Ny sambatra ao amin'Andriamanitra
62. prime
(
11/09/2006 14:16)
Rehefa manaiky sy mino ny olona fa hanaraka an'i Jesosy dia enjehiny sy haratsiany... izay no voalaza... fa raha jerena @ fiainana andavanandro dia mihatra tokoa izany... Fa tsy vitsy no mitsikera sy manenjika ny olon'Andriamanitra... misy tena mankahala fotsiny izao tsy fantatra hoe inona no antony fa dia hoe "miseho masina...", "miseho ho mahay an'Andriamanitra...", "miseho ho tsy manota nefa...", "tsy ampahafiriny @ fahalalàna an'Andriamanitra nefa mba mitsaratsara..."
@ lafiny ilany dia rehefa tsy mitovy @ manodidina ianao dia enjehiny... raha izay fotsiny dia tsy misy mahasamihafa azy @ olona voan'ny tsindry hazolena... fa ny tena olana dia ny anaran'i Jesosy mihitsy no tsy zakan'izao tontolo izao... (ny fiarahamonina @ ankapobeny...)

63. prime
(
12/09/2006 15:55)
Sambatra nefa ory... eo no sarotra ny hanaiky azy ho an'ny mpino maro...
64. prime
(
15/09/2006 10:45)
"...Fa eto amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana... fa Izaho efa nandresy izao tontolo izao..."
Tsy maintsy misedra ny lalana sy ny kapoaka nosotroin'ny Tompo ny mpanaradia azy...
Tsy maintsy misedra ny lalana sy ny kapoaka nosotroin'ny Tompo ny mpanaradia azy...
65. prime
(
18/09/2006 12:09)
...Fa inona no laza, raha tahiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? fa raha tahiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra... IPetera 2:20
67. Mandefitra
(
26/10/2006 08:07)
Ary Prime tena nandalina tsara ny Soratra Masina mihitsy an.Mahafinaritra ka.Amiko de ny tsy fahalalana tsara an Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny fitiavany no mahasarotra ny manaradia an i Jesôsy.Zary miantsampy @ zao abidiampianarana rehetra zao ny mpino( indro atsy Kristy), ary vao maika manalavitra ny tsy mpino.Ny fahendrena dia ny miverina @ ilay batisa,nandraisan' Andriamanitra antsika ho zanany,nampitafiany antsika an Jesosy zay nitondra ny helontsika teo ambony hazo fijaliana ary efa nitsangana ka nanamboatra fitoerana ho antsika.
68. prime
(
26/10/2006 11:47)
Misaotra mandefira a... mitovy hevitra aminao tanteraka...:)
D ekenao v nefa ny hoe hijaly noho ny anaran\'i Kristy? nefa izay no tena sambatra hoy Izy?...
D ekenao v nefa ny hoe hijaly noho ny anaran\'i Kristy? nefa izay no tena sambatra hoy Izy?...
69. Mandefitra
(
26/10/2006 12:14)
Rehefa mahatsapa fa zanak Andriamanitra ianao, ary handova ny fiainana mandrakizay, ekenao ny lalampahoriana ahazoana fiadanana rahatrizay."Ety @ zao tontolo zao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia fa Zaho efa nandresy izao tontolo izao"hoy Jesosy