tena efa ela mihintsy...

21. Fiffi ( 10/08/2006 16:39)
xxx:
raha mbola lazaina fa mitahy ny razana ka tokona havadika, maninona izy tsy mivoaka irery tao ampasana tao aloha dia mamadika irery ny tenany eo; dia avy eo hita eo indray ny manaraka..
O! ry xxx aahhh !! zao hiany le resaka tsy miady rehefa miafina tahak'zao nareo an! Mba hasio haja ny fomban-drazan'ny hafa !!!!


22. cutie ( 10/08/2006 16:41)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 10-08-2006 21:39:41
Lohateny : Re : tena efa ela mihintsy...
cutie: ilaina tokoa ny famadihana ary tokony ho atao raha te ampahantra firenena sy ny mampandandy sy hampitrosona ny olona @ tany sy vovoka.
raha mampandroso ny famadihana dia efa noverezin io nosintsika io lavitra ireo firenena matanjaka ireo.

fa manin noa avadika any @ resaka fandrosoaan le izy ??
resaka fomba io :roll:
23. Herimiafina ( 10/08/2006 16:44)
ka ny fandrosoan'i xxx anie mety efa fandroasoana ara-materialy be sisa e! Ny filan'ny nofo no mety ho betsaka fa ny filan,ny saiona mety zero negatif! hehehehe:-D
24. xxx ( 10/08/2006 16:45)
Fiffi: Za malagasy ray sy reny toa anao ary fomban-drazako io famadihana io. fa amiko tsy rehefa hoe fomban-drazana dia tokony atao avokoa ary mety.
asa mazava aminao angamba ny tiako lazaina. 8-)
25. Fiffi ( 10/08/2006 16:45)
xxx:
cutie: ilaina tokoa ny famadihana ary tokony ho atao raha te ampahantra firenena sy ny mampandandy sy hampitrosona ny olona @ tany sy vovoka.
raha mampandroso ny famadihana dia efa noverezin io nosintsika io lavitra ireo firenena matanjaka ireo.
xxx: inona no idiran'ny harena sy ny fahantrana @ famadihana ? henaro aloha ny hatao hoe fomban-drazana de ho hainao maninona ny olona manao an'zany famadihana zany !


26. xxx ( 10/08/2006 16:47)
cutie: eny ary fa atao hoe fomba ilay izy. fa fomba mitondra mankaiza?
27. cutie ( 10/08/2006 16:48)
fomba mitondra @ fifanajana :roll:
28. Herimiafina ( 10/08/2006 16:51)
xxx:

Fiffi: Za malagasy ray sy reny toa anao ary fomban-drazako io famadihana io. fa amiko tsy rehefa hoe fomban-drazana dia tokony atao avokoa ary mety.
asa mazava aminao angamba ny tiako lazaina. 8-)



Ary raha tsy resaka fitahiana na resaka fandaniambola be fahatany?

"ilay olona izay":

Patrimoine symbolique:

  1. patrimoine ekonomique=vola, harena...
  2. patrimoine social=fihavanana, finoaana, kiltiora,..
  3. patrimoine intellectuel: fahaizana sy savoir faire.



Misy foana aloha ny olona mibolila saingy tsy azo generaliser-na mihintsy izy io hoe ratsy ity na ity, maro mantsy ankehitriny ny mitanisa fotsiny izay nolazain'olona azy fa tsy manao analizy tsara. :-D
29. betay78 ( 10/08/2006 16:53)
heny e,aleo tsy hifanditra @izay resaka izay isika.samy mananany heviny ny tsirairay.ohatran'ny manontany @arabo hoe ilaina ve ny ramadan?ou maninona no tsy mihinan-kisoa?
30. xxx ( 10/08/2006 16:53)
Fiffi: ny aton ny anaovan ny olona ny famadihana dia hoe fangataham-pitahiana. sa tsy izany?
fitahiana ve tsy hoa fivoarana ho @ tsaratsara kokoa? na tsy hiresaka hoe harena aza fa hoe fisainana fotsiny aza.
Miala tsiny aho fa tsy mahatsapa izany fivoarana izany ao aloha raha any madagasikara
31. cutie ( 10/08/2006 16:54)
marina zany :lol:
32. Fiffi ( 10/08/2006 16:59)
xxx: ka raha izany aza no fomban-drazany de hatao ahoana ? tadidio tsara koh fa t@ Madagasikara mbola tsy azo natao hoe nahantra nefa nivohatra hiany de efa nisy ny famadiana ! Nga moa io famadiana io nanjary nampahantra an'i Madagasikara ?
33. betay78 ( 10/08/2006 17:00)
marin'azay!
34. cutie ( 10/08/2006 17:00)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 10-08-2006 21:53:31
Lohateny : Re : tena efa ela mihintsy...
Fiffi: ny aton ny anaovan ny olona ny famadihana dia hoe fangataham-pitahiana. sa tsy izany?
fitahiana ve tsy hoa fivoarana ho @ tsaratsara kokoa? na tsy hiresaka hoe harena aza fa hoe fisainana fotsiny aza.
Miala tsiny aho fa tsy mahatsapa izany fivoarana izany ao aloha raha any madagasikara

