmonie" foana anefa izany.
3. rakaroka ( 21/08/2006 14:33)
Tsy hoe antoky ny "harmonie" fa ny "fahasambarana!"
4. prime ( 21/08/2006 14:54)
Ekena tanteraka ny hevitrao...
Fa izao tontolo izao kosa miteny hoe ny sambatra dia izay manana fiara maro, villa avec piscine miaraka @ espaces de jeux isankarazany, manana jet, manam-bola be, milamin-tsaina, manana orinasa bdb, manana mpiasa sy mpanompo maro, manana fitaovam-pamokarana raitra be, mahafehy ny serasera rehetra, manana harena voajanahary manokana, manam-bady bdb koa aza na sakaiza maro...
Ny olona sasany aza, ny ampahany @ ireo no azy dia efa hoe sambatra...
Dia ahoana izany? tsy ilaina ve izany ny zavatry ny tany?
5. Fiffi ( 21/08/2006 16:07)
misy karazany ny hatao hoe fahasambarana fa ny tena fahasambarana de izay mihaina sy manaraka ny tenin'Andriamanitra , ny fahasambarana azo eto an-tany mety hatao hoe matériely ohatra ireo voalazanao ireo , hoe mahatsiaro sambatra fa manana trano , fiara sns.....fa tena misy marina ve io fahasambarana io raha tsy misy ny finoana ?
6. Achia ( 21/08/2006 17:40)
ra dinihina ihany koa nefa toa tsy misy fahasambarana ny eto antany , inona moa no dikan'ny fahasambarana @ teny frantsay ? azafady fa zaho mantsy rekany e !
7. rakaroka ( 21/08/2006 22:00)
"satisafaction et paix intérieure et extérieure"?
Marina ny tenin'i Prime hoe fahasambarana ho an'ny oul ny mifikitra @ haren'ny tany 'zay raha ny marina anie dé tao anatin'ny plan'Atra mihitsy ny ahasambatra ny oul @ alalan'ny zava-misy. Tahaka ny Ray mihary ny tontolo ho an-janany! ary nataony hanjaka sy hifehy izany izy (peut-être voamarina ny siansa).Izany anefa tsy natao hanadinoana ny lalàna fototra: fankatoavana sy fanajana an'Atra, fifankatiavana, sns... Ary eo no misy ny "vice" matetika ohatra mihary harena @ halatra ny oul anefa hoe aza mangalatra. sns...
Ny maha antoky ny fahasambarana ny harena ara-panahy dé satria ny fanahy no mitoetra fa ny vatana mandalo!
8. prime ( 22/08/2006 09:02)
Fiffi> Ka ny olona anie toa tsy miraharaha izay finoana e, izaho efa nahita olona niteny mihitsy aza hoe ny tena fahasambarana aza hono dia rehefa vita ny sitrapo rehetra dia maty @ izay fa tsy mila tratra antitra izany...
Achia> Raha ny dikany teny frantsay aloha dia tsy haiko "exactement" fa ny baiboly no miteny hoe, "heureux sont..." raha nijery an'ireo textes voalaza eo ambony ireo... Ka ilay teny gasy mifangarongaro ihany fa fifaliana koa ilazàna azy... Ary mbola hafa koa aza ny hoe "fiadanana"...
rakaroka> feno mihitsy ny voalazanao fa ny fanontaniako indray ary dia hoe, ny mpanara-dia an'i Kristy ary ve izany dia tsy manana anjara @ ara-nofo mihitsy? hitsiako kokoa, hanan-karena eto an-tany?
Dia ahoana ny kristiana mpanan-karena? Mpanam-be mihitsy aza indray2?
9. majesty ( 22/08/2006 09:26)
samy mahasambatra avokoa na ny harena ara nofo na ny harena ara-panahy(ny miaraka amin'Andriamanitra)fa ny faharetany no maha-samihafa azy,ny haren'ny tany mandalo ihany sady vetivety ihany,ka na rehefa maty aza dia tsy afaka ny ahatondra na dia iray tanana fotsiny aza fa ny eo amin'Atra kosa maharitra mandrakizay:D
10. prime ( 22/08/2006 10:36)
majesty> ekena tanteraka nefa ny "textes" nolazain'i Jesosy dia io ambony io (matio 5:3-12)
11. prime ( 22/08/2006 11:46)
Raha aodina ilay fanontaniana aza dia izao koa e, iza amintsika no mahatsiaro sambatra dia ahoana izany hoe sambatra izany?
12. prime ( 23/08/2006 06:30)
Na koa azo atao hoe, inona no tsy mahasambatra antsika?
13. majesty ( 23/08/2006 07:30)
prime:tsy sambatra ntsika satria tsy manana finoana (sambatra ny madio am-po fa izy no ahita an'Atra sns),tsy sambatra ntsika satria mbola miaina eto @ty tany feno ota ity,tsy sambatra ntsika izay tin-tsika atao ihany no ataon-tsika kanefa reny dia zava-poana avokoa,fa mbola ho avy ilay andro iray izay tsy hisy ntsony fahoriana sy fijaliana na ranomaso refa any Jerosalema vaovao zany ntsika vao tena afaka milaza hoe sambatra,sa enao prime efa sambatra zao?
14. prime ( 23/08/2006 07:57)
majesty> mbola hovaliako ihany ny fanontanianao aoriana kely... miandry ilay fihavian'ny Tompo @ ilay jerosalema vao2 ve izany vao ho sambatra?
15. prime ( 23/08/2006 08:27)
Nefa anie ny milaza ho sambatra dieny mbola ety an-tany maro e...:lol:
Sady iry lazain'i Jesosy hoe sambatra anie dia raha dinihina tsara dia ireo mpianany e... izany hoe hiainana dieny mbola ety ilay fahasambarana?:lol:
16. majesty ( 23/08/2006 08:52)
prime:eny e,marina zany hoe izay mino azy dieny ety an-tany d ho sambatra kanefa amin'ny maha nofo ota antsika d tsy ho haintsika ny tena dikan'zany hasambarana izany;mahalala ihany isika fa sombiny kely ihany na mety fahasambarana manjavozavo ihany fa ny mahafinaritra dia ny hoe mbola ahafantatra an'zany isika sy hiaina amin'izany rehefa tonga any an-danitra,dia amin'zay mety enao mintsy no hiteny amiko hoe "zay za vao tena sambatra be mitnsy ry majesty a"
17. majesty ( 23/08/2006 08:53)
sady bdb ange ny oul no milaza fa sambatra amin'zao fotoana zao e,nefa mila mitandrina ihany fa sao d mba hasambarana sandoka ilay izy de tahaka an'reny zavona maraina reny refa miposaka ny masoandro de manjavona
18. diamondra27 ( 23/08/2006 12:46)
prime:
Mpandefa : prime [ Valio ] 22-08-2006 13:46:17
Lohateny : Re : Ny sambatra ao amin'Andriamanitra
Raha aodina ilay fanontaniana aza dia izao koa e, iza amintsika no mahatsiaro sambatra dia ahoana izany hoe sambatra izany?


