ireo karazan'olona hita eto

41. diamondra27 ( 16/08/2006 17:34)
hesha:

ny olona mandeha araka ny nofo de:

galatiana 5:19 à 21

19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.



ny olona mandeha araka ny fanahy de tahaka ity:
galatiana 5: 22



22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.


42. Achia ( 16/08/2006 20:17)
Ireo nolazain'i diam reo nge zao de efa misy tsy mahazaka e ! nefa de ao anaty baiboly ka eo no hipotran'ilay hoe tarihin'ny fanahy sa fievitra araka ny nofo ihany
43. pissoa ( 16/08/2006 20:30)
Achia - vakiao tsara ny size fa hors size tampoka io lazainao io :-D:-D:-D
44. pissoa ( 16/08/2006 20:31)
Hihihi - toa ilay valiny nomen'i sefo marina kay no valiny dia tapitra ny ady hevitra kle :roll:
45. LazaDaddy ( 17/08/2006 00:08)
Aicha> ka izay mihitsy ilay fototryny adihevitra. Samy te hiditra eto na ny araka ny nofo na ny araka ny fanahy. Fa rehefa mandroso ny dinika ka tsy mahita ny porofo (araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo) tadiaviny ilay sokajy faharoa dia toy ny mirediredy aminy ilay sokajy voalohany.
Fa ny zava-dehibe dia ny fandinihantenantsika tsirairay hoe aiza amin'ireo sokajy ireo ny misy ahy?
46. Solitikabe ( 17/08/2006 01:32)
Hoy i Lazadaddy hoe: "Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. I Korintianina 2:14"
Ka ilay hafatra anie Tompoko tsy atao am-bakiteny kosa eh, raha io voalaza io mantsy izany dia toa diso Atra nanao ny olona ho nofo, fa tokony nataony fanahy fotsiny ny olona raha tiany sy noheveriny ho zanany tokoa. Sa ahoana hoy nareo?
47. LazaDaddy ( 17/08/2006 01:54)
Solitikabe:
Ka ilay hafatra anie Tompoko tsy atao am-bakiteny kosa eh
Ataovy sy amboary araka izay mifanaraka @ sainao ary ry Solitika be a :lol:
48. prime ( 17/08/2006 06:51)
Solitikabe> Tsy Andriamanitra mihitsy no diso namorona ny olombelona fa ireo no nandika ny tenin'Andriamanitra ka nanota ary voaozona... hany ka lasa mifanohitra ny fanahy sy ny nofo (ilay voaozona ny ho faty)... Tanteraka no namoronan'Andriamanitra ny olona fa ny olona no nivadika ka inona no fahadisoan'Andriamanitra @ izany?
LD> ny ahy indray ny fahitako azy dia tsotra fotsiny hoe misy ny mino an'i Jesosy Kristy dia misy ny tsy mino... raha asiana ihany ny sokajy...
49. diamondra27 ( 17/08/2006 09:24)
pissoa: za kosa tsy d'accord @izany satria tsy nijanona teo @ le hoe eto ihnay le resaka = lohahevitra fa mbola nisy tohiny de hoe: momba ny olona tarihin'ny Fanahy sy ara-nofo.

Donk ny dinika mandeha eto izany eto amiko de momba ireo sokajy ireo

de zay vao afaka miditra le hoe: sokajy tsara sy ratsy

50. pissoa ( 17/08/2006 10:15)
Ka tsy azoko ihany anie izany ze tena resahina e :-D:-D:-D Fa ireto ny hevitro amin'izay hoe karazana size mandeha eto:

Ny karazan'olona mety ho hita eto ... betsaka - fa raha sokajiana ho roa dia tsara sy ratsy :-D

Ny momba ny olona tarihin'ny Fanahy sy ara-nofo. Ny olona manam-panahy dia manam-pitiavana, fifaliana sns. Ny olona miaina araka ny nofo fotsiny dia mijangajanga sns :-D

Ny olona taritin'ny Fanahy rehefa miady hevitra sy ny olona mikaropa porofo araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo. Tsy hoe izay mitady porofo araka ny lojikan'ny fiainana ara-nofo akory dia tsy notaritin'ny Fanahy :-D
51. prime ( 17/08/2006 10:27)
pissoa> :-D:-D:-D
52. diamondra27 ( 17/08/2006 10:29)
pissoa: zay vao manakaiky ny hevitsika 2
53. prime ( 17/08/2006 11:16)
dia mba asio :* ary e...
54. cutie ( 17/08/2006 12:35)
Fa nga moa isika reto tsy olon'ny nofo daholo:roll::roll::roll:
raha olon'ny fanahy ve tsy efa niakatra tany an-danitra:-D:-D:-D:-D
55. diamondra27 ( 17/08/2006 13:04)
cutie: olon'ny nofo daholo à la base fa afaka mandeha araka ny Fanahy selon le choix ny olona

fa tsy any andanitra izany vao handeha araka ny fanahy
56. cutie ( 17/08/2006 13:12)
ok:lol::lol::lol::lol:
57. soanja ( 17/08/2006 13:50)
Ny fanahy no mahaolona hoy ny Gasy.
58. cutie ( 17/08/2006 13:51)
hafa njay iny ry soanja:wink:
59. diamondra27 ( 17/08/2006 13:53)
romana 8:5-17



5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.

6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)

7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany.

8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.

9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.

11 Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.

12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.

13 Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan'ny tena, dia ho velona hianareo.

14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.

15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô.

16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.

17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.


io ihany koa izany no manambara amintsika hoe: ahoana ny izany miaina ara-nofo izany sy ara-panahy
60. soanja ( 17/08/2006 14:11)
Cutiea , hafa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1222