tsy voatery we zay ihany no atao we fitahiana:lol:
35. pissoa ( 10/08/2006 17:06)
Ny olona sasany manao famadihana hoe fangataham-pitahiana, ny olona sasany tsia. Ka tsy ny famadihana zany no tokony ariana fa ny fisainana hoe fangataham-pitahiana amin'ny razana ny famadihana.

Izaho (manao famadihana izahay)- dia manaiky mihitsy hoe misy fomba ratsy mbola misy manao amin'ny famadihana (indrindra misy tsy mifanaraka amin'ny mahaKristianina) - dia ireny no ialana, fa tsy hoe ny famadihana no ariana satria misy mahatsara azy koa io.

Raha misy te handinika lalindalina kokoa - dia vangio ny blaogin'i Dadafara ( http://dadafara.blaogy.com ) fa misy lahatsoratra maromaro ao, niresahany an'io. Misy ny lafy ratsiny ao - dia misy ny lafy tsarany.
36. Herimiafina ( 10/08/2006 17:35)
Marina izany ramatoakely pissoa!
Ny ahy aloha aleoko ihany klou sakalava diso e. Haratsio eo anie io fa tonga dia haratsiako hoe fomba avy aiza ity mivavaka amin'ny vazaha ity? Kou raha tsy hoe ny vazaha no niteny izany dia marian foana an? Ka raha hinana maloto izy dia hanao koa ve?
sady tsy azo reshana eto koa ny fandrosoana satria ampahafirin'ny lanin'ny mpamadika moa ny volabe lany amin'ny transfert de valeur ajoutée amin,ny fanafarambola avy any dago lava io e (vola gasy makany andafy hamelomanjanaka mianatra sy miasa any)! Iny aza no tonga dia misy impact any amin'ny MID hehehehe:-D
37. xxx ( 10/08/2006 17:43)
Tsisy afaka ny hanery anizaniza koa nge hoe tsy ilaina intsony izany famadihana izany fa n inon inona lazaina dia famadihana = resaka faty sy vovoka izay no ao. ka inona no antenainao azo avy @ vovoka? an? 8O
38. Herimiafina ( 10/08/2006 17:48)
Fihavanana, fifamelankeloka, sns....

Maro ny zavatra tsy hita maso tsy hitan'ny materialista amin'ireny fait social ireny.

Tsy hanao cours-na evaluation economika TCM na CVM eto aho na ny evaluation edonistique, sns fa samy hafa mihinsty ny systeme de valeur-n'ny olona ka tsy misy afaka ny hi-imposer izay valerany na ny andaniny na ny ankilany.

Ny manaratsy anefa dai manambara tsy fahampian'ny analizy, mino aho fa hevitr'olona nadika no betsaka fa tsy conviction'ny tena akory! :)
39. pissoa ( 10/08/2006 17:50)
Andriamatoa Herimiafina:
ampahafirin'ny lanin'ny mpamadika moa ny volabe lany amin'ny transfert de valeur ajoutée amin,ny fanafarambola avy any dago lava io e (vola gasy makany andafy hamelomanjanaka mianatra sy miasa any)!

Sao mifamadika :roll: Ampahafirin'ny lany amin'ny vola be alefa any andafy moa ny vola lanin'ny mpanao famadihana :roll::-D:-D:-D
40. pissoa ( 10/08/2006 17:53)
xxx:
Tsisy afaka ny hanery anizaniza koa nge hoe tsy ilaina intsony izany famadihana izany fa n inon inona lazaina dia famadihana = resaka faty sy vovoka izay no ao. ka inona no antenainao azo avy @ vovoka? an?
Ndana vakio le blaogy noteneniko io raha tsy hitanao ny azo avy ao fa betsaka ao :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1679