Za mahatsiaro sambatra

Ny atao hoe sambatra de mahay mi-apprécier ny zava-misy manoloana anao , na de mafy aza ny fiainana

Ohatra: misy olona marary (andro vitsivitsy) de efa be menomenona; nefa tokony hifaly izy satria sitrana sy azo sitranina le aretiny kanefa any ho any misy olona handicapés, tsy azo sitranina intsony, de tokony hanana izany fomba fisainana izany ny olona mba hahazoany fahasambarana.

Ohatra : mbola manana haniko hanina le olona nefa mifidy sakafo, tsy mahatsiaro sambatra satria tsy nihinana steack androany atoandro; nefa any ho any misy tsy mihinankanina na de indray sotrokely akory aza, azonareo ve le tiako lazaina @le oe: inona no mahasambatra?

Mifalia @izay hanananao na kely na lehibe , mahaiza mionona de hahatsiaro sambatra ianao.
19. diamondra27 ( 23/08/2006 12:49)
Mpandefa : prime [ Valio ] 23-08-2006 08:30:06
Lohateny : Re : Ny sambatra ao amin'Andriamanitra
Na koa azo atao hoe, inona no tsy mahasambatra antsika?


mitady ny tsy misy foana,
tsy mety afa-po
insatisfait éternel

tsy mahay misaotra an'Andriamanitra @zavatra miseho @ fiainanao na tsara io na ratsy
20. rakaroka ( 23/08/2006 16:42)
'zao vao mamaly.
'Zaho anie tsy mitsara hoe tsy ao avokoa ny mpanana
rehetra. Ny baiboly aza no nampianatra fa moramora ho an'ny rameva ny miditra @ vodifanjaitra noho ny mpanankarena @ fanjakan'ny lanitra...
Nisy fotoana andro nanontany an'i Dalai Lama ity oul iray mpanana mikasika ny hareny. Dé hoy ny navaliny hoe:
matoa ianao manana toa izany dé satria nanana hatsaram-panahy mi-mérite izany ianao teo @ fiainanao taloha:tsara fa tohizo izany, fa raha toa
miharatsy ny fitondra-tenan'ilay oul, dé hitsitongana ny fiainany @ "karma": fiverenany manaraka ety an-tany, mandra-pahalafatra afaka ho iray @ lé divinité.
Tsapa hoe misy karazana harena maro, ka anjaran'ny oul aza ny mihary sy misafidy izay harena azony antoka fa aha-stable azy qui tend vers l'infinie!...:
Ny fahasambarana koa dé samy manana ny mahasambatra azy ny oul fa ny fahatezan'izany no irariana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5162