Ny sambatra ao amin'Andriamanitra

41. diamondra27 ( 29/08/2006 11:11)
rakaroka: marina izany , mety misy Xna manana eritreritra an'izany saingy izao:
na dia sarotra sy ady lava aza ny fiainana rehefa manana an'i Jesosy hafa ihany, namana fidel sy azo Itokiana Izy
42. prime ( 29/08/2006 13:13)
rakaroka> misy tsy azonao ilay antsoina hoe hazo fijaliana raha ny fambaranao izany... fa tsy maninona aloha hatreto satria tsy izay no votoatin-dresaka fa ny hoe firy no hahazaka izany...
Hazavaiko kely fotsiny ihany, tsy symbole ny hazo fijaliana ambara eto (tsy ilay hevitra fifandraisana fotsiny ihany amin'Andriamanitra sy ny olona, ny olona sy ny olona araka ny lazainao ihany)... fa fiainana ao amin'i Jesosy... ilay fiainana feno mitondra fahasambarana dieny eto an-tany...
Farany, ny fahoriana @ fiainana andavanandro efa fantatra io fa tsy maintsy atrehin'ny olona rehetra... Fa ny fahoriana ambaran'ny soratra masina hafa mihitsy...(ka izay ilay lazaiko hoe tsy azonao)
diams> tena azonao tanteraka ny tian-kambara, fahasambarana mihoatra lavitra noho izay eritreretina ny filanjàna ny hazo fijalian'ny Tompo...
Nefa vitsy no manaiky izany...
43. rakaroka ( 30/08/2006 02:28)
Ka tsy hita intsony ny handraisana ny hazofijaliana na fahoriana na hasambarana ? ny fiainana ao @ Jesoa
tsy hita izay modely arahina:izaho miezaka miaina toa Azy fahavelony: Hay ilay fahafatesany izany no tena important
Tena tsy tsapanareo mihitsy ny maha-abstrait ilay fampianaranareo: hyper COMPLIQUE.
Dé tokony "ekena fotsiny na tsy azo aza?"
44. prime ( 30/08/2006 10:34)
rakaroka> tsy compliqué ilay izy fa tadiavinao hanaraka ny "logique humanine" hoe mitovy raison amintsika Andriamanitra dia lasa toa sarotra be ny mandray azy, nefa tena farany tsotra mihitsy...
Tsy mazava ny tianao ambara amin'ny hoe "toa Azy fahavelony hay ilay fahafatesany no tena important"... Ka Jesosy anie velona na @ izao isika rehetra miresaka eto izao aza e... Fa raha tsy maty Izy tsy nitsangana t@ maty, ary raha tsy nitsangana t@ maty Izy dia foana ny finoana kristiana... Fa ankehitriny Izy efa nandray ny fahefàna rehetra any an-danitra sy ety an-tany...
Izay anie rakaroka ny mahasarotra ny manara-dia an'i Kristy e, Izy anie no miteny hoe : "Sambatra ny malahelo am-panahy;... Sambatra ny ory;..." fa tsy izaho no mamorona fampianaram-baovao na filôzôfia eto e...
Ary izay no anontaniako hoe toa mifanohitra be mihitsy @ fahasambarana araka ny olombelona ny sambatra lazain'i Kristy? Dia firy no hanaiky izany???... eo no tena adihevitra...
45. mi ( 30/08/2006 12:34)
Ny fahasambarana ao @'Atra dia tostra be amiko:
rehefa mahatsiaro milamina sy miadana ianao zany hoe toa mande tsara ho azy @le tsy ampoizina ny fiainana ,lavitry ny olana goavana, dia izay amiko le sambatra ambaran'ny baiboly
46. tywa68 ( 30/08/2006 15:10)
ô rakaroka â ! samy manana ny hazo fijaliany ny rehetra, fa arakarak'ilay fitodianao any Aminy, no hanamaivana izany na tsia. Aza kivy fa tsy misy very na dia mbola mitady azy aza ! ;-)
47. rakaroka ( 31/08/2006 06:02)
Ka ny hafa miatrika ny antsoina hoe hazofijaliana anie tsy hoe kivy na mitaraina au "contraire" cela fait vivre tout le monde hoe "mihoitra" @ difficulté sy ny fiainana! Tsy mahatsapa fahairery akory @ izany
fa maro aza no mitady "aventure hi -testé-ny ny personnalité-ny.
Ny andraisako ny ory aram-panahy dia ilay présence hoe: mangetaheta ny zava-panahy, ohatra mikatsaka
fatratra ny "fanjakan'ny lanitra", ny fahamarinana,
sns...
48. prime ( 31/08/2006 09:54)
rakaroka> izay vao hitako mihamazava aminao ny fanontaniako dia mamaly tsikely2 ianao... fanamarihana fotsiny, malahelo am-panahy#ory... (ny iray tompon'ny fanjakàn'ny lanitra, ny iray hampifaliana)...
mi> dia inona no mahasamihafa an'io lazainao io @ fahasambaran'izao tontolo izao? manao hoe :
aho tary aloha:
Fa izao tontolo izao kosa miteny hoe ny sambatra dia izay manana fiara maro, villa avec piscine miaraka @ espaces de jeux isankarazany, manana jet, manam-bola be, milamin-tsaina, manana orinasa bdb, manana mpiasa sy mpanompo maro, manana fitaovam-pamokarana raitra be, mahafehy ny serasera rehetra, manana harena voajanahary manokana, manam-bady bdb koa aza na sakaiza maro raha ilaina...
Ny olona sasany aza, ny ampahany @ ireo no azy dia efa hoe sambatra...
aho:
izaho efa nahita olona niteny mihitsy aza hoe ny tena fahasambarana aza hono dia rehefa vita ny sitrapo rehetra dia maty @ izay fa tsy mila tratra antitra izany...
mi:
rehefa mahatsiaro milamina sy miadana ianao zany hoe toa mande tsara ho azy @le tsy ampoizina ny fiainana ,lavitry ny olana goavana, dia izay amiko le sambatra ambaran'ny baiboly
mifanalavitra ve ireo? "mandeha tsara ny fiainana, lavitry ny olana goavana..."
Mety diso ny fandraisako ny teninao fa ahitsio raha izany... izany hoe mila fanazavàna kokoa ny ambaranao na dia lazainao hoe "tsotra" aza...
49. tywa68 ( 31/08/2006 10:12)
midera sy misaora Azy fa mbola nomeny tombon'andro hiainana (isan'andro dia misaotra AZY).^:^^:^^:^
50. Fiffi ( 31/08/2006 10:23)
(mba nankaiza hoa i marozevo sy mandalo no tsy hita intsony ?)
51. prime ( 31/08/2006 11:07)
Deraina ny Tompo noho izany vavak'i Tywa izany...^:^^:^
52. prime ( 01/09/2006 10:24)
Fiffi> marozevo mbola vacances fa ho avy eo ihany... i mandalo mety ho izay koa...
53. prime ( 01/09/2006 12:04)
...Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;... Sambatra hianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

