ireo karazan'olona hita eto

1. LazaDaddy ( 16/08/2006 00:33)
Azo sokajiana ho 2 (roa) ny olona hita amin'ny adihevitra ara-pinoana:

- Ireo mandeha araka ny fitarihin'ny fanahy.
- Ireo fatra-pitady fanazavana na porofo araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo.

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Korintianina 2:14
novalian'i prime ny 21/08/2006 12:15
2. soanja ( 16/08/2006 00:40)
LazaDaddy:

Azo sokajiana ho 2 (roa) ny olona hita amin'ny adihevitra ara-pinoana:

- Ireo mandeha araka ny fitarihin'ny fanahy.
- Ireo fatra-pitady fanazavana na porofo araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo.

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Korintianina 2:14

Ary ireo karazan'olona faha-2 ireo dia tsy ahita ny zavatra tadiaviny raha tsy ny Fanahy no hitarika azy amin'izany lalana izany. Satria ny asan'ny Fanahy no mitondra amin'ny fikatsahana ny finoana an'Andriamanitra. Fa raha ny lojikan'ny nofo dia tsy nisahirana teto amin'ity sehatra ity akory izy fa any amin'Izao tontolo izao dia ahita izay tadiaviny izy. Mbola miasa ny fanahy ao anatiny matoa midikodiana eto amin'ity toeran'ny finoana ity izy. Mbola tsy hitany fotsiny ny tena lalana mazava.

3. LazaDaddy ( 16/08/2006 00:52)
Soanja momba ilay sokajy faharoa:
Mbola miasa ny fanahy ao anatiny matoa midikodiana eto amin'ity toeran'ny finoana ity izy.
ENY TOKOA, ireto ny tranga mety miseho raha ireo karazan'olona faharoa ireo:
- Misy fanahy ratsy mamporisika azy handrebireby ny hafa eto
- Misy fanahy ratsy mitabataba ao am-pony ka tsy henony ny bitsiky ny Fanahin'Andriamanitra.
4. soanja ( 16/08/2006 01:02)

Ny asan'ny fanahy hoy aho no mitondra azy hikatsaka an'Andriamanitra.

Matoa mbola milaza izy fa mikatsaka an'Andriamanitra dia Fanahy tsara izay no manampy azy hitondra azy eto ka mangataka fanazavana momba an'Andriamanitra. Fa ny Fanahy ratsy dia hitarika azy moramora any amin'ny lalan'ny maizina fa tsy hisahirana akory ny handalo eto izy.

Ny mpandrebireby dia tsy maintsy misy foana fa izay no tokony anananao fiadina matanjaka dia ny finoanao (Andriamanitra). Asakasak'izay voambaka.

5. LazaDaddy ( 16/08/2006 01:09)
Soanja> Tena ny Fanahin'Andriamanitra tokoa no mitarika olona hanatona bebe kokoa an'Andriamanitra.

Aza hadino anefa fa misy koa ny fanahy ratsy tonga handrebireby (araka ny porofo sy lojikan'ny nofo) ireo kely finoana sy misalasala, izay tonga eto noho ny fitarihin'ny Fanahin'Andriamanitra.
6. soanja ( 16/08/2006 01:25)
Izay indrindra ry LazaDaddy no tokony hampianaranao azy mba hisokatra ny masony. Satria rehefa lasa any amin'Izao tontolo izao izy dia tsy ahita mangirana raha kely finoana. tOnga dia voatarika amin'ny lavaka mangitsokitsoka na dia mamirapiratra aza ny hitany eo. Eto no hanamafisana izany finoany izany raha mahay mampita izany ianao.
Ny mpanadihady toa ahy dia hampiseho hoe inona daholo moa ireo Fanahy voalaza fa ananantsika olombelona ireo. Tandremo fa misy karazany ireo sao mihevitra ianao mpihaino hoe mitovy daholo ny fanahy.
Inona moa ny asan'ny nofo izay isalorantsika io ary inona ny asan'ny Fanahy. Inona no atao hoe zao tontolo izao ary nahoana no nisy izao tontolo izao?
Ahoana ny fomba ahafahanao mampirindra ny nofonao sy ny Fanahy ao anatinao mba hanana filaminan-tsaina ary hikatsaka lalandava an'Andriamanitra. Satria io farany io no tena FAHASAMBARANA raha mbola eto ambonin'ny tany.
7. LazaDaddy ( 16/08/2006 01:39)
Somary ahitsiko kely ny tenin'i Soanja fa tsy miankina @ fahaizan'olona mampita velively ny handraisan'olona na tsia an'Andriamanitra. Ekeko anefa fa isika koa dia tokony hitandrina tsy hahatafitohina ny hafa.

Fehiny: Finoana aseho @ fitiavana sy asa no ilaina fa tsy fahaizana mandaha-teny sy mandresy lahatra. "Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery."

8. soanja ( 16/08/2006 01:41)

^:^^:^^:^^:^

9. majesty ( 16/08/2006 05:45)
Iny ndray no tsy hitako iny sujet iny,d iza amin'reo zany za zao :-w:-w
10. hery ( 16/08/2006 05:52)
Iza moa ianareo no afaka hitsara hoe anay? :-)

Eny ary fa ianareo no nomena ny fanahy afaka hitsara ny rahalahinareo
11. LazaDaddy ( 16/08/2006 06:08)
hery:
Iza moa ianareo no afaka hitsara hoe anay? :-)
Aiza no misy resaka hoe "anay" ry Hery fa sao dia misy fanahy mamaky vilana koa aho? :)

hery:
Eny ary fa ianareo no nomena ny fanahy afaka hitsara ny rahalahinareo
Izany tokoa ve?
12. LazaDaddy ( 16/08/2006 06:30)
majesty:
Iny ndray no tsy hitako iny sujet iny,d iza amin'reo zany za zao :-w:-w
tena mampieritreritra araka ny teninao tokoa: ilay sokajy voalohany ve no misy ahy sa ilay faharoa???

13. hery ( 16/08/2006 06:49)
Iza moa ianareo no afaka mitsara anay?

Matoa napetrak'i LazaDaddy io resaka io dia nojereny sy nasokajiny tsirairay izay mpiresaka eto. Dia napetrany (notsarainy) amin'ny toerany ny tsirairay.
14. LazaDaddy ( 16/08/2006 06:57)
hery:
Iza moa ianareo no afaka mitsara anay?
Tsy misy fitsarana mihitsy aloha eto hoe i ranona tahaka izao na i anona tahaka izao.
hery:
Matoa napetrak'i LazaDaddy io resaka io dia nojereny sy nasokajiny tsirairay izay mpiresaka eto.

- adihevitra ara-pinoana no resahina (tsy voatery ho serasera)
- izaho koa dia mpiadihevitra ara-pinoana ary mbola mandini-tena hoe iza amin'ireo sokajy ireo no misy ahy. Noho izany tsy ilaiko fantatra akory ny momba ny olon-kafa fa ny tenako aza tsy haiko :)
- Jereo ery ambony fa ny Baiboly no nanome an'ireo sokajy ireo fa tsy izaho akory no mitsara araka ny fijerinao. :^)

15. diamondra27 ( 16/08/2006 07:52)
lazaDaddy: za tsy manampy an'i hery fa kosa misy fahamarinana kely le lazainy

fa de ahitsio fotsiny e!

Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 16-08-2006 11:33:58
Lohateny : ireo karazan'olona hita eto
Azo sokajiana ho 2 (roa) ny olona hita amin'ny adihevitra ara-pinoana:

- Ireo mandeha araka ny fitarihin'ny fanahy.
- Ireo fatra-pitady fanazavana na porofo araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo.

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Korintianina 2:14

io no lohateninao , donc le hoe "eto" io tsy nofaritanao tsra hoe: eto @ serasera sa eto antany

de zay fotsiny ange e! aza itarina sao misy fanahy tsy mety eo tafiditra

hanamafisako any ntenin'i LazaDaddy de miombonkavitra aminy aho
Ilaina ny hotarihan'ny Fanahy Masina
16. Fiffi ( 16/08/2006 07:53)

Ny ahy aloha de Andriamanitra hiany no mahafantatra
hoe @ sokajy aiza no misy ahy an!

Amiko tsy misy olombelona afaka hilaza na hitsara ahy hoe aiza no sokajy misy ahy satria tsy misy mahafantatra ny finoako na zay fombako hinoako an'Andriamanitra! Ka hankiniko an'Andriamanitra irery io!

17. LazaDaddy ( 16/08/2006 07:57)
Diamondra> angamba ny lohateny no diso na tsy mazava tsara fa izao no mety kokoa:

ireo karazan'olona mety ho hita eto

izay? :) Misaotra t@ fanamarihana :-*
18. diamondra27 ( 16/08/2006 08:13)
ka eto azia fa sao de tsy mazava, fa lazain'olona mitsara azy eo ianao e!
eto antany sa eto @ forum?

LazaDaddy: tsisy fisaorana:-*:-*
19. LazaDaddy ( 16/08/2006 08:17)
mety ho hita eto: sady mety ho eto an-tany no mety ho eto @ forum.

Milaza ny sokajy mety ho hita aho, araka ny voasoratr'i Paoly (ooops! araka ny fitsaran'i Paoly ve? :lol:). Anjaran'ny tsirairay (anisany aho) ny mandinika hoe sokajy inona no misy ahy. :-*
20. Fiffi ( 16/08/2006 08:38)
LazaDaddy:
Milaza ny sokajy mety ho hita aho, araka ny voasoratr'i Paoly (ooops! araka ny fitsaran'i Paoly ve? :lol:).
aiza ho aiza anaty Baiboly no hahitana an'zany fitsaran'i Paoly zany fa tena mahaliana ahy mihintsy an!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3102