Sambatra noho ny fanenjehana, sambatra noho ny fankatoavana ny tsara, sambatra noho ny asa so atao noho i Jesosy... mafy tanterahina anie rey olona izany fa mora ambara e, s'ahoana hoy ianareo???:wink:
54. diamondra27 ( 01/09/2006 22:49)
tena marina ireo e!

rehefa henjehin'ny olona ianao fa tafita t@ fahamarinana, t@ herimponao, dia ho tsapanao ny fahasambaranao maika fa enjehina noho ny fahamarinana,sy esoin'ny olona fa hoe manana ny Tompo sy mapanara dia Azy.
Efa nekenao Jesosy de ifikiro hatr@farany fa tsy diso fanantenana ianao.
55. prime ( 04/09/2006 10:56)
misaotra diams a...
56. Fiffi ( 04/09/2006 16:47)
tsy ho diso fanantenana mandrakizay !
57. diamondra27 ( 05/09/2006 07:45)
prime: :D
indraindray dia tsy sahy aho miteny @olona ny fahasambarana nomen'i Tompo satria tsy tsapan'ilay olona eo en face-ko izany, ary matahotra sao dia mi-choquer azy.
Tsy dia fahita matetika manko ny olona sambatra eto antany ka raha vao miteny an'io ianao dia lazain'ny olona hoe: "misy tsy ampy kely, dans la lune..."

MAT 5:9"sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe:zanak'Andriamanitra"

Iza no hampihavanana?
58. prime ( 05/09/2006 11:16)
Bonne question...=D=D
59. prime ( 07/09/2006 11:05)
Ny olombelona mpanota sy Andriamanitra... ny olombelona tsy mino sy mino...
60. prime ( 08/09/2006 11:32)
Ny fahasambarana ao amin'Andriamanitra dia ny fanatanterahana tanteraka ny sitrapony, nefa ireo dia efa vita faminaniana fa entin'izao tontolo izao anenjehana ny mpino ka itondràn'ireo fahoriana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1812